Nisy Heriny teo Amin’ny Fiainako ny Asa Fampianarana
Tantaram-piainana
Nisy Heriny teo Amin’ny Fiainako ny Asa Fampianarana
Notantarain’i Lynette Peters
Alahady maraina tamin’izay. Tonga haka anay ny miaramila amerikanina. Nisy miaramila iray niambina teo an-tampon-trano. Ny hafa kosa nandry teo amin’ny bozaka sady nitana basy efa voafahana. Niezaka ny ho tony izahay sy ireo misionera namako, rehefa namonjy an’ilay helikoptera niandry anay. Nanainga izahay ary folo minitra taorian’izay dia tonga tao amin’ilay sambon’ny tafika, izay nijanona teo akaikin’ny morontsiraka.
RENAY ny ampitson’iny, fa nanjera baomba tao amin’ilay hotely niafenanay ny mpikomy. Lasa ady mangotraka ilay hotakotaka efa an-taonany maro, tany Sierra Leone. Tsy maintsy nandositra avy hatrany ny vahiny rehetra, anisan’izany izahay. Nahoana aho no tojo an’io toe-javatra io? Aleo hohazavaiko hatramin’ny voalohany.
Tany Guyana Britanika no nahabe ahy. Guyana no ahafantarana azy io nanomboka tamin’ny 1966. Tsy nanan-java-mahory aho fony kely, izany hoe taoriana kelin’ny taona 1950. Sarobidy tamin’ny ray aman-dreny maro ny fanabeazana, tamin’izany, ary nantenaina hianatra tsara ny ankizy. Hoy ny mpiasan’ny banky iray tamin’i Dada: “Nahoana ianao no mandany vola be toy izao mba hampianarana ny zanakao?” Namaly izy hoe: “Ny fampianarana tsara indrindra no antoky ny fahombiazan’izy ireo.” Nihevitra izy tamin’izay fa any amin’ny sekoly malaza no ahazoana ny fanabeazana tsara indrindra. Niova hevitra anefa izy tatỳ aoriana.
Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny, tamin’izaho 11 taona. Namonjy fivoriana izy sy ny vehivavy iray mpiara-monina taminay. Ny zavatra reny tany no nampiaiky azy ireo fa hitany ny fahamarinana. Nolazain’i Neny tamin’ny vehivavy iray hafa ny zavatra noresahina tany. Tsy ela izy telo vavy dia nianatra Baiboly niaraka tamin’i Daphne Harry (Baird tatỳ aoriana) sy Rose Cuffie, izay samy misionera. Natao batisa izy ireo, tsy ampy herintaona taorian’izay. Niala tamin’ny Fiangonana Advantista i Dada, dimy taona tatỳ aoriana, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa.
Folo mianadahy izahay. Tia nankany amin-dry Daphne sy Rose izahay telo mirahavavy zokiny indrindra, tamin’ny mbola kely. Notantarain’ireo misionera ireo taminay ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana. Tsy nitandro hasasarana izy ireo nanampy ny hafa hifandray amin’Andriamanitra, ary tena nahafaly azy ireo izany. Ny ohatra navelan’izy ireo no nahatonga ahy haniry ho misionera.
Inona no nanampy ahy tsy hiala tamin’ny tanjoko hanompo manontolo andro, na dia ny hahazo asa ambony aza no nimatimatesan’ny havako sy ny mpiara-mianatra tamiko? Azoko natao ny nianatra momba ny fitsaboana, ny lalàna, ny mozika, na zavatra hafa. Tena nahaliana ahy izany, kanefa nanampy ahy ny modely nomen’ny ray aman-dreniko. Niaina nifanaraka tamin’ny fahamarinana izy ireo, nazoto nianatra Baiboly, ary nahafoy tena tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. * Tsy izay ihany, fa nanasa anadahy sy rahavavy mpanompo manontolo andro foana izy ireo, tao an-trano. Vao mainka aho naniry hanompo manontolo andro, rehefa nahita azy ireny falifaly sy afa-po.
Natao batisa aho tamin’izaho 15 taona. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’izaho 17 taona, rehefa vita ny fianarako tany amin’ny lise. I Philomena, vehivavy iray mpiasan’ny hopitaly, no olona nampianariko vita batisa voalohany. Nahafaly ahy ny nahita azy nihatia an’i Jehovah, ka vao mainka aho nifikitra tamin’ny fanompoana manontolo andro. Nomena toerana ambony kokoa aho tany am-piasana. Naleoko anefa nijanona ho sekretera ihany, mba hahafahako hanohy hanompo manontolo andro.
