Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mino ny Fitsanganana Amin’ny Maty ve Ianao?

Tena Mino ny Fitsanganana Amin’ny Maty ve Ianao?

Tena Mino ny Fitsanganana Amin’ny Maty ve Ianao?

“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—ASAN’NY APOSTOLY 24:15.

1. Nahoana no toa tsy azo ihodivirana ny fahafatesana?

‘NY FAHAFATESANA sy ny hetra ihany no azo antoka [na tsy azo ialana] eto amin’ity tontolo ity’, hoy ilay mpanao politika amerikanina atao hoe Benjamin Franklin, tamin’ny 1789. Nisy tena niaiky volana fa tenin’olona manam-pahalalana izany. Maro anefa no manao hosoka amin’ny hetra, fa ny fahafatesana kosa toa tsy azo ihodivirana. Tsy misy afa-miala isika, raha ny ezaka ataontsika fotsiny. Manjohy antsika eny foana izy io. Tsy mety voky ny fasana fa mitelina ny havana na namana tsy fointsika. (Ohabolana 27:20) Diniho anefa izao zavatra mampahery izao.

2, 3. a) Nahoana no tsy azo lazaina hoe tsy azo ihodivirana ny fahafatesana? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Manome fanantenana azo antoka momba ny fitsanganana amin’ny maty ny Tenin’i Jehovah. Tsy nofinofy fotsiny izany, ary tsy misy hery mahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka azy. Tsy dia hoe tsy azo ihodivirana araka ny fahitan’ny maro azy ny fahafatesana. Nahoana? Satria hisy “vahoaka be” tsy hita isa ho tafavoaka velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy tsy ho ela. (Apokalypsy 7:9, 10, 14) Ho velona foana izy ireo aorian’izay, ary ho afaka hiaina mandrakizay. Tsy hoe tsy azony ihodivirana àry ny fahafatesana. Mbola “hofoanana” mihitsy aza izy io.—1 Korintianina 15:26.

3 Mila mahazo antoka ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika, toy ny apostoly Paoly izay nilaza hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Handinika fanontaniana telo momba io fanantenana io isika. Voalohany, nahoana izy io no tena azo antoka? Faharoa, ahoana no azonao anovozana fampaherezana avy amin’izy io? Fahatelo, inona no tokony ho vokatr’io fanantenana io eo amin’ny fomba fiainanao dieny izao?

Azo antoka ny fitsanganana amin’ny maty

4. Nahoana no tena ilaina mba hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah ny fitsanganana amin’ny maty?

4 Maromaro ny antony mahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho azo antoka. Voalohany, tena ilaina izy io mba hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah. Tadidio fa notarihin’i Satana hanota ny olona, ka tsy maintsy iharan’ny vokany, dia ny fahafatesana. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Mpamono olona hatrany am-piandohana” i Satana. (Jaona 8:44) Nampanantena anefa i Jehovah fa hanana ‘taranaka’ ilay “vehivavy”, izany hoe ny fandaminany any an-danitra izay toy ny vadiny. Io taranaka io no hanorotoro ny lohan’ilay “menarana tany am-boalohany”, izany hoe handringana an’i Satana. (Genesisy 3:1-6, 15; Apokalypsy 12:9, 10; 20:10) Nampahafantarin’i Jehovah miandalana ny fikasany momba an’io Mesia Taranaka io, hany ka niharihary fa tsy hoe handringana an’i Satana fotsiny izy io. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izao no nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Anisan’ny asan’i Satana lehibe indrindra ny fahafatesana vokatry ny ota nolovana tamin’i Adama. Kasain’i Jehovah hofoanana tanteraka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy io. Tena ilaina àry ny sorom-panavotan’i Jesosy sy ny fitsanganana amin’ny maty.—Asan’ny Apostoly 2:22-24; Romanina 6:23.

5. Nahoana ny fitsanganana amin’ny maty no hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah?

5 Tapa-kevitra ny hanome voninahitra ny anarany masina i Jehovah. Nanoso-potaka ny anarany sy nampiely lainga i Satana. Nandainga izy rehefa nilaza fa “tsy ho faty” i Adama sy Eva, raha mihinana amin’ilay voankazo nandraran’Andriamanitra. (Genesisy 2:16, 17; 3:4) Nanomboka teo i Satana no nampiely lainga hafa, toy ny hoe tsy mety maty ny fanahy. Hampibaribary ny lainga rehetra toy izany anefa i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Hoporofoiny tanteraka fa izy irery no afaka mitsimbina ny aina sy mamerina azy io.

