Fitsipika Tsy Mety Lany Andro
Fitsipika Tsy Mety Lany Andro
SAMY manana ny fitsipi-pitondran-tena arahiny ny fiaraha-monina rehetra. Tsy ekenao ve anefa fa toetra faniry sy tian’ny olona eran-tany ny fanaovana ny marina, hatsaram-panahy, fangoraham-po, ary fanaovan-tsoa?
Iza no mampianatra an’ireny toetra tsara ireny?
Nisy lehilahy nahita fianarana, atao hoe Saoly, tamin’ny taonjato voalohany. Samy nisy tamin’ny androny ny kolontsaina jiosy Romanina 2:14, 15.
sy grika ary romanina, sady samy nanana ny fitsipi-pitondran-tenany avy izy ireo. Ankoatra ireo fanao sy lalàna maro be notakin’ny fiaraha-monina anefa, dia hitan’i Saoly fa mahalala izay tokony sy tsy tokony hatao ny olona amin’ny ankapobeny. Efa voajanahary izany noho ny feon’ny fieritreretana. Lasa Kristianina i Saoly tatỳ aoriana, ary nantsoina hoe apostoly Paoly. Hoy izy: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, sady ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy.”—Ampy ve anefa ny manaraka fotsiny ny feon’ny fieritreretana, mba hamantarana izay tsara sy ratsy? Hitanao angamba fa betsaka ny olona sy fikambanana tsy mahomby. Maro àry no miaiky fa mila tari-dalana tsara kokoa noho ny an’ny olombelona isika, mba hahalalana izay fitsipi-pitondran-tena tokony harahina. Olona maro no hanaiky fa ny Mpamorona antsika no tsara toerana indrindra, mba hanome fitsipika tsy mety lany andro. Nanoratra toy izao ny Pr. Carl Jung, ao amin’ilay boky hoe Zavatra Tsy Fantatra Momba ny Tena (anglisy): ‘Mahery ny fakam-panahy eto amin’ity tontolo ity. Tsy hahatohitra izany samirery ny olona, raha tsy mifikitra amin’Andriamanitra.’
Mifanaraka tsara amin’ity tenin’ny mpaminany fahiny ity izany: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Milaza ny Mpamorona antsika hoe: ‘Izaho no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.’—Isaia 48:17.
Boky misy fitsipika azo antoka
Avy amin’ilay boky miely patrana indrindra ireo teny voalaza etsy aloha. Tsy inona izany fa ny Soratra Masina. Olona an-tapitrisany eran-tany no mitady fahendrena ao amin’izy io, na dia tsy Kristianina sy tsy mpivavaka aza. Hoy i Johann Wolfgang von Goethe, poety alemà: “Tena tia sy manaja [ny Baiboly] aho, satria namolavola ny fitondran-tenako izy io.” Voalaza fa niteny toy izao i Mohandas Gandhi, filoha karàna: “Ataovy mihitsy izay handalinana ny Toriteny teo An-tendrombohitra [anisan’ny fampianaran’i Jesosy Kristy ao amin’ny Baiboly]. Azo oharina amin’ny loharano nomena hotovozinao izy io. ... Natao ho antsika rehetra mantsy ny fampianarana ao amin’io Toriteny io.”
Nasongadin’ny apostoly Paoly, fa manome fitsipika tena azo antoka ny Soratra Masina. Hoy izy: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.” (2 Timoty 3:16) Marina tokoa ve izany?
Aoka ianao mihitsy no hanamarina izany. Diniho ireo toro lalana eo amin’ny pejy manaraka. Eritrereto hoe nahoana no mahasoa izy ireo. Saintsaino hoe nahoana ireo fampianarana ireo no afaka manatsara ny fiainanao sy ny fifandraisanao amin’ny hafa.
Handray soa amin’izany ve ianao?
Santionany amin’ireo torohevitra mahasoa ao amin’ny Soratra Masina ireo. Mbola misy toro lalana maro hafa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampitandrina antsika izy ireny, mba tsy hieritreritra na hiteny na hanao zavatra mety hanimba ny fiainantsika.—Ohabolana 6:16-19.
