Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vitan’ny Lela?

Inona no Vitan’ny Lela?

Inona no Vitan’ny Lela?

MIREFY 45 santimetatra ny lelan’ny zirafy. Mora milefitra izy io ary matanjaka tsara ka afaka misintona sy manapaka ravinkazo. Mitovy lanja amin’ny elefanta ny lelan’ny trozona manga. Alao sary an-tsaina ange ny hery ilaina hanetsehana azy io e!

Raha ampitahaina amin’ny an’ireo biby ireo ny lelan’ny olombelona, dia tena kely sy maivana ary tsy matanjaka. Be lavitra anefa ny zavatra vitan’izy io. Hoy ny Baiboly momba an’io rantsambatana kely io: “Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela.” (Ohabolana 18:21) Mampiasa ny lelany amin’ny fomba ratsy ny olona sasany, ka mampitondra faisana ny tsy manan-tsiny, na amoizany ny ainy mihitsy aza. Impiry tokoa moa isika no nandre toe-javatra toy izany!

Mandrava ny fifandraisan’ny mpinamana tsy nifankafoy hatry ny ela ny teny mandratra. Mankarary fo ny teny maharary. Hoy i Joba tamin’ireo olona nanaratsy azy: “Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?” (Joba 19:2) Nasehon’i Jakoba mpianatra mazava tsara fa mitera-doza ny lela tsy voafehy. Hoy izy: ‘Kely ny lela, kanefa mirehareha fatratra. Jereo ange ny afo e! Kely fotsiny dia efa mampirehitra ala be. Afo ny lela.’—Jakoba 3:5, 6.

Mamelombelona koa anefa ny lela. Mampitraka ny kivy sy misakana ny olona sasany tsy hamono tena, ny teny mampionona sy feno hatsaram-panahy. Tsy ho faty tanora ny mpidoroka zava-mahadomelina sy ny mpanao heloka bevava, raha manaraka ny torohevitra mahasoa omena azy. Marina tokoa fa “hazon’aina” ho an’izay mihaino azy ny lelan’ny marina, ary toy ny ‘paoma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra’ ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.—Ohabolana 15:4; 25:11.

Inona anefa no fomba tsara indrindra azontsika ampiasana ny lela? Hiderana an’i Jehovah Andriamanitra, sy hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary hampianarana ny olona ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly. Hoy mantsy i Jesosy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3; Matio 24:14; 28:19, 20.