Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kilemaina Nefa Tia Manompo

Kilemaina Nefa Tia Manompo

Kilemaina Nefa Tia Manompo

TSY hihevitra an’i Leonardo ho mpanao fanorenana mihitsy ianao, raha sambany vao mahita azy. Bory mantsy ny tanany roa, noho ny loza nanjo azy tany am-piasany. Niasa mafy tao amin’ny toeram-panorenana iray any Acajutla, Salvadaoro, anefa izy, araka ny hitanao eto amin’ny sary.

I Leonardo ihany no nanamboatra ny fitaovana nilainy, mba hahafahany handray anjara tamin’ilay fanorenana. Atsofony ao amin’ny vy boribory efa naraikitra tamin’ny zaran’ny lapelina ny sandriny havanana. Hainy erỳ ny mandroaka ny tany ho ao anaty broety. Azony atosika ilay izy, avy eo, satria nasiany tahony misy lohany boribory hitsofohan’ny tanany. Inona no nanosika azy handray anjara tamin’ilay asa?

Te hitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana teo an-toerana i Leonardo. Izy io mantsy no toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanana antony maro azo ekena izy, mba tsy handraisany anjara tamin’ilay fanorenana. Niasa manontolo andro izy, kilemaina, ary mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonany. Naniry hanao izay azony natao anefa izy, mba hanompoana an’i Jehovah tao amin’ilay toeram-panorenana.

Toy izany koa ve ny toe-tsainao eo am-panompoana an’Andriamanitra? Tsy nataon’i Leonardo ho fialan-tsiny ny kilemany. Nampiasa ny fahaizany kosa izy mba hanamboarana fitaovana hahafahany hanao asa, izay mety tsy ho vitany mihitsy raha tsy izany. Nanompo an’Andriamanitra ‘tamin’ny sainy manontolo’ izy. (Matio 22:37) Tia manolo-tena avokoa ny Vavolombelon’i Jehovah miasa amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana eran-tany, na kilemaina izy ireo na tsia. Azon’ny besinimaro atrehina ny fivorian’izy ireo any amin’ireny Efitrano Fanjakana ireny, ka asainay ianao hanatrika izany.