Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nihaona Tamin’ireo Namany Taloha sy Fahavalony Taloha i Saoly

Nihaona Tamin’ireo Namany Taloha sy Fahavalony Taloha i Saoly

Nihaona Tamin’ireo Namany Taloha sy Fahavalony Taloha i Saoly

TSY maintsy ho natahotahotra ihany i Saoly, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe ny apostoly Paoly, rehefa niverina voalohany tany Jerosalema, taorian’ny naha lasa Kristianina azy. * Nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatr’i Jesosy mantsy izy, tamin’izy nandao an’ilay tanàna, telo taona talohan’io. Nahazo alalana hisambotra an’izay Kristianina hitany tany Damaskosy izy, tamin’izay.—Asan’ny Apostoly 9:1, 2; Galatianina 1:18.

Sahy nanambara ny finoany an’ilay Mesia tafatsangana tamin’ny maty i Saoly, raha vao lasa Kristianina. Nitady hamono azy àry ny Jiosy tany Damaskosy. (Asan’ny Apostoly 9:19-25) Afaka nanantena ve izy fa handray azy tsara ny Jiosy namany taloha rehefa hiverina any Jerosalema izy? Ny hihaona tamin’ireo mpanara-dia an’i Kristy tao amin’io tanàna io anefa aloha no tena masaka tao an-tsainy. Tsy ho mora mantsy izany.

“Raha vao tonga tany Jerosalema izy, dia niezaka niaraka tamin’ny mpianatra. Fa natahotra azy ny rehetra, satria tsy nino hoe efa lasa mpianatra koa izy.” (Asan’ny Apostoly 9:26) Ara-dalàna izany. Ny fantatr’izy ireo farany momba azy mantsy, dia ny nanenjehany mafy ny Kristianina. Mety ho tetika natao hitsofohana teo anivon’ny fiangonana fotsiny ny filazany fa Kristianina izy. Te hihatakataka taminy àry ny Kristianina tany Jerosalema.

Nisy iray tamin’izy ireo anefa nanampy an’i Saoly. Milaza ny Baiboly fa nitondra an’ilay mpanenjika taloha “tany amin’ny apostoly” i Barnabasy. I Petera (Kefasy) sy Jakoba rahalahin’ny Tompo ireo apostoly ireo. Nohazavain’i Barnabasy tamin’izy ireo ny niovan’i Saoly ho Kristianina sy ny fitoriana nataony tany Damaskosy. (Asan’ny Apostoly 9:27; Galatianina 1:18, 19) Tsy voaresaka ao amin’ny Baiboly ny nahatonga an’i Barnabasy hatoky an’i Saoly. Nifankafantatra ve izy ireo, ka izany no nahatonga an’i Barnabasy hitsapa an’i Saoly, sy hanamarina raha tena tsy mamitaka izy? Nisy Kristianina nifandray tamin’i Barnabasy ve tany Damaskosy, ka nahafantarany fa niova tokoa i Saoly? Na inona na inona antony, dia hita fa tsy niahiahy firy an’i Saoly intsony ny Kristianina noho ny fanazavan’i Barnabasy. Nijanona tapa-bolana tany amin’ny apostoly Petera àry i Saoly.

Tany amin’i Petera nandritra ny tapa-bolana

Avy tamin’i Jesosy mivantana fa tsy nampitaina tamin’olona ny fanirahana an’i Saoly, araka ny nohamafisiny tamin’ny Galatianina. (Galatianina 1:11, 12) Nekeny anefa fa nila nahafantatra tsara ny tsipiriany momba ny fanompoan’i Jesosy izy. Afaka namantatra izany tsara izy, nandritra ny fotoana nijanonany tao amin’i Petera. (Lioka 24:12; 1 Korintianina 15:3-8) Azo inoana fa nanan-javatra maro hanontaniana an’i Petera sy Jakoba i Saoly. Nanana fanontaniana maro ho an’i Saoly koa izy ireo, momba ilay fahitana azony sy ny asa nanirahana azy.

Saika matin’ireo namany taloha, fa avotra ihany

Nantsoina hoe maritiora kristianina voalohany i Stefana. “Avy tamin’ilay antsoina hoe Synagogan’ny Olona Nomena Fahafahana” ny olona niady hevitra taminy, talohan’ny namonoana azy. “Teo koa ireo [olona avy tamin’ny] synagogan’ny Jiosy avy any Kyrena, sy Aleksandria, sy Kilikia ary Azia.” I Saoly kosa “niady hevitra tamin’ny Jiosy niteny grika”, araka ny voatantaran’ny Baiboly, ary sahy nitory tamin’izy ireo. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo olona ireo? Notadiaviny hovonoina i Saoly.—Asan’ny Apostoly 6:9; 9:28, 29.

