Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny Baiboly

Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny Baiboly

Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny Baiboly

niala tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesosy, ary tsy niverina tao intsony. Hoy anefa ny mpianany iray momba azy io: “Mpampianatra ô, mba jereo ange ireto vato sy trano ireto e!” Nirehareha erỳ ny Jiosy noho io tempoly io. Hoy anefa i Jesosy: “Hitanao ve ireo trano be ireo? Tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.”—Marka 13:1, 2.

Tena tsy nampino izany teny izany! Goavana mantsy ny vato sasany nanaovana an’ilay tempoly. Ankoatra izany, ilay tenin’i Jesosy hoe harodana ny tempoly, dia midika fa ho rava koa i Jerosalema. Mety ho foana hatramin’ny firenena jiosy aza, satria ny tempoly no foibem-pivavahan’izy ireo. Nanontany an’i Jesosy àry ny mpianany hoe: “Lazao aminay: Rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana rehefa tsy maintsy hifarana izany rehetra izany?”—Marka 13:3, 4.

Nampitandrina anefa i Jesosy fa “mbola tsy ho tonga ny farany.” Handre ady, horohoron-tany, mosary, ary areti-mandringana any amin’ny tany samihafa aloha, ny mpianany. Hisy zavatra mampahatahotra aorian’izay, ary hiharan’ny loza mbola tsy nisy toa azy ny Jiosy. Ho “fahoriana lehibe” tokoa izy io. Hamonjy ny “olom-boafidy”, na ny Kristianina mahatoky, anefa Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana?—Marka 13:7; Matio 24:7, 21, 22; Lioka 21:10, 11.

Nikomy tamin’ny Romanina ny Jiosy

Mbola niandry ny fahatanterahan’ilay faminaniana ny Kristianina tao Jerosalema, 28 taona taorian’ny nilazan’i Jesosy azy io. Nisy ady, horohoron-tany, mosary, ary areti-mandringana, nanerana ny Fanjakana Romanina. (Jereo ny efajoro, pejy 9.) Nipoaka ny ady an-trano sy adim-poko tany Jodia. Toa nilamina ihany anefa ny tao Jerosalema, noho ny mandan’ilay tanàna. Mbola nisakafo sy niasa ny olona, ary nanambady sy niteraka, toy ny hatramin’izay ihany. Natoky izy ireo fa tsy ho rava ilay tanàna ary tsy hisy loza hitranga, satria mbola teo ilay tempoly lehibe.

Nanoratra ho an’ny Kristianina tao Jerosalema ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 61 tany ho any. Nidera azy ireo izy, noho ny fiaretan’izy ireo. Natahotra anefa izy satria nisy tamin’izy ireo toa nanadino fa efa akaiky ny farany. Tsy matotra kosa ny sasany, ary voatarika hiala tamin’ny fahamarinana mihitsy aza ny hafa. (Hebreo 2:1; 5:11, 12) Nampirisika azy ireo i Paoly hoe: ‘Koa aza ariana àry ny fahasahianareo miteny. Fa “efa tena kely sisa” dia “ho tonga ilay ho avy, ary tsy hitaredretra.” “Fa ho velona noho ny finoana ny oloko marina”, fa “raha mihemotra izy, dia tsy hankasitrahako.” ’ (Hebreo 10:35-38) Tonga ara-potoana tokoa io torohevitra io! Haneho finoana àry ve ireo Kristianina ireo, ka ho mailo hatrany sy hiandry ny fahatanterahan’ilay faminanian’i Jesosy? Efa akaiky tokoa ve ny fandravana an’i Jerosalema?

Niharatsy hatrany ny toe-draharaha tao Jerosalema, nandritra ireo dimy taona nanaraka. Tamin’ny taona 66, dia naka talenta 17 tao amin’ny volan’ny tempoly i Florus Governora Romanina. Tia vola loatra mantsy izy, ka nalainy hanonerana ny ‘hetra tsy voaloan’ny Jiosy’, hono, io vola io. Tezitra be ny Jiosy, ka nikomy. Nirohotra tao Jerosalema ny Jiosy mpikomy, na Zelôta, ary namono ny miaramila romanina tao. Nambaran’izy ireo taorian’izay, fa tsy zanatany romanina intsony i Jodia. Raikitra àry ny adin’i Roma sy Jodia!

