Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Hihamatanjaka ny Fiangonana

Aoka Hihamatanjaka ny Fiangonana

Aoka Hihamatanjaka ny Fiangonana

‘Nandry feizay ny fiangonana ka nihanatanjaka.’—ASAN’NY APOSTOLY 9:31.

1. Inona avy ireo fanontaniana momba ny “fiangonan’Andriamanitra”?

NEKEN’I Jehovah ho firenena vaovao ny mpianatr’i Kristy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka lasa “Israelin’Andriamanitra.” (Galatianina 6:16) Lasa “fiangonan’Andriamanitra” koa ireo Kristianina voahosotry ny fanahy ireo. (1 Korintianina 11:22) Inona no dikan’ilay hoe “fiangonan’Andriamanitra”? Ahoana no andaminana azy io, ary ahoana no fomba fiasany maneran-tany? Inona no soa raisintsika avy amin’izy io?

2, 3. Ahoana no ahitana fa voalamina tsara ny fiangonana?

2 Efa nilaza mialoha i Jesosy fa hiforona ny fiangonan’ny mpanara-dia azy voahosotra, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hoy izy tamin’ny apostoly Petera: “Eo ambonin’ity vatolampy [Jesosy Kristy] ity no hanorenako ny fiangonako, ka tsy haharesy azy ny vavahadin’ny fasana.” (Matio 16:18) Noresahiny tamin’ny apostoly koa ny fomba fiasan’ilay fiangonana vao hiforona, sy ny fomba handaminana azy io.

3 Nasehon’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny zavatra nataony, fa hisy mpitarika eo anivon’ilay fiangonana. Hanompo ny fiangonana ireo mpitarika ireo. Hoy i Kristy: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ireo heverina ho mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe. Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo ny rehetra.” (Marka 10:42-44) Tsy mitokantokana na samy maka ho azy àry ny olona eo anivon’ny “ny fiangonan’Andriamanitra.” Voalamina tsara kosa izy ireo ary miara-miasa.

4, 5. Ahoana no ahalalantsika fa mila ampianarina ny fiangonana?

4 Nasehon’i Jesosy, izay Lohan’ny “fiangonan’Andriamanitra”, fa hanana andraikitra voafaritra tsara eo anivon’ny fiangonana ny apostoliny sy ny olon-kafa. Inona izany andraikitra izany? Ny lehibe indrindra dia ny hampianatra ny fiangonana. Niresaka tamin’i Petera i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nanatrika teo ny apostoly sasany. Hoy izy: ‘Ry Simona zanak’i Jaona, tia ahy ve ianao?’ Namaly i Petera hoe: “Eny, Tompo ô, fantatrao fa miraiki-po aminao aho.” Hoy i Jesosy taminy: “Fahano àry ny zanak’ondriko ... Andraso àry ny ondrikeliko ... Fahano ny ondrikeliko.” (Jaona 21:15-17) Tena andraikitra lehibe izany!

5 Ampitahain’i Jesosy amin’ny ondry ao am-bala, ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy eo anivon’ny fiangonana. Mila ampianarina sy omena tari-dalana avy ao amin’ny Baiboly izy ireo, ary tokony handrasana tsara. Mila ampiofanina koa ireo vaovao mba hanao an’ilay asa nasain’i Jesosy hataon’ny mpanara-dia azy. Izany dia ny asa fampianarana.—Matio 28:19, 20.

6. Inona avy no fandaminana natao teo anivon’ny “fiangonan’Andriamanitra”, raha vao niforona izy io?

6 Raha vao niforona ny “fiangonan’Andriamanitra”, dia nandamina fivoriana tsy tapaka ireo anisan’izy io, mba hianarana sy hifampaherezana. “Naharitra tamin’ny fampianaran’ny apostoly sy ny fifampizarana izay nananany sy ny sakafo ary ny vavaka izy ireo.” (Asan’ny Apostoly 2:42, 46, 47) Resahin’ilay fitantarana koa, fa nisy lehilahy mahafeno fepetra notendrena mba hikarakara lafin-javatra sasany. Tsy ny habetsahan’ny fianarana vitany na ny fahaizany no nifidianana azy ireo. Lehilahy “feno fanahy masina sy fahendrena” kosa izy ireo. Anisan’izy ireo, ohatra, i Stefana, ary resahin’ilay fitantarana fa “lehilahy feno finoana sy fanahy masina” izy. Noho izany fandaminana teo anivon’ny fiangonana izany, dia “tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.”—Asan’ny Apostoly 6:1-7.

