Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Fitomaniana

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Fitomaniana

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Fitomaniana

HITAN’I Jeremia mpaminany ny nahatanterahan’ny didim-pitsarana nambarany nandritra ny 40 taona. Inona no tsapany rehefa hitany ny nandravana an’ilay tanàna tiany? “Nipetraka i Jeremia ary nitomany sy nitaraina, noho i Jerosalema.” Izany no voalaza ao amin’ny teny fampidirana ny bokin’ny Fitomaniana, araka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tena maneho ny alahelo mafy tsapan’i Jeremia ny bokin’ny Fitomaniana. Tamin’ny 607 T.K. mantsy no nosoratany izy io, ka mbola tsaroany tsara ny nanaovana fahirano an’i Jerosalema nandritra ny herintaona sy tapany, sy ny nandorana an’ilay tanàna. (Jeremia 52:3-5, 12-14) Araka ny tantara, dia i Jerosalema ihany no nanaovana teny nahavaky fo toy izany.

Mizara ho hira dimy ny bokin’ny Fitomaniana. Hira fisaonana ny efatra voalohany, ary manomboka amin’ireo litera 22 ao amin’ny abidy hebreo ny andininy tsirairay. Vavaka fitalahoana kosa ny hira fahadimy. Misy andininy 22 koa izy io, mifanaraka amin’ny isan’ny litera hebreo, kanefa tsy manaraka ny abidy.

“PAHINA NY MASOKO AZON’NY RANOMASO”

(Fitomaniana 1:1–2:22)

“Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ny firenena sy andriambavy tamin’ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!” Izany no fanombohan’ny fitomanian’i Jeremia, momba an’i Jerosalema. Nilaza izy fa niharan’izany fahoriana izany ilay tanàna, satria “Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan’ny fahotany.”—Fitomaniana 1:1, 5.

Toy ny vehivavy nisaona ny vady aman-janany i Jerosalema, ka nanontany hoe: “Mba misy fahoriana toy ny fahoriako” ve? Nivavaka toy izao momba ny fahavalony izy: “Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.”—Fitomaniana 1:12, 22.

Tena ory i Jeremia, ka nilaza hoe: “[Nokapain’i Jehovah] tamin’ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; nahemony teo anoloan’ny fahavalo ny tànany ankavanana; ary nandoro an’i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.” Hoy ihany ilay mpaminany: “Pahina ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny foko; naidina tamin’ny tany ny atiko.” Na ny mpandalo aza dia gaga, ka nanao hoe: “Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy, Fifalian’ny tany rehetra?”—Fitomaniana 2:3, 11, 15.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:15—Nahoana no lazaina fa “nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka” i Jehovah? Nandrava an’ilay tanàna, oharina amin’ny virjiny, ny Babylonianina. Nandatsa-dra be dia be izy ireo, ka toy ny voaloboka nohosihoseny teo amin’ny famiazam-boaloboka i Joda. Nilaza izany mialoha i Jehovah, sady namela izany hitranga, ka toy ny hoe izy no “nanosihosy” azy ireo.

2:1—Inona no dikan’ny hoe ‘nazera avy tany an-danitra ho amin’ny tany ny reharehan’ny Israely’? ‘Avo noho ny tany ny lanitra.’ Rehefa misy zavatra teny amin’ny toerana avo àry nefa naetry, dia azo lazaina hoe ‘nazera avy tany an-danitra’ ilay izy. Ny voninahitra sy hery vokatry ny fitahian’i Jehovah no ‘reharehan’ny Israely.’ Naetry izany rehefa noravana i Jerosalema ary nanjary lao i Joda.—Isaia 55:9.

2:1, 6—Inona ilay ‘fitoeran-tongotr’i Jehovah’ sy “ilay nofefena ho azy”? Hoy ny mpanao salamo: “Aoka hiditra any amin’ny fonenany isika ka hivavaka eo amin’ny fitoeran-tongony.” (Salamo 132:7) Ilay ‘fitoeran-tongotra’ ao amin’ny Fitomaniana 2:1 àry, dia ny fonenan’i Jehovah, izany hoe ny toerana fivavahana aminy na ny tempoliny. Trano bozaka no tondroin’ny hoe “ilay nofefena ho azy.” ‘Nodoran’ny’ Babylonianina toy ny fandoro trano bozaka eny an-jaridaina “ny tranon’i Jehovah.”—Jeremia 52:12, 13.

