Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Porofo fa Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra?

Inona no Porofo fa Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra?

Inona no Porofo fa Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra?

“Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany.”—DEOTERONOMIA 32:4.

1, 2. a) Nahoana no sarobidy aminao ny fanantenana fiainana mandrakizay? b) Nahoana ny olona maro no tsy mino an’ilay Andriamanitra mampanantena hoavy faran’izay tsara?

MAHAFINARITRA anao ve ny maka sary an-tsaina ny fiainana ao amin’ny Paradisa? Angamba ianao mieritreritra ny tenanao mitety an’ity planeta mahavariana ity, ka mianatra momba ireo zavamananaina tsy hita isa eo aminy. Na ianao mieritreritra ny fahafaham-po ho tsapanao rehefa hiara-miasa amin’olon-kafa, mba hikarakara ny tany sy hanova azy ho zaridaina lehibe iray. Na koa efa azonao sary an-tsaina sahady ny zavatra hianaranao any. Mety ho zavakanto izany, na fanorenana trano, na mozika, na zavatra hafa tsy vitanao amin’izao fiainana mirotoroto izao. Na inona na inona tianao hatao rehefa tonga any, dia azo antoka fa sarobidy aminao ny fanantenana an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “tena fiainana.” Tsy inona izy io fa ilay fiainana mandrakizay nataon’i Jehovah ho antsika.—1 Timoty 6:19.

2 Mahafinaritra sady tombontsoa sarobidy ny miresaka amin’ny hafa momba izany fanantenana ao amin’ny Baiboly izany. Sa tsy izany? Maro anefa no tsy miraharaha an’io fanantenana io. Heverin’izy ireo ho nofinofin’ny olona minomino foana izy io. Mety ho sarotra aminy mihitsy aza ny hino an’ilay Andriamanitra mampanantena fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Nahoana? Noho ny faharatsiana no mahatonga ny sasany tsy hino. Mihevitra izy ireo fa raha misy Andriamanitra ary mahery indrindra izy sady tia antsika, dia tsy tokony havelany hisy ny faharatsiana sy ny fijaliana. Tena mitombina ny fahitan’ny olona sasany an’izany. Hain’i Satana tokoa ny manajamba ny sain’ny olona.—2 Korintianina 4:4.

3. Inona no fanontaniana sarotra azontsika hazavaina amin’ny olona? Nahoana isika no tsara toerana mba hamaly izany?

3 Tsara toerana mba hanampy ny olona voafitak’i Satana sy ny fahendren’ity tontolo ity, isika Vavolombelon’i Jehovah. (1 Korintianina 1:20; 3:19) Fantatsika mantsy ny antony tsy inoan’ny olona maro ny fampanantenan’ny Baiboly. Tsy mahalala an’i Jehovah izy ireo. Mety tsy hahalala ny anarany na ny dikan’izy io izy ireo. Zara raha fantany na tsy fantany mihitsy angamba ny toetrany. Tsy fantany fa manatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. Manana tombony kosa isika fa mahalala an’ireo rehetra ireo. Tsara indraindray ny mieritreritra ny fomba azontsika anampiana ny olona “maizin-tsaina”, mba hahita ny valin’ny fanontaniana iray tena saro-baliana. Tsy inona izany fa hoe “Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana sy ny fijaliana?” (Efesianina 4:18) Hojerentsika aloha ny zavatra sasany tokony hatao mba hanomezana valiny mahafa-po. Hodinihintsika avy eo hoe inona avy no toetran’i Jehovah misongadina amin’ny fomba namahany an’io olana io.

Fomba tsara hamaliana an’ilay fanontaniana

4, 5. Inona no zavatra voalohany azontsika atao rehefa hamaly an’ilay fanontaniana? Hazavao.