Lehilahy ampiasain’Andriamanitra

7, 8. a) Inona no tombontsoam-panompoan’ireo apostoly sy anti-panahy tao Jerosalema? b) Inona no vokany rehefa nalefa tany amin’ireo fiangonana ilay toromarika?

7 Ny apostoly no notendrena hitarika teo anivon’ny fiangonana, tamin’ny taonjato voalohany, kanefa tsy niasa irery izy ireo. Niverina tany Antiokia, any Syria, ohatra, i Paoly sy ny namany, indray mandeha. Hoy ny Asan’ny Apostoly 14:27: “Rehefa tonga tao izy roa lahy ka namory ny fiangonana, dia nitantara ny zavatra maro nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo.” Nisy adihevitra nipoitra tao amin’io fiangonana io, tamin’izay, momba ny hoe mila forana sa tsia ireo tsy Jiosy tonga mpino. Mba handaminana izany, dia nirahina i Paoly sy Barnabasy mba “ho any amin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema.” Izy ireo no filan-kevi-pitantanana tamin’izany fotoana izany.—Asan’ny Apostoly 15:1-3.

8 Anti-panahy fa tsy apostoly no nitari-draharaha, rehefa “nivory ny apostoly sy ny anti-panahy mba handinika ilay raharaha.” (Asan’ny Apostoly 15:6) I Jakoba rahalahin’i Jesosy izy io. Nandinika tsara an’ilay raharaha izy ireo, teo ambany fitarihan’ny fanahy masina, ka nanatsoaka hevitra araka ny Soratra Masina. Noraketina an-tsoratra izany ary nalefa tany amin’ireo fiangonana. (Asan’ny Apostoly 15:22-32) Nanaiky sy nampihatra an’ilay toromarika ireo rahalahy sy anabavy teo anivon’ny fiangonana. Inona no vokatr’izany? Hoy ny Baiboly: “Koa nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”—Asan’ny Apostoly 16:5.

9. Inona avy no andraikitr’ireo lehilahy mahafeno fepetra, araka ny voalazan’ny Baiboly?

9 Ahoana kosa no fomba fiasa teo anivon’ny fiangonana? Andeha isika handinika an’ireo fiangonana tany amin’ny nosy Kreta. Ratsy toetra ny maro tamin’ny mponin’i Kreta, kanefa niova ny sasany ary lasa tena Kristianina. (Titosy 1:10-12; 2:2, 3) Nipetraka tany amin’ny tanàna samihafa izy ireo, ary lavitra ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema. Tsy olana lehibe anefa izany, satria nisy “anti-panahy” notendrena teo anivon’ny fiangonana tsirairay tany Kreta, toy ny tany an-toeran-kafa ihany. Nahafeno an’ireo fepetra ara-baiboly notakina taminy ireny lehilahy ireny. Notendrena ho anti-panahy na mpiandraikitra izy ireny, mba ‘handrisika ny hafa amin’ny fampianarana mahasoa sy hananatra an’izay manohitra.’ (Titosy 1:5-9; 1 Timoty 3:1-7) Ny hafa kosa notendrena ho mpanampy amin’ny fanompoana, mba hanampy ny fiangonana.—1 Timoty 3:8-10, 12, 13.

10. Ahoana no fomba handaminana olana lehibe, araka ny Matio 18:15-17?

10 Efa nolazain’i Jesosy mialoha izany fomba handaminana ny fiangonana izany. Diniho ny Matio 18:15-17. Resahin’i Jesosy ao fa mety hisy olana hipoitra eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra anankiroa. Mety ho nanao fahadisoana tamin’ny andaniny ny ankilany. Tokony hanatona an’ilay nanao fahadisoana ilay iray, ka ‘hampahafantatra azy ny fahadisoany’ rehefa mitokana izy ireo. Raha mbola tsy voalamina ilay izy, dia azo atao ny mangataka fanampiana amin’ny olona iray na roa, izay mahalala an’ilay olana. Ahoana raha mbola tsy milamina ihany ilay izy? Hoy i Jesosy: “Raha tsy mihaino an’ireo izy, dia miresaha amin’ny fiangonana. Raha mbola tsy mihaino ny fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny olon’izao tontolo izao sy toy ny mpamory hetra.” Nihatra tamin’ny Jiosy aloha io toromarika io, satria izy ireo no “fiangonan’Andriamanitra” tamin’izany fotoana izany. * Raha vao niforona anefa ny fiangonana kristianina, dia nampiharina teo anivon’izy io ilay toromarika. Manaporofo izany, fa misy lamina napetraka teo anivon’ny fiangonana, mba hahazoan’ny Kristianina tsirairay tari-dalana sy fampaherezana.

