Miovaova ny Fitsipika Arahin’ny Olona
Miovaova ny Fitsipika Arahin’ny Olona
NIAINGA, hono, ny lehilahy iray. Nitondra jiro izy, nefa antoandro be ny andro. Nivezivezy nikaroka olona tsara toetra mantsy izy, saingy tsy nahita mihitsy. Diogène no anarany. Filozofa avy any Atena izy, ary niaina tamin’ny taonjato fahefatra T.K.
Asa aloha raha marina io angano io na tsia. Izao kosa no azo antoka: Raha mbola velona i Diogène ankehitriny, ka hitady olona tsara toetra, dia ho sahirana kokoa izy vao hahita. Maro mantsy no mihevitra fa tsy ilaina ny manaraka fitsipika hentitra momba ny fitondran-tena. Betsaka ny vaovao momba ireo zavatra mahamenatra ataon’ny olona eo amin’ny asa, fanatanjahan-tena, politika, raharaham-barotra, fiainana manokana, sy ny sisa. Tsy zava-dehibe amin’ny olona intsony ny maro amin’ireo toetra tsara be mpitia taloha. Matetika no tsy hajaina intsony koa ireo fitsipika fahiny, satria misalasala ny sasany raha mbola mahasoa izy ireny. Misy indray fitsipika heverin’ny rehetra hoe tsara, nefa tsy arahiny.
Hoy i Alan Wolfe, mpandinika ny fiaraha-monina: “Tsy misy intsony ny fitsipika momba ny fitondran-tena eken’ny besinimaro.” Hoy koa izy: ‘Tsy tian’ny olona intsony ny manaraka ny fitondran-tena nahazatra, na ny fitondran-tena ampianarin’ny fivavahana na fikambanana hafa.’ Navoakan’ny Gazetin’i Los Angeles (anglisy) ny tenin’ny filozofa atao hoe Jonathan Glover, momba ny toetran’ny olona tato anatin’ny 100 taona. Nilaza izy fa tsy manan-kery intsony ny fivavahana, ary lasa tsy voahaja ny fitsipi-pitondran-tena. Izany, hoy izy, no tena anisan’ny nampitombo ny herisetra eran-tany.
Misy ihany anefa ireo mitady fitsipi-pitondran-tena tsara. Hoy i Federico Mayor, tale jeneraly taloha tao amin’ny UNESCO, taona vitsivitsy lasa izay: “Mahavery hevitra an’izao tontolo izao ny resaka fitondran-tena ankehitriny.” Tsy manaraka fitsipi-pitondran-tena tsara ny olona. Tsy midika anefa izany hoe tsy misy ny fitsipika tsara tokony harahina.
Mety hitovy hevitra ve ny rehetra, momba izay fitsipika tokony harahina? Mazava ho azy fa tsia. Ahoana anefa raha tsy misy fitsipika momba izay tsara sy ratsy eken’ny besinimaro? Ahoana no ahafantarana izay tokony hatao? Maro ankehitriny no mitondra tena araka izay hitany fa mety. Tsy nanatsara ny fitondran-tenan’ny olona anefa izany toe-tsaina izany.
Araka ny hevitr’i Paul Johnson, Anglisy mpahay tantara, dia lasa ‘tsy mahatsapa andraikitra intsony ny olona’, satria samy mitondra tena araka izay hitany fa mety. Lasa mihevitra koa izy ireo hoe “tsy voatery hanaraka fitsipika, izay efa nisy hatramin’izay sady voaporofo fa mahasoa.” Tsy mba toy izany anefa talohan’ny fiandohan’ny taonjato faha-20.
Mety hisy àry ve ny fitsipika “voaporofo fa mahasoa”? Azo atao ve ny manaraka “lalàm-pitondran-tena natao ho an’ny rehetra”? Misy manam-pahefana ve afaka manome fitsipika tsy mety lany andro sy tsy miovaova, mba hampilamina kokoa ny fiainantsika ary hananantsika fanantenana? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.