Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Taom-pambolena tao Amin’ilay “Tany Soa”

Ny Taom-pambolena tao Amin’ilay “Tany Soa”

Ny Taom-pambolena tao Amin’ilay “Tany Soa”

TAONA 1908 tamin’izay. Nientanentana erỳ ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany rehefa nahita takelaka kely vita tamin’ny vatosokay, izay azo inoana fa namboarina tamin’ny taonjato faha-10 T.K. tany ho any. Tao Gazera, taǹana tamin’ny andron’ny Baiboly, no nahitan’izy ireo azy io. Eo akaikin’ny lemaka amoron-tsiraka andrefan’i Jerosalema no misy azy. Hita teo amin’ilay takelaka ny taom-pambolena, sy ny fotoana niavaka nifandray tamin’izany. Karazana kalandrie notsorina izy io, ary soratra hebreo tranainy no nanoratana azy. Nantsoina hoe Kalandrien’i Gazera izy io, tatỳ aoriana.

Nisy sonia hoe Abia ilay takelaka. Maro no mihevitra fa devoara nataon’ny ankizilahy mbola mpianatra izy io, ary nataony miendrika poezia. Tsy ny mpikaroka rehetra anefa no manaiky izany. * Ho tianao ve ny hamantatra hoe nanao ahoana izany Tany Soa na Tany Nampanantenaina izany, ka ankizilahy niaina tamin’izany no hitantara ilay izy aminao? Mety hampahatsiahy anao zava-nitranga sasany voaresaka ao amin’ny Baiboly izany.

Roa volana fanangonam-bokatra

Ny fanangonam-bokatra no nisoratra voalohany teo amin’ny Kalandrien’i Gazera. Tsy mahagaga izany satria nihevitra azy io ho fotoan-dehibe indrindra tao anatin’ny taona ny Israelita. Tamin’ny volana Etanima (Tisry tatỳ aoriana) no nanaovana azy io. Mifanandrify amin’ny tapatapaky ny volana Septambra ka hatramin’ny tapatapaky ny Oktobra amin’ny kalandrie ankehitriny izany. Fotoana tena nahafaly tamin’io satria efa vita ny ankamaroan’ny asa fijinjana. Azo inoana fa faly koa i Abia kely tamin’izay. Eritrereto ange ny fifaliany nanampy ny rainy nanamboatra ny trano rantsankazo e! Herinandro izy ireo no hipetraka ao, sady hisaotra an’i Jehovah satria namokatra ny taniny!—Deoteronomia 16:13-15.

Tsy dia ela loatra taorian’io fotoana io ny fiotazana oliva. Velezina ny rantsan’ilay hazo mba hampihintsana ny voany. Mety tsy ho vitan’i Abia kely izany, na dia nahafinaritra azy aza ny nijery ny fianakaviany nanao ilay asa. (Deoteronomia 24:20) Mitsimpona ny oliva mihintsana izy ireo avy eo, ary mitondra izany any amin’ny vato fikosoham-bary akaiky indrindra, mba hototoina hahazoana menaka. Mety ho nisy fomba hafa tsotra kokoa nanaovana izany. Nopotipotehina ny oliva, natao tao anaty rano, ary nangonina ny menaka mitsinkafona. Ankoatra ny nampiasana azy tamin’ny sakafo dia nampiasaina tamin-javatra hafa koa ny menaka oliva. Natao solika nandrehetana jiro izy ireny, na nitsaboana fery sy mangana. Mety ho naratra na mangana, ohatra, ny ankizilahy kely toa an’i Abia, rehefa nilalao.

Roa volana famafazana

Mety ho faly erỳ i Abia nirotsahan’ny orana mangatsiatsiaka, rehefa nanomboka ny fahavaratra. Azo inoana fa nohazavain’ny rainy taminy hoe nahoana no tena mila orana ny tany. (Deoteronomia 11:14) Danihin’ny hainandro mandritra ny volana maromaro ny tany ka lasa mafy sy maina. Manjary malemy sy azo asaina tsara anefa izy io rehefa tratran’ny orana. Nampiasa angadinomby vita tamin’ny hazo nisy lelany vy ny mpiasa tany fahiny. Nitandrina tsara izy ireo rehefa nampiasa azy io, mba hahitsy ny soritr’asa. Sarobidy tamin’ny tantsaha israelita ny tany, ka nasain’izy ireo na dia ny sombin-tany kely teny an-tehezan-tendrombohitra aza. Mety ho angady tsotra kosa no nampiasainy tamin’izany.

