Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatra Ilay Fototry ny Faharatsiana!

Fantatra Ilay Fototry ny Faharatsiana!

Fantatra Ilay Fototry ny Faharatsiana!

JIOSY maro no niandry ny fahatongavan’ilay Mesia nampanantenaina, tamin’ny taonjato voalohany. (Jaona 6:14) Rehefa tonga i Jesosy, dia nampionona ny olona sy nanazava ny tenin’Andriamanitra. Nanasitrana ny marary sy nanome sakafo ny noana izy, ary nampitony ny rivotra sy ny ranomasina. Nanangana ny maty mihitsy aza izy. (Matio 8:26; 14:14-21; 15:30, 31; Marka 5:38-43) Nanambara ny tenin’i Jehovah koa izy, ary nampanantena fiainana mandrakizay. (Jaona 3:34) Noporofoin’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny asany fa izy tokoa no Mesia, izay hanafaka ny olombelona amin’ny fahotana sy ny voka-dratsiny.

Tokony ho ireo mpitondra fivavahana jiosy no ho faly voalohany handray an’i Jesosy sy hihaino azy, ary hanaiky ny tari-dalany. Izy ireo indray anefa no nankahala sy nanenjika azy, ary nanao tetika hamonoana azy!—Marka 14:1; 15:1-3, 10-15.

Rariny raha nanameloka an’ireo lehilahy ratsy fanahy ireo i Jesosy. (Matio 23:33-35) Fantany anefa fa tsy izy ireo ihany no tompon’andraikitra tamin’izany eritreri-dratsy sy asa ratsy izany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao. Mpamono olona hatrany am-piandohana izy, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Niaiky i Jesosy fa mety hahavita zava-dratsy ny olombelona. Nambarany mazava anefa fa i Satana Devoly no tena fototry ny faharatsiana.

Nilaza i Jesosy fa “tsy nifikitra tamin’ny marina” i Satana. Ny tiany holazaina dia hoe mpanompon’Andriamanitra nahatoky io anjely io taloha, saingy niala tamin’ny marina. Nahoana i Satana no nikomy tamin’i Jehovah? Satria nihevi-tena ho zavatra loatra izy, ary nieritreritra momba izany foana, ka nanjary nitsiriritra ny fanompoana tokony ho an’Andriamanitra irery. *Matio 4:8, 9.

Tao amin’ny saha Edena no niseho ny fikomian’i Satana. Nofitahiny i Eva ka nihinana an’ilay voankazo voarara. Lasa “rain’ny lainga” i Satana tamin’izay, satria izy no nandainga voalohany sady nanendrikendrika an’i Jehovah. Izy koa no nitarika an’i Adama sy Eva tsy hankatò, ka lasa nandevozin’ny ota izy ireo. I Satana àry no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’izy mivady sy ny taranany. Izany no nahatonga azy ho “mpamono olona”, ary izy no mpamono olona mahatsiravina indrindra hatramin’izay!—Genesisy 3:1-6; Romanina 5:12.

Tsy ny olombelona ihany anefa no notaomin’i Satana hanao ratsy. Nitarika anjely hafa koa izy mba hiara-mikomy taminy. (2 Petera 2:4) Nifandray tamin’ny olombelona ireny anjely ratsy ireny, toy ny nataon’i Satana. Ny hanao firaisana mamoafady anefa no tanjon’izy ireo, ary tena zava-doza ny vokany.

Feno faharatsiana ny tany

Hoy ny Baiboly: “Raha vao nihamaro ny olona ... ka niteraka zazavavy maro, dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” (Genesisy 6:1, 2) Iza moa ireo “zanak’Andriamanitra” ireo? Anjely izy ireo fa tsy olombelona. (Joba 1:6; 2:1) Nahoana isika no milaza izany? Satria efa nisy hatramin’ny 1 500 taona ny fanambadian’ny olombelona, ka tsy misy antony tokony hiresahana an’izany manokana. Zavatra hafahafa mbola tsy nisy hatramin’izay kosa no tian’ny Baiboly holazaina. Mitantara mantsy izy io fa nitafy vatan’olombelona “ny zanak’Andriamanitra”, ary nanao firaisana tamin’ny “zanakavavin’ny olona.”

Tsy araka ny natiora izany, ka sampona koa ny zanak’izy ireo, izay safiotra goavam-be atao hoe Nefilima. Midika hoe “Mpanjera”, na “mampianjera olona” ny hoe Nefilima. Nahery setra sy nampijaly kely koa izy ireo. Nantsoina hoe “olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza” ireny Nefilima mpanao habibiana ireny.—Genesisy 6:4.

Vao mainka nitombo ny faharatsiana, noho ny nataon’ireo Nefilima sy ny rainy. Araka ny Genesisy 6:11, dia “simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza.” Nanahaka an’ireo anjely ratsy sy ny zanany ny olona, ka lasa nahery setra sy ratsy fitondran-tena koa.

