Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola ho Foana ve ny Habibiana?

Mbola ho Foana ve ny Habibiana?

Mbola ho Foana ve ny Habibiana?

MARO no manaiky fa ny fitiavan-tena no tena mahatonga ny habibiana ankehitriny. Nandritra ny taona maro, dia nampirisihina foana ny olona mba hanao izay tiany fotsiny. Lasa tsy mihevitra afa-tsy ny tenany àry ny ankamaroan’ny olona. Maro no manao izay rehetra azony atao mba hahazoana izay iriny, ka mety hanao habibiana mihitsy aza. Tsy ny isam-batan’olona ihany no manao izany, fa ireo fitondram-panjakana koa.

Toa tsy misy dikany intsony ny aina. Misy aza tia mampijaly mihitsy, ary mahafinaritra azy izany. Miaiky ny mpanao heloka bevava sasany, fa mampijaly olona izy satria mahafaly azy fotsiny izany. Be dia be koa no tia filma feno herisetra sy habibiana, ka ireny no tena vokarin’ny mpanao sarimihetsika. Maro àry no lasa mafy fo, rehefa zatra mijery filma na vaovao misy herisetra.

Manimba ny fo sy ny saina ny habibiana, ka matetika ireo iharan’izany no lasa lozabe koa. Hoy i Díaz Marroquín, mpampianatry ny oniversite any Meksika: ‘Tsy mahery setra ho azy ny olona, fa ny manodidina no mampianatra azy. Lasa mahery setra isika, raha mamela sy mampirisika antsika hanao izany ny fiaraha-monina.’ Mety hampijaly ny hafa koa àry ireo nampijalina, ary mety ho izay natao taminy ihany no haveriny.

Mety hahery setra koa ny mpisotro toaka sy mpidoroka zava-mahadomelina. Toy izany koa ireo olona tezitra amin’ny fitondrana, satria tsy manome izay ilain’ny vahoaka izy io. Te hampahafantatra ny heviny ny sasany amin’izy ireny, ka manao habibiana sy mampihorohoro. Ny tsy manan-tsiny matetika no mitondra faisana.

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Ny olombelona ihany ve no mampianatra ny namany hanao habibiana? Sa misy hery hafa mampirisika azy?’

Iza no tena fototry ny habibiana?

Milaza ny Baiboly fa eo ambany fahefan’i Satana Devoly izao tontolo izao, ary izy no “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Korintianina 4:4) Izy no mpanao habibiana sy tia tena indrindra eran’izao rehetra izao. Mety mihitsy ny niantsoan’i Jesosy azy hoe “mpamono olona” sy “rain’ny lainga.”—Jaona 8:44.

Lasa teo ambany fahefan’i Satana ny olombelona, rehefa nanota i Adama sy Eva. (Genesisy 3:1-7, 16-19) Taonjato 15 teo ho eo taorian’ny nandavan’io mpivady voalohany io an’i Jehovah, dia nitafy vatan’olombelona ireo anjely mpikomy, ary nanao firaisana tamin’ny vehivavy. Niteraka safiotra atao hoe Nefilima izy ireo. Inona no nampiavaka ny Nefilima? Ny anarany dia midika hoe “Mpanjera”, na “mampianjera ny olon-kafa.” Hita àry fa tena nahery setra izy ireo. Nitombo be mihitsy ny habibiana sy ny fitondran-tena maloto, noho ny nataon’izy ireo. Tsy nitsahatra izany raha tsy nalefan’Andriamanitra ny Safodrano. (Genesisy 6:4, 5, 17) Ringana tamin’izany ny Nefilima, fa ny rain’izy ireo kosa lasa fanahy tsy hita maso indray, izay antsoina hoe demonia.—1 Petera 3:19, 20.