Mbola niara-nipetraka tamin’i Dada sy Neny aho tamin’izany, ary nitsidika anay foana ireo misionera. Tiako erỳ ny nihaino ny fitantaran’izy ireo! Izany rehetra izany no nanamafy ny faniriako ho misionera, na dia toa tsy ho tanteraka mihitsy aza izany. Mbola nandefasana misionera tany Guyana, tamin’izany, ary na dia hatramin’izao aza. Gaga sady faly àry aho tamin’ny 1969, rehefa nahazo
fanasana hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tany Brooklyn, New York.Fanendrena tsy nampoizina
Nisy mpianatra 54 avy amin’ny firenena 21, tao amin’ilay kilasy faha-48. Rahavavy mpitovo ny 17 taminay. Efa 37 taona lasa izany, nefa mbola tsaroako tsara ireo dimy volana nianaranay zavatra maro. Nianatra fahamarinana ara-baiboly izahay, sady nahazo torohevitra azo ampiharina amin’ny fiainana sy amin’ny asa misionera. Nianarako, ohatra, fa ilaina ny manaraka toromarika, sy mahay mandanjalanja amin’ny fomba fiakanjo, ary ny tsy mivadika na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza.
Nantitranterin’ny ray aman-dreniko foana fa tena ilaina ny mivory tsy tapaka. Izay mody marary ka tsy mandeha mivory, dia tsy mahazo mandeha mijery fety ny ampitson’iny. Nanapaka fivoriana anefa aho tamin’izaho nanatrika ny Sekolin’i Gileada. I Don sy Dolores Adams no mpivady betelita iray fiangonana tamiko. Nilaza tamin’izy ireo ny antony tsy nivoriako aho indray zoma hariva, hoe: “Ahoana moa no hanatrehako ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, amin’ireto entimody sy tatitra be dia be tsy maintsy ataoko ireto?” Nampisaintsaina ahy ny anadahy Adams, ary avy eo nilaza hoe: “Aleo ny feon’ny fieritreretanao no hitari-dalana anao.” Nekeko ny toroheviny, ary tsy nanapaka fivoriana intsony aho nanomboka teo, raha tsy noho ny antony tena tsy azo anoarana angaha.
Niresadresaka momba ny fanendrena izahay mpianatra, rehefa nisasaka ny fotoam-pianarana. Nihevitra foana aho fa hotendrena ho any Guyana, satria mbola betsaka ny asa nila natao tany. Tena gaga àry aho rehefa notendrena ho any Sierra Leone, any Afrika Andrefana. Tanteraka ihany ny faniriako ho misionera any an-tany hafa, ka tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho!
Betsaka ny zavatra nila nianarana
“Tena kanto!” Izany no tsapako voalohany rehefa tonga tany Sierra Leone, ka nahita an’ireo havoana, tendrombohitra, helodranomasina ary torapasika. Ny mponina anefa no tena mahakanto azy io. Be fitiavana sy tsara fanahy izy ireo ka faly erỳ ny vahiny. Anisan’ny tena mahatamana an’ireo misionera vaovao izany. Mahafinaritra ny mponina any ny miresaka momba ny fombafombany sy ny kolontsainy. Tena tian’izy ireo koa ny manampy ny vahiny mba hahay tsara ny fiteny krio, izay ampiasaina eo an-toerana.
Maro ny ohabolana amin’ny fiteny krio ary mora azo ny heviny. Iray amin’izany ny hoe: “Ny gidro no miasa, nefa ny babakoto no mihinana.” Midika izy io fa tsy izay mamafy foana no mijinja. Tena mampiharihary ny tsy rariny manjaka eto amin’ity tontolo ity izany!—Isaia 65:22.
Nahafinaritra foana ny asa fitoriana sy fampianarana. Mahalana vao nisy olona tsy liana tamin’ny Baiboly. Nanampy olona hahalala ny fahamarinana ny misionera sy ireo mpanompon’i Jehovah hatramin’ny ela, nandritra ny taona maro. Avy amin’ny saranga sy foko samihafa ireny olona ireny, na antitra na tanora.
Nazoto niasa i Erla St. Hill, ilay misionera namako voalohany. Tsy nikely soroka izy nanao ny raharaha tao an-trano, na dia ny fanompoana Marka 10:29, 30.
aza no tena nimasoany. Maro ny zavatra nampianariny ahy. Nolazainy, ohatra, fa tena ilaina ny mifankahalala amin’ny mpiara-monina, ny mitsidika ireo Vavolombelona na olona liana tsy salama, ary ny manohana ireo fandaharana mifandray amin’ny fandevenana, raha mbola azo atao. Natorony ahy koa fa tsy tokony hiala eo amin’ny faritra anompoako mihitsy aho, raha tsy avy mitsidika an’ireo anadahy sy rahavavy mipetraka ao, na dia vetivety monja aza. Noho izany dia nahazo reny, anadahy, rahavavy, ary namana maro be aho, ary nahatsiaro ho toy ny tany aminay mihitsy.—Lasa namana tsy foiko koa ireo misionera niara-nanompo tamiko. Anisan’izany i Adna Byrd. Nanompo tany Sierra Leone izy, tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1981, ary niara-nipetraka izahay. Teo koa i Cheryl Ferguson, izay mpiray efitra tamiko nanomboka tamin’ny 1981 ka hatramin’izao.