2:17—Inona ilay ‘tenin’i Jehovah’ tanteraka, momba an’i Jerosalema? Azo inoana fa ilay teny ao amin’ny Levitikosy 26:17, manao hoe: “Hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo hianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra hianareo, na dia tsy misy manenjika aza.”

Lesona ho antsika:

1:1-9. Nitomany be i Jerosalema nandritra ny alina, ary nikoriana tamin’ny takolany ny ranomasony. Lao ny vavahadiny rehetra, ary nisento ny mpisorony. Ory ny virjininy, ary vonton’alahelo koa izy. Nahoana? Satria nanao fahotana lehibe i Jerosalema. Teo amin’ny morontongotr’akanjony ny fahalotoany. Tsy fifaliana no vokatry ny fahotana, fa ranomaso sy fisentoana ary alahelo mafy.

1:18. Manao ny rariny foana i Jehovah rehefa manasazy ny mpanota.

2:20. Nampitandremana ny Israelita fa ho voaozona izy ireo, raha tsy nihaino ny feon’i Jehovah. Hihinana ‘ny nofon’ny zanany lahy sy ny zanany vavy’, ohatra, izy ireo. (Deoteronomia 28:15, 45, 53) Tsy fahendrena mihitsy ny mifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra!

‘AZA TAMPENANA NY SOFINAO RAHA MITARAINA AHO’

(Fitomaniana 3:1–5:22)

Oharina amin’ny “lehilahy” iray ny firenen’ny Israely, ao amin’ny Fitomaniana toko faha-3. Mihira toy izao izy, na dia mizaka fahoriana aza: “Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy.” Nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra izy hoe: “Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.” Nangataka an’i Jehovah izy mba hamaly ny fahavalony, ka nanao hoe: “Hovalianao araka ny asan’ny tànany izy, Jehovah ô.”—Fitomaniana 3:1, 25, 56, 64.

Namboraka ny alahelony noho ilay fahirano tao Jerosalema naharitra herintaona sy tapany i Jeremia, ka nitaraina hoe: “Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’i Sodoma, izay noravana indray mipì-maso monja, nefa tsy nokasihin-tànana akory.” Hoy ihany izy: “Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ny vokatry ny saha.”—Fitomaniana 4:6, 9.

Toy ny hoe tenin’ny mponina tao Jerosalema kosa ny hira fahadimy. Hoy izy ireo: “Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.” Nilaza ny fahoriany izy ireo sady niangavy hoe: “Jehovah ô, Hianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby. Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.”—Fitomaniana 5:1, 19, 21.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:16—Inona no dikan’ny hoe: “Notorotoroiny tamin’ny sila-bato ny nifiko”? Manazava toy izao ny boky iray: “Rehefa teny an-dalana ho any an-tsesitany ireo Jiosy, dia voatery nanao lavaka tao anaty tany mba handrahoana mofo. Lasa nisy vatokely àry ny mofony.” Mety ho silaka ny nifin’izy ireo, rehefa nihinana an’ilay mofo.

4:3, 10—Nahoana i Jeremia no nampitaha ‘ny zanakavavin’ny olony’ tamin’ny “ostritsa any an-efitra”? Hoy ny Joba 39:16: “Tsy tia ny zanany [ny aotirisy], fa ataony hoatra ny tsy azy ireny.” Rehefa foy, ohatra, ny atodiny dia lasa miaraka amin’ny namany ny aotirisy vavy, fa ny lahy no avelany hikarakara ny zanany. Ary ahoana raha misy loza mandrahona azy ireo? Mandao ny akaniny izy mivady, ary avelany eo ny zanany. Nihamafy ny mosary tao Jerosalema, noho ny fahirano nataon’ny Babylonianina. Tsy nangoraka ny zanany intsony àry ny renim-pianakaviana, fa lasa nasiaka toy ny aotirisy any an-tany efitra. Mifanohitra be amin’ny amboadia izay tia ny zanany, izy ireo.