Tena lozabe ireny anjely mpikomy ireny. Manaporofo izany ny tantaran’ilay zazalahy nisy demonia, tamin’ny andron’i Jesosy. Imbetsaka ilay zaza no nataon’ilay fanahy ratsy nifanintontsintona, ary natsipiny tao anaty afo sy tao anaty rano mba hamonoany azy. (Marka 9:17-22) Miharihary fa manahaka an’i Satana Devoly, lehiben’izy ireo, ireny “fanahy ratsy” tsy misy indrafo ireny.—Efesianina 6:12.

Mbola mampirisika ny olona ho lozabe ireo demonia, ankehitriny. Hoy ny Baiboly momba izany: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ... ho matin-kambo, hiavonavona, ... tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”—2 Timoty 3:1-5.

Amin’izao androntsika izao no tena sarotra ny fiainana, araka ny faminanian’ny Baiboly. Noroahina avy any an-danitra mantsy i Satana sy ny demoniany, rehefa niorina ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Jesosy, tamin’ny 1914. Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apokalypsy 12:5-9, 12.

Midika ve izany fa tsy misy fanantenana mihitsy? Hoy i Díaz Marroquín, voaresaka tetsy aloha: “Afaka miala [amin’ny toetra ratsy] ny olona.” Mahery loatra anefa ny fitaoman-dratsin’i Satana. Tsy ho vitan’ny olona irery àry ny hiala amin’izany, raha tsy misy hery hafa manampy azy hanova ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany. Inona anefa izany hery izany?

Azo atao ve ny miova?

Ny fanahy masin’Andriamanitra no hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Afaka mandresy ny herin’ny demonia izy io. Manampy ny olona ho sambatra sy hifankatia koa izy io. Tsy maintsy miezaka mba tsy hahery setra mihitsy na kely aza, izay rehetra maniry hampifaly an’i Jehovah. Amin’izay vao hiasa tsara amin’izy ireo ny fanahy masina. Mila manova ny toetrantsika àry isika, mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Inona anefa no sitrapony? Tiany hanahaka azy isika, araka izay azontsika atao. Tokony hihevitra ny hafa toy ny iheveran’Andriamanitra azy ireo isika.—Efesianina 5:1, 2; Kolosianina 3:7-10.

Diniho ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra. Ho hitanao fa tsy manao tsinontsinona ny hafa izy. Tsy manao ny tsy rariny amin’ny olona mihitsy koa izy, ary na dia amin’ny biby aza. * (Deoteronomia 22:10; Salamo 36:7; Ohabolana 12:10) Halany ny habibiana, ary tsy ankasitrahany izay manao izany. (Ohabolana 3:31, 32) Asain’i Jehovah mitafy ny toetra vaovao ny Kristianina. Manampy azy ireo hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany sy hanaja olona izany. (Filipianina 2:2-4) Anisan’io toetra vaovao io ny “fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” Anisan’izany koa ny fitiavana, satria “fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kolosianina 3:12-14) Tsy ekenao ve fa ho hafa mihitsy ny fiainana, raha maro ny olona maneho ireo toetra ireo?

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Tena afaka manova tanteraka ny toetrany ve ny olona?’ Ity misy ohatra tena nisy. Fanaon’i Martín * ny nivazavaza tamin’ny vadiny teo imason’ny zanany, sy namono azy. Nahery setra loatra izy indray mandeha, ka voatery nitady vonjy tany amin’ny mpifanila trano ireo ankizy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mianakavy, tatỳ aoriana. Nianaran’i Martín ny toetra tokony hananany sy ny fomba tokony hitondrany ny hafa. Afaka niova ve izy? Hoy ny vadiny: “Hafa mihitsy taloha ny vadiko, rehefa tezitra. Nikorontana be ny fiainanay, nandritra ny taona maro. Tsy hitako izay teny hisaorana an’i Jehovah, noho ny nanampiany an’i Martín hiova. Ray be fitiavana sy vady mahafatra-po izy izao.”

Ohatra iray monja izany. Olona an-tapitrisa eran-tany mantsy no nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy mahery setra intsony. Tena azo atao àry ny miova!

