Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahafoana ny Fanavakavahana?

Ahoana no Hahafoana ny Fanavakavahana?

Ahoana no Hahafoana ny Fanavakavahana?

NAATON’NY mpitsara ny lalao baolina kitra iray, tany Espaina. Be loatra mantsy ny mpijery nanompa ny mpilalao iray avy any Cameroun, ka saika hivoaka ny kianja izy. Fahita koa, any Rosia, ny herisetra atao amin’ny olona avy any Afrika sy Amerika Latinina ary Azia. Nahatratra 394 ny fisehoan-javatra toy izany tao amin’io tany io, tamin’ny 2005. Nitombo 55 isan-jato izany raha oharina amin’ny tamin’ny 2004. Nanaovana fanadihadiana ny Aziatika sy ny mainty hoditra tany Grande-Bretagne. Nilaza ny ampahatelony fa nesorina tamin’ny asany izy ireo noho ny fanavakavaham-bolon-koditra. Fahita maneran-tany ireo toe-javatra ireo.

Mety ho ompa na teny tsy voahevitra no isehoan’ny fanavakavahana. * Mety ho tonga hatramin’ny famongorana foko iray manontolo anefa izany. Inona no tena mahatonga ny fanavakavahana? Inona no hanampy antsika tsy hanavakavaka? Mbola hiara-miaina amim-pihavanana ve ny olona rehetra, indray andro any? Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly.

Fampahoriana sy fankahalana

Hoy ny Baiboly: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Tia mampijaly ny mpiara-belona aminy àry ny olona sasany. Hoy koa ny Baiboly: “Indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy.”—Mpitoriteny 4:1.

Resahin’ny Baiboly fa efa nisy hatry ny ela ny fanavakavahana. Nasain’ny Faraon’i Ejipta hifindra tany amin’ny taniny i Jakoba sy ny fianakaviany, tokony ho 3 700 taona lasa izay. Natahotra anefa ilay Farao nanjaka tatỳ aoriana, rehefa nitombo be ireo mpifindra monina hebreo ireo. ‘Niteny tamin’ny vahoakany [àry] izy hoe: Indro, ny firenen’ny Zanak’Israely efa maro sy mahery noho isika. Andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy. Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ny fanompoany mafy.’ (Eksodosy 1:9-11) Nasain’ny Ejipsianina novonoina mihitsy aza ny zazalahy kely vao teraka rehetra tamin’ny taranak’i Jakoba.—Eksodosy 1:15, 16.

Inona no tena mahatonga ny fanavakavahana?

Sahy nanohitra ny fanavakavahana ny olona sasany. Tsy niezaka nanafoana azy io anefa ny fivavahana maro, fa vao mainka aza nanohana an’ireo mpanavakava-bolon-koditra. Izany no nitranga tany Etazonia, fahiny. Voalazan’ny lalàna fa azo atao ny manandevo mainty hoditra. Novonoin’ny vahoaka romotra ny mainty hoditra, indraindray, na dia mbola tsy notsaraina aza. Tsy nahazo nivady ny olona tsy mitovy volon-koditra, ary tamin’ny 1967 vao foana izany lalàna izany. Efa nisy zavatra toy izany koa tatsy Afrika Atsimo. Namoaka lalàna ny mpitondra mba handrarana ny fanambadian’ny olona tsy mitovy volon-koditra. Mpivavaka be anefa ny sasany amin’ireo mpanavakavaka ireo, na ny tany Etazonia na ny tany Afrika Atsimo.

Inona anefa no tena mahatonga ny fanavakavahana? Hoy ny Baiboly: “Izay tsy tia kosa dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:8, 20) Tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy tia azy àry ny olona manavakavaka, na mpivavaka izy na tsia.

Mampiray saina ny fahalalana an’Andriamanitra

Miray saina ny olona, rehefa mahalala sy tia an’Andriamanitra. Fa inona no voalazan’ny Tenin’Andriamanitra, ka mahatonga ny olona sasany ho tsara fanahy amin’ireo tsy mitovy aminy? Milaza izy io fa i Jehovah no Rain’ny olombelona rehetra. Hoy ny 1 Korintianina 8:6: “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany amintsika, dia ny Ray, izay niavian’ny zava-drehetra.” Hoy koa ny Asan’ny Apostoly 17:26: “Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Mpirahalahy daholo àry ny olona rehetra.

Tokony hifaly ny olona avy amin’ny foko rehetra, satria nomen’Andriamanitra fiainana. Tokony halahelo anefa izy ireo noho ny zavatra nataon’ny razambeny. Hoy i Paoly, mpanoratra Baiboly: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao.’ “Nanota [àry] ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23; 5:12) Tia mamorona zavatra samihafa i Jehovah, ka tsy misy zavaboary mitovy tanteraka. Tsy misy foko nataony ambony kokoa noho ny hafa anefa. Tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina àry ny filazana fa tsara kokoa noho ny foko hafa ny foko sasany. Mampiray saina tokoa ny fahalalana avy amin’Andriamanitra!

Miahy ny firenena rehetra Andriamanitra

Misy mihevitra fa manavakavaka Andriamanitra, matoa nifidy ny Israelita sy nandrara azy ireo tsy hiaraka amin’ny firenen-kafa. (Eksodosy 34:12) Nofidin’Andriamanitra ho fananany manokana ny firenen’ny Israely, noho ny finoana miavaka nananan’i Abrahama razambeny. Andriamanitra mihitsy no nitondra ny Israelita sy nifidy izay hitarika azy ireo, ary nanome lalàna azy ireo. Rehefa nanaiky ny tari-dalany ny Israelita, dia hitan’ny firenen-kafa fa tsy mitovy ny fitondran’Andriamanitra sy ny fitondran’olombelona. Nampianarin’i Jehovah azy ireo koa fa mila sorona ny olombelona mba hifandraisana tsara amin’Andriamanitra indray. Mitondra soa ho an’ny firenena rehetra àry ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israelita. Mifanaraka amin’izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Abrahama izany. Hoy mantsy izy: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,—satria nanaiky ny teniko hianao.”—Genesisy 22:18.