Ara-dalàna i Saoly raha naniry hanazava ilay fiovana tanteraka teo amin’ny fiainany, sy niezaka mafy hampianatra ireo namany taloha momba ny Mesia. Noheverin’ireo Jiosy miteny grika ireo ho mpamadika anefa i Saoly ka nokasainy hasiana ratsy.

Tsapan’i Saoly ve fa tena notandindomin-doza ny ainy? Milaza ny Baiboly fa nahita fahitana izy raha mbola nivavaka tao amin’ny tempoly, ary nahita an’i Jesosy nilaza taminy hoe: “Faingàna, mialà haingana eto Jerosalema fa tsy hanaiky ny fijoroanao ho vavolombeloko ireo.” Hoy i Saoly: “Tompo ô, fantatr’izy ireo tsara ange fa izaho no mpanao am-ponja sy mpikapoka an’izay nino anao, isaky ny synagoga e! Ary tamin’ny nandatsahan-dra an’i Stefana vavolombelonao, dia mba nijoro teo koa aho, ka nankasitraka izany.”—Asan’ny Apostoly 22:17-20.

Misy milaza fa ny dikan’io valin-tenin’i Saoly io, dia hoe fantany ny loza mety hoentin’ilay zavatra nataony. Ny hafa indray mihevitra fa ny tiany holazaina dia hoe: ‘Mpanenjika toa azy ireo ange aho taloha e, ary fantatr’izy ireo izany. Tokony horaisin’izy ireo ho zava-dehibe àry ny fiovako. Angamba aho ho afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny fahamarinana.’ Na ahoana na ahoana, dia fantatr’i Jesosy fa tsy hanaiky ny tenin’ilay heverin’izy ireo ho “mpivadi-pinoana” ny Jiosy. Hoy i Jesosy tamin’i Saoly: “Mandehana fa hirahiko ho any amin’ny hafa firenena any lavitra ianao.”—Asan’ny Apostoly 22:21, 22.

Fantatr’ireo Kristianina tao Jerosalema fa tena notandindomin-doza i Saoly. Nentin’izy ireo nidina haingana tany amin’ny seranan’i Kaisaria àry izy, ary nasainy nanao dia 500 kilaometatra ho any Tarsosy, tanàna niaviany. (Asan’ny Apostoly 9:30) Taona maromaro tatỳ aoriana, vao niverina tany Jerosalema i Saoly.

Niaro ny fiangonana kristianina angamba io fialan’i Saoly haingana tao Jerosalema io. Raha teo foana mantsy izy, dia nety ho nisy korontana be. Rehefa lasa anefa i Saoly dia “nandry feizay ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria. Koa nihanatanjaka ny fiangonana, sady nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina, ka tsy nitsaha-nitombo.”—Asan’ny Apostoly 9:31.

Ilaina ny mitandrina

Toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany, dia mety hisy toe-javatra ilana fitandremana koa ankehitriny. Marina fa tsy tokony hiahiahy tsy amin’ny antony ny olona tsy fantatsika isika. Misy olona maty eritreritra anefa indraindray, manararaotra ny vahoakan’i Jehovah, noho ny fitadiavana tombontsoa fotsiny na noho ny fikasana hanisy ratsy ny fiangonana. Tokony hahay hisaina àry isika, mba tsy ho voafitaky ny mpisandoka.—Ohabolana 3:27; 2 Timoty 3:13.

Misy lesona hafa azon’ny Kristianina raisina koa rehefa jerena ny naneken’i Saoly ny torohevitry ny Kristianina tao Jerosalema. Mety hampidi-doza ny vatantsika, na ny finoantsika, na ny fitondran-tenantsika ny fitoriana any amin’ny faritany sasany. Toy izany koa ny fitoriana amin’ny olona sasany, anisan’izany ny namana taloha. Mila mitandrina àry isika, ka hifidy tsara ny fotoana sy ny toerana mety hitoriana.—Ohabolana 22:3; Matio 10:16.

Afaka matoky isika fa ho vita alohan’ny faran’ity tontolo ratsy ity ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena tsara ny ohatra nomen’i Saoly teo amin’ny asa fitoriana. “Sahy nitory tamin’ny anaran’ny Tompo” mantsy izy, na dia tamin’ireo namany taloha sy fahavalony taloha aza!—Asan’ny Apostoly 9:28.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny apostoly Paoly no tena ahafantarana an’i Saoly ankehitriny. Antsoina amin’ilay anarany jiosy hoe Saoly anefa izy, ao amin’ny ankamaroan’ny andinin-teny ato amin’ity lahatsoratra ity.—Asan’ny Apostoly 13:9.

[Sary, pejy 16]

Sahy nitory tamin’ny Jiosy niteny grika i Saoly, raha vao tonga tany Jerosalema