Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tompo ô, fa Nahoana Ianao no Nijery Fotsiny?”

“Tompo ô, fa Nahoana Ianao no Nijery Fotsiny?”

“Tompo ô, fa Nahoana Ianao no Nijery Fotsiny?”

IZANY no tenin’ny Papa Benoît Faha-16, tamin’izy nitsidika ny toby fitanana tany Auschwitz, any Polonina, tamin’ny 28 Mey 2006. Nandalo teo amin’ny toerana namonoan’ny Nazia an’ireo Jiosy sy olon-kafa ana hetsiny izy, ka nilaza hoe: “Maro be ny fanontaniana tonga ao an-tsain’ny olona, rehefa mandalo eto. Miverimberina foana ny hoe: ‘Fa taiza Andriamanitra tamin’ireny fotoana ireny? Nahoana izy no nijery fotsiny? Nahoana no navelany handresy ny ratsy, ary navelany hisy ireny vonoan’olona tsy nisy farany ireny?’ ... Tsy maintsy mitalaho amin’Andriamanitra foana isika hoe: ‘Manaova zavatra Andriamanitra ô! Aza hadinoina ny olombelona noforoninao!’ ”

Niteraka resa-be io kabarin’ny papa io. Voamariky ny olona sasany fa nisy zavatra tsy nolazainy. Anisan’izany ny fankahalana ny Jiosy sy ny habibiana nifandray tamin’izany tany Auschwitz. Nangata-pamelana noho ny fahotana nataon’ny eglizy ny Papa Joany Paoly II, fony fahavelony. Nisy nahamarika fa nanao tsinontsinona izany ny Papa Benoît, tao amin’ilay kabariny. Hoy i Filippo Gentiloni, mpanao gazety katolika: “Rehefa nandre an’ilay fanontaniana saro-baliana hoe ‘fa taiza Andriamanitra?’ ny mpilaza vaovao maro, dia mba nanontany hoe: ‘Fa taiza kosa ny Papa Pio Faha-12?’ ” Rariny izy ireo raha nanontany izany, satria tsy nanao na inona na inona io papa io, nandritra ny Famonoana Tambabe.

Nisy foana, hatramin’izay, ny Famonoana Tambabe sy ny fandripahana foko. Izany no manaporofo fa ‘manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Tsy nijery fotsiny an’ireny habibiana ireny anefa ny Mpamorona antsika. Asehony ao amin’ny Baiboly ny antony amelany ny faharatsiana hisy. Manome toky antsika koa Andriamanitra fa tsy hadinony ny olombelona. Hofaranany tsy ho ela aza, raha ny marina, ny fotoana ifampitondran’ny olombelona. (Jeremia 10:23) Tianao ho fantatra bebe kokoa ve ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona? Valiana ao amin’ny Baiboly ireo fanontaniana nanahiran-tsaina ny Papa Benoît Faha-16. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampahafantatra anao izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Oświęcim Museum