Ankoatra izany, dia nahazo ny fanambarana masin’Andriamanitra ny Jiosy, sady avy tamin’io foko io no niavian’ny Mesia. Natao hahasoa ny firenena rehetra koa izany. Miresaka ny fotoana hitahiana ny foko rehetra koa ny Soratra Hebreo (Testamenta Taloha) izay nomena ny Jiosy. Hoy izy io: “Maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany.” Izao koa no voalaza ao: “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.”—Mika 4:2-4.

Marina fa nitory tamin’ny Jiosy i Jesosy Kristy, kanefa nilaza koa izy hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Handre ny vaovao tsara avokoa àry ny firenena rehetra. Hitantsika avy amin’izany fa namela ny modely tsara indrindra i Jehovah, satria mitovy ny fomba itondrany ny foko rehetra. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Hita amin’ireo lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita koa fa miahy ny firenena rehetra izy. Tokony havelan’ny Israelita hipetraka eo amin’ny taniny ny vahiny. Nandidy azy ireo koa ny lalàna hoe: ‘Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany [eo] aminareo. Ho tianao tahaka ny tenanao [izy]; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianareo.’ (Levitikosy 19:34) Lalàna maro no nandidy ny Israelita mba ho tsara fanahy amin’ny vahiny. Nampihatra izany i Boaza, razamben’i Jesosy, rehefa nahita vehivavy vahiny mahantra nitsimpona vary teo amin’ny tanimbariny. Nataony azo antoka fa namela vary betsaka hotsimponin’io vahiny io ny mpanompony.—Rota 2:1, 10, 16.

Nampianatra antsika ho tsara fanahy i Jesosy

Hita tamin’ny fiainan’i Jesosy fa tena nahalala an’Andriamanitra izy. Nasehony an’ireo mpanara-dia azy ny fomba hampisehoana hatsaram-panahy amin’ny olona hafa fiaviana. Niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray izy, indray mandeha. Gaga ilay vehivavy, satria Jiosy maro no nankahala ny Samaritanina. Tsara fanahy taminy anefa i Jesosy, rehefa nanoro azy ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay.—Jaona 4:7-14.

Nilaza ity fanoharana iray ity i Jesosy, mba hampianarana antsika ny fomba tokony hitondrana ny olona hafa fiaviana: Nahita Jiosy naratra be vao avy notafihin’ny jiolahy ny Samaritanina iray tsara fanahy. Azony natao ny nieritreritra hoe: ‘Nahoana moa aho no hamonjy an’ity Jiosy ity, nefa ry zareo aza tsy tia anay?’ Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy mba nankahala ny olona hafa fiaviana ilay Samaritanina. Tsy niraharaha an’ilay lehilahy naratra ny olon-kafa, fa ilay Samaritanina kosa “nangoraka” ary tena nikarakara azy. Nilaza i Jesosy rehefa namarana ny teniny, fa tokony hanao toy izany koa izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.—Lioka 10:30-37.

Nasain’i Paoly nanova ny toetrany izay te hampifaly an’Andriamanitra. Nampirisihiny koa izy ireo mba hanahaka ny fomba itondran’Andriamanitra ny olona. Hoy izy: “Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy. Ao anatin’izany, dia tsy misy na Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina ... Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kolosianina 3:9-14.

Manova olona ve ny fahalalana an’Andriamanitra?

Tsy mankahala ny olona hafa fiaviana intsony ve ny olona iray, rehefa mahalala an’i Jehovah Andriamanitra? Diniho ny zavatra niainan’ny vehivavy iray avy any Azia, izay nifindra tany Kanada. Diso fanantenana izy satria navakavahan’ny olona. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nanomboka nianatra Baiboly. Nanoratra taratasy fankasitrahana izy tatỳ aoriana. Hoy izy: ‘Tsara fanahy sy mahafinaritra ianareo, fa tsy mba toy ny fotsy hoditra hafa. Rehefa nieritreritra ny mety ho anton’izany aho, dia nanatsoaka hevitra fa Vavolombelon’Andriamanitra ianareo. Tsy maintsy ho ny Baiboly no nanampy anareo hanana izany toetra tsara izany. Hitako tany amin’ny fivorianareo fa mifankahazo am-po ianareo, na fotsy, na mainty, na mavo, na zarazara hoditra. Toy ny mpiray tam-po ianareo rehetra. Fantatro fa ny Andriamanitrareo no mahatonga izany!’

Efa voalaza ao amin’ny Baiboly fa “ho henika ny fahalalana an’i Jehovah” ny tany. (Isaia 11:9) Tafaray ao amin’ny fivavahana marina, ankehitriny, ny olona an-tapitrisany ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’, ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 7:9) Tsy andrin’izy ireo ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama hoe: ‘Hotahina ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany.’ Ho tanteraka tsy ho ela izany, ka ho fongotra ny fankahalana ary hanjaka maneran-tany ny fitiavana.—Asan’ny Apostoly 3:25.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Anisan’ny “fanavakavahana” ny fankahalana olona noho ny volon-kodiny, fiaviany, fivavahany, fiteniny na ny kolontsainy.

[Sary, pejy 4, 5]

Nandidy ny Israelita ho tia vahiny ny Lalàn’Andriamanitra

[Sary, pejy 5]

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy?

[Sary, pejy 6]

Tsy misy foko nataon’Andriamanitra ambony kokoa noho ny hafa