Nafafy ny varimbazaha sy orza rehefa voasa ny tany. Tsara homarihina fa ny roa volana fambolena an’ireo, no voaresaka manaraka ao amin’ny Kalandrien’i Gazera. Nataon’ilay mpamboly tao anatin’ny valonan-damba amin’ny akanjony angamba ny masomboly, ary nafafiny tamin’ny tanana.

Roa volana fara famafazana

Nisy vokatra niakatra nandavan-taona tao amin’ilay “tany soa.” (Deoteronomia 3:25) Nandritra ny volana Desambra no be indrindra ny rotsakorana, ka nanjary rakotra zava-maitso ny tany. Tamin’izay no fara famafazana ny legioma, toy ny pitipoà sy voanjobory ary ny hafa. (Amosa 7:1, 2) Nantsoin’i Abia hoe “volana maharakotra zava-maitso ny tany” na “fara fambolena” io vanim-potoana io, tao amin’ilay takelaka nosoratany. Efa betsaka koa ny legioma vokatra tamin’io fotoana io, ka be dia be ny sakafo natsiro.

Mamelana ny hazo amandie, eo am-pifaranan’ny vanim-potoana mangatsiaka. Fotsy sy mavokely ny voniny. Vao manomboka mafana kely fotsiny ny andro ny volana Janoary, dia efa mamony izy.—Jeremia 1:11, 12.

Iray volana fijinjana rongonimbazaha

Niresaka momba ny rongonimbazaha i Abia, avy eo. Mety hampahatsiahy anao ilay zava-nitranga an-jatony taona talohan’ny andron’i Abia izany. Tao Jeriko no nisehoan’ny tantara. Teo amin’ny ilany atsinanana amin’ny havoanan’i Joda no nisy io tanàna io. Rehefa nijery taratra an’i Jeriko ny mpisafo tany roa lahy, dia nanafina azy ireo Rahaba. ‘Tao amin’ny tahon-drongony efa nalahany’ teo an-tampon-tranony mba ho maina, no nametrahany azy ireo. (Josoa 2:6) Zavatra tena fampiasan’ny Israelita teo amin’ny fiainana andavanandro ny rongonimbazaha. Mba hakana ny kirakiran’izy io, dia tsy maintsy natao aloha izay hahalo azy. Elaela ilay izy vao lo raha iandrasana ranon’ando, fa haingana kosa raha alona ao anaty dobo kely na atao eo amin’ny rano mandeha. Rehefa azo ny kirakirany, dia anamboarana lamba fanaovana lain-tsambo, na tranolay, na akanjo. Natao lahin-jiro koa izy io.

Tsy eken’ny olona sasany hoe nisy rongonimbazaha naniry tany Gazera, satria tany maina, hono, any. Milaza kosa ny olon-kafa fa nisy rongonimbazaha tany, saingy tamin’ny faramparan’ny taona vao nambolena. Izany no mahatonga ny olona sasany hihevitra fa ny teny hoe “rongonimbazaha” ao amin’ny Kalandrien’i Gazera, dia nidika koa hoe “vilona.”

