Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza i Paoly fa ny mpitondratena “nanambady tokana” ihany no afaka mahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana kristianina. Inona no dikan’izany?—1 Timoty 5:9.

Midika ve izany fa tokony ho indray mandeha ihany ny mpitondratena no nanambady? Sa zavatra hafa no tian’ny apostoly Paoly holazaina? *

Misy milaza fa ireo mpitondratena nanambady indray mandeha monja no tian’i Paoly horesahina. Tsy mifanaraka amin’ny tenin’i Paoly any amin’ny andinin-teny hafa anefa izany fiheverana izany, na dia tena hajain’ny olona any amin’ny faritra maro aza ny vehivavy maty vady ka tsy manambady intsony. Nilaza tamin’ny Kristianina tany Korinto, ohatra, izy fa ho sambatra kokoa ny vehivavy maty vady, raha tsy manambady intsony. Nataony mazava anefa fa “afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39, 40; Romanina 7:2, 3) Izao koa no lazainy ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty: “Iriko hanambady ny vehivavy mpitondratena tanora.” (1 Timoty 5:14) Tsy azo omen-tsiny àry ny vehivavy maty vady raha manambady indray.

Inona àry no tena dikan’ilay tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:9? Midika ara-bakiteny hoe “vehivavy manambady lehilahy iray” ny hoe ‘manambady tokana’, amin’ny teny grika tany am-boalohany. Midika ara-bakiteny hoe “lehilahy manambady vehivavy iray” kosa io teny io, ao amin’ny andinin-teny hafa nosoratan’i Paoly. (1 Timoty 3:2, 12; Titosy 1:6) Nampiasa an’ilay teny hoe “manambady tokana” i Paoly, rehefa nitanisa an’ireo fepetra takina amin’ny mpiandraikitra kristianina sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Izao àry no tena dikan’io teny io ao amin’ireo andininy ireo: Tsy maintsy mahatoky amin’ny vadiny sady tsara fitondran-tena ny lehilahy iray vao mahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina. * Tsy misy hafa amin’izany koa àry ny hevitr’ilay tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:9. Tokony ho nahafoy tena sy tsy nivadika tamin’ny vadiny ny mpitondratena iray, ary tokony hanana fitondran-tena tsy misy hokianina, vao afaka mahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana. Mbola fepetra takina amin’ny vehivavy mpitondratena ihany no tanisain’i Paoly, ao amin’ilay andininy manaraka.—1 Timoty 5:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy ny hanameloka ny vehivavy mampirafy no nanoratan’i Paoly an’io teny io tamin’i Timoty, satria tsy nahazo nanao izany ny vehivavy tany amin’ny toerana nanjakan’ny Grika sy ny Romanina, tamin’ny andron’i Paoly.

^ feh. 5 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1996, pejy 17.