Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Soa avy Amin’ny Zokiolona ny Tanora

Mandray Soa avy Amin’ny Zokiolona ny Tanora

Mandray Soa avy Amin’ny Zokiolona ny Tanora

“Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.”—SALAMO 71:18.

1, 2. Inona no tokony ho takatr’ireo zokiolona mpanompon’Andriamanitra? Inona no hodinihintsika?

NITSIDIKA rahalahy voahosotra efa be taona ny anti-panahy iray, tany Afrika Andrefana. Nanontany azy izy hoe: “Manao ahoana ny fahasalamanao?” “Afaka mihazakazaka sy mitsambikina aho”, hoy ilay rahalahy, sady nataony ireo fihetsika ireo. “Saingy tsy afaka manidina aho”, hoy izy avy eo. Azon’ilay anti-panahy ny tiany holazaina, dia hoe: ‘Faly aho manao izay vitako, fa tsy manao izay tsy ho vitako kosa aho.’ Efa 80 taona mahery izao ilay anti-panahy, ary faly izy rehefa mahatsiaro an’io rahalahy tia vazivazy sy tsy nivadika io.

2 Misy vokany maharitra eo amin’ny hafa ny toetra tsara ananan’ny zokiolona. Tsy hoe rehefa mandroso taona akory ny olona, dia tonga ho azy ao aminy ny fahendrena sy ny toetra kristianina hafa. (Mpitoriteny 4:13) Hoy ny Baiboly: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, [raha] ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31) Koa raha be taona àry ianao, takatrao tsara ve fa afaka mitondra soa ho an’ny hafa ny teninao sy ny ataonao? Tantaraina ao amin’ny Baiboly fa nisy zokiolona tena nitondra soa ho an’ny tanora. Handinika an’izany isika izao.

Mitondra soa maharitra ny finoany

3. Nahoana no azo lazaina fa misy vokany eo amin’ny olona rehetra ankehitriny ny fahatokian’i Noa?

3 Mandray soa avy amin’ny finoana sy ny tsy fivadihan’i Noa na dia ny olona ankehitriny aza. Efa ho 600 taona izy, tamin’izy nanorina ny sambofiara sy nanangona ny biby ary nitory tamin’ny mpiara-belona taminy. (Genesisy 7:6; 2 Petera 2:5) Natahotra an’Andriamanitra i Noa, ka tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano lehibe izy sy ny fianakaviany. Lasa razamben’ny olona rehetra ankehitriny koa izy. Marina fa ela velona kokoa ny olona tamin’ny androny. Nahatoky foana anefa izy na dia rehefa lasa antitra be aza, ary nitondra soa lehibe izany. Tamin’ny fomba ahoana?

4. Nahoana no azo lazaina fa mandray soa avy amin’ny tsy fivadihan’i Noa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny?

4 Efa ho 800 taona i Noa rehefa nanomboka nanorina ny Tilikambon’i Babela i Nimroda, mba hanoherana ilay didin’i Jehovah hoe: “Mamenoa ny tany.” (Genesisy 9:1; 11:1-9) Tsy nikomy niaraka taminy anefa i Noa. Azo inoana àry fa tsy niova ny fitenin’i Noa, rehefa nisafotofoto ny fitenin’ireo mpikomy. Naneho finoana sy tsy fivadihana izy nandritra ny androm-piainany manontolo, fa tsy rehefa antitra ihany. Tena tokony hanahaka izany modely izany ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, na antitra na tanora.—Hebreo 11:7.

Mitondra soa ho an’ny fianakaviany

5, 6. a) Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Abrahama tamin’izy 75 taona? b) Ahoana no nataon’i Abrahama tamin’izay?

5 Misy vokany eo amin’ny finoan’ny fianakaviany ny modely omen’ny zokiolona. Mampiseho izany ny tantaran’ireo loham-pianakaviana fahiny, taorian’ny andron’i Noa. Efa 75 taona tany ho any i Abrahama rehefa nilazan’Andriamanitra hoe: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao.”—Genesisy 12:1, 2.

6 Eritrereto hoe asaina mandao ny tranonao, ny namanao, ny tanindrazanao, ny havanao rehetra izay niahy anao ianao, ary asaina mankany amin’ny tany tsy fantatrao akory. Izany no nasaina nataon’i Abrahama. “Nandeha ... araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy” izy, ary nitoetra an-tranolay toy ny vahiny sy mpifindrafindra monina tany amin’ny tany Kanana, nandritra ny andro sisa niainany. (Genesisy 12:4; Hebreo 11:8, 9) Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa ho lasa “firenena lehibe” izy. Maty ela be talohan’ny naha maro ny taranany anefa izy. Efa nipetraka 25 taona tany amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, vao niteraka an’i Isaka zanany lahitokana tamin’i Abrahama i Saraha. (Genesisy 21:2, 5) Tsy sasatry ny niandry anefa i Abrahama, ary tsy niverina tany amin’ny tany niaviany. Fakan-tahaka tokoa ny finoany sy ny fiaretany!