4 Ahoana no ataontsika rehefa misy manontany hoe: ‘Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana?’ Mety ho te hanazava an’ilay izy amin’ny an-tsipiriany avy hatrany isika, ka hiresaka momba izay nitranga tany Edena. Mety angamba izany indraindray. Mila mitandrina anefa isika. Mety hisy zavatra sasany ilaina hatao mantsy aloha. (Ohabolana 25:11; Kolosianina 4:6) Misy toro lalana ara-baiboly telo mila arahintsika, alohan’ny hamaliana an’ilay fanontaniana.

5 Voalohany, matoa ilay olona sahiran-tsaina mafy noho ny faharatsiana manjaka eran-tany, dia mety ho ny tenany na ny fianakaviany no voakasik’ilay izy mivantana. Mety ho tsara àry aloha ny hiarahana miory aminy. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Romanina 12:15) Mety hanohina ny fon’ilay olona ny ‘fiaraha-miory’ aminy. (1 Petera 3:8) Azo inoana kokoa fa hihaino antsika izy, rehefa hitany fa miahy azy isika.

6, 7. Nahoana no mety ny hiderantsika ny olona tso-po mametraka fanontaniana manahiran-tsaina azy?

6 Faharoa, azontsika atao ny midera an’ilay olona tso-po noho izy nametraka an’ilay fanontaniana. Mihevitra mantsy ny olona sasany fa tsy manam-pinoana na tsy manaja an’Andriamanitra izy, matoa sahiran-tsaina amin’ny fanontaniana toy izany. Mety ho mpitondra fivavahana mihitsy aza no nilaza izany taminy. Tsy voatery ho izany anefa no izy. Raha ny marina aza, dia nisy olona nanam-pinoana nametraka fanontaniana toy izany fahiny. Nanontany toy izao, ohatra, i Davida mpanao salamo: “Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ny andro fahoriana?” (Salamo 10:1) Nanontany toy izao koa ny mpaminany Habakoka: “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.”—Habakoka 1:2, 3.

7 Lehilahy nanam-pinoana daholo ireo, ary tena nanaja an’Andriamanitra. Voateny mafy ve izy ireo satria nametraka izany fanontaniana nanahiran-tsaina azy izany? Mifanohitra amin’izany, fa nampanoratin’i Jehovah tao amin’ny Teniny aza ny fanontaniana napetrak’izy ireo tamim-pahatsorana. Mety hangetaheta ny fahamarinana koa ny olona manahy ny amin’ny faharatsiana manjaka eran-tany. Midika izany fa iriny mafy ny hahazo valim-panontaniana, izay tsy hita raha tsy ao amin’ny Baiboly. Tadidio fa noderain’i Jesosy ny olona mangetaheta ny fahamarinana toy izany, na “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Tombontsoa lehibe ho antsika tokoa ny manampy ireny olona ireny, mba hahita ilay fahasambarana nampanantenain’i Jesosy!

8. Inona no fampianarana mampisafotofoto nahatonga ny olona hino fa avy amin’Andriamanitra ny fijaliana? Ahoana no azontsika anampiana azy ireo?

8 Fahatelo, mila ampiantsika ilay olona hahita fa tsy avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana manjaka eran-tany. Olona maro mantsy no nampianarina fa izy no mitondra an’ity tontolo ity. Nilazana izy ireo fa efa voalahatr’Andriamanitra hatry ny ela ny zavatra rehetra hanjo antsika, ary mistery ny antony mahatonga azy hampijaly ny olombelona. Tsy misy marina anefa izany. Manala baraka an’Andriamanitra izany, sady toy ny milaza hoe avy aminy ny faharatsiana sy ny fijaliana. Mila mampiasa ny Tenin’Andriamanitra àry isika mba hanitsiana an’ireny hevi-diso ireny. (2 Timoty 3:16) Tsy i Jehovah, fa i Satana Devoly no mitondra an’ity tontolo ratsy ity. (1 Jaona 5:19) Tsy mandahatra ny fiainan’ny zavaboariny manan-tsaina i Jehovah. Avelany hisafidy ny tsirairay na hanao ny tsara na hanao ny ratsy. (Deoteronomia 30:19) Tsy avy amin’i Jehovah mihitsy ny faharatsiana. Halany kosa izany, ary mikarakara an’ireo mijaly noho ny tsy rariny izy.—Joba 34:10; Ohabolana 6:16-19; 1 Petera 5:7.

