Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahatalanjona ny Nanaovana” Antsika

“Mahatalanjona ny Nanaovana” Antsika

“Mahatalanjona ny Nanaovana” Antsika

“Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.”—SALAMO 139:14.

1. Nahoana ny olona maro no mino fa Andriamanitra no namorona ny zavaboary mahatalanjona eto an-tany?

FENO zavaboary mahatalanjona eto an-tany. Ahoana no nampisy azy ireny? Samy hafa ny hevitry ny olona. Ao ny mino fa tsy nisy namorona izy ireny. Misy kosa milaza fa tsy hahafantatra tsara an’ireo zavaboary mihitsy isika, raha tsy mino ny fisian’ny Mpamorona. Hitan’izy ireo mantsy fa be pitsiny sy maro karazana ary mahatalanjona loatra ny zavaboary, ka tsy azo inoana hoe tongatonga ho azy. Niaiky àry ny olona maro, anisan’izany ny mpahay siansa, fa nisy Mpamorona hendry sy mahery ary tsara fanahy nanao izao rehetra izao. *

2. Inona no nahatonga an’i Davida hidera an’i Jehovah?

2 Niaiky i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, fa tokony homem-boninahitra ny Mpamorona noho ireo zavaboary mahatalanjona nataony. Mbola tsy nandroso toy izao ny siansa, tamin’ny andron’i Davida. Voamariny anefa fa feno zavaboary mahavariana nanodidina azy. Na ny vatany fotsiny aza no nodinihiny, dia efa niaiky izy fa mahay mamorona Andriamanitra. Hoy izy: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.”—Salamo 139:14.

3, 4. Nahoana no tokony hisaintsaina lalina momba ny zavaboarin’i Jehovah ny tsirairay avy amintsika?

3 Nilaza io teny io i Davida, rehefa avy nisaintsaina lalina momba ireo zavaboary. Manimba finoana ireo fanazavana diso momba ny niandohan’ny olombelona, izay resahin’ny haino aman-jery sy ampianarina any an-tsekoly. Tsy maintsy misaintsaina lalina toa an’i Davida àry isika, mba hananana finoana matanjaka toy ny azy. Tsy tokony hanaraka am-bokony ny hevitry ny hafa isika, indrindra eo amin’ny raharaha lehibe toy ny fisian’ny Mpamorona sy ny anjara asany.

4 Raha mandinika ny zavaboary koa isika, dia manjary tia sy mankasitraka kokoa an’i Jehovah, sady matoky ny fampanantenany momba ny hoavy. Izany indray, avy eo, no mandrisika antsika hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah sy hanompo azy. “Mahatalanjona” tokoa ve ny nanaovana antsika? Andeha hojerentsika ny porofo omen’ny siansa momba izany.

Mahatalanjona ny vatantsika

5, 6. a) Ahoana no niandohantsika rehetra? b) Inona no anjara asan’ny voa?

5 “Hianao no nahary ny voako; namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.” (Salamo 139:13) Tao am-bohoka isika rehetra no niforona. Sela iray kely noho ny teboka no niandohantsika. Toy ny laboratoara kely io sela bitika dia bitika io, satria tena be pitsiny. Mitombo haingana izy io. Saika efa ary avokoa ny taovanao rehetra, raha vao roa volana monja ianao. Anisan’izany ireo voa anankiroa. Efa afaka nanadio ny ranao ireo voa ireo, tamin’ny ianao vao teraka. Manaisotra ny loto sy ny rano tsy ilaina izy ireo, ary mihazona ny zavatra ilaina. Afaka manadio ra dimy litatra isaky ny 45 minitra ny voan’olon-dehibe, raha salama tsara.

6 Mbola manana anjara asa maro ny voa, ary tena ilaina avokoa izy ireny. Ny voa no mihazona ho ara-dalàna ny habetsahan’ny mineraly sy ny asidra ao amin’ny ra ary ny haavon’ny tosidra. Ny voa no manova ny vitaminina D ho lasa otrikaina hafa, izay ilaina amin’ny fitomboan’ny taolana. Mbola io taova io koa no mamokatra hormonina antsoina hoe érythropoïétine, izay mandrisika ny tsokan’ny taolana hamokatra sela mena. Tsy mahagaga àry raha nantsoina hoe “mpahay simia miavaka indrindra ao amin’ny vatana” ny voa. *

7, 8. a) Hazavao ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka. b) Nahoana ny zaza ao am-bohoka no lazaina hoe ‘noforonina hisy endrika tany ambanin’ny tany’?