7. Inona no vokatry ny fiaretan’i Abrahama teo amin’i Isaka zanany? Inona no vokatr’izany eo amin’ny taranak’olombelona?

7 Nisy vokany lehibe teo amin’i Isaka zanany ny fiaretan’i Abrahama. Nipetraka tany Kanana foana i Isaka nandritra ny androm-piainany manontolo, izany hoe 180 taona. Nahavita niaritra koa izy, satria nino ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny ray aman-dreniny be taona no nanampy azy hanana an’io finoana io, ary vao mainka nitombo izy io rehefa niresaka taminy i Jehovah tatỳ aoriana. (Genesisy 26:2-5) Tena zava-dehibe ny tsy fivadihan’i Isaka, satria anisan’ny nahatanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hisy ‘taranaka’ avy amin’i Abrahama hitondra fitahiana ho an’ny olombelona rehetra. Tonga tokoa i Jesosy Kristy, ilay voalohany amin’io taranaka io, taonjato maro tatỳ aoriana. Afaka hihavana amin’Andriamanitra indray sy hiaina mandrakizay ny olona rehetra maneho finoana azy.—Galatianina 3:16; Jaona 3:16.

8. Ahoana no nampisehoan’i Jakoba fa nanana finoana natanjaka izy, ary inona no vokatr’izany?

8 Isaka indray kosa nanampy an’i Jakoba zanany mba hanana finoana matanjaka. Nampahery an’i Jakoba izany rehefa nandroso taona izy. Efa 97 taona izy rehefa nitolona tamin’ny anjely iray nandritra ny alina manontolo, mba hahazoana tsodrano. (Genesisy 32:25-29) Mbola nanana hery nahafahana nitso-drano ny tsirairay tamin’ny zanany 12 lahy izy, talohan’ny nahafatesany tamin’izy 147 taona. (Genesisy 47:28) Tanteraka ny faminaniana nolazainy ao amin’ny Genesisy 49:1-28, ary mbola tanteraka koa ankehitriny.

9. Nahoana no azo lazaina fa misy heriny eo amin’ny fianakaviany ny modely omen’ny zokiolona matotra?

9 Mazava, araka izany, fa misy vokany tsara eo amin’ny fianakaviany ny modely omen’ny zokiolona tsy mivadika amin’Andriamanitra. Tena afaka manampy ny tanora mba hanana finoana matanjaka ny fampianarana ara-baiboly sy ny torohevitra feno fahendrena omen’ireny be taona ireny, ary ny fiaretana asehony. (Ohabolana 22:6) Afaka mampirisika ny fianakaviany hanao ny tsara ny zokiolona, ka tsy tokony hohadinoiny mihitsy fa tena sarobidy izany.

Mitondra soa ho an’ny mpiray finoana

10. Inona no ‘nohafatrafaran’i Josefa momba ny taolany’? Inona no vokatr’izany?

10 Afaka mitondra soa ho an’ny mpiray finoana koa ny zokiolona. Nanao zavatra iray tena tsotra i Josefa, zanak’i Jakoba, mba hanehoana ny finoany. Nisy vokany lalina teo amin’ny olona an-tapitrisany manaraka ny fivavahana marina anefa izany. Efa 110 taona izy tamin’izay. ‘Nanafatrafatra’ izy fa tokony hoentin’ny Israelita miaraka aminy ny taolambalony, rehefa handao an’i Ejipta izy ireo. (Hebreo 11:22; Genesisy 50:25) Nahavelom-panantenana ny Israelita izany didiny izany, nandritra ireo taona maro naha babo azy ireo, taorian’ny nahafatesan’i Josefa. Nanome toky azy ireo mantsy ilay izy fa tena hafahana izy ireo.

11. Inona no mety ho vokatry ny modely nomen’i Mosesy teo amin’i Josoa?

11 Nampahery an’i Mosesy ireo teny naneho finoana nolazain’i Josefa ireo. Nahazo tombontsoa hitondra ny taolambalon’i Josefa hivoaka an’i Ejipta izy, tamin’izy 80 taona. (Eksodosy 13:19) Tamin’izay izy no nifankahalala tamin’i Josoa, izay mbola zandriny lavitra. Nanampy an’i Mosesy i Josoa nandritra ireo 40 taona nanaraka. (Nomery 11:28) Niaraka tamin’i Mosesy nankeny amin’ny Tendrombohitra Sinay izy, ary teo izy rehefa nidina i Mosesy nitondra an’ireo takelaka nisy ny Tenin’ny Vavolombelona. (Eksodosy 24:12-18; 32:15-17) Azo antoka fa nanampy an’i Josoa hahazo fahendrena i Mosesy, sady nanome azy torohevitra tsara be dia be!

