Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Voasakana Mihitsy ve ny Faharatsiana?

Tsy Voasakana Mihitsy ve ny Faharatsiana?

Tsy Voasakana Mihitsy ve ny Faharatsiana?

Nandehandeha tany an-tsaha ny ankizilahy iray tia karokaroka, ary sendra vanja milevina. Nipoaka ilay izy, ka lasa jamba sy kilemaina mandra-pahafatiny izy. Narian’ny vehivavy iray ny zanany vao teraka, ary nafeniny tao anaty fako teny amoron-dalana. Niverina tao amin’ny fiasany taloha ny mpiasa iray rehefa voaroaka, ka nitifitra an’izay olona rehetra hitany, ary namono tena avy eo. Nisy lehilahy tena nohajain’ny olona, nefa nametaveta ankizy tsy manan-tsiny.

MAMPALAHELO fa maro be ny vaovao ratsy toy izany ankehitriny. Matetika anefa izy ireny no saron’ny vaovao mbola mampahatahotra kokoa, momba ny fandripahana olona maro be sy fampihorohoroana. Hoy ny gazetiboky iray tamin’ny 1995: “Tena taonjato anjakan’i Satana ny taonjato iainantsika. Mbola tsy lian-dra toy izao mihitsy mantsy ny olona. Mahavita mamono olona an-tapitrisany ny sasany, satria fotsiny hoe tsy mitovy ny volon-koditra, fivavahana, na saranga.”

Ankoatra izany, dia mandoto ny rivotra ny olona, manimba ny tontolo iainana, mandany ny harenan’ny tany, ary mamono biby tafahoatra ka maro no mitady ho lany tamingana. Ho vitan’ny olombelona ve ny hampitsahatra an’izany rehetra izany, ka hanova ny tany ho tsara sy hilamina kokoa? Sa toy ny manandrana manavotra sambo efa ho rendrika, ny olona miezaka manao izany? Hoy ny manam-pahaizana iray, izay namoaka boky maro momba ny faharatsiana: “Maniry mafy ny hanova sy hanatsara an’izao tontolo izao aho. Tsy mety mihatsara mihitsy anefa izao tontolo izao.” Izany koa angamba no tsapanao.

Azo oharina amin’ny sambo mankany afovoan-dranomasina ity tontolo ity, nefa vao mainka misamboaravoara sy mampidi-doza ny ranomasina. Tsy misy te hanohy an’ilay dia, kanefa tsy afa-manoatra izy ireo. Manitsy any amin’ny faritra misy rivo-doza ihany ilay sambo, sady tsy voasakana mihitsy.

Anisan’ny mahatonga ny fiainana hiharatsy hatrany, ny tsy fahalavorarian’ny olombelona. (Romanina 3:23) Toa tsy mitombina anefa raha hoe ny olona ihany no tompon’andraikitra amin’izany. Be loatra mantsy ny faharatsiana, sady mihamitombo aza. Azo inoana àry ve fa misy hery ratsy tsy hita maso mitarika ny olona hanao izany? Raha eny, ahoana no hiarovantsika tena amin’izy io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Heldur Netocny/Panos Pictures