7 “Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany.” (Salamo 139:15) Mizara roa ilay sela voalohany. Mbola mizara koa ireo sela vaovao. Tsy ela dia manomboka miavaka ireo sela, ka lasa selan’ny rafi-pitatitra, na selan’ny hozatra, na selan’ny hoditra, sy ny sisa. Ireo sela mitovy karazana no mitambatambatra ka lasa taova. Manomboka miforona ny taolana, rehefa feno roatokombolana ny zaza ao am-bohoka. Efa eo amin’ny toerany daholo ireo taolana 206 fahita ao amin’ny olon-dehibe, raha mbola tsy ampy roa volana akory ilay tsaika sady mirefy roa santimetatra sy sasany eo ho eo. Mbola malemy sy bitika anefa ireo taolana ireo amin’izay fotoana izay.

8 Ao am-bohoka avokoa no itrangan’izany zava-mahatalanjona izany. Tsy misy mahita ilay izy, ka toy ny hoe any ambanin’ny tany. Mbola maro ny zavatra tsy fantatry ny olombelona mahakasika ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka. Tsy fantatsika, ohatra, hoe inona no mibaiko ny fototarazo ao anatin’ny sela, ka mahatonga an’ireo sela ho lasa maso, na tanana, na zavatra hafa. Mety ho fantatry ny mpahay siansa ihany izany, rehefa mandeha ny fotoana. I Jehovah, ilay Mpamorona antsika, anefa efa mahafantatra an’izany rehetra izany, araka ny tenin’i Davida manaraka.

9, 10. Nahoana ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka no lazaina fa efa “voasoratra” tao amin’ny bokin’Andriamanitra?

9 “Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.” (Salamo 139:16) Ilay sela voalohany niandohanao no mirakitra ny fanazavana feno mahakasika ny ho toetoetry ny vatanao manontolo. Manaraka an’io fanazavana io ny fitomboanao ao am-bohoka mandritra ny sivy volana, sy mandritra ny 20 taona mahery aorian’izay. Miovaova foana ny vatanao mandritra izany fotoana izany, ary manaraka ny fanazavana tao amin’ilay sela voalohany avokoa ireny fiovana ireny.

10 Tsy nahafantatra na inona na inona momba ny sela sy ny fototarazo i Davida, sady tsy nanana mikraoskaopy. Rehefa nandinika ny vatany anefa izy, dia hitany fa efa voalamina mialoha ny fitombon’izy io. Nanana fahalalana kely momba ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka angamba i Davida, matoa nanatsoaka hevitra fa tsy maintsy ho nanaraka lamina sy fandaharam-potoana maty paika izany. Noresahiny tao amin’ny tononkira iray àry, fa “voasoratra” mialoha tao amin’ny bokin’Andriamanitra ny momba ny vatantsika.

11. Inona no mamaritra izay ho bika aman’endrika mampiavaka antsika?

11 Fantatra, ankehitriny, fa ny fototarazo no mamaritra izay toetra holovain’ny olona iray avy amin’ny ray aman-dreniny sy ny razambeny. Anisan’izany ny toe-batany, toy ny halavany, ny endriny, ny lokon’ny masony sy ny volony, ary lafin-javatra hafa an’arivony. Misy fototarazo an’aliny ao amin’ny sela tsirairay, ary ao anatin’ny fototarazo no misy ny ADN. Mirakitra ny fanazavana rehetra momba ny ho toetoetry ny vatanao ny ADN, ka toy ny hoe voasoratra ao izy ireny. Mampita an’ireny fanazavana ireny ny ADN rehefa misy sela vaovao, izay vokatry ny fizaran’ny sela. Izany no mahatonga anao ho velona foana sady hitana ny bika aman’endrika mampiavaka anao. Manana hery sy fahendrena miavaka tokoa ilay Mpamorona antsika any an-danitra!

Miavaka ny saintsika olombelona

12. Inona no tsy itovian’ny olombelona sy ny biby?

12 “Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany! Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy.” (Salamo 139:17, 18a) Mahatalanjona koa ny fomba nanamboarana ny biby. Manana fahaizana manokana tsy ananan’ny olombelona ny biby sasany. Nataon’Andriamanitra mahay misaina kokoa noho ny biby anefa ny olombelona. Hoy ny boky iray momba ny siansa: “Na dia maro aza ny zavatra itovian’ny olombelona sy ny biby, dia miavaka isika noho ny fahaizantsika miteny sy mieritreritra ... Miavaka koa isika, noho isika te hahafantatra momba ny tenantsika, anisan’izany ny fomba nanamboarana ny vatantsika.” Naniry hahafantatra izany koa i Davida.