11. Inona no andraikitry ny anti-panahy rehefa misy olana?

11 Ny anti-panahy, na mpiandraikitra, no misolo tena ny fiangonana, eo amin’ny fandaminana olana na raharaha mahakasika fahotana. Izany dia mifanaraka amin’ny fepetra takina amin’izy ireo, ao amin’ny Titosy 1:9. Tsy lavorary ny anti-panahy, tsy misy hafa amin’i Titosy, izay nirahin’i Paoly ‘hanitsy ireo zavatra tsy nety’ teo anivon’ny fiangonana. (Titosy 1:4, 5) Tsy maintsy noporofoin’izy ireo talohan’ny nanendrena azy anefa, fa manana finoana sy mahafoy tena izy ireo. Tokony hatoky ny tari-dalana omena amin’ny alalan’izy ireo àry ny fiangonana.

12. Inona no andraikitry ny anti-panahy, eo anivon’ny fiangonana?

12 Hoy i Paoly tamin’ireo anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.” (Asan’ny Apostoly 20:28) Notendrena koa ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ankehitriny, mba ‘hiandry ny fiangonan’Andriamanitra.’ Tokony hanao izany amim-pitiavana izy ireo, fa tsy hanjakazaka amin’ny andian’ondry. (1 Petera 5:2, 3) Tokony hiezaka mafy ny mpiandraikitra, mba hampahery sy hanampy “ny ondry rehetra.”

Aza miala amin’ny fiangonana mihitsy

13. Inona no mety hitranga eo anivon’ny fiangonana indraindray, ary nahoana?

13 Tsy lavorary ny anti-panahy sy ireo rehetra eo anivon’ny fiangonana. Mety hisy olana na tsy fifankahazoan-kevitra àry indraindray, toy izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany, fony mbola teo ny apostoly sasany. (Filipianina 4:2, 3) Mety hilaza zavatra manafintohina, na mampalahelo, na tsy tena marina, ny mpiandraikitra iray na ny olon-kafa. Na mety hieritreritra isika hoe misy zavatra tsy araka ny Soratra Masina mitranga eo anivon’ny fiangonana, ary hoatran’ny fantatry ny anti-panahy ilay izy nefa tsy alaminy. Mety ho efa nalamin’izy ireo nifanaraka tamin’ny Soratra Masina sy ny zava-nitranga tsy fantatsika anefa, ilay raharaha. Na mety ho efa eo am-pandaminana azy io izy ireo. Na dia marina aza ny eritreritsika, dia diniho izay nitranga tao amin’ny fiangonan’i Korinto. Nisy olona nanao fahotana lehibe tao amin’io fiangonan’i Jehovah io. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nokarakarain’i Jehovah araka ny tokony ho izy ilay olana sady nalaminy tanteraka. (1 Korintianina 5:1, 5, 9-11) Mety hanontany tena isika hoe: ‘Ho nanao ahoana ny fihetsiko, raha tao amin’ny fiangonan’i Korinto aho tamin’izany?’

14, 15. Nahoana ny olona sasany no tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

14 Ahoana indray raha sarotra amin’ny olona iray eo anivon’ny fiangonana, ny mahatakatra sy manaiky ny hevitry ny fampianarana iray? Mety ho efa nikaroka tao amin’ny Baiboly sy ny bokintsika izy, na nangataka ny fanampian’ny Kristianina matotra, na anti-panahy mihitsy aza. Mbola tsy azony ihany anefa ilay fampianarana na tsy ekeny. Inona no azony atao? Nisy toe-javatra toy izany, herintaona talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Nolazainy fa izy no “mofon’aina”, ary tsy maintsy ‘mihinana ny nofony sy misotro ny rany’ izay te hiaina mandrakizay. Nanafintohina ny mpianany sasany izany, ka “tsy niara-nandeha” tamin’i Jesosy intsony ny maro tamin’izy ireo. Tsy mba nitady fanazavana izy ireo, na niandry an’i Jehovah hanazava an’ilay raharaha. (Jaona 6:35, 41-66) Inona no ho nataonao, raha anisan’ireo mpianatra ireo ianao?