6, 7. Inona no tsapan’i Jehovah momba ny olona efa maty, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

6 Maniry mafy hanangana ny maty i Jehovah. Asehon’ny Baiboly mazava tsara hoe inona no tsapany momba azy ireny. Diniho, ohatra, ny tenin’ilay lehilahy nahatoky atao hoe Joba. Hoy izy: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15) Inona no tiany holazaina?

7 Fantatr’i Joba fa tsy maintsy “hiandry” ao amin’ny torimasom-pahafatesana izy, aorian’ny ahafatesany. Azony antoka tanteraka anefa fa ho avy ny fotoana hanafahana azy. Nahoana? Satria fantany hoe inona no tsapan’i Jehovah momba ny olona efa maty. Fantany fa “halahelo” ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah, na hoe tsy ho andriny izay hahitana azy ireo indray. Maniry mafy ny hamelona indray ny olo-marina rehetra tokoa izy. Hisy olon-kafa koa ho afaka hiaina mandrakizay, arakaraka izay ataony. (Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29) Sitrapon’Andriamanitra ny hanatanteraka izany fikasany izany, ka iza no ho afaka hisakana azy?

8. Inona no “antoka” nomen’i Jehovah momba ny fanantenantsika?

8 Azo antoka ny fanantenantsika momba ny hoavy, noho ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Hoy i Paoly tao amin’ny lahateniny tany Atena: “[Andriamanitra] efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany azy io tamin’ny maty.” (Asan’ny Apostoly 17:31) Naneso an’i Paoly ny sasany tamin’ireo nihaino azy, rehefa nandre momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nisy vitsivitsy kosa anefa lasa mpino. Nanaitra ny sain’izy ireo angamba ilay hoe azo antoka io fanantenana io. Nanao ny fahagagana lehibe indrindra tokoa i Jehovah tamin’izy nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty. Natsangany ho fanahy mahery io Zanany io. (1 Petera 3:18) Mbola ambony noho ny tamin’izy tany an-danitra taloha i Jesosy, taorian’izay. Tsy mety maty izy ary tsy misy mahery noho izy afa-tsy i Jehovah, hany ka afaka hanatontosa ny asa faran’izay tsara ampanaovin’ny Rainy azy izy. I Jesosy no ampiasain’i Jehovah hanangana ny maty rehetra, na ny ho any an-danitra na ny ho eto an-tany. Izy mihitsy aza no nilaza hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” (Jaona 5:25; 11:25) Nanome antoka momba ny fanantenan’ny olona mahatoky rehetra i Jehovah, tamin’ny nananganany ny Zanany.

9. Ahoana no anaporofoan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa tena misy ny fitsanganana amin’ny maty?

9 Natao teo anatrehan’ny vavolombelona ny fananganana ny maty, ary nosoratana ao amin’ny Baiboly. Tantaraina amin’ny an-tsipiriany ao ny nananganana olona valo teto an-tany. Tsy niafina ny nanaovana an’ireo fahagagana ireo fa an-karihary, ary matetika aza no nisy vavolombelona nanatri-maso. Teo anatrehan’ny olona maro, toy ny havana aman-tsakaiza sy mpiara-monina i Jesosy no nanangana an’i Lazarosy, izay efa maty efatra andro. Porofo mavesa-danja izany fa nirahin’Andriamanitra i Jesosy, hany ka tsy nanda mihitsy ireo mpitondra fivavahana fahavalony hoe tsy nanao io fahagagana io izy. Niray tetika hamono an’i Jesosy sy Lazarosy kosa aza izy ireo! (Jaona 11:17-44, 53; 12:9-11) Afaka matoky tokoa isika fa azo antoka ny fitsanganana amin’ny maty. Mba hampaherezana antsika sy hanatanjahana ny finoantsika no nanomezan’Andriamanitra an’ireny fitantarana ireny.

Fanantenana mampahery

10. Inona no hanampy antsika hanovo fampaherezana avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty?

10 Maniry hahazo fampaherezana ve ianao rehefa tandindomin’ny fahafatesana? Tena mampahery tokoa ny fitantaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Ho mora kokoa aminao ny hino an’io fanantenana io, raha mamaky sy misaintsaina an’ireny fitantarana ireny ianao, ary maka sary an-tsaina an’ilay zava-nitranga. (Romanina 15:4) Tsy tantara fotsiny izy ireny. Olona tena nisy sy niaina tamin’ny fotoana voafaritra tsara no natsangana, ary tany amin’ny toerana tena nisy. Ohatra iray no hodinihintsika vetivety, dia ny fitsanganana amin’ny maty resahina voalohany ao amin’ny Baiboly.

