Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fanatitra Ankasitrahan’Andriamanitra?

Inona no Fanatitra Ankasitrahan’Andriamanitra?

Inona no Fanatitra Ankasitrahan’Andriamanitra?

HOY ny boky Ny Firenena Matanjaka Azteky (anglisy): ‘Ny Azteky no nanao sorona olombelona be indrindra hatramin’izay, tany Amerika Afovoany sy ny faritra atsimon’i Amerika Avaratra. Nino izy ireo fa avy amin’ny fahafatesana ny fiainana. Natoky kokoa ny fanjakana ny vahoaka, arakaraka ny habetsahan’ny ra alatsaka.’ Nisy boky nilaza fa nahatratra 20 000 isan-taona ny olona nataon’ny Azteky sorona.

Nanao sorona samihafa ho an’ny andriamaniny ny olona, noho ny tahotra sy ny ahiahy, na noho ny nenina sy ny fahatsapana ho meloka. Nandidy ny hanaovana fanatitra sasany koa i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, araka ny voalazan’ny Baiboly. Inona àry no fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra? Mbola misy fanatitra sy sorona tokony hatao ve ankehitriny?

Fanatitra sy sorona eo anivon’ny fivavahana marina

Rehefa avy namorona ny firenen’ny Israely i Jehovah, dia nanome toromarika mazava mahakasika ny fomba tiany hanompoan’izy ireo azy, ka anisan’izany ny fanaovana fanatitra sy sorona. (Nomery toko faha-28 sy 29) Vokatry ny tany no natao fanatitra, na biby toy ny omby, ondry, osy, voromailala, ary domohina. (Levitikosy 1:3, 5, 10, 14; 23:10-18; Nomery 15:1-7; 28:7) Nisy fanatitra odorana, izay tsy maintsy nolevonina tamin’ny afo. (Eksodosy 29:38-42) Teo koa ny fanati-pihavanana, izay nisy ampahany nohanin’ireo nanolotra izany ho an’Andriamanitra.—Levitikosy 19:5-8.

Anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fanatitra sy ny sorona rehetra natao teo ambany Lalàn’i Mosesy. Nasehon’ny Israelita tamin’izany fa nanaiky an’i Jehovah ho Mpanjakan’izao rehetra izao izy ireo. Nanao fanatitra koa izy ireo ho fankasitrahana ny fitahian’i Jehovah sy ny fiarovany, ary mba hahazoana famelan-keloka. Nandray fitahiana tondraka izy ireo, raha mbola nanompo an’Andriamanitra araka ny toromarika nomeny.—Ohabolana 3:9, 10.

Ny fitondran-tena sy ny toe-pon’ireo nanao fanatitra no tena zava-dehibe tamin’i Jehovah. Hoy izy tamin’ny alalan’i Hosea mpaminany: “Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra odorana.” (Hosea 6:6) Tsy nisy vidiny tamin’i Jehovah àry ny fanatitra natolotry ny Israelita, rehefa niala tamin’ny fivavahana marina izy ireo ka lasa ratsy fitondran-tena sy nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? ... Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra odorana sy ny saboran’ny zanak’omby mifahy Aho, ary tsy sitrako ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.”—Isaia 1:11.

‘Zavatra tsy mba nandidiako akory’

Nifanohitra tanteraka tamin’ny zavatra nataon’ny Israelita no nataon’ny mponina tao Kanana. Ny zanany no nataon’izy ireo fanatitra ka natolony ho an’ny andriamaniny, anisan’izany i Moloka na Milkoma, andriamanitry ny Amonita. (1 Mpanjaka 11:5, 7, 33; Asan’ny Apostoly 7:43) Hoy Ny Boky Ara-baiboly Nosoratan’i Halley (anglisy): “Nanaram-po tamin’ny fitondran-tena maloto teo anatrehan’ny andriamaniny ny Kananita, rehefa nanompo azy ireo. Avy eo dia natolony ho fanatitra ho an’ireo andriamanitra ireo ny zanany voalohany.”

Nankasitraka izany fanao izany ve i Jehovah Andriamanitra? Tsy izany velively. Nandidy ny Israelita toy izao i Jehovah, rehefa hiditra ny tany Kanana izy ireo, araka ny Levitikosy 20:2, 3: “Lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ny Zanak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy. Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masina sy hanamavoany ny anarako masina.”

Toa tsy nampino ny hoe nanaraka io fanao avy amin’ny demonia io ireo Israelita niala tamin’ny fivavahana marina, ka nanolotra ny zanany ho fanatitra ho an’andriamani-diso. Hoy ny Salamo 106:35-38 momba izany: “Nifangaro tamin’ny jentilisa izy ka nianatra ny fanaony, dia nanompo ny sampiny izy, ka dia nody fandrika ho azy izany. Namono ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo; eny, nandatsaka ra marina izy, dia ny ran’ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy, izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; ka dia nametaveta ny tany tamin’ny ra izy.”

Tena halan’i Jehovah io fanao io. Izao no nolazainy momba ny taranak’i Joda, tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany: “Mametraka ny fahavetavetany ao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy. Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.”—Jeremia 7:30, 31.

Tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra intsony ny firenen’ny Israely, noho izy ireo nanaraka an’io fanao maharikoriko io. Rava i Jerosalema renivohiny, tatỳ aoriana, ary lasa babo tany Babylona ny mponina tao. (Jeremia 7:32-34) Mazava, araka izany, fa tsy nandidian’ilay Andriamanitra marina ny fanaovana sorona olombelona, sady tsy anisan’ny fivavahana marina. Avy amin’ny demonia ny sorona olombelona, ary manalavitra ny fombafomba rehetra mifandray amin’izany ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra.

Ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy

Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Nahoana àry i Jehovah no nandidy ny Israelita mba hanao sorona biby?’ Nametraka an’io fanontaniana io ny apostoly Paoly sady nanome ny valiny: “Inona àry no anton’ny Lalàna? Nomena koa izy io mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka izay nanaovana an’ilay fampanantenana ... Koa nanjary mpitaiza antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy.” (Galatianina 3:19-24) Ny sorona biby teo ambany Lalàn’i Mosesy, dia nifanitsy tamin’ny sorona lehibe kokoa nataon’i Jehovah Andriamanitra ho an’ny olombelona, izany hoe ny soron’i Jesosy Kristy Zanany. Hoy i Jesosy momba izany fanehoam-pitiavana izany: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Tia an’Andriamanitra sy ny olombelona i Jesosy, ka vonona hanao sorona ny ainy lavorary mba hanavotana ny taranak’i Adama. (Romanina 5:12, 15) Hoy i Jesosy: “Tsy tonga mba hotompoina [ny Zanak’olona] fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Tsy misy olona ankoatra an’i Jesosy, afaka manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama. (Salamo 49:7, 8) Nanazava i Paoly fa ‘tsy ran’osy sy ran-janak’omby no nentin[’i Jesosy] niditra tao amin’ny toerana masina, fa ny ran’ny tenany. Eny, niditra indray mandeha monja [tao] izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika.’ (Hebreo 9:12) Nankasitraka ny ra nataon’i Jesosy fanatitra Andriamanitra, ka ‘namono ilay sora-tanana niampanga antsika.’ Nofoanan’i Jehovah àry ny fifaneken’ny Lalàna, izay nitaky ny hanaovana sorona sy fanatitra, ka afaka mahazo ny “fiainana mandrakizay” isika.—Kolosianina 2:14; Romanina 6:23.

Sorona sy fanatitra amin’ny andro ankehitriny

Tsy takina ao amin’ny fivavahana marina intsony ny fanatitra sy ny sorona biby. Midika ve izany fa tsy misy fanatitra takina intsony ankehitriny? Tsy izany mihitsy. Nahafoy tena tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ary nanolotra ny ainy mba hahasoa ny olombelona. Hoy àry izy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24) Midika izany fa misy sorona tsy maintsy ataon’izay rehetra te hanara-dia an’i Jesosy. Inona avy izany?

Tsy velona ho an’ny tenany intsony, ohatra, ny tena mpanara-dia an’i Kristy, fa velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra no ataony loha laharana eo amin’ny fiainana. Hoy i Paoly momba izany: “Miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo. Ary aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.”—Romanina 12:1, 2.

Milaza koa ny Baiboly fa manao fanatitra ho an’i Jehovah isika rehefa midera azy. Nilaza i Hosea mpaminany fa natolotry ny Israelita ‘ho solon’ny vantotr’ombilahy ny teny avy amin’ny molotr’izy ireo.’ (Hosea 14:3, Fandikan-teny Katolika) Asehon’izany fa heverin’Andriamanitra ho anisan’ny fanatitra tsara indrindra ny fiderana avy amin’ny molotsika. Nampirisika ny Kristianina hebreo ny apostoly Paoly mba ‘hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.’ (Hebreo 13:15) Be atao amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, sy ny fampianarana an’ireo olona any amin’ny firenena rehetra, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (Matio 24:14; 28:19, 20) Manao sorona fiderana ho an’Andriamanitra andro aman’alina izy ireo, eran-tany.—Apokalypsy 7:15.

Ankoatra ny fitoriana, dia anisan’ny sorona ankasitrahan’Andriamanitra koa ny fanaovana soa ho an’ny hafa. Nampirisika antsika i Paoly hoe: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16) Tena tokony ho tsara fitondran-tena ny olona iray, raha tiany hankasitrahan’Andriamanitra ny sorona fiderana ataony. Hoy i Paoly: “Aoka ianareo hitondra tena mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy.”—Filipianina 1:27; Isaia 52:11.

Tena mahafaly sady ahazoana ny fitahian’i Jehovah, ny sorona rehetra atao mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Aoka àry isika hanao araka izay fara herintsika mba hanolorana fanatitra tena ankasitrahan’Andriamanitra!

[Sary, pejy 18]

‘Novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana ny zanany lahy sy ny zanany vavy’

[Sary, pejy 20]

Manolotra fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra ny tena Kristianina, rehefa mitory ny vaovao tsara sy manampy ny olona amin’ny fomba hafa