Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aza Mamaly Ratsy ny Ratsy”

“Aza Mamaly Ratsy ny Ratsy”

“Aza Mamaly Ratsy ny Ratsy”

“Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Manomeza izay tsara eo imason’ny olona rehetra.”—ROMANINA 12:17.

1. Inona no fanao mahazatra ny olona?

MATETIKA no tonga dia atosiky ny ankizy ny iray tam-po aminy, raha vao manosika azy. Mampalahelo fa tsy ny ankizy ihany, fa olon-dehibe maro koa no mamaly faty raha nisy nanafintohina azy. Marina fa tsy hanosika an’izay nanao ratsy azy ny ankamaroany, saingy mety hanao izany amin’ny endriny an-kolaka. Mety hifosa sy hanaratsy an’ilay olona izy, na hanao zavatra hafa hisomparana azy. Na inona na inona ataony, dia iray ihany ny tanjony: Ny hamaly faty.

2. a) Nahoana ny tena Kristianina no manohitra ny faniriana hamaly faty? b) Inona avy no fanontaniana hovaliantsika? Toko aiza ao amin’ny Baiboly no hodinihintsika?

2 Marina fa mafy ny faniriana hamaly faty, nefa manohitra an’izany ny tena Kristianina. Miezaka mafy izy ireo manaraka ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” (Romanina 12:17) Inona no handrisika antsika hanaraka an’io fitsipika tena tsara io? Amin’iza indrindra isika no tsy tokony hamaly ratsy ny ratsy? Inona no soa horaisintsika raha miezaka tsy hanao izany isika? Manampy antsika hamaly an’izany ny andinin-teny manodidina. Ho hitantsika ao amin’ny Romanina toko faha-12 koa, fa mety ny tsy mamaly faty, ary maneho fitiavana sy manetry tena isika raha tsy manao izany. Hodinihintsika tsirairay ireo lafin-javatra telo ireo.

“Koa miangavy anareo aho”

3, 4. a) Inona no resahin’i Paoly manomboka eo amin’ny Romanina toko faha-12? Inona no tiany holazaina amin’ilay hoe “koa”? b) Inona no tokony ho vokatry ny fangoraham-pon’Andriamanitra teo amin’ny Kristianina tany Roma?

3 Miresaka zavatra efatra misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny Kristianina i Paoly, manomboka eo amin’ny Romanina toko faha-12. Tsy inona izany fa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ny mpiray finoana, ny olon-kafa, ary ny manam-pahefana. Milaza antony lehibe tokony hanoherantsika fanirian-dratsy izy, anisan’izany ny famaliana faty. Hoy izy: “Koa miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra.” (Romanina 12:1) Ilay teny hoe “koa” dia midika hoe “noho izany”, na noho izay voalaza teo aloha. Te hilaza àry i Paoly hoe: ‘Rehefa dinihina izay vao avy nohazavaiko taminareo teo, dia miangavy anareo aho mba hanao izao zavatra manaraka izao.’ Inona no zavatra vao avy nohazavain’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma?

4 Niresaka momba ny tombontsoa lehibe natolotra ny Jiosy sy ny hafa firenena i Paoly, ao amin’ny toko 11 voalohany ao amin’ny Romanina. Nahazo io tombontsoa io ny firenen’ny Israely, saingy nanda izany. Tsy inona izany fa ny hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Romanina 11:13-36) Tsy ho nisy izany tombontsoa sarobidy izany, raha tsy “noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra.” Inona no tokony hataon’ny Kristianina, noho io hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra io? Tokony ho feno fankasitrahana ny fon’izy ireo, ka izany no handrisika azy hankatò ny tenin’i Paoly manaraka hoe: ‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’ (Romanina 12:1) Ahoana anefa no hanoloran’izy ireo ny tenany ho “sorona” ho an’Andriamanitra?

5. a) Ahoana no azon’ny olona iray anolorana ny tenany ho “sorona” ho an’Andriamanitra? b) Inona no tokony ho hita taratra eo amin’ny fomba fiainan’ny Kristianina?