12. Nahoana no azo lazaina fa nitaona ny firenen’ny Israely hanao ny tsara i Josoa, nandritra ny andro rehetra niainany?

12 I Josoa kosa nampahery ny firenen’ny Israely, nandritra ny andro rehetra niainany. Hoy ny Mpitsara 2:7: “Nanompo an’i Jehovah ny vahoaka tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa sy tamin’ny andro rehetra niainan’ny loholona izay velona taorian’i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely.” Rehefa maty anefa i Josoa sy ny anti-panahy hafa, dia nanjary niroa saina ny vahoaka, ka sady nanaraka ny fivavahana marina no tsy niala tamin’ilay diso. Naharitra 300 taona izany, ary nanomboka taorian’izay ny asan’i Samoela mpaminany.

“Nampihatra izay mahitsy” i Samoela

13. Inona no nataon’i Samoela mba ‘hampiharana izay mahitsy’?

13 Tsy lazain’ny Baiboly hoe firy taona i Samoela rehefa maty. Mitantara zava-nitranga nandritra ny 102 taona teo ho eo anefa ny bokin’ny Samoela Voalohany, ary nanatri-maso ny ankamaroan’ireny i Samoela. Miresaka momba ny mpitsara sy mpaminany “nampihatra izay mahitsy” ny Hebreo 11:32, 33. Toy izany tokoa i Samoela. Nanampy ny mpiara-belona taminy tsy hanao ratsy izy. Nasainy niala tamin’ny fanaovan-dratsy koa ireo nanao izany. (1 Samoela 7:2-4) Tamin’ny fomba ahoana? Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy nandritra ny androm-piainany. (1 Samoela 12:2-5) Na ny mpanjaka aza sahiny nanarina mafy. (1 Samoela 15:16-29) Nanome modely ho antsika koa i Samoela rehefa nivavaka ho an’ny hafa, na dia “efa antitra sy fotsy volo” aza. Nilaza izy fa ‘sanatria taminy raha hanota amin’i Jehovah izy ka hitsahatra tsy hangataka’ ho an’ny Israelita toa azy.—1 Samoela 12:2, 23.

14, 15. Ahoana no azon’ny zokiolona anahafana an’i Samoela?

14 Misongadina eo ny zava-dehibe iray azon’ny zokiolona atao, mba hampirisihana ny Kristianina hafa hanao ny tsara. Afaka mivavaka ho an’ny hafa izy ireo na dia voafetra ihany aza ny azony atao, noho ny fahasalamany na ny zavatra hafa. Ry zokiolona, fantatrareo ve fa tena mandray soa amin’ny vavaka ataonareo ny fiangonana? Ankasitrahan’i Jehovah ianareo noho ny finoanareo ny ra nalatsak’i Kristy. “Vita sedra” koa ny finoanareo noho ny fiaretana efa nasehonareo. (Jakoba 1:3; 1 Petera 1:7) Aza hadinoina mihitsy fa “ny fitalahoan’ny olo-marina dia manan-kery lehibe, rehefa miasa.”—Jakoba 5:16.

15 Ilaina ny vavaka ataonareo hanohanana ny asan’i Jehovah. Migadra, ohatra, ny rahalahintsika sasany satria tsy mety mitsabaka amin’ny raharahan’ity tontolo ity. Ny hafa kosa mijaly noho ny hetraketraky ny natiora, na ny ady, na ny ady an-trano. Miatrika fakam-panahy na fanoherana koa ny Kristianina hafa eo anivon’ny fiangonana misy antsika. (Matio 10:35, 36) Mila ny vavaka tsy tapaka ataonareo koa ireo mitarika ny asa fitoriana sy miandraikitra ny fiangonana. (Efesianina 6:18, 19; Kolosianina 4:2, 3) Tena mahasoa ny mpiara-manompo tokoa ny firesahanareo azy ireo ao amin’ny vavaka, toy ny nataon’i Epafra!—Kolosianina 4:12.

Mampianatra ny taranaka mbola ho avy

16, 17. Inona no voalaza mialoha ao amin’ny Salamo 71:18? Ahoana no ahatanterahan’izany?

16 Mahazo ny fampiofanana tena ilainy ny “ondry hafa” manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, noho ny fiarahany amin’ireo Kristianina mahatoky anisan’ny “ondry vitsy” voantso ho any an-danitra. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Voalaza mialoha ao amin’ny Salamo 71:18 ny momba izany. Izao no vakintsika ao: “Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.” Mazoto mampiofana ny ondry hafa namany ny voahosotra, dieny mbola tsy lasa any an-danitra mba homem-boninahitra miaraka amin’i Jesosy Kristy. Mihamaro mantsy ny andraikitra tsy maintsy iantsorohany eto an-tany.

