Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mandrobona’ na dia efa Fotsy Volo Aza

‘Mandrobona’ na dia efa Fotsy Volo Aza

‘Mandrobona’ na dia efa Fotsy Volo Aza

“Efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy ... mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza.”—SALAMO 92:13, 14.

1, 2. a) Ahoana matetika no fiheveran’ny olona ny fahanterana? b) Inona no ampanantenain’ny Soratra Masina momba ny vokatry ny fahotan’i Adama?

I NONA no tonga ao an-tsainao amin’ny hoe fahanterana? Hoditra miketrona ve? Sa sofina lalodalovana? Sa rantsambatana mangozohozo? Sa ny lafiny iray amin’ireo “andro mahory” resahina ao amin’ny Mpitoriteny 12:1-7? Tadidio anefa fa milaza fotsiny ny vokatry ny fahotan’i Adama eo amin’ny vatan’olombelona ireo andininy ireo. Tsy izany mihitsy no nirin’i Jehovah Andriamanitra hitranga amin’ny olona, rehefa mandroso taona izy ireo.—Romanina 5:12.

2 Tsy voatery ho ratsy ny hoe mandroso taona, satria tsy maintsy mandalo amin’izany ny olona mba ho velona hatrany. Raha ny marina aza, dia tena ilain’ny zavaboary rehetra ny hoe mihalehibe sy mihamatotra. Nanimba antsika anefa ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana, nandritra izay 6 000 taona izay. Tsy hisy intsony izany amin’ny hoavy tsy ho ela, fa ho toy ny nikasan’i Jehovah azy ny fiainan’ny olona rehetra mankatò, izany hoe tsy hijaly noho ny fahanterana sy ny fahafatesana izy ireo. (Genesisy 1:28; Apokalypsy 21:4, 5) Tsy hisy hilaza intsony amin’izay hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) Hatanjaka toy ny tamin’ny “andro nahatanorany” ny zokiolona, ary “ho tsara noho ny an’ny tanora” ny nofony. (Joba 33:25) Mbola tsy maintsy miaritra ny vokatry ny fahotana nolovana tamin’i Adama anefa isika rehetra. Na izany aza, dia mahazo fitahiana miavaka ny mpanompon’i Jehovah, rehefa mandroso taona.

3. Nahoana no azo lazaina fa ‘manorobona ihany’ ny Kristianina, ‘na dia efa antitra aza’?

3 Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa ireo “nambolena tao an-tranon’i Jehovah”, dia mbola ‘hanorobona ihany na dia efa antitra aza.’ (Salamo 92:13, 14) Mampiasa teny an’ohatra ny mpanao salamo eo, mba hampitana hevi-dehibe iray: Mbola afaka ny hanao fandrosoana sy hanana finoana matanjaka foana ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky, na dia mihaosa aza. Manaporofo izany ny tantaran’ny olona maro resahin’ny Baiboly sy ny olon-kafa miaina ankehitriny.

“Tonga tsy tapaka”

4. Ahoana no nampisehoan’i Ana fa nahafoy tena ho an’Andriamanitra izy? Inona no valisoa azony?

4 Diniho ny tantaran’i Ana mpaminanivavy. Efa 84 taona izy, nefa “tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly”, ary “nanao fanompoana masina andro aman’alina sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka.” Tsy afaka nipetraka tao amin’ny tempoly i Ana, satria tsy levita ny rainy, fa anisan’ny “fokon’i Asera.” Alao sary an-tsaina ny ezaka mafy nataony, mba hahatongavana tao amin’ny tempoly isan’andro, nanomboka tamin’ny fanatitra maraina ka hatramin’ny fanatitra hariva! Tena nahafoy tena ho an’Andriamanitra izy, ka nahazo valisoa lehibe. Nanatrika teo izy rehefa nitondra an’i Jesosy tao amin’ny tempoly i Josefa sy Maria, mba hatolotra ho an’i Jehovah araka ny notakin’ny Lalàna. “Nisaotra an’Andriamanitra” izy rehefa nahita an’i Jesosy, “ary niresaka momba ilay zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanafahana an’i Jerosalema.”—Lioka 2:22-24, 36-38; Nomery 18:6, 7.

