Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Anampiako ny Zanako ho Olom-banona?

Ahoana no Anampiako ny Zanako ho Olom-banona?

Ahoana no Anampiako ny Zanako ho Olom-banona?

AZO oharina amin’ny fanaovana dia sarotra nefa mahafinaritra ny fanabeazana na ny fitaizan-janaka. Ianao sy ny zanakao no miara-manao ilay dia. Mitari-dalana azy amim-pitiavana ianao, ary mampahery sy manampy azy hahomby eo am-pamakivakiana ny fiainana. Be dia be mantsy ny zavatra mbola mila ianarany!

Tsy maintsy ampianarina hifandray hatrany amin’Andriamanitra sy ho tsara fitondran-tena ny ankizy, mba tena hahasambatra azy. Ho hainy amin’izay ny hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Raha tena latsaka ao am-pony ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fitiavana azy, dia tena hahasoa azy ny fanabeazana omenao ary haharitra mandrakizay izany. Amin’ny maha ray aman-dreny anao dia tena lehibe tokoa ny andraikitrao eo amin’ny fanabeazana ny zanakao. Misy vokany amin’ny fomba iheverany ny zavatra ampianarina azy izany.

Maro ny zava-tsarotra tsy maintsy atrehin’ny ray aman-dreny, mandritra ilay dia. Mora miana-javatra ny ankizy, ka mety hianatra zava-dratsy avy amin’ny olona any ivelan’ny tokantrano. Tontolo fehezin’i Satana Devoly mantsy no iainantsika. (1 Jaona 5:19) Maniry hampianatra ny zanakao koa izy, nefa noho ny antony hafa mihitsy. Mpampianatra mahay sy tena ampy traikefa i Satana, saingy ratsy fanahy. Marina fa miseho ho “anjelin’ny mazava” izy. Diso anefa ny fampianarany sady mifanohitra amin’ny Tenin’i Jehovah sy ny sitrapony. (2 Korintianina 4:4; 11:14; Jeremia 8:9) Samy za-draharaha amin’ny famitahana na ny Devoly na ny demonia, ka mampirisika ny olona ho tia tena, sy tsy hanao ny marina, ary haloto fitondran-tena.—1 Timoty 4:1.

Inona no azonao atao mba tsy ho voafitaka ny zanakao? Ahoana no azonao ampianarana azy mba ho tia izay marina sy izay misy vidiny? Mila mandini-tena aloha ianao. Tokony ho modely ho an’ny zanakao ianao. Tokony hekenao ny adidinao hampianatra azy, ary mila manokana fotoana hanaovana izany ianao. Alohan’ny handinihantsika ireo hevitra ireo anefa, dia andeha hojerentsika hoe mifototra amin’ny inona ny fitaizana tsara.

Ny hoe fitaizana tsara

Azontsika atao ny miana-javatra avy amin’i Solomona Mpanjakan’ny Israely, izay anisan’ny lehilahy hendry indrindra. Hoy ny Baiboly momba azy: “Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Ary ny fahendren’i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ny Egyptiana rehetra. ... Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tononkira dimy amby arivo.” Nanam-pahalalana be dia be momba ny zavamaniry sy biby izy. (1 Mpanjaka 5:9-14) I Solomona Mpanjaka koa no niandraikitra ny asa fanorenana teo amin’ny firenen’ny Israely, toy ny fanorenana ilay tempoly tsara tarehy tao Jerosalema.

Nanoratra boky koa izy, anisan’izany ny Mpitoriteny. Hita taratra avy amin’ny zavatra nosoratany, fa fantany tsara ny toetra mampiavaka ny olombelona. Nasain’Andriamanitra nosoratany hoe inona no tokony hampianarina voalohany indrindra ny ankizy raha tiana ho tsara taiza izy ireo. Hoy i Solomona: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.” Hoy koa io mpanjaka hendry io: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.”—Ohabolana 1:7; 9:10.

Raha matahotra an’Andriamanitra isika, dia hanaja lalina azy, sady hitandrina mba tsy hampahatezitra azy. Ekentsika fa izy no Fara Tampony, ary mbola hampamoahina eo anatrehany isika. Miankina aminy ny fiainantsika. Marina fa mety hoheverin’ny olona ho hendry, ireo tsy miraharaha an’i Jehovah. ‘Fahadalana amin’Andriamanitra’ anefa izany. (1 Korintianina 3:19) Mila tezainao araka ny “fahendrena avy any ambony” àry ny zanakao.—Jakoba 3:15, 17.

Mifandray akaiky ny fitiavana an’i Jehovah sy ny tahotra sao tsy hampifaly azy. Irin’i Jehovah hatahotra azy ny mpanompony sady ho tia azy. Hoy i Mosesy: “Ry Isiraely ô, inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao?”—Deoteronomia 10:12, 13.

Raha vitantsika ny mampianatra ny zanatsika hatahotra an’i Jehovah sy hanaja azy, dia efa dingana lehibe hahatonga azy ireo ho tena hendry izany. Raha manana an’io tahotra io foana izy ireo, dia hankasitraka bebe kokoa ny Mpamorona, izay Loharanon’ny fahalalana marina rehetra. Hanampy ny zanatsika hanana fomba fihevitra mety izany, ka hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy” izy. (Hebreo 5:14) Hanetry tena foana koa izy ireo ary hanalavitra ny fanaovan-dratsy, raha manana an’io tahotra an’i Jehovah io.—Ohabolana 8:13; 16:6.

Mandinika anareo ny zanakareo!

Ahoana anefa no azontsika anampiana ny zanatsika ho tia an’i Jehovah sy hatahotra azy? Hitantsika ao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny vahoakan’ny Israely tamin’ny alalan’i Mosesy ny valin’izany. Nilazana toy izao ny ray aman-dreny israelita: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:5-7.

Misy lesona lehibe azon’ny ray aman-dreny raisina eo: Tsy maintsy manome ohatra tsara ho an’ny zanakareo ianareo. Tsy maintsy tia an’Andriamanitra ianareo ray aman-dreny, ary tsy maintsy raisinareo am-po ny teniny, raha tianareo ny hampianatra ny zanakareo ho tia azy. Nahoana no tena zava-dehibe izany? Satria ianareo indrindra no tokony ho mpampianatra ny zanakareo. Hisy vokany lalina eo aminy ny zavatra hitany aminareo. Ny ohatra omen’ny ray aman-dreny mantsy no manan-kery indrindra eo amin’ny zanany.

Tsy ny zavatra lazainareo ihany no ahitana ny fanirianareo, ny tanjonareo, ny fitsipi-pitondran-tena arahinareo, ary ny zavatra mahafinaritra anareo, fa izay ataonareo koa. (Romanina 2:21, 22) Mandinika tsara ny ray aman-dreniny ny ankizy, hatramin’ny mbola kely. Voamariny hoe inona avy no zava-dehibe amin’ny ray aman-dreniny, ary ireny mazàna no lasa zava-dehibe aminy. Ho tsapany raha tena tia an’i Jehovah ianareo. Ho hitany, ohatra, fa zava-dehibe aminareo ny mamaky Baiboly sy ny mianatra azy io. Ho fantany raha loha laharana eo amin’ny fiainanareo ilay Fanjakana. (Matio 6:33) Raha mivory foana sy mitory tsy tapaka ianareo, dia ho takatry ny zanakareo fa ny fanompoana masina ho an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminareo.—Matio 28:19, 20; Hebreo 10:24, 25.

Iantsorohy ny andraikitrareo

Izao no lesona manaraka azonareo ray aman-dreny raisina avy amin’ny Deoteronomia 6:5-7: Andraikitrareo ny mampianatra ny zanakareo. Nampianatra ny zanany ny ray aman-dreny teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah fahiny. Toy izany koa ny ray aman-dreny kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (2 Timoty 1:5; 3:14, 15) Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina, fa ny ray no tena manana andraikitra ‘hitaiza hatrany [ny zanany] araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.’—Efesianina 6:4.

Be dia be ankehitriny ny adidy aman’andraikitra tsy maintsy sahanina, ka mety halaim-panahy ny ray aman-dreny hanankina ny fanabeazana ny zanany amin’olon-kafa, toy ny mpampianatra sy ny mpitaiza zaza. Tsy mahasolo ny ray aman-dreny be fitiavana sy tsara fanahy anefa izy ireny. Tena mila anareo ny zanakareo, ary manan-kery hitaona azy ianareo. Aza hamaivanina izany. Raha mila mpanampy ianareo eo amin’ny fitaizana ny zanakareo, dia fidio amim-pahendrena izany. Aza mandositra adidy anefa.

Manokàna fotoana hampianarana ny zanakareo

Izao koa no lesona hafa azon’ny ray aman-dreny raisina avy amin’ny Deoteronomia 6:5-7: Mitaky fotoana sy ezaka ny fitaizana. Tsy maintsy ‘nampianatra’ ny fahamarinan’Andriamanitra an’ireo zanany ny ray aman-dreny israelita. Midika hoe “mamerimberina”, ilay teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe ‘mampianatra.’ Nila nanao izany tontolo andro ny ray aman-dreny, hatramin’ny maraina mandra-paharivan’ny andro, na ‘tao an-trano’ izy ireo na ‘teny an-dalana.’ Mitaky fotoana sy ezaka ny mampianatra ny ankizy, sy ny mamolavola ny toe-tsainy mbamin’ny fitondran-tenany, mba hampifaliany an’Andriamanitra.

Inona àry no azonao atao mba hanampianao ny zanakao ho olom-banona? Betsaka tokoa. Ampianaro ho tia an’i Jehovah sy hatahotra azy izy. Aoka ianareo ho fakan-tahaka. Iantsorohy ny andraikitrareo hampianatra ny zanakareo, ary manokàna fotoana hanaovana izany. Tsy lavorary ianareo, ka hanao fahadisoana eo amin’ny fitaizana. Raha miezaka mafy hanao ny sitrapon’Andriamanitra anefa ianareo, dia azo inoana fa tena hankasitraka ny ezaka ataonareo ny zanakareo ary handray soa amin’izany. Hoy ny Ohabolana 22:6: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”

Dia lavitra mandritra ny androm-piainana ny fanabeazana. Afaka manohy mandrakizay an’io dia io ianao sy ny zanakao, raha samy tia an’Andriamanitra. Hisy zavatra ianarana foana mantsy momba an’i Jehovah sy ny fomba anatanterahantsika ny fikasany.—Mpitoriteny 3:10, 11.

[Sary, pejy 15]

Mamaky Baiboly amin’ny zanakao ve ianao?

[Sary, pejy 16]

Manokàna fotoana hampianarana ny zanakao momba ny Mpamorona