Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Araka ny Nantenainao ve ny Tokantranonao?

Tsy Araka ny Nantenainao ve ny Tokantranonao?

Tsy Araka ny Nantenainao ve ny Tokantranonao?

METY hisy zavatra handiso fanantenana ny mpivady foana, na dia toa nifanentana tsara aza izy roa talohan’ny mariaziny. Nahoana tokoa no misy mpivady lasa tsy mifanara-tsaina, nefa toa nifanaraka tsara talohan’ny nivadiany?

Milaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana” ny mpivady, ka anisan’izany ny alahelo. (1 Korintianina 7:28) Samy tsy lavorary izy ireo, ka izany mazàna no mahatonga ny fahoriana sasany manjo azy. (Romanina 3:23) Tsy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly koa angamba ny iray amin’izy mivady, na izy roa mihitsy. (Isaia 48:17, 18) Indraindray koa anefa, dia manantena zavatra tsy azo tanterahina ny lehilahy na vehivavy manorin-tokantrano. Miteraka disadisa izany, ary mety ho lasa olana lehibe mihitsy.

Faniriana tsy azo tanterahina

Azo inoana fa nanantena zavatra maro ianao rehefa nanorin-tokantrano. Toy izany daholo ny ankamaroan’ny olona. Eritrereto indray ny fiainana nirinao hananana. Tsy araka ny nantenainao ve ilay izy izao? Raha izany no izy, dia aza mihevitra hoe tsy ho voavaha mihitsy ny olana eo anivon’ny tokantranonao. Hilamina izany, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao. * (2 Timoty 3:16) Tsara koa anefa raha dinihinao indray ny faniriana sasany nanananao mifandray amin’ny fanambadiana.

Mety ho nihevitra, ohatra, ianao fa hifaneho fitiavana foana ianareo roa, toy ireny fahita amin’ny filma ireny. Nieritreritra koa angamba ianao fa hiaraka matetika ianareo. Na mety ho nanantena ianao fa ho mora voalamina ny disadisa rehetra eo aminareo, sady haneho fahendrena ianareo rehefa mandamina izany. Maro koa no manantena fa tsy ilaina intsony ny mifehy tena eo amin’ny firaisana ara-nofo, rehefa manambady. Ekena aloha fa manana an’ireo faniriana voatanisa ireo ny ankamaroan’ny mpivady. Tsy dia azo inoana ho tanteraka anefa ireo, ka azo antoka fa ho diso fanantenana ny olona sasany.—Genesisy 3:16.

Misy koa manantena fa ho sambatra izy raha manambady. Marina aloha fa tena mahafaly ny manana namana afaka manampy anao hiatrika ny fiainana. (Ohabolana 18:22; 31:10; Mpitoriteny 4:9) Tokony hanantena ve anefa ny olon-droa hivady, fa tsy hiady intsony, rehefa vita ny raharahany? Diso fanantenana matetika izay mihevitra toy izany!

Faniriana tsy nolazaina

Tsy ny faniriana rehetra no tsy azo tanterahina. Azo tanterahina tsara ny sasany. Mety mbola hisy ihany anefa ny olana. Hoy ny olona iray mpanoro hevitra momba ny fanambadiana: “Misy tezitra, satria tsy notanterahin’ny vadiny ny faniriany. Mbola tsy fantatr’ilay vadiny mihitsy anefa hoe inona ilay faniriany, hatramin’izay niarahan’izy ireo.” Ity misy ohatra hanampy antsika hahazo tsara izany.

Nivady i Solo sy Mialy. Hipetraka any amin’ny tanànan’i Solo izy roa. An-jatony kilaometatra avy eo an-tanànan’i Mialy no misy azy io. Talohan’ny mariaziny, dia efa fantatr’i Mialy fa ho sarotra aminy ny hifindra any amin’ny tanàna vaovao. Saro-kenatra mantsy izy. Natoky anefa izy fa hanampy azy hizatra amin’ny fiainana any i Solo. Nanantena, ohatra, izy fa hiaraka aminy foana i Solo, ary hanampy azy hifankazatra amin’ny namany. Tsy izany anefa no nitranga. Variana loatra niresaka tamin’ireo namany i Solo, ka tavela irery i Mialy. Izy anefa mbola azo lazaina hoe vahiny ihany. Nihevitra i Mialy fa natao tsirambina, na tsy noraharahaina mihitsy aza. Hoy izy tany an-tsainy: “Dia sahin’i Solo ve ny tsy miraharaha ahy toy izao?”

