Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy ny Fanantenana na Maro aza ny Fahoriana

Misy ny Fanantenana na Maro aza ny Fahoriana

Misy ny Fanantenana na Maro aza ny Fahoriana

“IZAO vao tena hita fa afaka manasoa ny fiaraha-monina sy mamaha ireo olana fahita ankehitriny, ny olon-tsotra.” Izany no nambaran’i Bill Clinton, Filoham-pirenena amerikanina teo aloha, tamin’ny fivoriana iray tany Ottawa, any Kanada, tamin’ny Martsa 2006. Nilaza izy fa lasa tia manao asa soa ny olona maro eran-tany, taorian’ilay tsunami tamin’ny 2004. Mahavelom-panantenana izany, hoy izy, satria “izao indrindra no tena mila mifanampy ny olona.”

Ny hetraketraky ny natiora ve anefa no tokony hantenaina handrisika ny olona hiezaka hanatsara ny hoavy? “Tena mila mifanampy” tokoa ny olona ankehitriny. Azo antoka ve anefa fa hisy fiadanana sy fandriampahalemana maharitra, vokatr’izany?

Fanantenana azo antoka

Asehon’ny tantara nandritra ny 6 000 taona mahery, fa imbetsaka ny olona no mandiso fanantenana ny namany. Rariny àry raha manoro hevitra antsika ny Soratra Masina hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Ho diso fanantenana isika raha miantehitra amin’ny vola aman-karena, na amin’ny fikambanana eto amin’ity tontolo ity, na amin’izay ampanantenainy. Nahoana? Satria “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany.”—1 Jaona 2:17.

Nanampy ny olo-marina foana anefa Andriamanitra, nandritra ny taonjato maro. Ary tsy diso fanantenana izay nitoky taminy. Milaza ny Baiboly fa izy no “Fanantenan’ny Isiraely” fahiny sy “fanantenan’ny razany.” (Jeremia 14:8; 17:13; 50:7) Maro koa ny andinin-teny miresaka fa manome fanantenana Andriamanitra, sady tena azo itokisana. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Miandrasa an’i Jehovah”, izany hoe aoka hanantena azy.—Salamo 27:14.

Hoy koa ny Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Afaka matoky tanteraka an’i Jehovah Andriamanitra ianao, satria tsy miova izy, sady azo ianteherana, ary tsy mba mivadika amin’ny teniny. (Malakia 3:6; Jakoba 1:17) Izay tena hahasoa anao no tadiaviny. Raha manaraka foana izay lazain’ny Baiboly àry ianao, dia hitari-dalana anao izy io ka hahomby ny fiainanao, na maro aza ny zavatra mampanahy.—Isaia 48:17, 18.

Izay manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra amin’ny fony manontolo, dia afaka matoky an’izao fampanantenana izao: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.” (Isaia 41:10) Tokony hivavaka mafy sy hisaintsaina an’io teny manome toky io, izay rehetra tena tia an’i Jehovah Andriamanitra. Hampahery sady hanampy azy ireo hiatrika zava-tsarotra sy fanahiana izany.

Diniho ny ohatry ny vehivavy iray atao hoe Andrea. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary manan-janaka mianadahy. Hoy izy: “Tsy afaka mihitsy ny tebitebiko, raha tsy mivavaka sy misaintsaina ny fampanantenan’i Jehovah aho. Izany no mampahery ahy mba hiatrika ny fiainako indray. Mihena ny tebitebiko rehefa mitoky amin’i Jehovah aho ka mitadidy fa tsy miova mihitsy izy.”

Manantenà an’i Jehovah

Tena mahasoa ny manantena an’i Jehovah. Hoy ny mpanao salamo momba izany: “Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy.” (Salamo 119:165) Raha mianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia ho feno hevitra mahasoa sy mampahery ny fonao sy ny sainao. Anisan’izany ireo zavatra ‘marina, zava-dehibe, mahitsy, madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana. Ho aminao ilay Andriamanitry ny fiadanana’, raha miezaka mafy ianao ka mihaino sy mianatra, ary manaiky sy mampihatra izany.—Filipianina 4:8, 9.

Efa ela i John no nahatsapa fa marina izany. Hoy izy: “Tsy maintsy nanova tanteraka ny toetrako sy ny toe-tsaiko aho, mba hifandraisako amin’ilay Andriamanitra lavorary sy tsy hita maso. Rehefa nanao izany aho vao tsy natahotra ny hoavy intsony. Tsy ho nifandray tamin’Andriamanitra anefa aho, raha tsy niezaka nanana ny fomba fiheviny. Nanampy ahy tamin’izany ny famakiana sy fisaintsainana ny Teniny.”

Azo lazaina hoe misotro ny ranon’ny fahamarinana mamelombelona sy manome fiainana ianao, rehefa mamaky ny Soratra Masina. Toy ny fanafody azo antoka sy mandaitra izany, ka miaro anao amin’ny voka-dratsin’ny vaovao ratsy maro amin’ny haino aman-jery isan’andro. Raha ampiharinao koa izay lazain’ny Baiboly, dia hifankatia kokoa ny fianakavianao, ary hihena ny fanahianao. Ankoatra izany dia mampanantena Andriamanitra, fa vonona hampiasa ‘ny heriny izy mba hamonjena izay manana fo mahitsy aminy.’ (2 Tantara 16:9) Hanampy anao izy, ka tsy hisy na inona na inona hampahatahotra anao.