5:7—Manameloka ny olona noho ny fahadisoan’ny razany ve i Jehovah? Tsia, tsy manasazy ny olona noho ny fahotan’ny razany i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.” (Romanina 14:12) Mety mbola hihatra amin’ny taranany any aoriana ihany anefa ny vokatry ny fahadisoana nataon’ny olona. Nanjary sarotra tamin’ny Israelita nahatoky tatỳ aoriana, ohatra, ny nanaraka ny fahamarinana, satria nanompo sampy ny razan’izy ireo.—Eksodosy 20:5.

Lesona ho antsika:

3:8, 43, 44. Nitaraina ny mponin’i Jerosalema rehefa niharan-doza, nefa tsy nety nihaino na nanampy azy i Jehovah. Nahoana? Satria tsy nankatò izy ireo, sady tsy nibebaka mihitsy. Tsy maintsy mankatò an’i Jehovah isika, raha tiantsika hihaino ny vavaka ataontsika izy.—Ohabolana 28:9.

3:21-26, 28-33. Ahoana no hiaretantsika fahoriana tena mafy? Atoron’i Jeremia antsika, fa tsy tokony hanadino mihitsy isika hoe be fitiavana sy hatsaram-panahy i Jehovah, ary tena mamindra fo. Tokony hotadidintsika koa fa matoa isika velona, dia mbola misy azo antenaina. Mila maharitra sy miandry amim-panginana fotsiny isika, ka tsy mitaraina fa miandry ny famonjen’i Jehovah. Tokony “hanohoka ny [vavantsika] eo amin’ny vovoka” koa isika, izany hoe hanetry tena ka hiaritra fitsapana. Ary hanaiky isika fa misy antony matoa avelan’Andriamanitra hitranga izany.

3:27. Mety hotsapaina ny finoan’ny tanora rehefa tojo zava-tsarotra na fanesoana. Na izany aza dia “tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.” Nahoana? Satria ho vonona kokoa hiatrika zava-tsarotra izy any aoriana, raha mianatra mihafy dieny mbola tanora.

3:39-42. Tsy tokony ‘himonomonona’ isika, raha mijaly noho ny fahotantsika ihany. Tsy tokony hitaraina koa isika raha mizaka ny vokatry ny fahadisoantsika. “Aoka [kosa] isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’i Jehovah.” Hendry isika raha mibebaka, ary manitsy ny fomba fiainantsika.

Matokia an’i Jehovah

Hita ao amin’ny bokin’ny Fitomaniana ny fiheveran’i Jehovah an’i Jerosalema sy Joda, taorian’ny nandoroan’ny Babylonianina an’ilay tanàna sy nahalao azy. Mirakitra tenin’olona miaiky ny helony io boky io. Hita amin’izany fa ny fahadisoan’ilay vahoaka no nahatonga an’ilay loza, araka ny fihevitr’i Jehovah. Hita amin’ireo tonon-kira ao amin’ilay boky koa, fa misy olona manantena an’i Jehovah sy maniry hanao ny tsara indray. Tsy ny olona rehetra tamin’ny andron’i Jeremia anefa izany, fa ilay mpaminany sy ireo sisa nibebaka.

Misy lesona lehibe roa ianarantsika avy amin’ny fomba nitsaran’i Jehovah an’i Jerosalema. Voalohany, dia mampirisika antsika hankatò an’i Jehovah, ny fitadidiana ny nandravana an’i Jerosalema sy ny nahalao an’i Joda. Fampitandremana ho antsika koa izany, mba tsy hanao tsinontsinona ny sitrapon’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:11) Ny lesona faharoa dia ny ohatr’i Jeremia. (Romanina 15:4) Nalahelo mafy ilay mpaminany rehefa toa tsy nisy fanantenana intsony, nefa mbola niandry ny famonjen’i Jehovah izy. Tena mila mitoky tanteraka amin’i Jehovah sy ny Teniny àry isika, ka miantehitra aminy!—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 9]

Hitan’i Jeremia ny nahatanterahan’ny didim-pitsarana nambarany

[Sary, pejy 10]

Notsapaina ny finoan’ireto Vavolombelona koreanina ireto, noho izy ireo tsy nety nanao miaramila