5, 6. Ahoana no ampisehoan’ny zokiolona maro ankehitriny fa manahaka an’i Ana izy ireo?

5 Manahaka an’i Ana ny zokiolona maro eo anivontsika. Mivory tsy tapaka izy ireo, mitalaho amim-bavaka mba handrosoan’ny fivavahana marina, ary tsy mety lefy ny zotom-pony amin’ny fitoriana. Mivory tsy tapaka miaraka amin’ny vadiny, ohatra, ny rahalahy iray 80 taona mahery. Hoy izy: “Nataonay fahazarana ny mamonjy fivoriana. Tsy te ho any an-toeran-kafa mihitsy izahay. Te ho any amin’izay misy ny vahoakan’Andriamanitra izahay. Mahatsiaro ho tsy manana ahiahy izahay rehefa any.” Mampahery antsika rehetra tokoa izany ohatra izany!—Hebreo 10:24, 25.

6 Izao no teny tsy afaka am-bavan’i Jean, vehivavy kristianina 80 taona mahery, efa maty vady: “Raha misy zavatra atao mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ka afaka mandray anjara aho, dia ataoko ilay izy.” Nilaza koa izy hoe: “Marina fa malahelo be aho indraindray. Kanefa nahoana moa no dia ho voatery halahelo daholo ny olona miaraka amiko, rehefa malahelo aho?” Miramirana erỳ izy mitantara fa tena mahafaly azy ny mankany an-tany hafa, mba hanatrika fotoan-dehibe iarahan’ny Vavolombelona any. Vao haingana izy no nitsidika tany iray, ary niteny toy izao tamin’ny mpizaha tany niaraka taminy: ‘Efa tsy te hijerijery tanàna intsony aho, fa te hitory amin’izay!’ Nahavita nisarika ny sain’ny olona ho amin’ny hafatra raketin’ny Baiboly izy, na dia tsy hainy aza ny fitenin’izy ireo. Niara-niasa tamin’ny fiangonana iray nila fanampiana koa izy nandritra ny taona maromaro, na dia nila nianatra fiteny hafa aza sady voatery nandeha adiny roa nandroso sy niverina, rehefa nanatrika fivoriana.

Mampiasa ny sainy foana izy ireo

7. Ahoana no nampisehoan’i Mosesy fa mbola naniry hanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra izy, na dia efa be taona aza?

7 Mihamahafantatra zavatra bebe kokoa momba ny fiainana ny olona, rehefa mandroso taona. (Joba 12:12) Tsy tonga ho azy anefa ny fandrosoana eo amin’ny lafiny ara-panahy, rehefa mandroso taona ny olona. Tsy tokony hianina fotsiny amin’izay fahalalana efa azony àry ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Mila ‘mitombo saina’ na miezaka mampitombo ny zavatra hainy izy, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. (Ohabolana 9:9) Efa 80 taona i Mosesy tamin’izy nirahin’i Jehovah. (Eksodosy 7:7) Ela velona ny olona nahatratra an’io taona io tamin’izany, satria hoy i Mosesy: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona.” (Salamo 90:10) Tsy nihevitra mihitsy anefa i Mosesy hoe efa antitra loatra izy ka tsy afaka hiana-javatra intsony. Efa nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro izy, nahazo tombontsoa miavaka be dia be, ary nanatontosa andraikitra mavesatra hafa. Mbola nitalaho tamin’i Jehovah anefa izy hoe: ‘Ampahafantaro ny lalanao aho hahalalako Anao.’ (Eksodosy 33:13) Naniry hanatsara ny fifandraisany tamin’i Jehovah foana i Mosesy.