Telo volana taorian’izay, dia nianatsimo i Cestius Gallus, governora romanina tany Syria. Nitondra miaramila 30 000 izy, mba hampandry tany. Tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo no tonga tao Jerosalema ilay tafika, ary vetivety dia tafiditra tany amin’ireo tanàna manodidina. Vitsy ireo Jiosy mpikomy, ka niafina tao an-tokotanin’ny tempoly voahodidina manda. Noravan’ny miaramila romanina tsikelikely anefa ilay manda. Tsiravina sady raiki-tahotra ny Jiosy noho izany! Tsy nampino mantsy hoe miaramila mpanompo sampy no nanimbazimba ny toerana masina indrindra tamin’ny Fivavahana Jiosy! Ireo Kristianina tao an-tanàna kosa nahatsiaro ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Raha vantany vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zavatra maharikoriko, dia aoka izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra.’ (Matio 24:15, 16) Hino ny tenin’i Jesosy àry ve izy ireo, ka hankatò azy? Niankina tamin’izany mantsy ny hahavoavonjy ny ain’izy ireo. Ahoana anefa no fomba handosirany?

Niala tampoka tao Jerosalema i Cestius Gallus sy ny tafiny, nefa tsy fantatra ny antony. Nankany amoron-tsiraka izy ireo, ary nenjehin’ny Jiosy mpikomy. Nahagaga fa lasa tampoka teo ilay fahoriana nandrahona an’ilay tanàna! Nanaporofo ny finoany ny tenin’i Jesosy anefa ireo Kristianina, ka nandositra nankany Pela, tanàna tsy nisy ady. Any an-tendrombohitra izy io, any ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Nety tsara ny fotoana nandosiran’izy ireo. Vetivety mantsy dia tafaverina tao Jerosalema ireo Jiosy mpikomy, ary notereny hiara-mikomy taminy ny olona tavela tao an-tanàna. * Tsy notandindomin-doza intsony ireo Kristianina rehefa tonga tany Pela. Tany izy ireo no niandry izay hitranga.

Nikorontana tanteraka ny firenena jiosy

Nisy tafika romanina hafa indray niainga ho any Jerosalema, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Ny Jeneraly Vespasien sy Titus zanany no nitarika azy io, ary nahatratra 60 000 be izao ny miaramila nentiny! Niomana ny hanafika izy ireo tamin’ny taona 67. Nandroso tsikelikely nanatona an’i Jerosalema izy ireo nandritra ny roa taona taorian’izay, ary nandresy an’izay rehetra nanohitra azy. Tamin’izany fotoana izany anefa, dia nifamono ireo Jiosy mpifahavalo tao Jerosalema. Potika ny tahirin-tsakafon’ilay tanàna, ravarava daholo ny manodidina ny tempoly, ary Jiosy maherin’ny 20 000 no maty. Tsy nanafika avy hatrany àry i Vespasien. Hoy izy: ‘Nahavita zavatra tsara kokoa noho izay nokasaiko hatao ny andriamanitry ny Romanina. Nataony izay hifamonoan’ireo fahavalontsika.’

Niverina tany Roma i Vespasien mba handray ny fitondrana, rehefa maty i Néron Mpanjaka Romanina. I Titus no navelany hanohy an’ilay fanafihana. Tonga tao Jerosalema i Titus tamin’ny taona 70, rehefa nanakaiky ny Paska. Tao avokoa tamin’izay ny mponina sy ny vahiny maro. Nokapain’ireo miaramila ny alan’i Jodia, ka nanaovany fefy hazo maranitra nirefy fito kilaometatra, nanodidina an’ilay tanàna nataony fahirano. Tanteraka tokoa ilay voalazan’i Jesosy hoe: ‘Hanangana fefy hazo maranitra manodidina anao ny fahavalonao, ka hohodidininy ianao ary hampahoriny amin’ny lafiny rehetra.’—Lioka 19:43.