9. Inona no fitaovana sasany nomen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hanampiana ny olona hahafantatra ny valin’ilay fanontaniana?

9 Rehefa vitanao ireo zavatra telo ireo, dia mety ho vonona amin’izay ilay olona hihaino hoe nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana. Nanome fitaovana maromaro ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba hanampiana anao. (Matio 24:45-47) Anisan’izany ilay taratasy mivalona hoe Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra! Nivoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mankatoava An’Andriamanitra”, tamin’ny 2005 izy io. Nahoana raha miezaka ny hahafantatra tsara izay voalaza ao? Misy toko iray miresaka momba ny anton’ny fijaliana koa ao amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, izay efa misy amin’ny fiteny 157. Ampiasao tsara àry ireo fitaovana ireo. Hazavaina tsara ao anatin’izy ireo izay lazain’ny Soratra Masina momba ilay adihevitra tany Edena, mahakasika ny zon’i Jehovah hitondra. Lazainy ao ny vahaolana hitan’i Jehovah sy ny antony nifidianany an’izany. Tadidio koa fa mampiharihary ny momba an’i Jehovah sy ny toetrany mahavariana ianao, rehefa manazava an’io foto-kevitra io. Tsy misy fahalalana lehibe noho izany.

Asongadino ny toetran’i Jehovah

10. Inona no sarotra takarina ho an’ny olona maro? Inona àry no tokony hampahafantarina azy?

10 Miezaha hisarika ny sain’ny olona ho amin’ireo toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah, rehefa manazava ianao hoe nahoana no avelany hifampitondra eo ambany fifehezan’i Satana ny olombelona. Maro no mahafantatra fa mahery Andriamanitra. Efa mahazatra azy ireo ny mandre hoe Mahery Indrindra izy. Mety ho sarotra aminy anefa ny hahatakatra hoe nahoana Andriamanitra no tsy mampiasa an’izany heriny lehibe izany, mba hanafoanana avy hatrany ny tsy rariny sy ny fijaliana. Tsy fantany tsara angamba ny toetran’i Jehovah hafa, toy ny fahamasinany, ny fitiavany ny rariny, ny fahendreny ary ny fitiavany. Maneho an’ireo toetra ireo amin’ny fomba tonga lafatra sy voalanjalanja tsara i Jehovah. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: “Tanteraka [na tonga lafatra] ny asany.” (Deoteronomia 32:4) Ahoana no azonao anasongadinana an’ireo toetra ireo, rehefa mamaly fanontaniana fametraky ny olona momba ny faharatsiana? Handinika ohatra vitsivitsy isika.

11, 12. a) Nahoana no tsy azon’i Jehovah navela mihitsy ny fahotan’i Adama sy Eva? b) Nahoana no tsy havelan’i Jehovah hitohy mandrakizay ny fahotana?

11 Nahoana raha navelan’i Jehovah fotsiny ny fahotan’i Adama sy Eva? Tsy azony natao mihitsy izany. Lavorary i Adama sy Eva ka nanao fanahy iniana, rehefa nanda ny zon’i Jehovah hitondra sy nanaiky ny torohevitr’i Satana. Tsy mahagaga àry raha tsy nibebaka izy ireo na kely aza. Rehefa manontany momba ny tsy namelana ny fahotan’i Adama sy Eva anefa ny olona, dia mety ho toy izao no ao an-tsainy: ‘Nahoana i Jehovah raha nanalefaka ny fitsipiny fotsiny, ka nilefitra tamin’ny fahotana sy ny fikomiana?’ Misy ifandraisany amin’ny toetra iray tena mampiavaka azy ny valin’izany. Tsy inona izany fa ny fahamasinany.—Eksodosy 28:36; 39:30.

