Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Mivory?

Nahoana Isika no Mivory?

Nahoana Isika no Mivory?

NANDAO an’i Christine ny vadiny, taorian’ny 20 taona nivadian’izy ireo. Tampoka taminy izany. Izy irery sisa no nitaiza ireo zanany fito lahy sy vavy iray. Fito taona ny zandriny indrindra tamin’ireo ankizy, ary 18 taona ny zokiny indrindra. Hoy i Christine: “Izaho irery ankehitriny no tsy maintsy manapa-kevitra momba ny raharaha lehibe rehetra. Tena kivy aho, ary naniry mafy hahazo fanampiana sy tari-dalana.” Taiza no nahazoan’i Christine ny fanampiana nilainy?

Hoy izy: “Tena nanampy ahy sy ny zanako ny fivoriana kristianina. Any am-pivoriana mantsy no ahazoantsika fanampiana avy amin’ireo namantsika sy tari-dalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanampy ny fianakaviako teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka.”

Tsy maintsy miatrika fitsapana maro samihafa ny tsirairay avy amintsika, amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1) Miray hevitra amin’i Christine angamba ianao, ka tsapanao fa manatanjaka ny finoanao ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ekenao koa fa tena anisan’ny fanompoanao an’Andriamanitra izany. Tena mandrisika anao ho tia an’Andriamanitra ny fivoriana dimy alamin’ny fiangonana isan-kerinandro. Manamafy ny fanantenanao koa izy ireny, ary andraisana toro lalana miorina amin’ny Baiboly mahakasika ny fomba hiatrehana fitsapana.

Eo koa anefa ireo mahita fa sarotra aminy ny mivory tsy tapaka. Reraka be izy rehefa hariva ny andro, ka toa tsy ho vitany ny mbola hisolo akanjo, sy handeha hivory. Ny an’ny sasany indray, ny fandaharam-potoanany any am-piasana no misakana azy tsy hamonjy fivoriana tsy tapaka. Mety ho kely kokoa mantsy ny karama raisiny, na ho voaroaka amin’ny asany mihitsy izy, raha manatrika ny fivoriana rehetra. Misy koa manapaka fivoriana, satria mihevitra izy ireny fa mamelombelona kokoa ny karazana fialam-boly iray noho ny fiarahana amin’ny fiangonana.

Inona avy àry ireo antony lehibe tokony hanatrehana fivoriana? Inona no azonao atao mba hamelombelona anao ny fivoriana? Mba hamaliana izany, dia andeha hodinihintsika ilay fanasana feno fitiavana avy amin’i Jesosy, ao amin’ny Matio 11:28-30. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”

“Mankanesa atỳ amiko”

Nilaza i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko.” Ny fanatrehana tsy tapaka an’ireo fivoriana no fomba iray ampisehoantsika fa manaiky izany fanasana izany isika. Antony tsara tokony hanatrehana azy ireny koa ny tenin’i Jesosy tamin’ny fotoana hafa, manao hoe: “Na aiza na aiza ivorian’ny roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho.”—Matio 18:20.

I Jesosy mihitsy no nanasa ny karazan’olona maro hanara-dia azy, tamin’ny taonjato voalohany. Afaka nifandray akaiky taminy ireny olona ireny, raha nanaiky ny fanasany. Nanaiky avy hatrany ny sasany. (Matio 4:18-22) Ny hafa indray nanda ilay fanasana satria ny harena no zava-dehibe kokoa taminy. (Marka 10:21, 22; Lioka 9:57-62) Nomen’i Jesosy toky toy izao ireo nanaiky hanara-dia azy: “Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo.”—Jaona 15:16.

Tsy nifanerasera nivantana tamin’ny mpianany intsony i Kristy, taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany. Azo lazaina ho mbola niaraka tamin’izy ireo ihany anefa izy, satria nitarika ny asa fitorian’izy ireo sady nandinika ny fomba nampiharan’izy ireo ny toroheviny. Nanome torohevitra sy fampaherezana ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora, ohatra, i Jesosy, 70 taona teo ho eo taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Hita taratra tamin’ny teny nolazainy, fa fantany tamin’ny an-tsipiriany ny toetra tsara sy ny fahalemen’ny olona teo anivon’ireo fiangonana ireo.—Apokalypsy 2:1–3:22.

Tena miahy ny mpianany tsirairay i Jesosy hatramin’izao. Nampanantena izy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:20) Miaina amin’ny andro farany isika izao. Mila manaiky ny fanasan’i Jesosy hanara-dia azy àry isika. Anisan’ny fanarahana ny diany ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. Tian’i Jesosy hihaino azy isika, ary hanaiky ‘hampianariny’ amin’ny alalan’ny fianarana sy lahateny ara-baiboly atao tsy tapaka any am-pivoriana. (Efesianina 4:20, 21) Ekenao ve ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko”?

‘Ianareo miasa mafy sy mavesatra entana’

Ny hahazoana fampaherezana no antony iray lehibe tokony hivoriana. (Hebreo 10:24, 25) Maro amintsika no “miasa mafy sy mavesatra entana”, fa ny endrika isehoany no tsy mitovy. Mety hovesaran’ny zava-manahirana mafy, toy ny aretina, ohatra, ianao. Afaka mifampahery amin’ny Kristianina hafa anefa isika, any am-pivoriana. (Romanina 1:11, 12) Handre valin-teny manatanjaka finoana ianao any. Hampahatsiahivina anao koa ny fanantenanao miorina amin’ny Baiboly, sady ho afaka hahita ny finoan’ny hafa izay miatrika fitsapana ianao. Hanampy anao hiaritra izany, ary tsy hoheverinao hoe tsy ho azo zakaina ny olana mahazo anao.