Nanantena zavatra tsy azo tanterahina ve i Mialy? Tsy izany loatra. Tiany fotsiny raha mba manampy azy hizatra amin’ilay fiainana vaovao ny vadiny. Saro-kenatra i Mialy, ka tsy azony mihitsy ny ainy rehefa mihaona voalohany amin’ny olona be dia be izy. Izao anefa no olana: Mbola tsy nolazainy tamin’i Solo mihitsy ny zavatra tsapany. Tsy fantatr’i Solo àry ny manjo an’i Mialy. Inona no hitranga raha mitohy izany? Mety hitombo ny hatezeran’i Mialy, ka hihevitra izy, rehefa ela ny ela, fa tena tsy miraharaha azy tokoa ny vadiny.

Efa diso fanantenana sy sorena koa angamba ianao, satria toa tsy manatanteraka ny fanirianao ny vadinao. Inona àry no azonao atao?

Lazao ny fanirianao

Malahelo tokoa isika rehefa tsy tanteraka ny faniriantsika. (Ohabolana 13:12) Misy zavatra azonao atao anefa. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Maharesy lahatra ny olona ianao, raha hendry sy manao teny voahevitra tsara.” (Ohabolana 16:23, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Resaho amin’ny vadinao àry ny fanirianao, raha hitanao fa azo tanterahina tsara ilay izy, saingy tsy notanterahiny.

Fidio tsara ny fotoana sy ny toerana hiresahanao aminy ary ny teny holazainao. (Ohabolana 25:11) Aoka ianao ho tony sy hanaja azy. Tadidio fa tsy ny hibedy azy no tanjonao, fa hilaza aminy ny fanirianao sy izay tsapanao.—Ohabolana 15:1.

Mety hilaza anefa ianao hoe: ‘Fa nahoana moa aho no tsy maintsy manao an’izany? Raha tena be fitiavana ny vadiko, tsy tokony ho efa fantany ve ny zavatra ilaiko?’ Aza tonga dia mieritreritra toy izany. Mety ho ny fomba fisainanareo fotsiny no samy hafa. Azo inoana fa ho faly ny vadinao handinika ny hevitrao, raha lazainao aminy ny ao an-tsainao. Raha milaza ny fanirianao na ny zavatra ilainao ianao, dia tsy midika akory izany hoe tsy mandeha tsara ny tokantranonareo. Tsy midika koa izany hoe tsy miraharaha anao ny vadinao.

Aza misalasala àry miresaka amin’ny vadinao. Mety ho azon’i Mialy natao, ohatra, ny nilaza tamin’i Solo hoe: “Tsoriko aminao fa tsy dia azoazoko loatra ny aiko, rehefa mihaona voalohany amin’ny olona be dia be aho. Mba azonao ampiana ve aloha aho hifankazatra amin’ny olon-drehetra? Amin’izay aho tsy hatahotahotra intsony.”

“Mailaka hihaino”

Aoka indray hatao hoe ny vadinao no te hiresaka aminao, satria malahelo izy fa tsy notanterahinao ny faniriany, na dia azo tanterahina tsara aza. Raha izany no mitranga, dia henoy izy! Aza miaro tena. Aoka kosa ianao “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19; Ohabolana 18:13) Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”—1 Korintianina 10:24.

Ahoana no hampiharanao izany? Miezaha mipetraka eo amin’ny toeran’ny vadinao. Hoy ny Baiboly: “Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana.” Izao no andikan’ny Baiboly fandikan-tenin’i J. Phillips an’io andinin-teny io: “Ianareo lehilahy dia tokony hiezaka hahatakatra ny manjo ny vadinareo miara-miaina aminareo.” (1 Petera 3:7) Mazava ho azy, fa tokony hiezaka hanao toy izany koa ny vehivavy.

