Nanefa ny Voadiny Tamin’i Jehovah i Jefta
Nanefa ny Voadiny Tamin’i Jehovah i Jefta
NIVERINA avy niady ny lehilahy mahery iray. Nandresy izy ka nanafaka ny fireneny tamin’ny fampahoriana. Falifaly erỳ ny zanany vavy nihazakazaka nitsena azy, sady nandihy sy nively ampongatapaka. Nalahelo kosa izy raha vao nahita ilay zanany, ka nandrovitra ny akanjony. Nahoana? Tsy tokony ho faly koa ve izy satria tafaverina soa aman-tsara? Inona ilay ady nataony? Ary iza moa io lehilahy io?
Jefta no anarany. Anisan’ny mpitsara teo amin’ny Israely fahiny izy. Horesahina ato ny valin’ireo fanontaniana etsy ambony, sy ny lesona azontsika raisina. Hojerentsika anefa aloha ny zava-nitranga talohan’izay.
Fotoan-tsarotra teo amin’ny Israely
Nandia fotoan-tsarotra ny Israelita, tamin’ny andron’i Jefta. Maro no niala tamin’ny fivavahana marina, ary nanompo ny andriamanitry ny Sidonianina, Moabita, Amonita, ary Filistinina. Navelan’i Jehovah hampahorin’ny Amonita sy ny Filistinina nandritra ny 18 taona àry ny vahoakany. Ireo tany Gileada, any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, no tena nijaly. * Tonga saina ihany ny Israelita ka nibebaka. Nitady ny fanampian’i Jehovah izy ireo, ary nanompo azy indray sy nanary ireo andriamani-kafa.—Mpitsara 10:6-16.
Nitoby tany Gileada ny Amonita, ary niangona mba hiady tamin’izy ireo ny Israelita. Tsy nisy mpitari-tafika anefa teo amin’ny Israely. (Mpitsara 10:17, 18) Nanana izay nanahirana azy koa i Jefta tamin’izay. Tia tena loatra mantsy ireo rahalahiny, ka nandroaka azy ary naka ny lovany. Nifindra tany Toba, any atsinanan’i Gileada àry izy, izany hoe any akaikin’ny fahavalon’ny Israely. Nisy “olom-poana” na olona mpidonana-poana nanatona an’i Jefta. Tsy nanana asa angamba izy ireo satria noroahin’ny mpampahory azy, na koa nikomy tsy nety nanompo azy ireo. ‘Niaraka tamin’i Jefta’ izy ireo, mety hoe nanaraka azy rehefa nanafika fahavalo izy. Azo inoana fa tena nahay niady sy nahery fo izy, ka izany no niantsoan’ny Soratra Masina azy hoe “lehilahy mahery.” (Mpitsara 11:1-3) Iza àry no hitarika ny Israely hiady amin’ny Amonita?
“Avia ho mpitarika anay”
Niangavy an’i Jefta ny anti-panahin’i Gileada hoe: “Avia ho mpitarika anay.” Diso hevitra izy ireo raha nanantena fa hanaiky avy hatrany i Jefta, mba hiverenany any amin’ny taniny. Namaly izy hoe: “Tsy efa nankahala ahy va hianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’Mpitsara 11:4-7.
ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray hianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?” Tsy rariny tokoa ny nataon’ireo anti-panahy ireo, izay efa nandroaka an’i Jefta nefa nitady vonjy taminy indray avy eo!—Tsy nanaiky ho mpitarika tany Gileada i Jefta, raha tsy nekena ny zavatra iray nangatahiny. Hoy izy: ‘Raha hatolotr’i Jehovah eo anoloako i Amona, dia izaho no ho lohany aminareo.’ Nohazavain’i Jefta tamin’izany, fa raha mandresy izy ireo dia noho ny fanampian’Andriamanitra. Notakiny àry hoe tsy maintsy manaiky ny fitarihan’i Jehovah ny olona, rehefa resy ireo mpampahory.—Mpitsara 11:8-11.
Nifampiraharaha tamin’ny Amonita
Niezaka nifampiraharaha tamin’ny Amonita i Jefta. Naniraka olona izy hanontany ny mpanjakan’ny Amonita hoe nahoana izy ireo no nanafika ny Israely. Namaly izy ireo fa rehefa nivoaka avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny faritanin’ny Amonita, ka tokony haverina izany.—Mpitsara 11:12, 13.
