Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Dian’i Paoly Tany Beria

Ny Dian’i Paoly Tany Beria

Ny Dian’i Paoly Tany Beria

Tena nahitam-bokatra ny asan’i Paoly sy Silasy, ka olona maro no tonga mpino. Nisy vahoaka romotra nanohitra an’ireo misionera ireo anefa. Tapaka àry ny hevitra fa hiala tao haingana tamin’ny alina izy roa lahy, mba hiarovana ny ainy sy ho fitsinjovana an’ilay fiangonana vao niforona. Tamin’izay no nandosiran’i Paoly sy Silasy niala tany amin’ny seranan’i Tesalonika any Makedonia, tamin’ny taona 50 tany ho any. Nankany amin’ilay tanàna manaraka hitoriany izy ireo, dia i Beria.

EO AMBANY atsinanan’ny tendrombohitra maitso mavana atao hoe Bermios no misy an’i Beria (Véroia), hatramin’izay ka hatramin’izao. Tokony ho 65 kilaometatra any atsimoandrefan’i Tesalonika izy io, ary 40 kilaometatra eo ho eo miala amin’ny Ranomasina Égée. Any atsimon’i Beria no misy ny Tendrombohitra Olympe, toerana heverina fa fonenan’ireo andriamanitra grika lehibe indrindra fahiny.

Mahaliana ny mpianatra Baiboly i Beria, satria nitory tao i Paoly ary nanampy olona maro mba ho lasa Kristianina. (Asan’ny Apostoly 17:10-15) Andeha àry hodinihintsika ny dian’i Paoly tany sy ny tantaran’ilay tanàna.

Ny niandohan’ny tanànan’i Beria

Tsy tena fantatra hoe oviana marina no niandohan’ny tanànan’i Beria. Foko frijianina angamba no mponina tao voalohany. Noroahin’ny Masedonianina izy ireo tamin’ny taonjato fahafito T.K. Lasa nanan-karena be ny faritr’i Makedonia, 300 taona tatỳ aoriana, rehefa nahazo fandresena maromaro i Aleksandra Lehibe mpanjakan’izy ireo. Nisy trano mijoalajoala sy manda goavana naorina tao, ary toerana masina ho an’ny andriamanitra grika toa an’i Zeosy, Artemisy, Apollon, ary Athéna.

Milaza ny boky iray momba ny tantara, fa “nandray anjara lehibe teo amin’ny fiainan’ny vahoaka teo amin’ny manodidina azy akaiky sy teo amin’ny tanàna hafa tany amin’ny faritra avaratr’i Gresy” i Beria. Lasa nalaza be i Beria nandritra ny fitondran’ireo mpanjaka taranak’i Antigonus (306-168 T.K.) Ireo no tarana-mpanjaka masedonianina farany, ary naongan’ny Romanina tamin’ny toerany izy ireo tamin’ny farany.

Mitantara Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa “lasa i Roma indray no nanana fahefana tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane”, rehefa nandresy an’i Philippe Faha-5 mpanjaka masedonianina ny Romanina, tamin’ny 197 T.K. Resy tanteraka i Persée mpanjaka masedonianina farany, rehefa niady tamin’ny jeneraly romanina iray tamin’ny 168 T.K., tany Pydna, tanàna any atsimo kelin’i Beria. Tanteraka tokoa ny faminanian’ny Baiboly hoe ny Romanina indray no lasa firenena natanjaka indrindra nandimby ny Grika (Masedonianina). (Daniela 7:6, 7, 23) Anisan’ny tanàna masedonianina nitolo-batana voalohany tamin’i Roma i Beria, taorian’io ady io.

Niady tany Makedonia ny tafik’ireo jeneraly romanina atao hoe Pompée sy Jules César, tamin’ny taonjato voalohany T.K. Tsy lavitra an’i Beria ny tobin’ny miaramilan’i Pompée tamin’izay.

Niroborobo nandritra ny fitondrana romanina

Nisy lalana vita rarivato feno andry mitandahatra tany Beria, nandritra ilay vanim-potoana antsoina hoe Fandriampahalemana Romanina (Pax Romana). Nisy toerana fandroana ho an’ny besinimaro, trano fanaovana teatra, tranomboky, ary kianja fiadian’ny gladiatera koa tao amin’ilay tanàna. Efa nisy fantsona nitondra rano madio tao, ary lakandrano ambanin’ny tany fivarinan’ny rano maloto. Lasa foibe ara-barotra nalaza i Beria. Tonga tao ny mpivarotra, ny artista, ny mpanao fanatanjahan-tena, ary ny olona hijery fifaninanana atletisma sy fampisehoana hafa. Nisy toeram-pivavahana ho an’ny vahiny tao, mba hahafahan’izy ireo hanao ny fombafombam-pivavahany. Hita tao daholo ny fivavahana rehetra nisy teo amin’ny fanjakana romanina.

Nataon’ny Romanina andriamanitra ny mpanjakany rehefa maty, ary nivavaka tamin’izy ireny ny olona sasany tao Beria. Tsy vaovao tamin’ny Berianina izany, satria nataon’izy ireo andriamanitra i Aleksandra Lehibe, mpitondra teo aminy. Tamin’izay mihitsy aza no nanombohan’ny fivavahana tamin’ny mpanjaka. Hoy ny boky grika iray: ‘Fanaon’ny Grika tany amin’ny faritra atsinanana ny nanome voninahitra ny mpanjakany toy ny atao amin’Andriamanitra, fony fahavelon’ilay mpanjaka. Nahafaly azy ireo koa àry ny nanome voninahitra ny mpanjaka romanina ho toy ny andriamanitra. Misy sarina mpanjaka romanina manao satroboninahitra misy tana-masoandro ny vola madinika nampiasaina fahiny, mba hampisehoana fa natao andriamanitra izy io. Nivavahana sy nanaovana hira fiderana toy ny andriamanitra izy.’ Nanaovana alitara sy tempoly izy, ary nanaovana sorona. Na ireo mpanjaka aza dia tonga nanatrika ny fety natao hivavahana tamin’ny mpanjaka hafa efa maty. Nisy fifaninanana momba ny atletisma sy ny zavakanto ary ny haisoratra tamin’ireny fankalazana ireny.