Tadidio fa tsy voatery hitovy hevitra foana ianareo roa, na dia mifanentana toy inona aza. (Jereo ilay efajoro hoe “Toerana Iray Ihany no Jerena, Nefa Tsy Mitovy ny Zavatra Hita.”) Misy mahatsara azy anefa ny tsy fitovian-kevitra. Ilaina mantsy ny mandinika ny hevitry ny hafa. Samy nanana ny fanirianareo ianareo, tamin’ny vao nivady, arakaraka ny zavatra niainanareo tamin’ny mbola kely sy ny kolontsainareo. Mety ho samy hafa àry ny fanirianareo, na dia mifankatia be aza ianareo.

Samy mahalala, ohatra, ny mpivady kristianina fa ny lehilahy no loham-pianakaviana, araka ny toro lalan’ny Baiboly. (Efesianina 5:22, 23) Mety tsy hitovy hevitra anefa izy ireo, momba ny hoe: Ahoana marina no hampisehoan’ny lehilahy fa izy no loham-pianakaviana? Ahoana no hampisehoan’ny vehivavy fa mankatò ny vadiny izy? Samy manaiky an’io toro lalana eo ambony io ve ianareo roa, ary miezaka mafy mankatò izany?

Mety tsy hitovy hevitra koa ianareo eo amin’ny zavatra hafa mahakasika ny fiainana andavanandro. Iza, ohatra, no hanao ny raharaha sasany ao an-trano? Rahoviana ianareo no hamangy havana, ary toy inona ny habetsahan’ny fotoana holaninareo amin’izany? Ahoana no hampisehoan’ny mpivady kristianina fa ataony loha laharana eo amin’ny fiainany ilay Fanjakana? (Matio 6:33) Andeha indray isika hiresaka momba ny vola. Mora bokan-trosa ny olona, ka tsara ny mahay mitady hevitra hitsitsiana vola. Ahoana marina anefa no fomba hanaovana izany? Mila resahina amim-pahatsorana sy amim-panajana ny zavatra toy izany. Handray soa be dia be ianareo amin’izay.

Hilamina kokoa ny tokantrano, raha mifampiresaka momba ny zavatra toy izany ianareo, na dia mbola misy fanirianareo tsy tanteraka aza hatramin’izao. Ho mora kokoa aminareo amin’izay ny hampihatra ny fampirisihan’ny apostoly Paoly hoe: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”—Kolosianina 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Misy torohevitra tsara maro ho an’ny mpivady ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 10]

TOERANA IRAY IHANY NO JERENA, NEFA TSY MITOVY NY ZAVATRA HITA

‘Aoka hatao hoe misy mpizaha tany maromaro miara-mitazana toerana tsara tarehy. Toerana iray ihany no jeren’izy rehetra, nefa samy hafa ny fahitany azy. Nahoana? Satria mijoro eo amin’ny toerana samy hafa ny olona tsirairay. Tsy misy olona mijoro eo amin’ny toerana iray ihany. Tsy mitovy koa ny zavatra ifantohan’izy rehetra. Samy hafa ny zavatra mahavariana ny tsirairay. Toy izany mihitsy ny zava-misy eo anivon’ny tokantrano. Tsy voatery hitovy hevitra foana ny mpivady, na dia mifanentana toy inona aza. ... Mila miezaka manao izay hampety tsara ny fifandraisany àry izy ireo, ka hifampiresaka momba ny tsy fitovian-kevitra misy eo aminy. Noho izany, dia ilaina ny manokana fotoana hifampiresahana.’—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1993, pejy 4.

[Efajoro, pejy 11]

INONA NO AZONAO ATAO?

• Diniho indray ny fanirianao rehetra. Azo tanterahina ve izy ireo? Sa kosa ianao mitaky zavatra tsy azo tanterahina amin’ny vadinao?—Filipianina 2:4; 4:5.

• Ahitsio izay fanirianao tsy azo tanterahina. Aza manantena hoe tsy hiady mihitsy ianareo. Aoka kosa ianao ho tapa-kevitra, fa hiezaka handamina amim-pahatoniana izay disadisa mety hisy eo aminareo.—Efesianina 4:32.

• Resaho ny fanirianao. Hanampy anareo izany hahita hoe ahoana no hifanehoana fitiavana sy fanajana.—Efesianina 5:33.

[Sary, pejy 9]

Aoka ianao ho “mailaka hihaino” an’izay mampalahelo ny vadinao