Fantatr’i Jefta tsara ny tantaran’ny Israely, ka nolaviny ilay fiampangana. Nohazavainy fa tsy nanao ratsy tamin’ny Amonita sy Moabita ary Edomita ny Israelita, rehefa avy any Ejipta. Efa tsy an’ny Amonita koa ilay faritany tamin’izany, fa an’ny Amorita. Natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’ny Israely anefa i Sihona mpanjakan’ny Amorita. Lasan’ny Israely àry ilay tany, ary efa 300 taona izy ireo no nipetraka teo. Koa nahoana no izao vao mitaky izany ny Amonita?—Mpitsara 11:14-22, 26.
Nampipoitra fanontaniana lehibe nifandray tamin’ny fijalian’ny Israely koa i Jefta, dia ny hoe: Iza no tena Andriamanitra? I Jehovah ve sa ny andriamanitry ny tany lasan’ny Israely? Raha nanana hery i Kemosy, andriamanitry ny Amonita, tsy ho nampiasainy ve izany mba tsy ho lasan’olona ny tanin’ny vahoakany? Hifanandrina àry ny fivavahan-diso sy ny fivavahana marina. Namarana ny teniny i Jefta hoe: “Aoka Jehovah Mpitsara no hitsara ny Zanak’Isiraely sy ny taranak’i Amona anio.”—Mpitsara 11:23-27.
Hentitra ny tenin’i Jefta, nefa tsy nohenoin’ny mpanjakan’ny Amonita. “Tonga tao amin’i Jefta [àry] ny Fanahin’i Jehovah, dia nandeha nitety an’i Gileada sy Manase izy.” Azo inoana fa nanangona vatan-dehilahy hiady izy tamin’izany.—Mpitsara 11:28, 29.
Ny voady nataon’i Jefta
Naniry mafy hahazo ny fitarihan’Andriamanitra i Jefta, ka nivoady hoe: “Raha hatolotrao eo an-tànako tokoa ny taranak’i Amona, dia ho an’i Jehovah izay mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra odorana izany.” Notahin’Andriamanitra i Jefta, vokatr’izany, ka naharesy tanàna amonita 20, sady “be dia be no maty.” Resy àry ny fahavalon’ny Israely.—Mpitsara 11:30-33.
Rehefa niverina avy niady i Jefta, dia ny zanany malalany no nitsena azy, nefa tsy nanan-janaka afa-tsy io izy! “Rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! efa nampitanondrika ahy indrindra hianao, ary hianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.”—Mpitsara 11:34, 35.
Hataon’i Jefta fanatitra tokoa ve ny zanany? Tsia, tsy nieritreritra an’izany mihitsy izy. Halan’i Jehovah mantsy ny fanaovana sorona olombelona, sady ny Kananita no mpanao izany fomba ratsy izany. (Levitikosy 18:21; Deoteronomia 12:31) Niasa tamin’i Jefta ny fanahy masina rehefa nanao ilay voady izy, ary notahin’i Jehovah koa ny ezaka nataony. Misy teny fiderana an’i Jefta ao amin’ny Soratra Masina, noho ny finoany sy izay nataony nifandray tamin’ny sitrapon’Andriamanitra. (1 Samoela 12:11; Hebreo 11:32-34) Famonoana olona ny fanaovana sorona olombelona, ka tsy tao an-tsain’i Jefta mihitsy izany. Inona àry no tiany holazaina, rehefa nivoady izy hoe olona no hataony fanatitra ho an’i Jehovah?
Eksodosy 38:8; 1 Samoela 2:22) Tsy voaresaka loatra ireny fanompoana ireny, ka tsy fantatra raha nitohy foana izy ireny na tsia. Azo inoana fa fanompoana manokana toy izany no tao an-tsain’i Jefta, ary mandritra ny androm-piainana ilay izy.
Azo inoana fa tiany hatokana tanteraka mba hanompo an’Andriamanitra, izay olona mitsena azy. Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia azo natao ny nanome olona mba hanompo an’i Jehovah. Nisy vehivavy, ohatra, nanompo tao amin’ny toerana masina, ka nantsaka angamba. (Samy nanaiky hanefa ny voady nataon’ny ray aman-dreniny avy ny zanakavavin’i Jefta sy Samoela kely. (1 Samoela 1:11) Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ny zanak’i Jefta, ka nitovy hevitra tamin’ny rainy izy hoe tokony hefaina ilay voady. Tsy mora izany, satria tsy ho afaka hanambady mihitsy izy. Nitomany izy satria mbola virjiny. Naniry hanan-janaka mantsy ny Israelita, mba hisy handova azy sy handimby ny anaram-pianakaviany. I Jefta kosa tsy maintsy nisaraka tamin’ilay vavitokany, rehefa nanefa ilay voady.—Mpitsara 11:36-39.