Niaina tao anatin’ny ady sy nahita famonoana olona maro be i Phinehas. Hoy izy: “Nianatra nametraka ny fiainako manontolo teo an-tanan’i Jehovah aho, ary tena nanampy ahy izy. Nisoroka olana maro aho, satria nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.” Aoka àry ianao hitoky tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitra. Hanampy anao handresy zava-manahirana izy, na lehibe toy ny manda aza izany. (Salamo 18:29) Tsy mitebiteby ny ankizy raha miraiki-po amin’ny ray aman-dreniny. Tsy matahotra izy rehefa marary na tojo zava-tsarotra. Tsy hatahotra koa ianao raha miezaka manamafy ny fanantenanao an’i Jehovah.—Salamo 37:34.

Fanantenana azo antoka

Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.’ ” (Matio 6:9, 10) I Jesosy Kristy no mpanjakan’io Fanjakana any an-danitra io. Izy io no hampiasain’Andriamanitra mba hanamarinana ny zony hitondra ny tany.—Salamo 2:7-12; Daniela 7:13, 14.

Tena tokony hiditra an-tsehatra Andriamanitra, rehefa jerena ny antony maro mahatonga ny olona hatahotra. Soa ihany fa hanao izany tsy ho ela izy! Efa voatendrin’Andriamanitra ho Mpanjaka i Jesosy Kristy izao. Nahazo fahefana izy mba hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra sy hanamasina ny anarany. (Matio 28:18) Tsy ho ela dia hitondra ny tany ny Fanjakany, ka hanaisotra ny antony rehetra mahatonga tahotra sy fanahiana. Porofoin’ny Isaia 9:5 fa Mpitondra mahay i Jesosy, ka afaka manaisotra ny tebitebintsika. Voalaza ao, ohatra, fa “Rain’ny mandrakizay” sy ‘Mpanolo-tsaina Mahagaga’, ary “Andrian’ny fiadanana” izy.

Inona no dikan’ilay hoe “Rain’ny mandrakizay”? Midika io anarana io fa afaka manome fiainana mandrakizay eto an-tany ho an’ny olona mankatò i Jesosy, amin’ny alalan’ny sorom-panavotany. Manana fahefana sy hery hanaovana izany izy, sady maniry hanao izany koa. Ho foana tanteraka ny ota sy ny tsy fahalavorariana nolovana tamin’i Adama, ilay olombelona voalohany. (Matio 20:28; Romanina 5:12; 6:23) Hampihatra ny fahefana nomen’Andriamanitra azy koa i Kristy, ka olona maro no hatsangany amin’ny maty.—Jaona 11:25, 26.

‘Mpanolo-tsaina Mahagaga’ koa i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Nahita vahaolana tamin’ireo zava-manahirana fahita andavanandro izy. Tena nahalala ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy, sady fantany tsara ny olombelona. Mbola ‘Mpanolo-tsaina Mahagaga’ ihany i Kristy, taorian’ny naha lasa Mpanjaka azy. Izy izao no tena ampiasain’i Jehovah mba hifandraisana amin’ny olona. Feno fahendrena sy mandaitra foana ny torohevitr’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly. Tsy hatahotra na hitebiteby loatra ianao, raha mianatra sy mino izany.

Voalazan’ny Isaia 9:5 koa fa “Andrian’ny fiadanana” i Jesosy. Midika izany fa tsy ho ela izy dia hampiasa ny fahefany, ka hitovy zo ny rehetra, fa tsy hisy hoe manankarena sy mahantra, na ambony sy ambany, na mpibaiko sy baikoina. Ahoana no hahatanteraka an’izany? Fanjakana tokana no hitondra ny tany, dia ny Fanjakan’ny Mesia izay hanome fiadanana.—Daniela 2:44.

Hisy fiadanana maharitra eran-tany, rehefa ny Fanjakan’i Kristy no hitondra. Azo antoka ve izany? Eny tokoa, satria hoy ny Isaia 11:9: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy [ny olom-pehezin’ilay Fanjakana]; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Hahalala tsara an’Andriamanitra sy hankatò azy ny olona rehetra, amin’ny farany. Tsy mahafaly anao ve izany fampanantenana izany? Aza mangataka andro àry, fa ataovy izay hahazoanao ilay ‘fahalalana [sarobidy] momba an’i Jehovah.’

Azonao fantarina hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba ny fiainantsika ankehitriny, ary inona ilay hoavy tena tsara ampanantenainy. Raha manao izany ianao, dia hahazo ny fahalalana an’Andriamanitra, izay manatanjaka finoana sy manome fiainana. Mampirisika anao àry izahay mba hianatra Baiboly maimaim-poana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anao. Hanampy anao izany mba tsy hatahotra loatra ary tena hanana fanantenana, na dia maro aza ny fahoriana.

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

Manome Fanantenana ny Fanjakan’Andriamanitra

I Jesosy Kristy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nomena fahefana sy fahaizana izy, mba hitondra an’izao rehetra izao. (Matio 28:18) Haveriny amin’ny laoniny ny tontolo iainana. Afaka manafoana ny aretina rehetra koa i Jesosy. Efa nanao fahagagana maro mantsy izy tetỳ an-tany. Santionany amin’ny fitahiana lehibe lavitra amin’ny hoavy izy ireny, rehefa hitondra izy. Mpanjaka lavorary sy azo itokisana tokoa izy. Iza amin’ireto toetrany ireto no tena tianao?

Mora hatonina.Marka 10:13-16.

Mahay mandanjalanja sy tsy miangatra.—Marka 10:35-45.

Mendri-pitokisana sy tsy tia tena. Matio 4:5-7; Lioka 6:19.

Manao ny marina sy tia rariny.Isaia 11:3-5; Jaona 5:30; 8:16.

Lalin-tsaina sy be fiahiana ary manetry tena.Jaona 13:3-15.

[Sary, pejy 4]

Hanantena an’i Jehovah isika raha mamaky sy misaintsaina ny Baiboly