11, 12. a) Inona no voina nanjo an’ilay mpitondratena tao Zarefata, ary inona no nataony tamin’ny voalohany? b) Tantarao ny zavatra nataon’i Elia mpaminany, noho ny hery nomen’i Jehovah azy.

11 Alao sary an-tsaina ilay zava-nitranga. Efa herinandro vitsivitsy i Elia mpaminany no nivahiny tao amin’ny mpitondratena iray tao Zarefata, tao amin’ny efitra iray ambony rihana. Mafy ny fiainana tamin’izany. Nisy hain-tany sy mosary mantsy, ka maro no maty. Efa nadiva tsy hanan-kohanina intsony ilay vehivavy sy ny zanany lahikely, satria sakafo indray mihinana sisa no tao aminy. Nomen’i Jehovah hery hanaovana fahagagana àry i Elia, mba hamaliana soa an’io vehivavy nahantra nefa be finoana io. Nomeny lafarinina sy menaka izy ireo, ary tsy nety tapitra ilay izy. Niharam-boina anefa ilay vehivavy avy eo. Narary tampoka ilay zaza, ary vetivety dia tapitra ny ainy. Kivy tanteraka ilay mpitondratena! Efa mafy ny hoe tsy nisy vady hampahery sy hanohana, nefa mbola maty indray koa ilay zanany tokana. Ory loatra izy, ka nanome tsiny an’i Elia sy Jehovah Andriamaniny mihitsy aza. Inona no nataon’i Elia?

12 Tsy niteny mafy azy noho ny fiampangana diso nataony i Elia, fa nilaza fotsiny hoe: “Atolory ahy ny zanakao.” Nentiny tao ambony rihana ilay zaza maty, ary namerimberina nivavaka izy mba hahavelona azy indray. Nanao zavatra i Jehovah tamin’ny farany. Eritrereto ny hafaliana nisoritra teny amin’ny endrik’i Elia, rehefa nahita ny tratran’ilay zaza nihetsika satria niaina indray izy. Io fa nihetsika ny hodimasony, ary nihiratra izy! Nentin’i Elia nidina tany amin-dreniny ilay zaza, sady niteny izy hoe: “Inty, fa velona ny zanakao.” Tsy hay lazaina ny hafalian’ilay vehivavy! Hoy izy: “Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’Andriamanitra tokoa hianao, ary marina ny tenin’i Jehovah aloaky ny vavanao.” (1 Mpanjaka 17:8-24) Vao mainka nitombo tsy nisy toy izany ny finoany an’i Jehovah sy ny solontenany.

13. Nahoana no mampahery antsika ny fitantarana momba ny nananganan’i Elia ny zanak’ilay mpitondratena?

13 Azo antoka fa tena mampahery anao ny misaintsaina momba ny fitantarana toy izany. Asehon’izany fa afaka mandresy ny fahafatesana, izay fahavalontsika, tokoa i Jehovah! Alao sary an-tsaina ange izay hitranga rehefa hanangana ny maty izy e! Olona maro be amin’izay no ho dibo-kafaliana toa an’ilay mpitondratena. Ho feno fifaliana koa ny any an-danitra, satria sitrak’i Jehovah ny hampiasa ny Zanany mba hanangana ny maty eto an-tany. (Jaona 5:28, 29) Efa nisy olona tsy foinao nindaosin’ny fahafatesana ve? Mahafinaritra tokoa ny mahafantatra fa afaka mamelona indray ny maty i Jehovah ary tena hanao izany!

Ny vokatry ny fanantenanao eo amin’ny fomba fiainanao

14. Inona no tokony ho vokatry ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny fiainanao?

14 Inona no tokony ho vokatry ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny fomba fiainanao dieny izao? Afaka manatanjaka anao io fanantenana io, rehefa miatrika zava-tsarotra, na fanenjehana, na loza ianao. Tian’i Satana hatahotra mafy ny ho faty mantsy ianao, ka hanaiky ny fampanantenana poakaty omeny hamonjena ny ainao, ary hivadika amin’i Jehovah. Tadidio ilay teniny tamin’i Jehovah hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:4) Isika rehetra no endrikendrehiny amin’izany. Tsy hanompo an’Andriamanitra intsony tokoa ve ianao raha sendra loza? Ho tapa-kevitra mafy hanao hatrany ny sitrapon’ny Rainao any an-danitra ianao, raha mieritreritra an’ilay fanantenana.