Ahoana no nataon’ireo Nefilima sy ny rainy, mba hitaomana ny olombelona ho amin’ny faharatsiana be toy izany? Nohararaotin’izy ireo ny fanirian-dratsy ao anatin’ny olona. Vokatr’izany, dia ‘samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ny tany ny nofo rehetra.’ Nandefa Safodrano naneran-tany àry i Jehovah, ka nandringana ny olona rehetra, afa-tsy i Noa olo-marina sy ny fianakaviany. (Genesisy 6:5, 12-22) Nanary ny vatan’olombelona notafiny kosa ireo anjely ratsy, ary niverina tany amin’ny faritra ara-panahy. Naetry anefa izy ireo ka lasa demonia, ary mbola nanohitra an’Andriamanitra sy ny anjely mahatoky ihany. Hita fa tsy navelan’Andriamanitra hitafy vatan’olombelona intsony izy ireo taorian’izay. (Joda 6) Mbola manan-kery lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona anefa izy ireo.

Fantatra tsara ilay fototry ny faharatsiana!

Tena manana fahefana lehibe ve i Satana? Mamaly izany ny 1 Jaona 5:19, manao hoe: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ Mitady tetika foana ny Devoly, mba hahatonga ny olombelona ho tototry ny loza. Mikendry ny hanisy ratsy antsika izy, ary vao mainka romotra izy izao. Nahoana? Satria voaroaka avy tany an-danitra izy sy ireo demonia, rehefa niorina ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Izao no voalazan’ny Baiboly momba izany: “Loza ho an’ny tany ..., fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:7-12) Ahoana àry ankehitriny no ampiharan’i Satana ny fahefany?

Voalohany, dia misy toe-tsaina ratsy aeliny. Misy heriny eo amin’izay ataon’ny olona sy eritreretiny izy io. Milaza ny Efesianina 2:2 fa ny Devoly no “mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” Tsy mahatonga ny olona hatahotra an’Andriamanitra na hanao ny tsara io “toe-tsaina” io. Mampirisika ny fikomiana amin’Andriamanitra sy ny fitsipiny kosa izy io. Vao mainka manampy trotraka ny ratsy ataon’ny olombelona àry, i Satana sy ny demoniany.

“Tandremo ny fonao”

Anisan’ny vokatr’ilay “toe-tsaina” ny boky sy sary vetaveta, izay tena miely patrana. Manaitaitra ny filan’ny nofo izy ireny, ary mampiseho ny fitondran-tena mamoafady ho toy ny mahafinaritra. (1 Tesalonianina 4:3-5) Asehon’izy ireny ho toy ny mampiala voly, ohatra, ny habibiana, fanolanana ataon’olona iray na maromaro, firaisana amin’ny biby, ary fametavetana ankizy. Misy vokany ratsy ny boky sy sary vetaveta na dia tsy tafahoatra toy izany aza, satria mahatonga an’izay mijery azy ho lasa andevoziny ka te hijery foana. * Manimba ny fifandraisana amin’ny hafa sy amin’Andriamanitra izany. Taratry ny toe-tsaina ambany ananan’ny demonia ny boky sy sary vetaveta. Efa talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa ireo mpikomy ireo, no nampirisika ny olona hanaram-po amin’ny firaisana maloto.

Misy antony tsara matoa i Solomona, lehilahy hendry, nampirisika hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23) Raha te hiaro ny fonao amin’ny fandriky ny boky sy sary vetaveta ianao, dia mila manova ny zavatra jerenao ao amin’ny tele, na manapika ny ordinatera, raha vao misy sary manaitaitra ny filan’ny nofo. Tokony ho vonona ny hanao zavatra avy hatrany ianao amin’izany! Alao sary an-tsaina hoe miaramila ianao ary misy mikendry ny fonao. Miezaka miala amin’izany àry ianao. Toy izany koa fa mikendry ny fonao i Satana, izany hoe mitady hanimba ny fanirianao sy ny antony manosika anao hanao zavatra.

Mila arovanao koa ny fonao mba tsy ho tia herisetra. Fantatry ny Devoly mantsy fa ‘halan’i Jehovah ny mifaly hampidi-doza’, izany hoe tia herisetra. (Salamo 11:5) Tsy voatery hitarika anao hanao herisetra i Satana, vao ho lasa fahavalon’Andriamanitra ianao. Ataony fotsiny izay hahatonga anao ho tia herisetra. Tsy kisendrasendra raha feno herisetra ny fandaharana amin’ny radio sy tele, ary matetika izany no misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina. Efa ela no maty ny Nefilima, nefa mbola fahita ankehitriny ny toetrany sy fanaony! Hita amin’ny fialam-boly fidinao ve fa manohitra ny teti-dratsin’i Satana ianao?—2 Korintianina 2:11.