17 Azo lazaina hoe mihatra amin’ny ondry hafa nahazo fampianarana avy tamin’ny voahosotr’Andriamanitra koa ny Salamo 71:18. Mila mampianatra ny olona “rehetra mbola ho avy” koa izy ireo. Nomen’i Jehovah tombontsoa hiresaka momba azy amin’ireo olona manaraka ny fivavahana marina tokoa ny zokiolona. (Joela 1:2, 3) Raisin’ny ondry hafa ho fitahiana lehibe ny zavatra ara-baiboly ianarany avy amin’ny voahosotra, ary te hampita izany amin’ny olon-kafa te hanompo an’i Jehovah izy ireo.—Apokalypsy 7:9, 10.

18, 19. a) Inona no fahalalana sarobidy azon’ny zokiolona maro ampitaina amin’ny hafa? b) Afaka mahazo antoka ny amin’ny inona ny Kristianina zokiolona?

18 Nanatri-maso ny zava-dehibe nitranga teo amin’ny tantara ireo zokiolona mpanompon’i Jehovah, na anisan’ny voahosotra izy, na anisan’ny ondry hafa. Mbola velona ny vitsivitsy amin’ireo nahita voalohany ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Misy koa nifankahalala tsara tamin’ireo rahalahy nitantana ny asa fitoriana, izay nigadra tamin’ny 1918. Ny hafa indray nandray anjara tamin’ny fandaharana nataon’ny radion’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nantsoina hoe WBBR. Maro koa no afaka mitantara ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nampiakarana fitsarana tampony, ny raharaha momba ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanaraka ny fivavahany. Tao koa ireo tsy nivadika tamin’ny fivavahana marina, na dia niaina teo ambanin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy aza. Afaka mitantara ny fomba nampahafantarana miandalana ny fahamarinana koa izy ireny. Mampirisika antsika ny Baiboly mba handray soa avy amin’ireny zavatra maro fantatry ny zokiolona ireny.—Deoteronomia 32:7.

19 Ampirisihina hanome modely ho an’ny tanora ny Kristianina zokiolona. (Titosy 2:2-4) Angamba mbola tsy hitanao izao ny vokatry ny fiaretanao sy ny vavaka ataonao ary ny torohevitrao, eo amin’ny hafa. Toy izany ihany i Noa, Abrahama, Josefa, Mosesy ary ny hafa. Mety tsy ho afaka nahita ny tena vokatry ny fahatokiany teo amin’ny taranaka tatỳ aoriana izy ireo. Tena nisy heriny lehibe teo amin’ny hafa anefa ny finoan’izy ireo sy ny tsy fivadihany, ary azo antoka fa ho toy izany koa ny modely omenao.

20. Inona avy no fitahiana ho azontsika, raha mihazona mafy ny fanantenantsika hatramin’ny farany isika?

20 Na ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” ianao, na hatsangana amin’ny maty, dia azo antoka fa ho dibo-kafaliana rehefa hahazo “ny tena fiainana”! (Matio 24:21; 1 Timoty 6:19) Alao sary an-tsaina ny fiainana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, rehefa hanarina ny vokatry ny fahanterana i Jehovah. Tsy hihaosa tsikelikely ny vatantsika, fa hihatsara isan’andro. Hihamavitrika sy hahita tsara ary handre tsara kokoa isika, isaky ny mifoha. Hihatsara hatrany hatrany koa na ny bika aman’endrika aza! (Joba 33:25; Isaia 35:5, 6) Ho tanora lalandava ny olona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, na dia hiaina mandrakizay aza. (Isaia 65:22) Koa enga anie isika rehetra hihazona mafy ny fanantenantsika hatramin’ny farany, sady hanompo an’i Jehovah foana amin’ny fo manontolo. Afaka matoky isika fa hotanterahin’i Jehovah ny fampanantenany rehetra, sady mbola ho tsara lavitra noho izay eritreretintsika.—Salamo 37:4; 145:16.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no fitahiana noraisin’ny olona rehetra noho ny tsy fivadihan’i Noa tamin’izy zokiolona?

• Inona no vokatry ny finoan’ireo loham-pianakaviana fahiny teo amin’ny taranany?

• Tamin’izy ireo efa be taona, inona no nataon’i Josefa, Mosesy, Josoa, ary Samoela mba hampaherezana ny mpiray finoana taminy?

• Inona no tena misy heriny eo amin’ny taranaka ho avy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Nisy vokany lehibe teo amin’i Isaka ny fiaretan’i Abrahama

[Sary, pejy 28]

Nampahery an’i Josoa ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Mosesy

[Sary, pejy 29]

Afaka mitondra soa betsaka ny vavaka ataonao ho an’ny hafa

[Sary, pejy 30]

Mahasoa ny tanora ny mihaino ny zokiolona mahatoky