Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nanan-tongotra ve ilay menarana niresaka tamin’i Eva?

Araka ny hita ao amin’ny Genesisy 3:14, dia hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ilay menarana namitaka an’i Eva tao amin’ny Saha Edena: “Satria nanao izany hianao, koa amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.” Tsy milaza mivantana ny Baiboly hoe nanan-tongotra ilay menarana talohan’io ozona io, ary nesorina izany tatỳ aoriana. Marina fa mety hahatonga ny olona sasany hieritreritra an’izany ny teny ao amin’ny Genesisy 3:14. Tsy voatery ho izany anefa no izy. Nahoana?

Niantefa tamin’i Satana, raha ny marina, ny fanamelohan’i Jehovah. Antsoin’ny Baiboly hoe “Rain’ny lainga” sy “menarana tany am-boalohany” io zavaboary tsy hita maso io. Midika izany fa izy mihitsy no nampiasa tamin’ny fomba ratsy ilay menarana mba hiresahana tamin’i Eva. Nitarika an’i Eva tsy hankatò ny didin’Andriamanitra izy.—Jaona 8:44; Apokalypsy 20:2.

Andriamanitra no namorona ny menarana, ary azo inoana fa i Adama no nanome anarana azy io. Tatỳ aoriana izy io vao nampiasain’i Satana hamitahana an’i Eva. Tsy tokony homen-tsiny ilay menarana, satria biby tsy misaina. Tsy fantany mihitsy hoe nampiasa azy ho fitaovana i Satana. Azo inoana koa fa tsy nisy azony, na dia kely aza, ny didim-pitsarana nambaran’Andriamanitra tamin’ireo mpikomy tao Edena.

Nahoana anefa Andriamanitra no niresaka momba ny menarana, rehefa nanonona ny didim-pitsarany tamin’i Satana? Efa voajanahary amin’ny menarana ny mandady amin’ny kibony sy mampitrangatranga ny lelany toy ny hoe milelaka vovoka. Milaza fietrena ny fihetsika toy ireo. Mety tsara àry raha ny bibilava no natao ohatra, mba hilazana ny fampietrena an’i Satana. Nanana toerana ambony izy taloha satria anjelin’Andriamanitra. Naetry tao amin’ny toerana antsoin’ny Baiboly hoe Tartara anefa izy tatỳ aoriana.—2 Petera 2:4.

Misy antony hafa koa mahamety ny nampitovina an’i Satana tamin’ny menarana. Afaka mandratra ny voditongotry ny olona ny menarana. Toy izany koa no nataon’i Satana rehefa naetry. ‘Nanorotoro ny ombelahin-tongotra’ na ny voditongotry ny ‘taranak[’Andriamanitra]’ izy. (Genesisy 3:15) I Jesosy Kristy no voalohany amin’io taranaka io. Nijaly vetivety izy noho ny nataon’ireo olona nampiasain’i Satana. Ho avy anefa ny fotoana hanorotoroany ny lohan’i Satana, ilay menarana an’ohatra. Hanampy azy amin’izany ireo Kristianina voahosotra natsangana tamin’ny maty. (Romanina 16:20) Nilaza ny fampietrena an’i Satana Devoly sy ny handringanana azy àry Andriamanitra rehefa nanozona ilay menarana tao amin’ny Saha Edena. I Satana tokoa ilay “menarana tany am-boalohany” tsy hita maso.