Manome fitsipika faran’izay tsara tokoa ny Baiboly, ary izany no tena ilain’ny olona eran-tany. Miova tanteraka ny fiainan’ireo manaiky sy mampihatra an’ireny fitsipika ireny. Mihatsara ny fomba fisainany. (Efesianina 4:23, 24) Mihatsara koa ny antony manosika azy hanao zavatra. Olona maro no tsy manavakavaka, na mitsara an-tendrony, na mankahala ny hafa intsony, rehefa nianatra ny fitsipik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. (Hebreo 4:12) Misy olona lasa tsara toetra kokoa, ka tsy mahery setra na ratsy fanahy intsony, noho ireny fitsipika ireny.
Ny fitsipiky ny Baiboly koa no nahatonga olona an-tapitrisany ho afaka tamin’ny fahazaran-dratsy efa lalim-paka, izay nanimba ny fiainan’ny hafa. (1 Korintianina 6:9-11) Nanova azy ireo ny fampianaran’ny Baiboly. Tsy ny fahazarany ihany no niova, fa ny fony sy ny fanantenany ary ny tokantranony. Tena miharatsy ity tontolo ity. Misy olona miezaka mihatsara foana anefa, ary hitohy hatrany izany. “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.
Handray soa amin’ny “tenin’Andriamanitsika” àry ve ianao? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hianatra ny fitsipika ao amin’ny Baiboly. Hahasoa anao izany. Raha mampihatra azy ireny ianao, dia hankasitrahan’i Jehovah dieny izao. Hiaina mandrakizay koa ianao, ary ireo toro lalana tsy mety lany andro avy amin’Andriamanitra no hitarika anao.
[Efajoro/Sary, pejy 6, 7]
TORO LALANA TSY METY LANY ANDRO
Mifandraisa tsara amin’ny hafa. “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa. Izany, raha ny marina, no tian’ny Lalàna sy ny Mpaminany hambara.”—Matio 7:12.
Tiavo ny namanao. “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) “Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.”—Romanina 13:10.
Hajao ny hafa. “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—Romanina 12:10.
Tandrovy ny fihavanana. “Mihavàna tsara hatrany ianareo.” (Marka 9:50) “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.” (Romanina 12:18) ‘Aoka isika hiezaka hitady izay mampisy fihavanana.’—Romanina 14:19.
Mahaiza mamela heloka. “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” (Matio 6:12) ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’—Efesianina 4:32.
Aoka ianao hahatoky. “Aoka ianao hahatoky amin’ny vadinao ary aoka ho azy irery ihany ny fitiavanao. ... Mifalia amin’ny vadinao ary miravoravoa amin’ilay tovovavy nalainao ho vady ... Aoka ny hatsaran-tarehiny hampifaly anao foana; aoka izy hanome fitiavana be dia be anao. ... Nahoana no homenao vehivavy hafa ny fitiavanao? Nahoana izy io no hatakalonao ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy hafa?” (Ohabolana 5:15-20, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) “Izay mahatoky amin-javatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lioka 16:10) ‘Ny tadiavina amin’ny mpanompo dia ny ho olona mahatoky.’—1 Korintianina 4:2.
Manaova ny marina. “Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina?” (Mika 6:11) ‘Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.’—Hebreo 13:18.
Aza mandainga, aza miangatra. “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny.” (Amosa 5:15) “Samia miteny marina amin’ny namany avy hianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo.” (Zakaria 8:16) ‘Koa satria efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.’—Efesianina 4:25.
Mazotoa miasa. “Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany.” (Ohabolana 22:29) “Aza malaina amin’izay ataonareo.” (Romanina 12:11) “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.”—Kolosianina 3:23.
Aoka ianao ho tsara fanahy sy hangoraka. “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.”—Kolosianina 3:12.
Reseo amin’ny tsara ny ratsy. “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”—Romanina 12:21.
Omeo an’Andriamanitra ny tsara indrindra. “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.”—Matio 22:37, 38.
[Sary]
Ampiharo ny fitsipiky ny Baiboly, dia ho sambatra ny tokantranonao, hiadana ny fianakavianao, ary hifandray tsara amin’ny namanao ianao