Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanirian’i Adryana

Ny Fanirian’i Adryana

Ny Fanirian’i Adryana

I NONA no fanirian’i Adryana, ankizivavy enin-taona avy any Oklahoma, Etazonia? Zavatra mitovy amin’ny nangatahin’i Davida mpanao salamo, izay nihira hoe: “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.”—Salamo 27:4.

Fantatra fa voan’ny kanseran’ny rafi-pitatitra i Adryana, raha vao enim-bolana fotsiny. Lasa nalemy ny tongony roa, noho io aretiny io. Fandidiana be dia be sy fitsaboana simika naharitra herintaona no natao taminy.

Misy fikambanana iray miezaka manantanteraka ny fanirian’ny ankizy voan’ny aretina mahafaty. Niresaka tamin’io fikambanana io àry ny rain’i Adryana, izay tsy mitovy finoana aminy sy ny reniny. Nangatahiny ny hitsidihan-janany toerana malaza fanaovana kermesy. Nanontany ny hevitr’i Adryana ilay fikambanana, talohan’ny haneken’izy ireo an’ilay fangatahana. Nisaotra azy ireo i Adryana noho ny fiahiany azy. Nilaza anefa izy fa naleony nitsidika ny Betela any New York, izay foiben’ny asa maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa fantatr’i Adryana hoe inona no nangatahin’ny rainy tany amin’ilay fikambanana, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy, mba ho afaka hitsidika ny Betela. Nihevitra ny solontenan’ilay fikambanana, tamin’ny voalohany, fa tsy tena hahaliana ny ankizy izany hitsidika foibem-pivavahana izany. Nanaiky ihany anefa ry zareo, rehefa hitany fa tsy nanohitra ny safidin-janany ny rain’i Adryana.

Nankany New York mba hitsidika ny Betela àry i Adryana sy ny reniny ary ny zokiny vavy sy ny namana iray. Sambany i Adryana no nitsidika tany. Hoy izy: “Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Fantatro fa horaisina tsara izahay rehefa any amin’ny Betela. Hitako tany ny fomba fanaovana ireo boky sy gazety ary Baiboly. Tsara kokoa noho ny toerana fanaovana kermesy ilay izy.”

Nahita ny “fahasoavan’i Jehovah” na ny hatsarany, i Adryana. Finaritra izy nijery ny fomba fiasan’ny foiben’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Asainay an-tanan-droa àry ianao, mba hitsidika Betela. Misy biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa any amin’ny faritra maro eran-tany, ankoatra ny foibe eto New York.