12 Imbetsaka ny Baiboly no manantitrantitra ny fahamasinan’i Jehovah. Mampalahelo anefa fa vitsy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ratsy ity no mahazo ny dikan’izany. Masina i Jehovah, izany hoe madio izy ary tafasaraka amin’ny ota rehetra. (Isaia 6:3; 59:2) Marina fa efa nanao zavatra izy mba hahazoan’ny olona famelan-keloka, kanefa tsy holeferiny mandrakizay ny fisian’ny ota. Tsy afaka hanantena hoavy tsara mihitsy isika, raha avelan’i Jehovah hitohy mandrakizay ny fahotana. (Ohabolana 14:12) Hataon’i Jehovah izay hahamasina ny zavaboariny rehetra, amin’ny fotoana voatondrony. Azo antoka fa ho tanteraka izany satria izany no sitrapon’Ilay Masina.

13, 14. Nahoana i Jehovah no tsy nandringana an’ireo mpikomy tao Edena?

13 Nahoana raha naringan’i Jehovah fotsiny ireo mpikomy tao Edena, ary namorona olona vaovao indray izy? Manana hery hanaovana izany tokoa izy, ary tsy ho ela izy dia hampiasa an’izany mba handringanana ny ratsy fanahy rehetra. Mety hiteny anefa ny sasany hoe: ‘Nahoana izy no tsy nanao izany raha mbola telo monja ny mpanota teo amin’izao rehetra izao? Tsy ho nisakana ny fielezan’ny ota sy ny fijaliana rehetra misy eto amin’ity tontolo ity ve izany?’ Nahoana i Jehovah no tsy nanao izany? Hoy ny Deoteronomia 32:4: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny rariny. “Tia rariny” tokoa izy. (Salamo 37:28) Izany no nisakana azy tsy handringana an’ireo mpikomy tao Edena. Ahoana moa izany?

14 Rehefa nikomy i Satana, dia nanjary niadian-kevitra raha mahay mitondra tokoa Andriamanitra. Zava-dehibe amin’i Jehovah ny rariny, ka tsy maintsy ataony araka ny rariny ny fomba hamaliana an’i Satana. Tsy ho ara-drariny raha naringana avy hatrany ireo mpikomy, na dia mendrika an’izany aza izy ireo. Marina fa vao mainka izany ho nampiharihary hoe i Jehovah no mahery indrindra, saingy tsy ny heriny no niadian-kevitra. Efa nilaza ny fikasany tamin’i Adama sy Eva koa izy. Tiany hiteraka sy hameno ny tany izy ireo, ary hanjaka amin’izy io sady hanao izay haneken’ny zavaboary rehetra azy ireo. (Genesisy 1:28) Tsy ho tanteraka anefa izany raha naringany i Adama sy Eva. Tia rariny i Jehovah ka tsy havelany tsy ho tanteraka mihitsy ny fikasany. Manatanteraka ny fikasany foana izy.—Isaia 55:10, 11.

15, 16. Inona no azontsika atao raha misy olona mandroso “vahaolana” hafa amin’ilay adihevitra nipoitra tao Edena?

15 Misy hendry kokoa noho i Jehovah ve, ka mahita fomba tsara kokoa handaminana an’ilay fikomiana tao Edena? Mety handroso ny “vahaolana” hitany ny olona sasany. Tsy hoatran’ny te hilaza ve anefa izy amin’izany hoe mahita fomba tsara kokoa noho ilay hitan’i Jehovah? Angamba tsy ratsy saina izy, fa tsy mahalala fotsiny an’i Jehovah sy ny fahendreny mampitolagaga. Nandinika lalina momba ny fahendren’Andriamanitra ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma. Anisan’izany ny “zava-miafina masina” momba ny fikasan’i Jehovah hampiasa ny Fanjakan’ny Mesia, mba hanavotana an’ireo mahatoky sy hanamasinana ny anarany. Ahoana no fahitan’i Paoly ny fahendren’ilay Andriamanitra nanana io fikasana io? Hoy izy rehefa namarana ny taratasiny: “Eny, ho an’Andriamanitra, izay hany manam-pahendrena, anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amena.”—Romanina 11:25; 16:25-27.

