Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feno Habibiana ny Tany

Feno Habibiana ny Tany

Feno Habibiana ny Tany

NIPETRA-DRERY i María, 64 taona. Nisy namono tao an-tranony izy, sady izay indray nokapohina sy nokendaina tamin’ny tariby.

Novonovonoin’ny andian’olona romotra ny polisy telo lahy, satria naka an-keriny tovolahy roa, hono. Norarahan’izy ireo lasantsy ny roa tamin’ireo polisy, ary nodorany ka maty. Afa-nandositra kosa ilay fahatelo.

Nofongarina avy tao amin’ny zaridaina iray, ny fatin-dehilahy efatra nanao vakansy. Antso an-telefaonina avy tamin’olona tsy nitonona anarana no nahitana azy ireo. Nitampina ny mason’izy ireo, ary nifatotra ny tanany. Hita tamin’ny fandinihan’ny dokotera, fa nalevim-belona izy ireo.

Tena nisy ireo habibiana ireo, fa tsy hoe filma mampahatahotra sy feno herisetra fotsiny. Matoan-dahatsoratra tao amin’ny gazety vao haingana, tany amin’ny firenena iray any Amerika Latinina izy ireo. Tsy any ihany anefa no misy habibiana toy izany, fa eran-tany mihitsy.

Lasa fahita ankehitriny ny herisetra. Anisan’izany ny fanapoahana baomba, fampihorohoroana, vonoan’olona, fanafihana, fifampitifirana, ary fametavetana, raha tsy hilaza afa-tsy ireo isika. Imbetsaka ny fampitam-baovao no mamoaka tatitra misy tsipiriany momba ny habibiana nitranga. Maro àry no tsy mihontsina intsony rehefa mandre izany.

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Nahoana no misy an’izany amin’izao andro izao? Tsy miraharaha ny hafa intsony ve ny olona, ary tsy misy dikany aminy intsony koa ny aina?’ Izany foana ve no tsy maintsy iainantsika?

Diniho kosa ny momba an’i Harry, lehilahy 69 taona, mipetraka any Kanada. Voan’ny kansera izy, ary voan’ny aretina tsy ahitam-panafana koa ny vadiny. Mifarimbona manampy azy ireo anefa ny mpiara-monina aminy sy ny namany. Hoy i Harry: “Asa izay nahazo anay raha tsy nisy an’ireo olona nanampy anay ireo.” Nisy fanadihadiana natao tany Kanada, ka hita fa ny antsasa-manilan’ireo mpikarakara zokiolona no manampy olona tsy havany akory. Azo inoana fa mahafantatra olona tsara fanahy sy tia namana koa ianao. Mazava àry fa afaka ny hangoraka sy ho tsara fanahy ny olona, fa tsy voatery ho masiaka be.

Koa nahoana àry no misy olona lozabe? Inona no mahatonga azy ireny ho toy izany? Afaka miova ve izy ireny? Mbola ho foana ve ny habibiana? Raha eny, rahoviana ary amin’ny fomba ahoana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Lamasinina: CORDON PRESS