Nahoana i Beria no foiben’ny fanompoan-tsampy? Satria tao no nisy ny Koinon. Karazana solontenam-panjakana avy any amin’ireo tanàna masedonianina izy io. Nivory tsy tapaka tao Beria ireo solontenam-panjakana ireo mba hidinika raharaha mahakasika ny tanàna sy ny faritany, ary nanao izany teo ambany fanaraha-mason’ny Romanina. Anisan’ny asa lehibe niandraiketany ny fandaminana ny zava-drehetra mahakasika ny fivavahana tamin’ny mpanjaka.

Toy izany ny mombamomba an’ilay tanàna nalehan’i Paoly sy Silasy, rehefa nandositra avy tany Tesalonika izy ireo. Efa teo ambany fifehezan’ny Romanina nandritra ny 200 taona i Beria tamin’izany fotoana izany.

Notorina tany Beria ny vaovao tsara

Tao amin’ny synagoga i Paoly no nitory voalohany, rehefa tonga tany Beria. Ahoana no nandraisan’ny olona azy? Milaza ny Baiboly fa ny Jiosy tany dia “ambony saina kokoa noho ny Jiosy tany Tesalonika, satria faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:10, 11) “Ambony saina” izy ireo, ka tsy niziriziry nanaraka ny fombafombany sy ny zavatra ninoany. Tsy niahiahy izy ireo na tezitra, na dia vaovao taminy aza ny zavatra nolazain’i Paoly. Nalala-tsaina izy ireo, ka tsy nanda an’ilay hafatra, fa nihaino tsara.

Ahoana no nahalalan’ireo Jiosy ireo fa ny fahamarinana no nampianarin’i Paoly? Nampiasa ny loharanon-kevitra mendri-pitokisana indrindra izy ireo, dia ny Soratra Masina, mba hanaporofoana izany. Nazoto nikaroka tsara tao amin’izy io izy ireo. Hoy i Matthew Henry, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Nampiasa ny Soratra Masina i Paoly mba hampisaintsainana azy ireo. Nampirisika azy ireo hijery ny Testamenta Taloha koa izy, mba hanaporofoana izay nolazainy. Midika izany fa nanana ny Baiboly ireo olona ireo, nitady ny andininy nolazain’i Paoly, namaky ny teny manodidina, nandinika ny hevitra rehetra nofonosin’izany, nampitaha izany tamin’ny andininy hafa, ary nandinika raha marina ny fanatsoahan-kevitr’i Paoly ary nitombina ny fanaporofoan-keviny. Nanatsoaka hevitra nifanaraka tamin’izany izy ireo avy eo.”

Tsy topy maso maimaika fotsiny no nataon’ireo Berianina. Naka fotoana hianarana tsara izy ireo, ary nanao izany tsy tapaka isan’andro, fa tsy rehefa Sabata fotsiny.

Inona no vokatr’izany? Maro tamin’ny Jiosy tao Beria no nanaiky ny hafatra notorin’i Paoly, ka lasa mpino. Grika maro koa no tonga mpino, ary angamba efa nanaraka ny fivavahana jiosy ny sasany. Tsy niafina tamin’ny olona izany. Rehefa ren’ny Jiosy tany Tesalonika izany, dia lasa haingana izy ireo nankany Beria “mba hampirisika sy hanakorontana ny vahoaka.”—Asan’ny Apostoly 17:4, 12, 13.

Voatery niala tao Beria i Paoly, nefa nanohy ny fitoriana foana. Niondrana an-tsambo ho any Atena izy tamin’ity indray mitoraka ity. (Asan’ny Apostoly 17:14, 15) Na izany aza, dia faly izy satria nanjary nisy tao Beria ny Fivavahana Kristianina, noho ny asa nataony tao. Mbola misy vokany hatramin’izao izany.

Mbola misy olona mandinika tsara ny Soratra Masina ao Beria (Véroia) ankehitriny, mba ‘hahafantarany ny zava-drehetra’ sy ‘hifikirany’ amin’izay marina sy voaporofo tsara. (1 Tesalonianina 5:21) Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa izao ao amin’ilay tanàna. Mandroso tsara izy ireo, ary mitory toy ny nataon’i Paoly mba hampahafantarana ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Mitady ny olona tso-po izy ireo, ary mampiasa ny Soratra Masina mba hampisaintsainana azy ireny, hany ka misy heriny eo amin’izay rehetra te hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly.—Hebreo 4:12.

[Sarintany, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

Ampahany amin’ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly

MYSIA

Troasy

Neapolia

Filipy

MAKEDONIA

Amfipolia

Tesalonika

Beria

GRESY

Atena

Korinto

AKAIA

AZIA

Efesosy

RODO

[Sary, pejy 13]]

Vola madinika volafotsy misy sarin’i Aleksandra Lehibe, aseho ho toy ny andriamanitra grika

[Sary nahazoan-dalana]

Vola: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 14]

Vavahadin’ny tanànan’ny Jiosy tao Beria (Véroia)

[Sary, pejy 15]

Synagoga tranainy any Beria (Véroia) ankehitriny