Ho foana tsy ho ela ny habibiana

Efa miorina any an-danitra izao ny Fanjakan’Andriamanitra. Be fangoraham-po i Kristy Jesosy, Mpitondra azy io. Tsy ho ela izy dia handray an-tanana ny raharahan’ny tany. Efa noroahina avy any an-danitra i Satana, ilay fototry ny habibiana rehetra, sy ireo demoniany. Hanome izay ilain’ny olona tia fihavanana ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 37:10, 11; Isaia 11:2-5) Izy io no hany vahaolana amin’ireo zava-manahirana eto an-tany. Ahoana anefa raha iharan’ny habibiana ianao, mandra-pahatongan’izany?

Tsy vahaolana ny mamaly faty. Vao mainka aza izany hiteraka herisetra bebe kokoa. Mampirisika antsika kosa ny Baiboly mba hitoky amin’i Jehovah. Izy mantsy no hamaly amin’ny fotoana voatondrony, ka “hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.” (Jeremia 17:10) (Jereo ilay efajoro hoe “Fomba Iatrehana ny Habibiana.”) Marina fa mety hijaly ianao, raha iharan’ny habibiana. (Mpitoriteny 9:11) Azon’Andriamanitra foanana anefa ny vokatr’izany, na dia ny fahafatesana aza. Nampanantena izy fa hatsangana amin’ny maty ireo olona ao amin’ny fitadidiany, izay namoy ny ainy vokatry ny habibiana.—Jaona 5:28, 29.

Marina aloha fa mbola mety hiharan’ny habibiana isika izao. Hahazo fampiononana anefa isika, raha mifandray akaiky amin’Andriamanitra sy tena mino ny fampanantenany. Diniho ny ohatr’i Sara. Nitaiza irery ny zanany roa lahy izy, ary nataony izay hahatafita azy ireo tamin’ny fianarana. Tsy niraharaha azy anefa izy ireo rehefa antitra izy, ka tsy nanome vola sady tsy nikarakara azy rehefa narary izy. Hoy i Sara, izay efa Kristianina ankehitriny: “Malahelo ihany aho, nefa hitako fa tsy nandao ahy mihitsy i Jehovah. Tena manampy ahy izy amin’ny alalan’ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy, izay mikarakara ahy foana. Mino mafy aho fa tsy ho ela dia hesoriny ny zava-manahirana ahy sy ny an’izay rehetra mitoky amin’ny heriny, ka mankatò ny didiny.”

Iza moa ireo noraisin’i Sara ho anadahy sy rahavaviny ara-panahy ireo? Tsy iza fa ireo Kristianina namany, izany hoe ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpirahalahy avokoa izy rehetra, na aiza na aiza misy azy, ary samy mino izy ireo fa ho foana tsy ho ela ny habibiana. (1 Petera 2:17) Haringana i Satana Devoly, ilay tena fototry ny habibiana, sy izay rehetra manahaka azy. Ho hadino tanteraka ireo habibiana rehetra nitranga. Nahoana raha mianatra bebe kokoa momba izany fanantenana izany? Miresaha àry na manorata any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Raha te handalina momba ny toetran’Andriamanitra ianao, dia jereo ny boky Manatòna An’i Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 17 Novana ny anarana sasany.

[Efajoro, pejy 6]

Fomba Iatrehana ny Habibiana

Manome torohevitra tsara mba hiatrehana ny habibiana ny Tenin’Andriamanitra. Diniho hoe ahoana no azonao ampiharana an’ireto teny feno fahendrena ireto:

“Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.”—Ohabolana 20:22.

‘Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny, dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony.’—Mpitoriteny 5:7.

“Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—Matio 5:5.

“Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.

“Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Manomeza izay tsara eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ”—Romanina 12:17-19.

“Na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany. ... Rehefa notevatevaina izy, dia tsy mba nanevateva. Rehefa nijaly izy, dia tsy mba nandrahona, fa nanankina ny fiainany hatrany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.”—1 Petera 2:21-23.

[Sary, pejy 7]

Maro no efa nampianarin’i Jehovah, ka tsy mahery setra intsony