8. Inona no nataon’i Daniela mba hampiasana ny sainy foana, tamin’izy 90 taona mahery? Inona no vokatr’izany?

8 Mbola nandalina ny soratra masina foana i Daniela mpaminany, na dia efa 90 taona mahery aza. Nandrisika azy hivavaka tamin’i Jehovah tamin-kafanam-po ny zavatra nianarany tao amin’ny “boky.” Angamba ny bokin’ny Levitikosy, Isaia, Jeremia, Hosea, ary Amosa izany. (Daniela 9:1, 2) Nahazo valim-bavaka izy, rehefa nampahafantarin’Andriamanitra tsipiriany sasany momba ny fahatongavan’ny Mesia sy izay hitranga amin’ny fivavahana marina.—Daniela 9:20-27.

9, 10. Inona no nataon’ny be taona sasany mba hampiasana ny sainy foana?

9 Hahavita hampiasa foana ny saintsika toy ny nataon’i Mosesy sy Daniela isika, raha mifantoka amin’ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izany indrindra no ataon’ny zokiolona maro. Anisan’izany i Worth, anti-panahy efa 80 taona mahery. Miezaka izy mba haharaka foana ny sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Hoy i Worth: “Tena tiako tsy misy hoatr’izany ny fahamarinana, ary faly be aho mahita azy io mihamazava hatrany.” (Ohabolana 4:18) Toy izany koa i Fred, izay efa nanompo manontolo andro nandritra ny 60 taona mahery. Mampahery azy ny miresaka zavatra ara-baiboly amin’ny mpiara-manompo. Hoy izy: “Mila misaintsaina foana momba izay lazain’ny Baiboly aho. Rehefa miezaka mamantatra ny dikan’izay voalaza ao mantsy ianao, sady hitanao ny fifandraisan’ny zavatra ianaranao amin’ny ‘modelin’ny teny mahasoa’, dia tsy hevitra mandeha tsirairay fotsiny no hainao. Lasa hitanao hoe mifandray tsara daholo izy rehetra, toy ny vatosoa isan-karazany, izay samy mamiratra eo amin’ny firavaka tsara tarehy iray.”—2 Timoty 1:13.

10 Na mandroso taona aza ianao, dia tsy voatery hoe tsy ho afaka hianatra zavatra vaovao sy sarotra. Misy olona efa 60 na 70 na 80 taona mahery, nefa nahavita nianatra namaky teny sy nanoratra. Nisy aza nahavita nianatra fiteny hafa mihitsy. Nanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, mba hahafahany hitory ny vaovao tsara amin’ny olona avy amin’ny firenena samy hafa. (Marka 13:10) Efa ho 70 taona i Harry sy ny vadiny, rehefa nanapa-kevitra hanampy ny mpitory miasa amin’ny faritany miteny portogey. Hoy izy: “Ekena aloha fa mihasarotra daholo ny zava-drehetra rehefa mihantitra ianao.” Na izany aza, dia afaka nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny teny portogey izy mivady, satria niezaka mafy sy naneho fikirizana. Efa aman-taonany koa izao i Harry no manao lahateny amin’ny teny portogey, any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra.