Iray volana fijinjana orza

Isan-taona, taorian’ny volana fijinjana rongonimbazaha, dia voamarik’i Abia fa maitso ny salohina orza. Ny fijinjana an’io voly io no noresahiny manaraka, tao amin’ilay kalandrieny. Mifanitsy amin’ny volana Abiba ao amin’ny kalandrie hebreo io fotoana io. “Salohy maitso” no dikan’ny hoe Abiba. Efa masaka angamba ny salohy tamin’io fotoana io, saingy mbola nalemy. Nandidy toy izao i Jehovah: “Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’i Jehovah.” (Deoteronomia 16:1) Eo amin’ny tapatapaky ny volana Martsa ka hatramin’ny tapatapaky ny Aprily amin’ny kalandrientsika ny volana Abiba (Nisana tatỳ aoriana). Ny fotoana fahamasahan’ny orza angamba no nijerena ny fanombohan’io volana io. Mbola toy izany foana no amantaran’ny Jiosy karahita ankehitriny ny fiandohan’ny taom-baovaony. Tokony hotadidina fa tsy maintsy nitondra voaloham-bokatra orza, mba hahevaheva teo anatrehan’i Jehovah ny Hebreo fahiny, rehefa tonga ny faha-16 Abiba.—Levitikosy 23:10, 11.

Tena nilain’ny Israelita teo amin’ny fiainany andavanandro koa ny orza. Mora kokoa noho ny varimbazaha mantsy izy io. Naleon’ny olona àry nampiasa azy rehefa nanao mofo, indrindra moa fa ny mahantra.—Ezekiela 4:12.

Iray volana fijinjana sy famarana

Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga indray maraina. Nisinda ilay rahona matevim-be, ka tsy ho avy intsony ny orana, raha tsy afaka elaela indray. Ny ranon’ando sisa no hamelona ireo zavamaniry ao amin’ilay tany. (Genesisy 27:28; Zakaria 8:12) Fantatry ny tantsaha israelita tsara fa misy karazana rivotra roa, ilain’ireo voly miakatra mandritra ny vanim-potoana main-tany, mandra-pahatongan’ny Pentekosta. Mety ho nanatsara ny voly varimbazaha sy orza, ohatra, ny rivotra mando sy mangatsiaka avy any avaratra. Nanimba ny hazo fihinam-boa vao namelana anefa izany. Nahatonga ireo hazo fihinam-boa hamelana tsara sy hamony kosa ny rivotra maina sy mafana avy any atsimo.—Ohabolana 25:23; Tonon-kiran’i Solomona 4:16.

Tena mahay tokoa i Jehovah, ka nataony mirindra tsara ny zava-drehetra eo amin’ny tontolo iainana. Marina tokoa fa “tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely” ny tanin’ny Israely, tamin’ny andron’i Abia. (Deoteronomia 8:8) Azo inoana fa notantarain’ny raiben’i Abia taminy hoe tondraka be tsy nisy toy izany ny sakafo tamin’ny andro nitondran’i Solomona Mpanjaka hendry. Porofon’ny fitahian’i Jehovah tokoa izany.—1 Mpanjaka 4:20.

Misy teny iray heverin’ny sasany ho midika hoe “famarana”, ao amin’ilay kalandrie. Voasoratra eo aorian’ilay teny hoe fijinjana izy io. Nafatra angamba ny vokatra voajinja, mba hahafahana hanome ampahany ho an’ny mpiasa sy ny tompon’ny tany, na koa handoavana hetra. Mihevitra anefa ny manam-pahaizana sasany mahay teny hebreo, fa midika hoe “fanasambe” ilay teny, ka mety hisy ifandraisany amin’ny Fetin’ireo Herinandro, izay natao tamin’ny volana Sivana (Mey/Jona).—Eksodosy 34:22.

Roa volana fanesorana ravina

Nanoratra momba ireo roa volana fikarakarana voaloboka i Abia, taorian’izay. Be ravina ny voaloboka ka nila nesorina ny sasany, mba ho azon’andro tsara ny voany. (Isaia 18:5) Nety ho nanampy tamin’io asa io àry i Abia. Tonga avy eo ny fotoana fiotazam-boaloboka, izay tena nahafinaritra ny ankizy. Mamy erỳ ny voaloboka masaka voalohany! Azo inoana fa efa nandre momba ireo mpisafo tany 12 nirahin’i Mosesy ho any amin’ny Tany Nampanantenaina i Abia. Tamin’ny fotoana fahavokaran’ny voaloboka voalohany izy ireo no nirahina, mba hahitany ny hatsaran’ilay tany. Vaventy tokoa ny voaloboka iray tangozany tamin’izany, ka lehilahy roa vao nahazaka azy!—Nomery 13:20, 23.

