Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady Torohevitra Mandaitra ny Olona

Mitady Torohevitra Mandaitra ny Olona

Mitady Torohevitra Mandaitra ny Olona

Ahoana no hitandremako ny fahasalamako?

Ahoana no hataoko mba hahasambatra ny fianakaviako?

Ahoana no hiatrehako ireo zava-tsarotra any am-piasana?

EFA mba nanontany toy izany ve ianao? Nahazo valiny nahafa-po ve anefa ianao? Misy 2 000 eo ho eo isan-taona ny karazam-boky mivoaka, momba an’ireo foto-kevitra lehibe ireo sy ny hafa koa. Any Grande-Bretagne fotsiny, dia mandany 80 tapitrisa livres sterling (300 000 tapitrisa ariary eo ho eo) isan-taona ny olona, mba hividianana boky misy torohevitra hanatsarana ny fiainana. Any Etazonia indray, dia mahazo 600 tapitrisa dolara (1 200 000 tapitrisa ariary) isan-taona ireo mpamoaka boky fampianaran-tena. Tsy ianao irery àry no mitady torohevitra mandaitra, momba ny fiainana andavanandro.

Hoy ny mpanoratra iray, momba an’ireny boky be dia be ireny: “Boky vaovao maro no mamerina fotsiny ny zavatra efa voasoratra tao amin’ny boky hafa.” Maro amin’ny torohevitr’izy ireny tokoa no efa voalaza ao amin’ilay boky tranainy indrindra. Io ilay boky feno fahendrena, miely indrindra eran-tany. Voadika amin’ny fiteny 2 400 eo ho eo izy io, na izy manontolo na ny ampahany aminy. Efa maherin’ny 4 600 tapitrisa no natao pirinty tamin’izy io. Tsy inona izany fa ny Baiboly.

Milaza mazava ny Baiboly hoe: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Marina fa tsy boky misy torohevitra momba ny zava-drehetra fanao andavanandro ny Baiboly. Ny hampahafantarana ny fikasan’Andriamanitra amin’ny olona no tena antony nanoratana azy io. Misy torohevitra maro momba ny olana mpahazo ny olombelona anefa izy io. Voalaza ao koa fa hahita soa izay manaraka ny tari-dalany. (Isaia 48:17, 18) Mandaitra foana ny toroheviny rehefa ampiharina, na inona na inona foko niavianao, na kolontsainao, na fanabeazana azonao. Diniho àry ny lahatsoratra manaraka, dia ho hitanao raha mandaitra tokoa ny torohevitry ny Baiboly, momba ny fahasalamana sy ny fianakaviana ary ny asa.