Nipoaka ny ady an-trano
Notokanana tamin’ny 1997 ny trano vaovaon’ny sampana any Sierra Leone. Nipoaka anefa ny ady, iray volana taorian’izay, ka voatery nandositra izahay, araka ny voalaza tetsy am-piandohana. Enin-taona talohan’izay, dia nampiaiky volana anay ny finoan’ireo Vavolombelona nialokaloka tany Sierra Leone, noho ny ady tany Liberia. Nitondra tanam-polo ny sasany tamin’izy ireo. Na izany aza, dia nandeha nanompo foana izy ireo isan’andro. Nanohina ny fo tokoa ny nahita hoe tena tia an’i Jehovah sy ny olona izy ireo.
Nanahaka ny ohatra navelan’ireo Vavolombelona liberianina ireo izahay, rehefa nialokaloka teto Guinée. Nitoky tamin’i Jehovah foana izahay, ary nataonay loha laharana ny asan’ilay Fanjakana. Niverina tany Sierra Leone izahay, herintaona taorian’izay. Nipoaka indray anefa ny ady rehefa afaka fito volana, ka voatery nandositra teto Guinée indray izahay.
Nilazana izahay avy eo fa nobodoin’ny mpikomy ny tranonay tany Kissy, any Sierra Leone, ary norobainy sy nopotehiny ny fanananay rehetra. Tsy ketraka anefa izahay, fa faly aza satria tsy maty fo aman’aina. Tsy nanan-javatra firy izahay, kanefa afaka niatrika an’ilay zava-tsarotra.
Nijanona teto Guinée izahay sy Cheryl, taorian’ilay fandosirana fanindroany, ka tsy
maintsy nianatra teny frantsay. Tonga dia nampiasa ny teny frantsay nianarany ny misionera sasany, ary tsy menatra izy ireo na dia nisy diso aza ny teniny. Tsy mba tiako anefa ny milaza zavatra diso, ka rehefa tsy afa-nanoatra aho vao niteny frantsay. Tena nampalahelo ahy izany. Tsy maintsy nitadidy foana aho isan’andro, fa ny hanampy ny hafa hahalala an’i Jehovah no antony nahatongavako eto Guinée.Nihanahay aho rehefa nianatra an’ilay fiteny, sy nihaino an’ireo olona nahay tsara azy io. Nangataka fanampiana tamin’ireo ankizy teo anivon’ny fiangonana koa aho, satria sahy nanitsy ahy izy ireo. Nanome fanampiana ny fandaminan’i Jehovah, tamin’izay. Tsy nampoizina ilay izy, ary tena ara-potoana. Nisy fomba fanolorana gazety sy fanolorana boky sy bokikely ho an’ny olona samihafa fivavahana, tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, nanomboka tamin’ny Septambra 2001. Matoky tena kokoa aho izao rehefa manompo, na dia tsy mahay miteny frantsay misosa tsara, toy ny rehefa miteny ny fitenin-drazako aza.
Notezaina tao amin’ny fianakaviana maro anaka aho, ary tena nanampy ahy hiara-miaina amin’ny olona maro izany. Nahatratra 17 izahay, indray mandeha, tao amin’ny tranon’ny misionera. Misionera 100 mahery no efa niara-nipetraka tamiko, nandritra ireo 37 taona naha misionera ahy. Tombontsoa tokoa ny mahafantatra olona maro be toy izany! Samy manana ny toetrany izy ireo, kanefa mitovy zava-kendrena. Tena mahafaly koa ny miara-miasa amin’Andriamanitra, sy manampy olona hanaiky ny fahamarinana!—1 Korintianina 3:9.
Maro ny fisehoan-javatra lehibe tsy natrehiko tao amin’ny fianakavianay, anisan’izany ny mariazin’ny ankamaroan’ireo zandriko. Tsy afaka mahita matetika ny zanak’izy ireo koa aho, na dia tiako aza izany. Nanao izany sorona izany aho, ary toy izany koa ny fianakaviako, izay tsy tia tena fa nandrisika ahy hanohy ny asa misionera.
Voaonitra tany amin’ireo tany nanendrena ahy anefa, izay nafoiko tany an-trano. Manan-janaka ara-panahy be dia be aho, na dia nifidy ny hitoetra ho mpitovo aza. Tsy ireo olona nampianariko Baiboly ihany no noraisiko ho zanaka, fa ireo olona nifandray akaiky tamiko koa. Hitako ny nitomboan’ny zanak’izy ireo sy ny nanambadiany, ary ny nitaizan’izy ireny ny zanany tamin’ny lalan’ny fahamarinana koa tatỳ aoriana. Nanahaka ahy ny sasany tamin’izy ireny, satria nisy heriny teo amin’ny fiainany ny asa fampianarana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Mpisava lalana nandritra ny 25 taona mahery i Neny. Lasa mpisava lalana mpanampy kosa i Dada rehefa nisotro ronono.
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
Notendrena ho any Sierra Leone, any Afrika Andrefana, aho
GUINÉE
SIERRA LEONE
[Sary, pejy 13]
Ireo rahavaviko roa niaraka tamiko nankany amin’ny tranon’ny misionera
[Sary, pejy 14
Niaraka tamin’ny mpiara-mianatra, tamin’ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-48
[Sary, pejy 16]
Fitokanana ny tranon’ny sampana any Sierra Leone