Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tokony hifady zava-pisotro sy sakafo misy kafeinina ve ny Kristianina?

Tsy raran’ny Baiboly ny fisotroana kafe sy dite ary sodà, na ny fihinanana sôkôlà, izay samy misy kafeinina. Misy toro lalana afaka manampy antsika hanapa-kevitra tsara anefa ao amin’ny Soratra Masina. Andeha aloha hodinihintsika hoe nahoana ny olona sasany no mifady zava-pisotro sy sakafo misy kafeinina.

Ny antony iray lehibe, dia satria mety hoheverina ho zava-mahadomelina afaka mampiova toe-po sy manaitaitra ny kafeinina. Misy heriny eo amin’ny saina mantsy izy io, ary mety ho lasa fahazarana manimba. Hoy ny boky iray ho an’ny farmasianina: “Lasa mahazaka kafeinina ny vatan’ny olona, raha mihinana betsaka amin’izy io izy mandritra ny fotoana maharitra. Mety ho lasa miankin-doha amin’ny kafeinina aza izy, ka harary andoha, ho sorisorena, ho taitaitra, hitebiteby, ary ho fanimpanina, raha vao manandrana miala tampoka.” Tanisaina miaraka ao amin’ny boky iray momba ny aretin-tsaina ny zavatra manjo ny olona miala amin’ny zava-mahadomelina sy ny manjo ny olona miala amin’ny kafeinina. Ara-dalàna àry raha misy Kristianina mihevitra fa mety ho ratsy ny mihinana na misotro zavatra misy kafeinina. Tsy te handevozin-javatra mantsy izy ireo, sady te hahafehy tena.—Galatianina 5:23.

Misy mino fa mankarary ny kafeinina, ary mety hanimba ny fahasalaman’ny zaza mbola any am-bohoka aza. Tsy maintsy tia an’Andriamanitra ‘amin’ny tenany manontolo’ ny Kristianina, ka tsy hanao zavatra hahafohy ny androm-piainany. Tokony ho tian’izy ireo koa anefa ny namany, anisan’izany ny zaza any am-bohoka, ka hofadiny izay zavatra mety hampidi-doza azy ireny.—Lioka 10:25-27.

Tokony hatao ve izany fitandremam-pahasalamana izany? Misy milaza fa mahatonga aretina samihafa ny kafeinina. Tsy ny rehetra anefa no manaiky izany. Misy mpikaroka aza milaza fa mahasalama ny kafe. Hoy ny gazety Fotoana, tamin’ny 2006: “Hita tamin’ny fandinihana teo aloha [fa] mety hitondra kanseran’ny tatavia sy fiakaran’ny tosidra ary aretina hafa [ny kafeinina]. Sady nandiso ny ankamaroan’ireny filazana ireny anefa ny fikarohana vao haingana, no nanaporofo fa mitondra soa lehibe sasany ny kafeinina. Toa miaro amin’ny aretina maro ny kafeinina. Anisan’izany ny aretin’aty, aretin’i Parkinson, diabeta, aretin’i Alzheimer, vato manentsina ny lalan’afero, ary fahaketrahana. Toa miaro amin’ny kansera sasany mihitsy aza izy io.” Hoy ny gazetiboky iray momba ny fihinanana na fisotroana zavatra misy kafeinina: “Ny fahalalana onony no tena ilaina.”

Tsy mety àry ve ny mihinana na misotro zavatra misy kafeinina? Ny tsirairay no hanapa-kevitra momba izany, araka ny fahazoany an’ireo fanazavana ankehitriny momba ny kafeinina, sy ny toro lalan’ny Baiboly. Mety hifady zavatra misy kafeinina, ohatra, ny vehivavy bevohoka raha heveriny fa mety hankarary ny zanany ao am-bohoka izany. Raha lasa mora tezitra na marary ny Kristianina iray, rehefa tsy nahazo kafeinina toy ny mahazatra azy, dia azo toroana hevitra izy hifady izany, na vetivety ihany aza. (2 Petera 1:5, 6) Tokony hohajain’ny Kristianina hafa ny fanapahan-kevitra toy izany.

Na inona na inona fanapahan-kevitrao momba ny zava-pisotro sy sakafo misy kafeinina, dia tadidio foana ny torohevitr’i Paoly. Hoy izy: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 10:31.