Tohero ny fitaoman-dratsin’i Satana

Tena tsy mora ny manohitra ny fitaoman-dratsy. Milaza ny Baiboly fa izay te hampifaly an’Andriamanitra dia ‘mitolona amin’ireo fanahy ratsy’, sady miady amin’ny fahalemeny manokana. Mila manararaotra ireo fanampiana omen’Andriamanitra isika, raha te handresy amin’izany sy te hahazo sitraka aminy.—Efesianina 6:12; Romanina 7:21-25.

Anisan’izany fanampiana izany ny fanahy masina. Io no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra.” (1 Korintianina 2:12) Izay manaiky hotarihin’ny fanahy masina, dia tia izay tian’Andriamanitra, ary mankahala izay halany. (Amosa 5:15) Ahoana no hahazoanao ny fanahy masina? Mila mivavaka aloha ianao, mamaky ny Baiboly izay avy amin’ny herin’ny fanahy masina, ary miaraka amin’ny olona tena tia an’Andriamanitra.—Lioka 11:13; 2 Timoty 3:16; Hebreo 10:24, 25.

Efa manomboka mitafy “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra” ianao, raha manararaotra an’ireo fanampiana ireo. Izany ihany no azo antoka fa hiaro anao amin’ny “teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11-18) Tena ilaina maika izany amin’izao andro izao. Nahoana?

Ho foana tsy ho ela ny faharatsiana!

Hoy ny mpanao salamo: “Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.” (Salamo 92:7) Rehefa mitombo be ny faharatsiana, dia midika izany fa hihatra tsy ho ela ny didim-pitsaran’Andriamanitra, toy ny tamin’ny andron’i Noa. Tsy ny olona ratsy fanahy ihany no hiharan’izany, fa i Satana sy ny demoniany koa. Hogadraina izy ireo, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona, ary haringana tanteraka amin’ny farany. (2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 20:1-3, 7-10) Iza no hampihatra ilay didim-pitsarana? Tsy iza fa i Jesosy Kristy, araka ilay voalaza hoe: “Izao no nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny Devoly.”—1 Jaona 3:8.

Tsy andrinao ve ny hanafoanana ny faharatsiana? Raha izany, dia mety hampahery anao ny fampanantenan’ny Baiboly. Tsy misy boky ankoatra an’izy io mampiharihary fa i Satana no fototry ny faharatsiana rehetra. Io boky io irery koa no manazava fa hofongorana izy sy ny asa ratsiny, amin’ny farany. Mampirisika anao àry izahay mba handray ny fahalalana marina tsara ao amin’ny Baiboly. Izany no hiaro anao amin’ny fitaoman-dratsin’i Satana dieny izao. Hanana fanantenana azo antoka koa ianao, dia ny hiaina ao amin’ny tontolo tsy hisy faharatsiana intsony.—Salamo 37:9, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy fantatra ny anaran’io anjely io, talohan’ny niantsoana azy hoe Satana. “Mpanohitra” sy “Mpanendrikendrika” no dikan’ny hoe “Satana” sy “Devoly.” Mitovy amin’izay nataon’ny mpanjakan’i Tyro fahiny, ny zavatra nataon’i Satana. (Ezekiela 28:12-19) Samy tsy nanan-tsiny izy ireo tamin’ny voalohany, nefa lasa nanambony tena.

^ feh. 17 Jereo ny andian-dahatsoratra hoe “Mampidi-doza sa Tsia ny Boky sy Sary Vetaveta?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2003, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 6]

Angano Nefa Misy Marina Kely Ihany

Misy angano maro eran-tany miresaka momba ny olona goavam-be, ny safodrano lehibe, ary ireo sady andriamanitra no olona. Misy resaka safodrano sy sambo ary olona tafavoaka velona, ohatra, ny angano momba an’i Gilgamesh, avy any Mezopotamia. Voalaza fa sady andriamanitra no olona i Gilgamesh, ary tena nahery setra sy ratsy fitondran-tena. Misy angano momba ny olona goavam-be sy safodrano lehibe koa any amin’ny faritr’i Meksika. Misy indray angano norvezianina, mitantara olona goavam-be sy ny lehilahy hendry iray atao hoe Bergelmir, izay nanao sambo goavana ka voavonjy izy sy ny vadiny. Rehefa jerena ireny angano rehetra ireny, dia voaporofo fa marina ny voalazan’ny Baiboly. Tena nisy tokoa àry ny safodrano nandringana ny tontolo iray fahiny, ary taranak’ireo olona tafavoaka velona tamin’izany ny olona rehetra ankehitriny.

[Sary]

Takelaka misy ny angano momba an’i Gilgamesh

[Sary nahazoan-dalana]

The University Museum, University of Pennsylvania (neg. # 22065)

[Sary, pejy 5]

Manana toetra toy ny an’ny Nefilima ny olona ankehitriny

[Sary, pejy 7]

Miaro anao amin’ny fitaoman-dratsy ny fahalalana ny marina