Diniho ny tenin’ity vehivavy kristianina iray voan’ny aretina mitaiza ity. Hoy izy: “Tsy maintsy miditra hopitaly tsindraindray aho noho ny aretiko. Sarotra ihany ny mandeha mivory, raha vao avy nivoaka ny hopitaly ianao. Fantatro anefa fa tena mahasoa ahy ny mankany am-pivoriana. Faly indray aho rehefa miaraka amin’ireo anadahy sy rahavavy be fitiavana. Mampisy heviny ny fiainako ny fampianarana sy tari-dalana omen’i Jehovah sy Jesosy.”

“Mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako”

Mariho fa nilaza i Jesosy ao amin’io andininy fakafakaintsika io hoe: “Mianara amiko.” Tonga mpianatr’i Jesosy isika, rehefa mianatra aminy, ary mitondra ny ziogany isika rehefa manolo-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa. (Matio 28:19, 20) Mila mandray anjara tsy tapaka amin’ny fivoriana isika, raha te ho mpianatr’i Jesosy foana. Nahoana? Any mantsy isika no ampianarina momba an’i Jesosy sy ny fampianarany ary ny fomba fanaovany zavatra.

Inona ilay entana tian’i Kristy hoentintsika? Entana mitovy amin’ny nentiny ihany, dia ny tombontsoa hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 4:34; 15:8) Marina fa ilana ezaka ny mankatò ny didin’Andriamanitra. Tsy hoe mavesatra loatra anefa izany. Mety ho mavesatra ilay izy, raha manandrana mitondra izany samirery isika. Hahazo “hery fanampiny” avy amin’Andriamanitra anefa isika, raha mangataka ny fanahiny sy mandray ny sakafo ara-panahy aroso any am-pivoriana. (2 Korintianina 4:7) Vao mainka hitombo be ny fitiavantsika an’i Jehovah, raha manomana ireo fivoriana sy mandray anjara amin’izy ireny isika. Ary “tsy mavesatra” amintsika ny didin’Andriamanitra, rehefa atosiky ny fitiavana isika.—1 Jaona 5:3.

Miatrika olana ny ankamaroan’ny olona. Anisan’izany ny fitadiavam-bola, ny tsy fahasalamana, ary ny olana hafa. Tsy miantehitra amin’ny fahendren’olombelona anefa isika, mba hiatrehana azy ireny. Ny fivorian’ny fiangonana kosa no manampy antsika tsy “hanahy”, satria ampianarina isika any fa manome izay ilaintsika i Jehovah sady manampy antsika hiatrika olana. (Matio 6:25-33) Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra antsika tokoa ny fivoriana kristianina.

“Malemy fanahy aho sady manetry tena am-po”

Fomban’i Jesosy ny nitsidika synagoga. Tany mantsy no nanazavana ny Tenin’Andriamanitra. Indray mandeha, dia nandray ny horonam-bokin’i Isaia i Jesosy tao amin’ny synagoga, ary namaky hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny torotoro fo, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” (Lioka 4:16, 18, 19) Tsy maintsy ho tena nahafaly ny nandre an’i Jesosy nanohy ny teniny, hoe: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.”—Lioka 4:21.

I Jesosy no “mpiandry lehibe indrindra” sady malemy fanahy. Mbola manara-maso ny fikarakarana an’ireo mpanara-dia azy izy ankehitriny. (1 Petera 5:1-4) Eo ambany fitarihany, dia manendry lehilahy ho mpiandry eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47; Titosy 1:5-9) ‘Miandry’ amim-pahalemem-panahy ‘ny fiangonan’Andriamanitra’ ireny lehilahy voatendry ireny, sady fakan-tahaka amin’ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. Maneho ny fankasitrahanao an’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny ianao, raha tonga mivory. Hampahery ny hafa koa ny fahatongavanao sy ny fandraisanao anjara.—Asan’ny Apostoly 15:30-33; 20:28; Efesianina 4:8, 11, 12.

“Ho velombelona ianareo”

Inona no azonao atao, mba hamelombelona anao ny fivoriana? Iray amin’izany ny fampiharana ny torohevitr’i Jesosy manao hoe: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Nihaino tsara an’i Jesosy ny olona tena naniry hianatra. Rehefa nanao fanoharana izy, dia nangatahin’izy ireo ny hanazavany izany. Novalian-tsoa izy ireo, ka nahazo fahalalana lalina kokoa.—Matio 13:10-16.

Manahaka an’ireny olona noana ny fahamarinana ireny ianao, raha manongilan-tsofina amin’ireo lahateny any am-pivoriana. (Matio 5:3, 6) Hifantoka foana ny sainao, raha manaraka tsara ny famelabelaran’ny mpandahateny ianao. Manontania tena toy izao: ‘Ahoana no hampiharako izany fanazavana izany eo amin’ny fiainako? Ahoana no hampiasako izany mba hanampiana ny hafa? Ahoana no hanazavako izany hevitra izany?’ Jereo ao amin’ny Baibolinao koa ny andinin-teny ampiasain’ny mpandahateny hanaporofoana ny hevi-dehibe. Vao mainka hamelombelona kokoa anao ny fivoriana, arakaraka ny itandremanao tsara ny fomba fihainoanao.

Resaho amin’ny hafa ny hevitra nodinihina tamin’ilay fandaharana, aorian’ny fivoriana. Ny fanazavana sy ny fampiharana azy no asongadino. Mahatonga ny fivoriana ho tena hamelombelona ny resadresaka mampahery.

Manana antony tsara maro tokony hivoriana tokoa isika. Nandinika ny soa raisina avy amin’izany isika teo. Nahoana àry izao raha manontany tena hoe: ‘Ekeko ve ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko”?’

[Sary, pejy 11]

Misakana ny fanatrehanao fivoriana ve ny fanaovana zavatra hafa?