Vetivety dia tsy nisy nohanina intsony tao an-tanàna. Nandroba ny tranon’ireo olona maty na efa ho faty, ny andian-jiolahy nirongo fiadiana. Vehivavy iray, fara fahakeliny, no namono sy nihinana ny zanany, ka nanatanteraka ilay faminaniana hoe: “Ary eo amin’ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren’ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon’ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy.”—Deoteronomia 28:53-57.

Resy i Jerosalema, taorian’ny fahirano naharitra dimy volana. Norobain’ny fahavalo sady nodorany, ilay tanàna sy ilay tempoly lehibe. Narodany avokoa ireo vato nifanaingina. (Daniela 9:26) Nahatratra 1 100 000 teo ho eo ny maty, ary 97 000 no lasa andevo. * (Deoteronomia 28:68) Zara raha nisy Jiosy tavela tany Jodia. Mbola tsy nisy loza toy izany tokoa teo amin’ilay firenena. Nisy vokany faran’izay ratsy ilay izy, teo amin’ny fitondrana jiosy sy ny fivavahan’izy ireo ary ny kolontsainy. *

Nisaotra an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo kosa ireo Kristianina tany Pela, satria voavonjy. Namonjy ny ain’izy ireo tokoa ny finoana ny faminanian’ny Baiboly!

Tokony hampisaintsaina antsika ankehitriny ireny zava-nitranga ireny. Tokony hanontany tena isika tsirairay hoe: ‘Moa ve aho manana ny finoana izay hamonjy ny aiko amin’ilay fahoriana lehibe efa akaiky? Moa ve aho “anisan’ireo manam-pinoana ho amin’ny famonjena ny aina”?’—Hebreo 10:39; Apokalypsy 7:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Nilaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa nanenjika ny Romanina nandritra ny fito andro ireo Jiosy mpikomy, ary niverina tao Jerosalema.

^ feh. 15 Tombanana ho Jiosy iray tao anatin’ny fito no maty, nanerana ny Fanjakana Romanina.

^ feh. 15 Hoy i Alfred Edersheim, Jiosy manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Efa niatrika zava-tsarotra maro ny Israely taloha, ary niharan-doza maro koa tatỳ aoriana. Mbola tsy nisy fahoriana toa [an’iny] mihitsy anefa teo amin’ny tantaran’izy ireo.”

[Tabilao, pejy 9]

Famantarana Tanteraka Tamin’ny Taonjato Voalohany

ADY:

Gaule (taona 39-40)

Afrika Avaratra (taona 41)

Grande-Bretagne (taona 43, 60)

Armenia (taona 58-62)

Adim-poko sy ady an-trano tany Jodia (taona 50-66)

HOROHORON-TANY:

Roma (taona 54)

Pompéi (taona 62)

Azia Minora (taona 53, 62)

Kreta (taona 62)

MOSARY:

Roma, Gresy, Ejipta (taona t. 42)

Jodia (taona t. 46)

ARETI-MANDRINGANA:

Babylonia (taona 40)

Roma (taona 60, 65)

MPAMINANY SANDOKA:

Jodia (taona t. 56)

[Sarintany/​Sary, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

Fanafihan’ny Romanina Tany Palestina, Taona 67-70

Ptolemaisy

Ranomasin’i Galilia

Pela

PERE

SAMARIA

Jerosalema

Ranomasin-tsira

JODIA

Kaisaria

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany ihany: Avy amin’ny sarintany nahazoan-dalana tamin’ny Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel

[Sary, pejy 11]

‘Nifamono ireo fahavalontsika.’—Vespasien

[Sary, pejy 11]

Nandrava an’i Jerosalema ny tafika romanina, tamin’ny taona 70

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Sary mivohitra: Soprintendenza Archeologica di Roma; Vespasien: Bildarchiv Preussischer Kulturbesitz/Art Resource, NY