13. a) Ahoana no nahafahan’i Davida nisaintsaina ny hevitr’Andriamanitra? b) Ahoana no anahafantsika an’i Davida?

13 Mbola misy zavatra tena mampiavaka antsika amin’ny biby anefa. Nomen’Andriamanitra fanomezana manokana isika, dia ny fahafahana misaintsaina ny heviny. * Afaka misaintsaina ny hevitr’Andriamanitra isika, satria noforonina “tahaka ny endriny.” (Genesisy 1:27) Nampiasa tsara an’io fanomezana io i Davida. Nandinika ny porofo manamarina ny fisian’Andriamanitra izy, ary nisaintsaina ireo toetra tsarany, izay hita taratra eo amin’ny zavaboary. Nananany koa ireo boky voalohany ao amin’ny Soratra Masina, izay miresaka momba an’Andriamanitra sy ny zavatra nataony. Ireo boky ireo no nanampy an’i Davida hahafantatra ny hevitr’Andriamanitra sy ny toetrany ary ny fikasany. Nanjary nidera ny Mpamorona i Davida, rehefa nandinika ny Soratra Masina sy ny zavaboary ary ny fomba nifandraisan’Andriamanitra taminy.

Inona no manampy antsika hanam-pinoana?

14. Nahoana isika no tsy voatery hahalala ny tsipiriany rehetra momba an’Andriamanitra, vao hanam-pinoana?

14 Arakaraka ny nandinihan’i Davida ny zavaboary sy ny Soratra Masina, no nahitany fa tsy ho takatry ny sainy mihitsy ny fahalalan’Andriamanitra sy ny fahaizany rehetra. (Salamo 139:6) Toy izany koa isika. Tsy hahalala ny tsipiriany rehetra momba ny zavaboary mihitsy isika. (Mpitoriteny 3:11; 8:17) Afaka manana finoana anefa izay rehetra mikatsaka ny fahamarinana, na taloha izany na ankehitriny. Efa ampy mantsy ny fahalalana “nahariharin’Andriamanitra” tao amin’ny Soratra Masina sy teo amin’ny zavaboary.—Romanina 1:19, 20; Hebreo 11:1, 3.

15. Nahoana no lazaina fa mifampiankina ny finoana sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

15 Tsy azo heverina ho mino an’Andriamanitra ianao, na dia miaiky aza fa misy Mpamorona mahay nanao ny zavaboary sy izao rehetra izao. Mila matoky an’i Jehovah Andriamanitra koa ianao, sady mino fa tiany ny hahafantaranao azy sy hifandraisanao tsara aminy foana. (Jakoba 4:8) Aoka hatao hoe mino sy matoky ny rainao ianao. Ahoana anefa raha misy milaza aminao fa tsy hanampy anao ny rainao rehefa tojo zava-tsarotra ianao? Mety tsy haharesy lahatra an’io olona io ianao hoe tsy marina izany. Matoky anefa ianao fa tsy handiso fanantenana anao mihitsy ny rainao, raha hitanao tamin’ny zavatra niainanao fa tena tia anao izy. Toy izany koa fa lasa matoky an’i Jehovah isika rehefa mahafantatra azy, noho isika nianatra ny Soratra Masina sy nandinika ny zavaboary ary nahazo valim-bavaka. Manjary maniry hahafantatra azy bebe kokoa sy hidera azy mandrakizay isika, satria tia sy mahafoy tena ho azy. Izany no tanjona tsara indrindra azontsika tratrarina.—Efesianina 5:1, 2.

Tadiavo ny tari-dalan’ny Mpamorona!

16. Ahoana no nahafahan’i Davida nifandray akaiky tamin’i Jehovah? Ahoana no anahafantsika azy?

16 “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” (Salamo 139:23, 24) Fantatr’i Davida fa tsy nisy niafina tamin’i Jehovah ny momba azy rehetra, anisan’izany ny eritreriny, ny teniny, na ny zavatra nataony. (Salamo 139:1-12; Hebreo 4:13) Nahatonga an’i Davida tsy hanana ahiahy izany, toy ny zaza iray tsy manana ahiahy rehefa tantanan’ny rainy be fitiavana. Tena tian’i Davida ny nifandray akaiky tamin’i Jehovah. Niezaka nihazona izany fifandraisana izany izy, ka nisaintsaina lalina ny asan’Andriamanitra sady nivavaka taminy. Vavaka nampiarahina tamin’ny mozika, raha ny marina, ny ankamaroan’ny salamo nataon’i Davida, anisan’izany ny Salamo faha-139. Manampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah koa ny vavaka sy ny fisaintsainana.

