Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora Ampifalio ny Ray Aman-dreninao

Ry Tanora Ampifalio ny Ray Aman-dreninao

Ry Tanora Ampifalio ny Ray Aman-dreninao

NANORATRA toy izao ny apostoly Jaona efa be taona: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha hatrany ao amin’ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4) Mahatakatra tsara an’izany fihetseham-pon’i Jaona izany ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra, na dia manondro mpianatra kristianina aza ny hoe zanaka ao amin’io andininy io. Misy fiantraikany be eo amin’ny fiainan’ny zanany ny zavatra ataon’ny ray aman-dreny. Toy izany koa fa misy fiantraikany be eo amin’ny fiainan’ny ray aman-dreny izay ataon’ny zanany.

Fantatr’i Solomona mpanjakan’ny Israely fa misy vokany lalina eo amin’ny ray aman-dreny ny ataon’ny zanany. Hoy izy: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.” (Ohabolana 10:1) Tokony handinika tsara izay ho vokatry ny ataony eo amin’ny ray aman-dreniny àry ny zanaka, na dia ireo efa lehibe aza. Nahoana izany no mety?

Mba eritrereto fotsiny ange ny fikarakarana rehetra nataon’ny ray aman-dreninao mba hitaizana anao e! Efa ela be talohan’ny nahaterahanao izy ireo no nikarakara anao, sy nivavaka momba anao. Rehefa teraka indray ianao, dia nitia anao ny rainao sy ny reninao, ary azo inoana fa nisaotra an’Andriamanitra noho ilay voninahitra sady andraikitra lehibe hitaiza anao. Zaza tsy nanam-piarovana ianao tamin’izany. Noraisin’izy ireo ho adidiny anefa ny nikarakara anao ary tsy nohamaivaniny izany, satria mpanompon’i Jehovah izy ireo.

Nandinika ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky aman-gazety ara-baiboly ny ray aman-dreninao mba hahazoana tari-dalana mendri-pitokisana. Nangataka torohevitra tamin’ireo efa nitaiza zanaka izy ireo, ary nivavaka ho anao foana. (Mpitsara 13:8) Fantatry ny ray aman-dreninao ny toetra tsaranao, rehefa nihalehibe ianao. Tsy niafina taminy koa anefa ny kilemanao. (Joba 1:5) Nisy olana vaovao nipoitra rehefa zatovo ianao. Nikomy, ohatra, ianao indraindray, ka nivavaka mafimafy kokoa ny ray aman-dreninao. Nanjary nanokana fotoana bebe kokoa hamakiana Baiboly sy boky aman-gazety izy ireo, ary vao mainka nieritreritra ny fomba hanampiana anao hanompo hatrany an’i Jehovah, ilay Rainao any an-danitra.

Miraiki-po aminao izy ireo satria zanany ianao. Irin’izy ireo ianao ho salama sy hilamin-tsaina sy fo, ary hifandray tsara amin’i Jehovah hatrany, na dia rehefa olon-dehibe aza. Tadidiny foana anefa fa afaka manao izay tianao hatao ianao, ary tsy fantany hoe hanao ahoana ny fiainanao amin’ny hoavy. Ianao ihany amin’ny farany no hisafidy ny lalana tianao harahina.

“Tsy misy mahavelom-pisaorana” ny ray aman-dreny, noho ny hoe “mandeha hatrany ao amin’ny fahamarinana” ny zanany. Raha manao hadalana kosa ny zanaka, dia tsy mahagaga raha mitondra alahelo ho an’ny ray aman-dreniny izany. Hoy i Solomona: “Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.” (Ohabolana 17:25) Mahatsapa fangirifiriana tokoa ny ray aman-dreny, rehefa mandao ny fivavahana amin’ilay tena Andriamanitra ny zanany!

Tena misy vokany lehibe amin’ny fianakavianao sy ny olon-kafa tokoa ny zavatra ataonao. Mety ho tena hampifaly na hampalahelo ny ray aman-dreninao ny fitondran-tenanao. Hampahory ny ray aman-dreninao ianao, raha mandà an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Ho faly kosa izy ireo, raha tsy mivadika amin’i Jehovah ianao sady mankatò azy foana. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra hampifaly ny ray aman-dreninao! Izany no fanomezana sarobidy indrindra azonao atolotra an’ireo tia sy niaro ary nitaiza anao.