16 Takatr’i Paoly tsara fa i Jehovah irery no “hany manam-pahendrena”, izany hoe tsy misy hendry noho izy eo amin’izao rehetra izao. Aiza no hisy olona tsy lavorary hahita vahaolana tsara noho izy amin’izay olana rehetra mitranga, ary indrindra moa fa mahakasika an’ilay adihevitra faran’izay sarotra momba ny zony hitondra? Mila ampiantsika àry ny olona mba hanaja an’ilay Andriamanitra “hendry am-po”, toy ny ataontsika. (Joba 9:4) Rehefa mahafantatra tsara ny fahendren’i Jehovah isika, dia vao mainka matoky fa izy no manana ny vahaolana tsara indrindra.—Ohabolana 3:5, 6.

Ilaina ny mahafantatra ny toetran’i Jehovah lehibe indrindra

17. Nahoana no afaka manampy ny olona sahiran-tsaina amin’ny fijaliana ny mahafantatra bebe kokoa ny fitiavan’i Jehovah?

17 “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Voalazan’ireo teny miavaka ao amin’ny Baiboly ireo ny toetran’i Jehovah lehibe indrindra. Io no toetrany manintona indrindra, sy tena mampahery an’ireo sahiran-tsaina noho ny faharatsiana manjaka eto an-tany. Ahitana taratry ny fitiavan’i Jehovah ny zavatra rehetra ataony, mba hanafoanana ny vokatry ny ota, izay mahatsiravina tokoa. Ny fitiavana no nahatonga an’i Jehovah hanome fanantenana ho an’ireo olona mpanota taranak’i Adama sy Eva. Nataony àry izay hahafahan’izy ireo hanatona azy sy hahazo sitraka aminy. Ny fitiavana koa no nahatonga azy hanome ny vidim-panavotana, mba ho voavela tanteraka ny heloky ny olombelona, ary ho tonga lafatra indray izy ireo sady hiaina mandrakizay. (Jaona 3:16) Io toetra io koa no mahatonga azy hanam-paharetana amin’ny olombelona, mba hahafahan’ny olona maro araka izay azo atao hifidy azy ho Mpanjaka, fa handa an’i Satana.—2 Petera 3:9.

18. Inona no tombontsoa ananantsika? Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Hoy ny pasitera iray tao amin’ny anjara lahateniny, tamin’ny fahatsiarovana ny fanafihana nahatsiravina nataon’ny mpampihorohoro: “Tsy fantatsika hoe nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana sy ny fijaliana.” Mampalahelo tokoa izany tsy fahalalana izany! Isika kosa anefa manana tombontsoa satria mahafantatra ny valin’io fanontaniana io. (Deoteronomia 29:28) Fantatsika fa hofoanan’i Jehovah tsy ho ela ny fijaliana rehetra, satria hendry sy tia rariny ary be fitiavana izy. Mampanantena ny hanao izany mihitsy aza izy. (Apokalypsy 21:3, 4) Ahoana kosa ny amin’ny olona rehetra maty hatramin’izay? Tsy misy azo antenaina intsony ve ny amin’izy ireo, noho ny fomba nandaminan’i Jehovah an’ilay adihevitra tao Edena? Tsia. Noho ny fitiavany dia miahy azy ireo koa izy, ka hanangana azy ireo amin’ny maty. Izany no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no azo lazaina rehefa misy manontany hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana?

• Nahoana no azo lazaina fa masina sy tia rariny i Jehovah, rehefa jerena izay nataony tamin’ireo mpikomy tao Edena?

• Nahoana isika no tokony hanampy ny olona hahafantatra bebe kokoa ny fitiavan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Miezaha manampy an’ireo sahiran-tsaina noho ny fijaliana eto an-tany

[Sary, pejy 23]

Nanontany tamim-pahatsorana an’Andriamanitra ny lehilahy nanam-pinoana toa an’i Davida sy Habakoka