11. Nahoana no ilaina ny mandinika ny zava-bitan’ireo zokiolona mahatoky?

11 Tsy ny rehetra no afaka manao an’ireo zava-tsarotra voalaza teo ambony. Tsy mitovy mantsy ny toe-pahasalamana na ny toe-javatra misy ny tsirairay. Inona àry no antony nandinihantsika ny zava-bitan’ireo zokiolona ireo? Tsy te hilaza akory isika hoe tokony hiezaka hahavita ny vitan’izy ireo ny rehetra. Mandinika an’izany kosa isika, mba hanarahana ny hevitra nampitain’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina hebreo, rehefa niresaka momba ny anti-panahy mahatoky izy. Hoy i Paoly: “Rehefa mandinika ny iafaran’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.” (Hebreo 13:7) Rehefa mandinika ny zotom-pon’ireny be taona ireny àry isika, dia manjary te hanana an’ilay finoana matanjaka izay mandrisika azy hanompo an’Andriamanitra. Nanazava ny antony mahabe zotom-po azy i Harry, izay efa 87 taona izao. Hoy izy: “Tiako ny hampiasa tsara ny andro sisa hiainako, sy hanao izay rehetra azoko atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.” Tena mahafinaritra an’i Fred, voaresaka tetsy aloha, ny manao ny asa nanendrena azy ao amin’ny Betela. Hoy izy: “Tsy maintsy jerenao izay fomba tsara indrindra azonao anompoana an’i Jehovah, ary iny foana no tohizinao.”

Mahafoy tena foana na dia miova aza ny fiainana

12, 13. Ahoana no nampisehoan’i Barzilay fa nahafoy tena ho an’Andriamanitra foana izy, na dia niova aza ny fiainany?

12 Miova ny vatana rehefa mandroso ny taona, ary mety ho sarotra ny miatrika izany. Azo atao foana anefa ny maneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, na izany aza. Ohatra tsara amin’izany i Barzilay Gileadita. Efa 80 taona izy, rehefa nivahiny tao aminy i Davida sy ny tafiny, ary tena noraisiny tsara. Nampiantrano azy ireo sy nanome azy sakafo izy, nandritra ny fikomian’i Absaloma. Nanotrona ny mpanompon’i Davida hatreny amin’ny Reniranon’i Jordana izy, rehefa nody tany Jerosalema i Davida. Nanasa an’i Barzilay hipetraka tao an-dapany i Davida. Ahoana no navalin’i Barzilay? Hoy izy: “Valo-polo taona izay no andro nahavelomako ... Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? ... Indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.”—2 Samoela 17:27-29; 19:32-41.

13 Nanao izay azony natao mba hanohanana ny mpanjaka notendren’i Jehovah i Barzilay, na dia niova aza ny fiainany. Tsapany fa tsy nahatsiaro tsiron-kanina toy ny taloha intsony izy, sady tsy nandre tsara. Tsy sorena tamin’izany anefa izy. Nahafoy tena kosa izy, ka i Kimama no nasainy nandray ny tombontsoa natolotra ho azy. Hita amin’izany fa nanana toe-po tsara tokoa i Barzilay. Zokiolona maro ankehitriny no mahafoy tena sy malala-tanana toa an’i Barzilay. Manao izay azony atao izy ireo mba hanohanana ny fivavahana marina, satria fantany fa “sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” Tombontsoa ho antsika tokoa ny manana olona tsy mivadika eo anivontsika!—Hebreo 13:16.

14. Efa antitra i Davida tamin’izy nanoratra ny Salamo 37:23-25. Nahoana izany no vao mainka mampisy heviny kokoa ny zavatra nolazainy?

14 Niova imbetsaka ny fiainan’i Davida. Natoky hatrany anefa izy fa tsy miova i Jehovah fa miahy foana ny mpanompony tsy mivadika. Namorona an’ilay hira ao amin’ny Salamo faha-37 i Davida, taloha kelin’ny nahafatesany. Alao sary an-tsaina izy mieritreritra lalina, ary mitendry harpa sady mihira hoe: “Avy amin’i Jehovah no mahalavorary ny dian’ny olona, ka Izy no mankasitraka ny làlany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:23-25) Nampanoratin’i Jehovah ao amin’io salamo io hoe efa antitra i Davida tamin’izay, hany ka vao mainka mampihetsi-po ireo teny vokatry ny fony ireo!

