Torohevitra Mandaitra!
Torohevitra Mandaitra!
NATAO hanampiana ny olona manan-java-manahirana lehibe, ny ankamaroan’ny torohevitra omen’ireo boky fahita ankehitriny. Hafa noho izany anefa ny Baiboly. Tsy hoe manome vahaolana fotsiny mantsy ny torohevitr’izy io. Manampy hisoroka olana koa izy io, mba tsy hanasarotra tsy amin’antony ny fiainana.
Afaka ‘manome fahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo’ ny Baiboly. (Ohabolana 1:4) Raha ampiharinao ny toroheviny, “dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka.” (Ohabolana 2:11, 12) Diniho ireto ohatra ireto. Ho hitanao fa ho salama kokoa ianao, ho sambatra kokoa ny fianakavianao, ary ho lasa mpiasa na mpampiasa tsara kokoa ianao, raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly.
Mahalalà ny antonony rehefa misotro
Tsy mandrara ny fisotroan-toaka ny Baiboly, raha atao amin’ny antonony. Asehon’ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty, fa azo atao fanafody ny divay. Hoy izy: ‘Misotroa divay kely, noho ny vavoninao sy noho ny tsy fahasalamanao matetika.’ (1 Timoty 5:23) Hita amin’ny andininy hafa fa tsy hoe atao fanafody fotsiny ny divay, araka ny fikasan’Andriamanitra. Voalaza koa fa “mampifaly ny olona” izy io. (Salamo 104:15) Mampitandrina anefa ny Baiboly mba tsy “handevozin’ny divay be” isika. (Titosy 2:3) Hoy koa izy io: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena.” (Ohabolana 23:20, 21) Inona no vokany rehefa tsy arahina ireny torohevitra voalanjalanja ireny? Ireto misy tatitra avy amin’ny tany vitsivitsy.
Hoy ny Tatitra Maneran-tany Momba ny Fisotroan-toaka, 2004, navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS): “Mahatratra 2 400 tapitrisa euros [6 tapitrisa tapitrisa ariary] isan-taona ny vola lanin’i Irlandy, noho ny olana vokatry ny fisotroan-toaka.” Ireto no anisan’ny nandaniam-bola tamin’izany: “fitsaboana (279 tapitrisa euros), lozam-piarakodia (315 tapitrisa euros), heloka bevava (100 tapitrisa euros). Matiantoka (1 034 tapitrisa euros) koa ny orinasa, noho ireo mpiasa mamo ka tsy niasa.”
Mbola mampalahelo kokoa noho ny vola lany anefa ny fahorian’ny olona, vokatry ny fampijalian’ny mpisotro toaka. Tany Aostralia, ohatra, dia olona dimy hetsy mahery, tao anatin’ny herintaona monja, no nampijalin’ny mpimamo. Ny fisotroana tafahoatra koa no mahatonga ny 30 isan-jato eo ho eo amin’ny herisetra an-tokantrano any Frantsa. Tsy hitanao hoe mahasoa àry ve ny torohevitry ny Baiboly momba ny fisotroana, rehefa jerena ireo tatitra ireo?
Fadio ny fanao mandoto ny vatana
Efa hatramin’ny 1942 ity gazety ity no niezaka nanazava, fa raran’ny Baiboly ny fifohana sigara sy fihinanam-paraky, ka tokony hofadina. Mbola lamaody be ny fifohana sigara tamin’izany. Nampisaintsaina ilay lahatsoratra navoaka tamin’io taona io. Voalaza tao fa izay naniry hampifaly an’Andriamanitra dia tsy maintsy nanaraka ilay didy hoe: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy.” (2 Korintianina 7:1) Tsy ekenao ve fa mbola mahasoa io torohevitra io, na dia 65 taona atỳ aoriana aza?
Tamin’ny 2006, dia nilaza ny OMS fa ny fifohana sigara sy fihinanam-paraky no “antony lehibe faharoa mahafaty ny olona eran-tany.” Dimy tapitrisa eo ho eo no matin’izany isan-taona. Telo tapitrisa eo ho eo anefa no matin’ny SIDA, isan-taona. Tombanana ho 100 tapitrisa no matin’ny sigara nandritra ny taonjato faha-20. Efa hitovy amin’ireo matin’ny ady rehetra tamin’iny taonjato iny izany. Miara-miaiky izao ny olona eran-tany, fa tsy fahendrena ny mifoka sigara na mihinam-paraky.