15. Nahoana no mampahery antsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:28, rehefa sendra ny loza isika?

15 Hoy i Jesosy: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.” (Matio 10:28) Tsy tokony hatahotra an’i Satana sy ny olona ampiasainy isika. Marina fa mety hisy hahavita hanisy ratsy antsika, na hahafaty antsika mihitsy aza. Mihelina ihany anefa na dia ny zavatra ratsy indrindra azony atao amintsika aza. Afaka manarina ny fahavoazana rehetra manjo ny mpanompony mahatoky sy manangana azy ireo amin’ny maty i Jehovah, ary tena hanao izany. Izy irery ihany no mendrika ny hatahorantsika sy hohajaintsika lalina. Izy irery koa no afaka manafoana ny fiainan’ny olona sady manapa-kevitra ny tsy hanome azy fiainana intsony amin’ny hoavy, izany hoe handringana azy ao amin’ny Gehena. Soa ihany fa tsy izany no irin’i Jehovah hitranga aminao. (2 Petera 3:9) Afaka matoky foana isika mpanompony fa ho voavonjy, satria manantena ny hatsangana amin’ny maty. Fiainana mandrakizay no miandry antsika, raha mahatoky foana isika. Tsy hahasakana izany mihitsy na i Satana na ny mpanohana azy.—Salamo 118:6; Hebreo 13:6.

16. Nahoana no azo lazaina fa misy fiantraikany eo amin’izay ataontsika loha laharana ny fiheverantsika ny fitsanganana amin’ny maty?

16 Raha tena mino ny fitsanganana amin’ny maty isika, dia hisy heriny eo amin’ny fiheverantsika ny fiainana izany. Miaiky isika fa “na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.” (Romanina 14:7, 8) Manaraka izao torohevitr’i Paoly izao àry isika, rehefa hamaritra izay hataontsika ho loha laharana: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Olona maro kosa no maimay erỳ hanome fahafaham-po ny faniriany sy ny hetahetam-pony ary izay mahafinaritra azy rehetra. Mihevitra mantsy izy fa fohy ny fiainana, ka manao izay ho afany izy mikatsaka fahafinaretana. Mety hanana fivavahana izy ireo, saingy azo antoka fa tsy mifanaraka amin’ny ‘sitrapon’Andriamanitra tonga lafatra’ ilay izy.

17, 18. a) Ahoana no ampisehoan’ny Tenin’i Jehovah fa fohy tokoa ny fiainan’ny olombelona? Inona anefa no irin’Andriamanitra ho antsika? b) Nahoana isika no maniry hidera an’i Jehovah isan’andro?

17 Marina fa fohy ny fiainana. “Mihelina faingana izany, ka lasa manidina” isika, angamba rehefa mahatratra 70 na 80 taona eo ho eo. (Salamo 90:10) Mihelina toy ny ahitra sy ny aloka ny olombelona, ary toy ny zava-poana. (Salamo 103:15; 144:3, 4) Tsy fikasan’Andriamanitra anefa ny hiainantsika mandritra ny taona vitsivitsy fotsiny sy hanangonantsika fahalalana sy fahendrena, nefa avy eo indray hihantitra sy harary ary ho faty. Noforonin’i Jehovah hanana faniriana hiaina mandrakizay ny olombelona. Milaza ny Baiboly fa “ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony.” (Mpitoriteny 3:11) Andriamanitra ve dia ho ratsy fanahy, ka hametraka an’io faniriana io ao anatintsika, nefa avy eo hanao izay tsy hahatanteraka azy? Tsy izany mihitsy, satria “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Hatsangany ny olona efa nodimandry, mba ho afaka hiaina mandrakizay.

18 Afaka manana hoavy azo antoka isika, noho ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Tsy tokony ho maimay àry isika hanome fahafaham-po izay rehetra irintsika dieny izao. Tsy tokony ho revo “tanteraka” amin’ity tontolo efa ho faty ity isika. (1 Korintianina 7:29-31; 1 Jaona 2:17) Tsy toy ny olona tsy manana fanantenana isika, fa manana izao hoavy tena tsara izao: Raha mahatoky eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra foana isika, dia hidera azy sy hankafy ny fiainana mandrakizay. Aoka àry isika hidera an’i Jehovah isan’andro, noho izy manome fanantenana azo antoka, dia ny fitsanganana amin’ny maty!

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fitsanganana amin’ny maty?

• Inona avy no antony mahatonga an’io fanantenana io ho azo antoka?

• Inona no hanampy anao hanovo fampaherezana avy amin’io fanantenana io?

• Inona no tokony ho vokatr’io fanantenana io eo amin’ny fomba fiainanao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Fantatr’i Joba fa maniry mafy hanangana ny olo-marina i Jehovah

[Sary, pejy 29]

“Inty, fa velona ny zanakao”