Iray volan’ny voankazo masaka fahavaratra

Ny voankazo masaka fahavaratra no voaresaka farany tao amin’ny kalandrien’i Abia. Nifantoka tamin’ny fiotazana voankazo ny olona tany Israely fahiny sy ny manodidina, rehefa fahavaratra. Taorian’ny andron’i Abia, dia nisy fanoharana nataon’i Jehovah niresaka momba ny “harona [iray] feno voankazo masaka fahavaratra.” Nampiasa io ohatra io izy mba hilazana fa ‘tonga ny farany’ ho an’ny ‘Israely olony.’ Amin’ny teny hebreo, dia misy itovizany ny teny hoe “voankazo masaka fahavaratra” sy ny hoe “farany.” (Amosa 8:2) Nampahatsiahy ny Israelita nivadika izany, fa tonga ny fotoana hamaranan’i Jehovah ny faharatsian’izy ireo sy hampiharany didim-pitsarana aminy. Azo antoka fa anisan’ireo voankazo masaka fahavaratra noresahin’i Abia ny aviavy. Azo nanamboarana mofomamy ny aviavy, na natao petagilasy tamin’ny vay.—2 Mpanjaka 20:7.

Soa azo avy amin’ny kalandrien’i Gazera

Azo inoana fa nahita mivantana ny asa fambolena teo anivon’ny fireneny i Abia. Saika tantsaha avokoa mantsy ny Israelita tamin’izany. Marina fa mety tsy ho tantsaha ianao. Mahasoa anao anefa ireo zavatra voaresaka ao amin’io takelaka avy any Gazera io, satria manampy anao hahazo sary an-tsaina ny zavatra vakinao ao amin’ny Baiboly. Ho mora azonao kokoa izay vakinao, ary hisy heviny kokoa aminao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy tena mitovy tanteraka ilay lisitra eo amin’ny Kalandrien’i Gazera sy ireo volana resahina ao amin’ny Baiboly. Misy tsy itovizany kely koa ny fotoam-pambolena any amin’ny toerana samy hafa tao amin’ny Tany Nampanantenaina.

[Efajoro/​Sary, pejy 11]

AZO ADIKA TOY IZAO IO KALANDRIEN’I GAZERA IO:

“Ireo volana fiotazana voaloboka sy oliva;

ireo volana famafazana;

ireo volana maharakotra zava-maitso ny tany;

iray volana fanongotana rongonimbazaha;

iray volana fijinjana orza;

iray volana fijinjana sy famarana ny varimbazaha;

ireo volana fanesorana ravina;

iray volan’ny voankazo masaka fahavaratra.”

[sonia:] Abia *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 41 Nalaina tao amin’ny Textbook of Syrian Semitic Inscriptions, Boky 1, nosoratan’i John Gibson, 1971.

[Sary nahazoan-dalana]

Archaeological Museum of Istanbul

[Tabilao/​Sary, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

NISANA (ABIBA)

Martsa​—Aprily

IARA (ZIVA)

Aprily​—Mey

SIVANA

Mey​—Jona

TAMOZA

Jona​—Jolay

ABA

Jolay​—Aogositra

ELOLA

Aogositra​—Septambra

TISRY (ETANIMA)

Septambra​—Oktobra

HESVANA (BOLA)

Oktobra​—Novambra

KISLEO

Novambra​—Desambra

TEBETA

Desambra​—Janoary

SEBATA

Janoary​—Febroary

ADARA

Febroary​—Martsa

VEADARA

Martsa

[Sary nahazoan-dalana]

Tantsaha: Garo Nalbandian

[Sary, pejy 8]

Fikarohana ambanin’ny tany tao Gazera

[Sary nahazoan-dalana]

© 2003 BiblePlaces.com

[Sary, pejy 10]

Hazo amandie

[Sary, pejy 10]

Rongonimbazaha

[Sary nahazoan-dalana]

Dr. David Darom

[Sary, pejy 10]

Orza

[Sary nahazoan-dalana]

Minisiteran’ny Fambolena Amerikanina