“Mandosira ny fijangajangana”
Olona maro no tsy manaiky loatra an’izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisana ara-nofo. Maro no nampianarina fa fahotana ny fanaovana firaisana. Tsy ny firaisana rehetra anefa no melohin’ny Baiboly. Manome torohevitra tsara momba izany kosa izy io. Mampianatra izy io fa ny lehilahy sy vehivavy mpivady ara-dalàna ihany no tokony hanao firaisana. (Genesisy 2:24; Matio 19:4-6; Hebreo 13:4) Fomba ifanehoan’ny mpivady fitiavana sy firaiketam-po izany. (1 Korintianina 7:1-5) Mandray soa ny ankizy aterak’izy ireo, satria mifampiahy ny ray aman-dreniny.—Kolosianina 3:18-21.
Hoy ny Baiboly momba ny fitondran-tena maloto: “Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintianina 6:18) Izao no anisan’ny anton’izany: “Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.” Inona no vokany rehefa tsy arahina ny torohevitry ny Baiboly momba ny firaisana?
Diniho izay mitranga any Etazonia. Misy 850 000 ny ankizivavy bevohoka any isan-taona. Io no salanisa ambony indrindra any
amin’ny tany mandroso. Betsaka no manala zaza na miteraka tsy manambady. Miezaka mafy ny maro amin’izy ireny mba hifehy sy hitaiza ny zanany amim-pitiavana, ary mahomby ny sasany. Mampalahelo anefa fa matetika no miafara any am-ponja ny zanakalahin’izy ireny, ary manjary bevohoka tsy manambady koa ny zanany vavy. Nandinika ny antontan’isa voangona tao anatin’ny am-polony taona maromaro i Robert Lerman, mpikaroka. Hoy izy: “Nihamaro ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny. Izany angamba no nampitombo an’ireo olana teo amin’ny fiaraha-monina, toy ny ankizy nijanona tsy nianatra aloha be, fisotroan-toaka sy fidorohana zava-mahadomelina, ankizivavy bevohoka sy mitaiza kely, ary ditran’ankizy tsy ampy taona.”Tena manimba ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina koa ny fitondran-tena maloto. Izao, ohatra, no nolazain’ny gazety Fitsaboana ny Ankizy (anglisy): “Asehon’ny tatitra fa tena atahorana ho ketraka na hamono tena ireo zatovo mpanao firaisana.” Hoy koa ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fahasalamana: “Ny antsasa-manilan’ny olona [any Etazonia] no ho voan’ny MST [aretina azo avy amin’ny firaisana].” Tsy ho nisy anefa izany alahelo sy fijaliana rehetra izany, raha narahina ny torohevitry ny Baiboly momba ny firaisana!
Hamafiso ny fifankatiavanareo
Tsy vitan’ny hoe mampitandrina antsika amin’ny fanao ratsy ny Baiboly. Manoro hevitra antsika koa izy io mba hahasambatra kokoa ny fianakaviantsika.
Hoy ny Tenin’Andriamanitra: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’ (Efesianina 5:28) Tsy tokony hanao tsinontsinona ny vadiny ny lehilahy, fa hiara-mitoetra aminy kosa “araka ny fahalalana, ka hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy.” (1 Petera 3:7) Izao no tokony hataon’ny lehilahy raha mifamaly izy mivady: “Tiavo mandrakariva ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Azo antoka fa raha mampihatra izany ny lehilahy, dia ho tia sy hanaja azy ny vadiny.
Hoy kosa ny Baiboly amin’ny vehivavy: ‘Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana. Aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efesianina 5:22, 23, 33) Azo antoka fa tena ho tian’ny vadiny ny vehivavy raha mampihatra izany, rehefa miresaka amin’ny vadiny na miresaka momba azy.