15. Nahoana ny apostoly Jaona no azo lazaina hoe nahatoky, na dia niova aza ny fiainany ary nihantitra izy?

15 Ohatra tsara koa ny apostoly Jaona, satria nahatoky na dia niova aza ny fiainany ary nihantitra izy. Natao sesitany tany amin’ny Nosy Patmo izy, rehefa avy nanompo an’Andriamanitra nandritra ny 70 taona latsaka kely, “satria niresaka ny amin’Andriamanitra sy vavolombelona nanambara an’i Jesosy.” (Apokalypsy 1:9) Mbola tsy vita anefa ny asany. Nandritra ireo taona farany niainany, raha ny marina, no nanoratan’i Jaona ireo bokiny ao amin’ny Baiboly. Tany Patmo izy no nahazo ilay fahitana mahavariana momba ny Apokalypsy. Nosoratany tamim-pitandremana izany avy eo. (Apokalypsy 1:1, 2) Toa tamin’ny fotoana nitondran’i Nerva Mpanjaka Romanina izy no nafahana avy tany an-tsesitany. Nanoratra Filazantsara sy taratasy telo mitondra ny anarany izy avy eo, tamin’ny taona 98 tany ho any. Efa 90 na 100 taona izy tamin’izay.

Tsy hohadinoina mihitsy ny fiaretanao

16. Ahoana no azon’ny zokiolona ampisehoana fitiavana an’i Jehovah, na dia tsy afaka miteny tsara intsony aza izy?

16 Voafetra sady mety ho samy hafa ny zavatra azon’ny zokiolona atao. Misy, ohatra, tsy afaka miteny tsara intsony. Mbola mahatsiaro ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra anefa izy ireo, ary tena mankamamy an’izany. Na dia tsy afaka miteny firy intsony aza izy, dia mbola afaka milaza anakampo amin’i Jehovah hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97) I Jehovah kosa etsy an-danin’izany mahafantatra ny olona “mihevitra ny anarany.” Faly izy fa tsy mba tahaka ny ankamaroan’ny olona tsy miraharaha ny lalany izy ireny. (Malakia 3:16; Salamo 10:4) Mampahery tokoa ny mahalala fa mankasitraka izay saintsainin’ny fontsika i Jehovah!—1 Tantara 28:9; Salamo 19:14.

17. Inona no zavatra tena miavaka vitan’ireo efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela?

17 Tsy tokony hodian-tsy hita koa fa nahavita zavatra tena miavaka ireo nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro. Tsy inona izany fa ny fiaretany, izay tsy hohadinoina mihitsy. Hoy i Jesosy: “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.” (Lioka 21:19) Tena ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ny fiaretana. Ianareo izay efa nanao “ny sitrapon’Andriamanitra” sy nampiseho tsy fivadihana tamin’ny fomba fiainanareo, dia afaka matoky fa ho “tanteraka aminareo ilay fampanantenana.”—Hebreo 10:36.

18. a) Inona no zavatra mahafinaritra an’i Jehovah amin’ny zokiolona? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoana ataonao amin’ny fo manontolo, na be na kely. Afaka mihavao isan’andro ny ‘tenanao anaty’, na inona na inona manjo ny ‘tenanao ivelany’ rehefa mandroso taona ianao. (2 Korintianina 4:16) Azo antoka fa mankasitraka izay nataonao tamin’ny lasa i Jehovah, nefa miharihary fa mankasitraka izay ataonao ankehitriny ho an’ny anarany koa izy. (Hebreo 6:10) Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa mitondra soa maharitra ny fahatokian’ny zokiolona.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no modely navelan’i Ana ho an’ny Kristianina be taona?

• Inona no mampiseho fa tsy voatery hametra ny zavatra azonao atao ny fandrosoan’ny taona?

• Inona no azon’ny zokiolona atao, mba hampisehoana foana fa mahafoy tena ho an’Andriamanitra izy?

• Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanompoana ataon’ny zokiolona?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nandinika ny “boky” i Daniela efa zokiolona, ka fantany ny faharetan’ny fanaovana sesitany ny Jiosy

[Sary, pejy 25]

Fakan-tahaka ny zokiolona maro, satria mivory tsy tapaka ary mazoto mitory sy mianatra