Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fantatrao ve ny Anaran’Andriamanitra?”

“Fantatrao ve ny Anaran’Andriamanitra?”

“Fantatrao ve ny Anaran’Andriamanitra?”

NISARIKA ny sain’ny vehivavy iray mipetraka any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Azia Afovoany io fanontaniana io. Hita teo amin’ny fonon’ny gazety Mifohaza! 8 Febroary 2004 izy io. Izao no nosoratan’ilay vehivavy ho an’ny mpampanonta an’io gazety io: “Nahaliana ahy avy hatrany ny gazetinareo ary nanjary namaky azy io tsy tapaka aho. Nanampy ahy hahafantatra ny fitsipi-pitondran-tena tsara izy ireny. Nanjary nahay nijery lafy tsaran-javatra aho teo amin’ny fiainako. Miresaka amin’ny olon-drehetra momba ny Andriamanitsika sy ny fiadanana hoentin’ny fahalalana azy aho izao.”

Manjary mahafantatra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izao ny olona any amin’ny tany maro, na dia ireo “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” aza. (Asan’ny Apostoly 1:8) Hita mora foana ao amin’ny Soratra Masina, amin’ny fitenin’ny olona any Turkménistan, ohatra, ny hoe Yehowa. Io no ilazana ny anaran’Andriamanitra any. Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 8:1: “Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!”

Te handalina bebe kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra ilay vehivavy, ka nangataka ny bokikely 32 pejy hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay. Azonao atao koa ny mangataka azy io amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.