17. a) Nahoana i Davida no niangavy an’i Jehovah handinika ny fony? b) Inona no ho vokatry ny safidy tsara ataontsika?

17 Manana safidy isika, satria noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra. Afaka mifidy isika na hanao tsara, na hanao ratsy. Mbola hampamoahina anefa isika. Tsy te hokilasina ho anisan’ny mpanao ratsy i Davida. (Salamo 139:19-22) Tsy te hanao fahadisoana, izay mety hampijaly azy, izy. Rehefa avy nisaintsaina ny fahalalana tsy hita fetra ananan’i Jehovah i Davida, dia niangavy an’Andriamanitra tamim-panetren-tena mba handinika ny ao am-pony, sady hitarika azy amin’ny lalan’ny fiainana. Mila manao safidy tsara koa isika, satria mihatra amin’ny olon-drehetra ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Mampirisika antsika rehetra hankatò azy i Jehovah. Hahazo ny fankasitrahany isika raha manao izany, sady handray soa maro. (Jaona 12:50; 1 Timoty 4:8) Hilamin-tsaina isika raha manaraka ny tari-dalan’i Jehovah isan’andro, na dia manana olana lehibe aza.—Filipianina 4:6, 7.

Ankatoavy ilay Mpamorona Be Voninahitra!

18. Inona no fanatsoahan-kevitr’i Davida, rehefa nandinika ny zavaboary izy?

18 Matetika i Davida no niandry ondry tany an-tsaha, tamin’izy mbola kely. Raha niondrika niraoka ahitra ny ondry, izy kosa niandrandra ny lanitra. Nisaintsaina ny halehiben’izao rehetra izao midadasika sy ny mety ho dikan’izany i Davida, tao anatin’ny haizina. Nanoratra izy hoe: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Ny andro samy miteny amin’ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ny alina mandimby azy.” (Salamo 19:1, 2) Takatr’i Davida fa nila namantatra sy nankatò an’ilay nanao an’ireo zavaboary mahatalanjona ireo izy. Mila manao toy izany koa isika.

19. Na antitra ianao na tanora, inona no ianaranao avy amin’ny fahalalana fa “mahatalanjona ny nanaovana” anao?

19 Nanoro hevitra ny tanora i Solomona hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao ... Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:1, 13) Izany mihitsy no nataon’i Davida. Mbola kely izy dia efa nahatakatra fa “mahatalanjona ny nanaovana” azy. Niaina nifanaraka tamin’izany fahalalana izany izy, ka maro ny soa noraisiny nandritra ny androm-piainany. Hahafinaritra koa ny fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy, raha midera sy manompo ny Mpamorona isika, na antitra na tanora. Izao no ampanantenain’ny Baiboly an’ireo mifandray akaiky amin’i Jehovah sy manaraka ny lalany marina: ‘Mbola handrobona ihany izy, na dia efa antitra aza; dofodofotra sy maitso izy, mba hanambara fa mahitsy Jehovah.’ (Salamo 92:14, 15) Afaka hankafy mandrakizay an’ireo zavatra noforonin’ilay Mpamorona Be Voninahitra isika. 

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Jereo ny Mifohaza! Septambra 2006, pejy 21, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 6 Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Taova Tena Ilaina ny Voa”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 8 Aogositra 1997.

^ feh. 13 Inona no hevitr’ilay tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 139:18? Te hilaza angamba izy fa raha manisa ny hevitr’i Jehovah izy, mandritra ny andro mandra-patoriny amin’ny alina, dia mbola mahita hisaina ihany izy rehefa mifoha amin’ny maraina.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka no manaporofo fa “mahatalanjona ny nanaovana” antsika?

• Nahoana isika no tokony hisaintsaina ny hevitr’i Jehovah?

• Nahoana no lazaina fa mifampiankina ny finoana sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Manaraka lamina maty paika ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka

ADN

[Sary nahazoan-dalana]

Zaza ao am-bohoka: Lennart Nilsson

[Sary, pejy 24]

Matoky an’i Jehovah isika, toy ny ankizy matoky ny rainy be fitiavana

[Sary, pejy 25]

Nidera an’i Jehovah i Davida, rehefa avy nandinika ny zavatra noforoniny