Manome torohevitra momba ny fitaizan-janaka ny Baiboly. Voalaza ao fa tokony hiresaka amin-janany foana ny ray aman-dreny, rehefa ‘mipetraka ao an-trano, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.’ (Deoteronomia 6:7) Ny ray indrindra no tena tokony hifehy ny zanany amim-pitiavana, sy hampianatra azy ny fitondran-tena tokony harahina. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efesianina 6:4) Ampirisihina kosa ny ankizy hoe: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo”, sy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” *—Efesianina 6:1, 2.
Ekenao ve fa hahasoa ny fianakaviana ny fampiharana an’ireo torohevitra ireo? Hoy angamba ianao: ‘Tsara aloha ilay torohevitra, saingy asa raha mandaitra!’ Manasa anao izahay hankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, akaiky anao. Hahita fianakaviana miezaka mampihatra ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly ianao any. Miresaha amin’izy ireo. Diniho ny fomba ifampitondran’ireo mpianakavy. Ianao mihitsy amin’izay no hahita fa sambatra ny fianakaviana manaraka ny toro lalan’ny Baiboly!
Mazotoa miasa ary manaova ny rariny
Inona no torohevitry ny Baiboly mba hiatrehana ny zava-tsarotra any am-piasana? Voalaza ao fa ho tian’ny mpampiasa sy hahazo valisoa, ny mpiasa mahay tsara ny asany. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany.” (Ohabolana 22:29) Ny olona “malaina” kosa dia manorisory ny mpampiasa, toy ny “setroka amin’ny maso.” (Ohabolana 10:26) Mampirisika ny mpiasa ny Baiboly, mba hanao ny marina sy hazoto hiasa. “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara.” (Efesianina 4:28) Tokony hampiharina foana izany, na tsy eo aza ny mpampiasa. “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny tomponareo ara-nofo. Aza manao fanompoana eo imaso fotsiny, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa ataovy amim-pahatsoram-po sy amin-tahotra an’i Jehovah kosa izany.” (Kolosianina 3:22) Azo inoana fa ho tian’ny mpampiasa ianao, raha mampihatra ireo torohevitra ireo.
Mampahatsiahy ny mpampiasa kosa ny Baiboly hoe: ‘Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.’ (1 Timoty 5:18) Voalazan’ny Lalàna ho an’ny Israelita, fa tokony hataon’ny mpampiasa ara-drariny ny karaman’ny mpiasa, ary tsy tokony hangataka andro izy rehefa handoa izany. Hoy i Mosesy: “Aza manao an-keriny amin’ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.” (Levitikosy 19:13) Azo inoana fa ho faly ny mpiasanao raha manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly ianao, ka ataonao ara-drariny sy aloanao tsy misy hataka andro ny karamany.
Boky mirakitra ny tena fahendrena
Gaga angamba ianao hoe boky efa tranainy be ny Baiboly, nefa mbola mandaitra ny toroheviny. Boky maro mantsy no lany andro, ka tsy mahasoa intsony. Tsy mba toy izany kosa ny Baiboly, satria tsy tenin’olona izy io, fa “tenin’Andriamanitra.”—1 Tesalonianina 2:13.
Manokàna àry fotoana handinihana ny Tenin’Andriamanitra. Hanjary ho tia an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny Baiboly ianao, raha manao izany. Ampiharo ny toroheviny, fa hanampy anao hisoroka olana sy hanatsara ny fiainanao izany. ‘Hanatona an’Andriamanitra’ ianao amin’izay, ary ‘hanatona anao izy.’ (Jakoba 4:8) Tsy hahita boky toy izany mihitsy ianao!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Raha mila tsipiriany momba ny toro lalan’ny Baiboly ho an’ny fianakaviana ianao, dia jereo ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 4]
Azonao ampiharina ve ny torohevitry ny Baiboly momba ny fisotroana?
[Sary, pejy 5]
Ekenao ve ny torohevitry ny Baiboly mandrara ny sigara sy paraky?
[Sary, pejy 7]
Manatsara ny fiainam-pianakaviana ny torohevitry ny Baiboly
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Gilaoby: Avy amin’ny sarin’ny NASA