Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe Kokoa Noho ny Toetrandro

Zava-dehibe Kokoa Noho ny Toetrandro

Zava-dehibe Kokoa Noho ny Toetrandro

SAIKA ny firenen-drehetra no manana ohabolana momba ny toetrandro. Anisan’izany ilay hoe: “Takariva mena masoandro, fifalian’ny tantsambo. Maraina mena masoandro, mitandrema ry tantsambo.” Araka an’io ohabolana io, dia mety ho ratsy ny andro raha mena ny lanitra amin’ny maraina. Afaka manome fanazavana ara-tsiansa momba ny antony mahatonga izany ny mpamantatra ny toetrandro.

Zatra nandinika ny lanitra koa ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Nofantarin’izy ireo avy tamin’ny endrik’izy io ny mety ho toetry ny andro. Hoy i Jesosy tamin’ny Jiosy sasany: “Rehefa hariva ny andro, dia mahazatra anareo ny miteny hoe: ‘Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.’ Ary rehefa maraina, dia hoy ianareo: ‘Hangatsiaka sy hanorana anio, fa mena ny lanitra saingy manjombona.’ Hainareo fantarina avy amin’ny endriky ny lanitra ny toetr’andro.” Nampieritreritra anefa ny tohin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Nefa tsy hainareo fantarina ny dikan’ny famantarana ny fotoana voatondro.”—Matio 16:2, 3.

Inona avy ireo “famantarana ny fotoana voatondro”? Tsy inona fa ireo porofon’ny maha Mesia nirahin’Andriamanitra an’i Jesosy. Toy ilay lanitra mena izay namantarana ny mety ho toetry ny andro, dia nampiharihary ny maha Mesia an’i Jesosy ny zavatra nataony. Mbola zava-dehibe kokoa noho ny famantarana ny toetrandro izany. Tsy niraharaha an’ireny porofo ireny anefa ny ankamaroan’ny Jiosy.

Misy famantarana miseho koa amin’izao andro izao. Mbola zava-dehibe noho ny famantarana ny toetrandro avy amin’ny lokon’ny lanitra ny fahafantarana ny dikan’izy io. Nitanisa fisehoan-javatra maromaro i Jesosy ho famantarana, fa efa hofaranana ity tontolo ratsy ity mba hisian’ny tontolo tsara kokoa. Nambarany, ohatra, fa hisy ady sy mosary eran-tany. Nilaza i Jesosy fa efa hiditra an-tsehatra amin’izay Andriamanitra, rehefa mitranga ireny fisehoan-javatra ireny.—Matio 24:3-21.

Hitanao ve ny “famantarana ny fotoana voatondro”?