Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay lehilahy be fikirizana? (Lioka 11:5-10)

Asehon’io fanoharana io hoe inona no toetra tokony hasehontsika rehefa mivavaka. Tokony hikiry isika, na tsy hitsahatra hangataka, indrindra mba hahazoana ny fanahy masin’Andriamanitra. (Lioka 11:11-13)—15/12, pejy 20-22.

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay vehivavy mpitondratena sy ilay mpitsara? (Lioka 18:1-8)

Asongadin’izy io fa ilaina ny mivavaka. Tsy sahala amin’ilay mpitsara i Jehovah, fa manao ny marina sady vonona hanampy antsika. Tokony hanam-pinoana toa an’ilay vehivavy mpitondratena koa isika.—15/12, pejy 26-28.

• Nahoana ny apostoly Paoly no nampirisika ny Kristianina tao Korinto mba ‘hihamalalaka’? (2 Korintianina 6:11-13)

Tsy nankasitraka loatra ny mpiray finoana taminy ny olona sasany tao Korinto. Tsy dia naneho fitiavana izy ireo. Mila miezaka isika mba tena hankasitraka ny mpiray finoana amintsika, ary hanao zavatra mba hahazoana namana vaovao mihitsy aza.—1/1, pejy 9-11.

• Inona ilay fanisiana tombo-kase resahin’ny Apokalypsy 7:3?

Asiana tombo-kase voalohany ny Kristianina, rehefa hosoran’Andriamanitra ny fanahy masina. Fanisiana tombo-kase farany kosa no resahin’ny Apokalypsy 7:3. Manaporofo izy io fa tsy nivadika hatramin’ny farany ireo voahosotra ireo.—1/1, pejy 30-31.

• Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny tantaran’i Samoela?

Tokony hampianarin’izy ireo ny tenin’Andriamanitra ny zanany, toy ny nataon’ny ray aman-drenin’i Samoela. Tokony hampirisika ny zanany hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho anton-draharaha koa izy ireo.—15/1, pejy 16.

• Ahoana no ampisehoantsika fa faly miandry an’i Jehovah isika?

‘Miandry ny andron’i Jehovah’ isika, ka tsy andrintsika izay hahazoana fanamaivanana, rehefa horinganiny izay rehetra tsy matahotra azy. (2 Petera 3:7, 12) Maniry mafy hanafoana ny faharatsiana rehetra i Jehovah, nefa miandry izy satria tiany hanome voninahitra ny anarany ny famonjeny ny Kristianina. Mila matoky isika fa fantany ny fotoana mety tsara hanaovan-javatra. Tokony hazoto hidera azy isika mandra-pahatongan’izany. (Salamo 71:14, 15)—1/3, pejy 17-18.

• Fito sa mpivady fito isaky ny karazany avy ny biby madio nampidirin’i Noa tao anaty sambofiara?

Nilazana i Noa fa tokony hakany “fito avy” ny biby madio rehetra. (Genesisy 7:1, 2) Midika ara-bakiteny hoe “fito fito” ny hoe “fito avy” amin’ny teny hebreo. Tsy mpivady fito araka ny ilazan’ny Baiboly sasany azy no dikan’izany. Toa fito avy ny biby nalain’i Noa, izany hoe mpivady telo niampy biby iray ho azony atao fanatitra. (Genesisy 8:20)—15/3, pejy 31.

• Nahoana ny Kristianina no tokony ‘handinika’ ny finoan’ireo anti-panahy mitarika eo amin’izy ireo?

Asain’ny apostoly Paoly “mandinika” na mijery tsara ny vokatry ny fitondran-tena tsaran’ny anti-panahy isika, ary asainy manahaka ny finoan’izy ireo. (Hebreo 13:7) Manao izany isika, satria izay no asain’ny Tenin’Andriamanitra ataontsika. Resy lahatra koa isika fa tena te hampandroso ny asan’ilay Fanjakana izy ireo, sady miahy izay hahasoa antsika.—1/4, pejy 28.