15 Mety hitranga koa izany ankehitriny. Mety hisy kristianina hilaza fa nisy zavatra nanafintohina azy teo anivon’ny fiangonana, na nisy zavatra tsy nety nefa tsy nahitsy, na misy fampianarana tsy ekeny. Tsy mifanerasera amin’ny fiangonana intsony izy ireo, fa tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra samirery. Mety ve izany ataony izany? Marina fa tokony hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny Kristianina tsirairay. Tsy azo lavina koa anefa fa mbola mampiasa ny fiangonana maneran-tany Izy, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly. Nampiasa sy nitahy ny fiangonana i Jehovah, tamin’izany, ary nanendry anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mahafeno fepetra mba hahasoa ny fiangonana. Izany koa no ataony ankehitriny.

16. Inona no tokony hosaintsainin’ny olona iray, raha alaim-panahy hiala amin’ny fiangonana izy?

16 Mety hisy Kristianina hihevitra hoe ampy azy ny mifandray amin’Andriamanitra, ary tsy ilainy ny mifanerasera amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra. Mandà ny fandaharana nataon’Andriamanitra ny olona toy izany. Mety hanompo an’Andriamanitra araka izay tiany ilay olona, na hifandray amin’ny olona vitsivitsy monja. Raha mety anefa izany, dia tsy misy antony tokony hanendren’i Jehovah an’ireo anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana. Nanoratra ho an’ny fiangonan’i Kolosia i Paoly ary nilaza fa tokony hovakina any Laodikia koa ilay taratasy. Nolazainy tao fa niriny “hamaka sy hiorina hatrany eo amin[’i Kristy]” izy ireo. Ny Kristianina tsy niala tamin’ny fiangonana ihany no nandray soa tamin’ilay taratasy.—Kolosianina 2:6, 7; 4:16.

Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana

17. Inona no ampianarin’ny 1 Timoty 3:15 antsika, momba ny fiangonana?

17 Nitanisa ny fepetra takina amin’ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty, izay anti-panahy kristianina. Nilaza izy avy eo fa ‘andry sy tohana ho an’ny fahamarinana ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona.’ (1 Timoty 3:15) Tena andry tokoa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, tamin’ny taonjato voalohany. Azo antoka koa fa tamin’ny alalan’ny fiangonana no tena nandraisan’ny Kristianina tsirairay ny fahamarinana. Teo anivon’ny fiangonana mantsy no nampianarana sy niarovana ny fahamarinana ara-baiboly, ary nahafahana nifampahery.

18. Nahoana no tena ilaina ny fivorian’ny fiangonana?

18 Ankohonan’Andriamanitra koa ny fiangonana kristianina maneran-tany ankehitriny, ary “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.” Tena ilaina ny manatrika tsy tapaka sy mandray anjara amin’ny fivorian’ny fiangonantsika. Hanamafy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mantsy izany sady hanampy antsika ho vonona hanao ny sitrapony. Niresaka momba ny fivorian’ny fiangonana i Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonana tany Korinto. Nanoratra izy fa tokony hazava sy ho azon’ny mpanatrika rehetra izay ambara any am-pivoriana, mba hahazoan’izy ireo “fampaherezana.” (1 Korintianina 14:12, 17-19) Afaka mahazo fampaherezana koa isika, raha ekentsika fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fandaharana rehetra eo anivon’ny fiangonana sady tohanany.

19. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny fiangonana?

19 Tena ilaintsika tokoa ny mitoetra eo anivon’ny fiangonana, raha tiantsika hatanjaka ny finoantsika. Efa voaporofo hatry ny ela, fa toeram-piarovana amin’ny fampianaran-diso ny fiangonana. Izy io koa no ampiasain’Andriamanitra mba hamitana an’ilay asa atao maneran-tany, dia ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’ny Mesia. Hitantsika, araka izany, fa maro be ny zavatra tontosain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina.—Efesianina 3:9, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Nilaza i Albert Barnes, manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa ilay toromarik’i Jesosy hoe “miresaha amin’ny fiangonana”, dia mety hidika hoe miresaha amin’ireo “nomena fahefana handinika an’ilay raharaha, izany hoe ireo solontenan’ny fiangonana. Nisy anti-panahy nitsara tao amin’ny synagogan’ny Jiosy, ka izy ireo no nandinika ny raharaha ara-pitsarana.”

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no matoky fa mampiasa fiangonana eto an-tany Andriamanitra?

• Inona no ataon’ny anti-panahy ho an’ny fiangonana, na dia tsy lavorary aza izy ireo?

• Nahoana no azo lazaina fa manatanjaka ny finoanao ny fiangonana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema no filan-kevi-pitantanana

[Sary, pejy 28

Ampiofanina ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, mba hahafahany hanatontosa ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana