Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ho Lavorary Izay Kasainao”

“Ho Lavorary Izay Kasainao”

“Ho Lavorary Izay Kasainao”

HOY i Davida mpanao salamo, tao amin’ny hira iray noforoniny: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.” (Salamo 51:10, 12) Nitalaho tamin’i Jehovah Andriamanitra i Davida mba hanadio ny fony sy hanavao ny fanahiny na ny toe-tsainy, mba hahatonga azy hanao ny tsara. Avy nibebaka izy tamin’izay, rehefa avy nanota niaraka tamin’i Batseba.

Mamorona fo vaovao ho antsika tokoa ve i Jehovah, ka manome antsika toe-tsaina vaovao izay mandrisika antsika hazoto hankatò azy? Sa isika kosa no tokony hiezaka hanana an’io fo madio io sy hiaro azy? Marina fa i ‘Jehovah no Mpamantatra ny fo’, nefa izy mihitsy ve no mamolavola azy io? (Ohabolana 17:3; Jeremia 17:10) Moa ve izy mifehy tanteraka ny fiainantsika sy ny antony manosika antsika ary izay ataontsika?

Miverina imbalo ao amin’ny andininy sivy voalohany ao amin’ny Ohabolana toko faha-16 ny anaran’Andriamanitra. Asehon’ireo andininy ireo hoe inona no azontsika atao mba hamelana an’Andriamanitra hitantana ny fiainantsika, ka ‘ho lavorary izay kasaintsika.’ (Ohabolana 16:3) Misarika ny saina ho amin’ny andraikitry ny mpanjaka na ny mpitondra kosa ny Oh 16:10-15 andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-15.

Iza no tompon’andraikitra amin’ny “fikasan’ny fo”?

“Ny fikasan’ny fo no amin’ny olona”, hoy ny Ohabolana 16:1a. Hita amin’izany fa andraikitsika ihany ny mandamina ny hevitra ao am-pontsika. Tsy mamolavola ny fontsika amin’ny fomba mahagaga i Jehovah, na manome antsika toe-tsaina mandrisika antsika hazoto hankatò. Isika kosa no mila miezaka mba hahazo fahalalana marina tsara ny Teniny, hisaintsaina an’izay ianarantsika, ary hampifanaraka ny fisainantsika amin’ny azy.—Ohabolana 2:10, 11.

Nangataka “fo madio” sy toe-tsaina vaovao i Davida, satria niaiky izy hoe mora manota ka mila ny fanampian’Andriamanitra mba hanadio ny fony. Tsy lavorary koa isika, ka mety halaim-panahy hanao ny “asan’ny nofo.” (Galatianina 5:19-21) Mila ny fanampian’i Jehovah isika, mba ‘hamonoana ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatantsika etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary fitsiriritana.’ (Kolosianina 3:5) Tena ilaina tokoa ny mivavaka mba hampiany tsy ho resin’ny fakam-panahy, sy hanaisotra ny fironan-dratsy ao am-pontsika!

Afaka manampy olon-kafa handamina ny hevitra ao am-pony ve isika? Hoy ny Baiboly: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18) Rehefa inona no manasitrana olon-kafa ny lelantsika? Tsy afaka manao izany isika raha tsy ‘avy amin’i Jehovah ny famalian’ny lelantsika’, izany hoe rehefa miresaka ny tenin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika.—Ohabolana 16:1b.

Hoy ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Mora manamarin-tena sy mamitaka antsika ny fontsika an’ohatra. Nampitandrina ny amin’io loza io i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny rehefa nilaza hoe: “Ataon’ny olona ho madio avokoa ny làlana rehetra alehany; fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.”Ohabolana 16:2.

Ny fitiavan-tena koa no mety hahatonga antsika hanala tsiny ny fahadisoantsika, sy hanafina toetra ratsy, ary ho mody tsy mahita ny kilemantsika. Tsy azo fitahina anefa i Jehovah. Izy no mpandanja ny fanahy, izany hoe mandinika ny toe-tsain’ny olona. Miankina be dia be amin’ny fo an’ohatra io toe-tsaina io, izany hoe miankina amin’ny fisainana sy ny fihetseham-po ary ny antony manosika. Ny toe-tsaina no dinihin’ilay “Mpamantatra ny fo”, ary tsy miangatra izy rehefa mitsara. Hendry àry isika raha mitandrina ny toe-tsaintsika.

“Ankino amin’i Jehovah ny asanao”

Mieritreritra isika rehefa mikasa hanao zavatra. Anisan’ny asa ataon’ny fontsika an’ohatra izany. Aorian’izay isika matetika vao manatanteraka an’ilay izy. Hahomby ve izay kasaintsika? Hoy i Solomona: “Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao.” (Ohabolana 16:3) Manankina ny asantsika amin’i Jehovah isika, rehefa matoky azy sy miantehitra aminy ary manaiky ny fahefany. Toy ny hoe afindrantsika eny an-tsorony izay manavesatra ny sorotsika. Hoy ny mpanao salamo: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.”—Salamo 37:5.

Tsy maintsy ampifanarahina amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa izay kasaintsika, raha tiantsika ho lavorary. Tokony ho tsara koa ny antony hanaovantsika an’ilay izy. Ankoatra izany, dia mila mangataka ny fanampian’i Jehovah isika, ary miezaka mafy hanaraka tsara ny torohevitry ny Baiboly. Rehefa tojo fitsapana na mandia fotoan-tsarotra indrindra isika no tena mila ‘mametraka ny entantsika amin’i Jehovah’, satria ‘hanohana antsika’ izy. “Tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”—Salamo 55:22.

“Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa”

Inona koa no soa raisintsika rehefa manankina ny asantsika amin’i Jehovah isika? “Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa”, hoy ilay mpanjaka hendry. (Ohabolana 16:4a) Andriamanitra manam-pikasana ilay nahary izao rehetra izao. Raha manankina ny asantsika aminy àry isika, dia hanan-javatra maro misy dikany hatao, ary tena hisy antony ny fiainantsika. Haharitra mandrakizay ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona. (Efesianina 3:11) Noforoniny mba “honenana” ny tany. (Isaia 45:18) Ankoatra izany, dia tsy maintsy ho tanteraka izay nokasainy tany am-boalohany momba ny olombelona. (Genesisy 1:28) Tsy hanam-pahataperana sy hisy dikany foana ny fiainan’ireo nanolo-tena ho an’Andriamanitra.

‘Ny ratsy fanahy koa aza dia nataon’i Jehovah ho amin’ny andro hahitan-doza.’ (Ohabolana 16:4b) Tsy namorona ny ratsy fanahy izy satria “tanteraka ny asany.” (Deoteronomia 32:4) Avelany hisy sy ho velona kosa anefa izy ireny, mandra-pahatongan’ny fotoana mety tsara handringanana azy. Izao, ohatra, no nolazain’i Jehovah tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta: “Izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” (Eksodosy 9:16) Nampiseho ny heriny fara tampony tokoa Andriamanitra, rehefa nandefa ny Loza Folo sy nandringana an’i Farao mbamin’ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena. Mbola tsaroana hatramin’izao izany.

Afaka mampiasa ny ratsy fanahy mba hanatanteraka ny fikasany koa i Jehovah, na dia tsy tsapan’izy ireo aza izany. Hoy ny mpanao salamo: “Ny fahatezeran’ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.” (Salamo 76:10) Mety havelan’i Jehovah ho tezitra amin’ny mpanompony ny fahavalony. Mandra-pahavitan’ny famaizana sy fampiofanana ny mpanompony fotsiny anefa izany no avelany hitranga. ‘Isikinany’ na sakanany kosa ny fahatezerana mihoatra an’izay.

Manampy an’ireo mpanompony manetry tena i Jehovah. Fa inona kosa no ataony amin’ireo miavonavona sy manambony tena? Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.” (Ohabolana 16:5) Mety hifanohana ireo “miavonavona am-po”, kanefa tsy ho afa-mandositra ny sazy miandry azy izy ireo. Hendry àry isika raha miezaka ny hanetry tena, na manao ahoana na manao ahoana fahalalana na fahaizana na tombontsoam-panompoana ananantsika.

“Ny fahatahorana an’i Jehovah”

Teraka tao anatin’ny ota isika ka mora manao fahadisoana. (Romanina 3:23; 5:12) Inona àry no hanampy antsika mba tsy hanana fikasana izay hitarika antsika ho amin’ny ratsy? Hoy ny Ohabolana 16:6: “Ny famindrampo sy ny fahamarinana no avotra amin’ny heloka; ary ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.” Marina fa mamela ny helotsika i Jehovah noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany. Ny fahatahorana azy anefa no misakana antsika tsy hanota. Tena mila matahotra ny hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra àry isika, ankoatra ny hoe tia azy sy mankasitraka ny famindram-pony!

Manjary matahotra an’Andriamanitra isika rehefa manaja fatratra ny heriny mahatalanjona. Eritrereto fotsiny ny heriny hita taratra eo amin’ny zavatra noforoniny! Nampahatsiahivina an’i Joba izany, ka afaka nanitsy ny fomba fisainany izy. (Joba 42:1-6) Tsy manampy antsika hanitsy ny toe-tsaintsika koa ve ny mamaky sy misaintsaina ireo tantara ao amin’ny Baiboly, momba ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny vahoakany? Nihira ny mpanao salamo hoe: “Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona.” (Salamo 66:5) Tsy tokony hanararaotra ny famindram-pon’i Jehovah anefa isika. Rehefa nikomy taminy mantsy ny Israelita, “ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.” (Isaia 63:10) Mifanohitra amin’izany kosa, fa “raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.” (Ohabolana 16:7) Tena miaro tokoa ny fahatahorana an’i Jehovah!

Hoy ihany ilay mpanjaka hendry: “Aleo ny kely omban’ny fahamarinana toy izay ny harem-bevava azo amin’ny tsy rariny.” (Ohabolana 16:8) Hoy ny Ohabolana 15:16: “Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’i Jehovah toy izay harena be misy ahiahy.” Tena ilaina tokoa ny manaja sy matahotra an’Andriamanitra mba hanaovana ny marina hatrany.

“Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany”

Noforonina hanan-tsafidy ny olombelona, na hanao ny tsara na hanao ny ratsy. (Deoteronomia 30:19, 20) Afaka mandinika safidy maromaro ny fontsika an’ohatra, ary afaka mifantoka amin’ny iray na vitsivitsy amin’izy ireny. Hita amin’izao tenin’i Solomona izao fa manana andraikitra hisafidy isika: “Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany.” Aorian’izay vao “mahalavorary ny diany i Jehovah.” (Ohabolana 16:9) Koa satria i Jehovah afaka mitari-dalana antsika, dia hendry isika raha mitady ny fanampiany mba ‘ho lavorary izay kasaintsika.’

Efa hitantsika teo aloha fa mamitaka ny fo ary mety hahatonga antsika ho diso hevitra. Mety hanota, ohatra, ny olona iray, nefa hanamarina azy ny fony. Tohiziny foana ilay fahotany, sady mety hieritreritra izy hoe: ‘Be fitiavana ange Andriamanitra e! Sady tsara fanahy izy no mamindra fo, ary mamela heloka.’ Hoy izy anakampo: “Efa nanadino Andriamanitra; efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.” (Salamo 10:11) Sady tsy mety anefa no mampidi-doza ny manararaotra ny famindram-pon’Andriamanitra.

“An’i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina”

Niresaka momba ny mpanjaka indray i Solomona avy eo. Hoy izy: “Ny teny marina [na didim-pitsarana avy amin’Andriamanitra] dia eo amin’ny molotry ny mpanjaka, ary tsy diso teny izy, raha mitsara.” (Ohabolana 16:10) Marina tokoa izany raha ny amin’i Jesosy Kristy Mpanjaka. Hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fomba hitondrany ny tany.

Hoy ilay mpanjaka hendry, rehefa niresaka hoe avy aiza ny rariny sy ny fahitsiana: “An’i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.” (Ohabolana 16:11) I Jehovah no mamaritra ny atao hoe fandanjana marina sy mizana marina, fa tsy ny mpanjaka. Hoy i Jesosy tamin’izy teto an-tany: “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay reko no itsarako, ary marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitrapoko aho, fa ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” Afaka matoky isika fa hampihatra ny rariny amin’ny fomba tonga lafatra ilay Zanaka ‘nanankinan’ny Ray ny fitsarana rehetra.’—Jaona 5:22, 30.

Inona koa no hataon’ilay mpanjaka misolo tena an’i Jehovah? Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Fahavetavetana eo imason’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; fa fahamarinana no iorenan’ny seza fiandrianana.” (Ohabolana 16:12) Hanaraka ny toro lalana marin’Andriamanitra ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy hikambana amin’ny “seza fiandrianan’ny ratsy” mihitsy izy.—Salamo 94:20; Jaona 18:36; 1 Jaona 5:19.

Fahazoana sitraka amin’ny mpanjaka

Inona no tokony hataon’ny vahoakan’ny mpanjaka iray be voninahitra? Hoy i Solomona: “Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, ary izay miteny mahitsy no tiany. Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana, fa ny olon-kendry mampionona izany.” (Ohabolana 16:13, 14) Manaraka an’ireo teny ireo ny mpivavaka amin’i Jehovah ankehitriny, ka mazoto mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Fantatr’izy ireo fa ankasitrahan’i Jesosy Kristy Mpanjaka ny fampiasany ny molony amin’ny fomba toy izany. Azo antoka fa hendry izay mampionona ny fahatezeran’ny mpanjaka mahery, sy manao izay hahazoana sitraka aminy. Mbola hendry kokoa noho izany aza izay miezaka hahazo sitraka amin’ny Mesia Mpanjaka!

Hoy ihany i Solomona: “Amin’ny fahamiramiranan’ny tarehin’ny mpanjaka dia misy fiainana, ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ny fararano.” (Ohabolana 16:15) Fahazoana sitraka aminy no dikan’ny hoe “fahamiramiranan’ny tarehin’ny mpanjaka.” Toy ny ‘fahazavan’ny tavan’i Jehovah’ ihany izany, izay midika fahazoana sitraka aminy koa. (Salamo 44:3; 89:15) Matoky isika fa rehefa misy rahona dia ho avy ny orana, ka ho vokatra ny zavatra nambolena. Toy izany koa fa antoky ny zava-tsoa ho avy ny fankasitrahan’ny mpanjaka. Hahazo fitahiana maro sy hiadana ny vahoakan’ny Mesia Mpanjaka, toy ny tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka, saingy mbola ho tsara lavitra aza.—Salamo 72:1-17.

Handray an-tanana ny raharaha rehetra etỳ an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Eo am-piandrasana an’izany, dia aoka isika hitady fanampiana avy amin’Andriamanitra, mba hanadiovana ny fontsika. Enga anie isika hatoky an’i Jehovah sy hiezaka hatahotra azy. Ho azo antoka tanteraka amin’izay fa ‘ho lavorary izay kasaintsika.’—Ohabolana 16:3.

[Sary, pejy 18]

Inona no dikan’ny hoe ‘ny ratsy fanahy nataon’i Jehovah ho amin’ny andro hahitan-doza’?