Tsy lanilany foana anefa ny fiainan’io tovovavy nahatoky io. Tena tsara sy mahafa-po ary mendri-piderana ny manompo manontolo andro ao an-tranon’i Jehovah, sady manome voninahitra azy. Lasa fanaon’ny zazavavy teo amin’ny Israely àry ny ‘nankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita, isan-taona.’ (Mpitsara 11:40) Azo antoka fa faly koa i Jefta, satria nanompo an’i Jehovah ny zanany.
Maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny no mifidy ny hanompo manontolo andro. Anisan’izany ny mpisava lalana, misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, ary Betelita. Mety tsy ho afaka hihaona matetika amin’ny fianakaviany izy ireny. Kanefa, samy faly na izy ireo na ny fianakaviany, satria fanompoana masina ho an’i Jehovah ilay izy.—Salamo 110:3; Hebreo 13:15, 16.
Fikomiana tamin’Andriamanitra
Hitantsika fa Israelita maro no tsy nanaraka ny fitarihan’i Jehovah, tamin’ny andron’i Jefta. Nila ady tamin’i Jefta ny Efraimita, na dia niharihary aza fa notahin’Andriamanitra izy. Nanontany izy ireo hoe nahoana i Jefta no tsy mba niantso azy rehefa hiady. Saika nodoran’izy ireo niaraka tamin’ny tranony mihitsy aza ‘izy.’—Mpitsara 12:1.
Nanazava i Jefta fa niantso an’ireo Efraimita izy, saingy izy ireo no tsy tonga. Nandresy ihany anefa ny vahoakan’Andriamanitra. Tezitra ny Efraimita, satria tsy nanontany ny heviny ny Gileadita, rehefa nifidy an’i Jefta ho mpitari-tafika. Izany angamba no tsy nahatongavan’izy ireo. Fikomiana tamin’i Jehovah anefa izany, ka tsy maintsy nofaizina ireo Efraimita ireo. Resy izy ireo tamin’ilay ady, ka nandositra. Nasaina niteny hoe “Shiboleta” izay tratra, ka izay tsy nahay dia fantatra hoe Efraimita. Nisy 42 000 tamin’izy ireo no maty.—Mpitsara 12:2-6.
Nampalahelo ny fiainan’ny Israely tamin’izany! Nisy fiadanana mantsy taorian’ny ady nataon’i Otniela, Ehoda, Baraka, ary Gideona Mpitsara. Tsy voalaza kosa hoe nisy fiadanana tamin’ny andron’i Jefta. Izao fotsiny no mamarana an’ilay tantara: “Nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty [izy] ka nalevina tao amin’ny tanàna anankiray any Gileada.”—Mpitsara 3:11, 30; 5:31; 8:28; 12:7.
Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra i Jefta, na dia feno zava-manahirana aza ny fiainany. Niresaka momba an’i Jehovah foana io lehilahy mahery io. Nanao izany izy rehefa nifampidinika tamin’ny anti-panahin’i Gileada, ny Amonita, ny zanany, ny Efraimita, ary mazava ho azy, rehefa nanao ny voadiny. (Mpitsara 11:9, 23, 27, 30, 31, 35; 12:3) Notahin’i Jehovah i Jefta satria nahafoy tena, ka nampiasainy mba hampandrosoana ny fivavahana marina izy sy ny zanany vavy. Tsy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra intsony ny Israelita sasany rehefa nandeha ny fotoana, fa tsy mba toy izany kosa i Jefta. Vonona hankatò an’i Jehovah foana ve ianao, toa an’i Jefta?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Mpanao habibiana nahatsiravina ny Amonita. Nampihorohoroin’izy ireo ny mponina tany Gileada, 60 taona latsaka taorian’izay. Norahonany hoe hopotsiriny ny maso havanan’ny olona rehetra. Nilaza i Amosa mpaminany, fa notatahan’ny Amonita ny kibon’ireo bevohoka tao Gileada.—1 Samoela 11:2; Amosa 1:13.