5 Nanazava i Paoly avy eo hoe: “Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Tsy tokony hamela an’ity tontolo ity hamolavola ny fomba fisainany izy ireo. Tokony hanavao ny toe-tsainy mba hitovy amin’ny an’i Kristy kosa izy ireo. (1 Korintianina 2:16; Filipianina 2:5) Tokony ho hita taratra eo amin’ny fomba fiainan’ny tena Kristianina rehetra isan’andro izany.

6. Araka ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 12:1, 2, inona no antony misakana antsika tsy hamaly faty?

6 Manampy antsika koa ve ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 12:1, 2? Mankasitraka lalina ny fangoraham-po asehon’Andriamanitra amintsika amin’ny fomba maro samihafa isan’andro isika, toy ny Kristianina voahosotra tany Roma. Koa izany fo feno fankasitrahana izany àry no mandrisika antsika hanompo an’Andriamanitra amin’ny herintsika rehetra, ny fananantsika rehetra, ary ny fahaizantsika rehetra. Izany koa no mahatonga antsika hiezaka mafy hanana ny sain’i Kristy, fa tsy ny an’ity tontolo ity. Misy heriny eo amin’ny fomba hitondrantsika ny mpiray finoana amintsika sy ny olon-kafa izany toe-tsaina izany. (Galatianina 5:25) Manohitra ny faniriana hamaly faty, ohatra, isika raha manana ny toe-tsain’i Kristy.—1 Petera 2:21-23.

“Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo”

7. Inona ilay karazana fitiavana resahin’ny Romanina toko faha-12?

7 Hitantsika teo fa mety ny tsy mamaly ratsy ny ratsy. Tsy manao izany koa anefa isika, noho ny fitiavana. Mariho ny fomba niresahan’i Paoly momba izany. Nampiasa imbetsaka an’ilay teny grika hoe a·gaʹpe izy, mba hilazana ny fitiavan’Andriamanitra sy Kristy, ao amin’ny bokin’ny Romanina. (Romanina 5:5, 8; 8:35, 39) Nampiasainy mba hiresahana momba ny fitiavana aseho amin’ny mpiara-belona indray anefa io teny io, ao amin’ny toko faha-12. Ny fanomezana ara-panahy samihafa ananan’ny Kristianina sasany aloha no noresahiny, vao niresaka momba an’io toetra tokony hiezahan’ny Kristianina rehetra hananana io izy. “Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo”, hoy izy. (Romanina 12:4-9) Marika amantarana ny tena Kristianina tokoa ny fanehoana fitiavana. (Marka 12:28-31) Nantitranterin’i Paoly fa tokony ho vokatry ny fo ny fitiavantsika.

8. Inona no azontsika atao mba hanehoana fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy?

8 Resahin’i Paoly avy eo ny fomba anehoana fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy. Hoy izy: “Mankahalà ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.” (Romanina 12:9) Teny mafonja ny hoe ‘mankahala’ sy ny hoe ‘mifikitra.’ Azo adika hoe “tsy tia maizina” ny hoe ‘mankahala.’ Ny ratsy mihitsy àry no tsy maintsy halantsika, fa tsy ny vokatr’izany fotsiny. (Salamo 97:10) Avy amin’ny teny grika midika hoe “manisy lakaoly” kosa ilay teny hoe ‘mifikitra.’ Raha tena manana fitiavana àry ny Kristianina, dia tokony ho raiki-tampisaka ao aminy ny hatsaran-toetra, toy ny hoe misy lakaoly mihitsy.

9. Inona no torohevitra naverimberin’i Paoly?

9 Namerimberina nilaza fomba manokana iray anehoana fitiavana i Paoly. Hoy izy: “Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo, eny, aoka hirary soa fa aza manozona.” “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” “Aza mamaly faty, ry malala.” “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Romanina 12:14, 17-19, 21) Asehon’i Paoly mazava tsara amin’izany hoe ahoana no tokony hitondrantsika an’ireo tsy mitovy finoana amintsika, eny fa na ny mpanohitra aza.

“Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo”

10. Ahoana no azontsika irariana soa ho an’ireo manenjika antsika?

10 Ahoana no hanarahantsika an’ilay tenin’i Paoly hoe: “Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo”? (Romanina 12:14) Hoy i Jesosy amin’ny mpanara-dia azy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44; Lioka 6:27, 28) Mirary soa ho an’izay manenjika antsika àry isika, raha mivavaka ho azy. Miangavy an’i Jehovah hanokatra ny mason’ny mpanohitra isika, mba hahafantarany ny fahamarinana. Mety ho ny tsy fahalalana mantsy no mahatonga azy hanao izany. (2 Korintianina 4:4) Marina fa mety ho hafahafa ny hoe mangataka amin’Andriamanitra mba hanao soa ho an’ny mpanenjika. Ho afaka ho tia ny fahavalontsika anefa isika, rehefa mitovy kokoa amin’ny an’i Kristy ny fomba fisainantsika. (Lioka 23:34) Inona no mety ho vokatr’izany?

11. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Stefana? b) Inona no fiovana mety hitranga amin’ny mpanenjika sasany, rehefa jerena ny tantaran’i Paoly?

11 Nivavaka ho an’ireo nanenjika azy i Stefana, ary nivaly tokoa ny vavaka nataony. Taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, dia nisambotra azy ny mpanohitra ny fiangonana kristianina, ka nitaritarika azy tany ivelan’i Jerosalema ary nitora-bato azy. Niantsoantso mafy toy izao izy talohan’ny nahafatesany: “Jehovah ô, aza atao ho helony anie izao.” (Asan’ny Apostoly 7:58–8:1) Anisan’ireny lehilahy nanaovan’i Stefana vavaka ireny i Saoly, izay nanatri-maso ny namonoana azy sady nankasitraka izany. Niseho tamin’i Saoly i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, tatỳ aoriana. Lasa mpanara-dia an’i Kristy io mpanenjika io. Lasa apostoly Paoly izy, ary izy no nanoratra ny taratasy ho an’ny Romanina. (Asan’ny Apostoly 26:12-18) Nifanaraka tamin’ny vavaka nataon’i Stefana, dia azo inoana fa navelan’i Jehovah ny helok’i Paoly izay nanenjika ny Kristianina. (1 Timoty 1:12-16) Tsy mahagaga àry raha nampirisika ny Kristianina “hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika” azy ireo, i Paoly! Hitany tamin’ny zavatra niainany fa mety ho lasa mpanompon’Andriamanitra ihany ny mpanenjika sasany. Toy izany koa no mitranga ankehitriny, rehefa hitan’ny mpanenjika fa tia fihavanana ny mpanompon’i Jehovah.

“Mihavàna amin’ny olona rehetra”

12. Inona no ifandraisan’ny Romanina 12:9 sy ny andininy faha-17?

12 Izao no torohevitra manaraka nomen’i Paoly momba ny fomba tokony hitondrantsika ny mpiray finoana amintsika sy ny olon-kafa: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” Mifanaraka tsara amin’ny zavatra voalazany tany aloha izany. Hoy mantsy izy: “Mankahalà ny ratsy.” Ahoana tokoa moa no hilazan’ny olona iray fa tena mankahala ny ratsy izy, raha toa izy ka mamaly ratsy ny ratsy? Mifanohitra amin’ny atao hoe fitiavana ‘tsy misy fihatsarambelatsihy’ izany. Hoy i Paoly avy eo: “Manomeza izay tsara eo imason’ny olona rehetra.” (Romanina 12:9, 17) Ahoana no hampiharantsika an’izany?

13. Ahoana no tokony hitondrantsika tena “eo imason’ny olona rehetra”?

13 Niresaka momba ny fanenjehana nahazo an’ireo apostoly i Paoly taloha kelin’izay, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina. Hoy izy: ‘Nanjary fampisehoana an-tsehatra hojeren’izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona izahay. Rehefa tevatevaina izahay, dia mirary soa; rehefa enjehina dia miaritra; rehefa alam-baraka, dia miangavy.’ (1 Korintianina 4:9-13) Mandinika ny tena Kristianina koa ny olona eto amin’ity tontolo ity ankehitriny. Mety ho vonona kokoa handray ny hafatra torintsika izy ireny, rehefa hitany fa manao ny tsara foana isika na dia anaovana ny tsy rariny aza.—1 Petera 2:12.

14. Misy fetrany ve ny fitandroantsika fihavanana? Hazavao.

14 Misy fetrany ve anefa ny fitandroantsika fihavanana? Marina fa tokony hiezaka mafy araka izay azo atao isika, mba hihavanana amin’ny olona. Hoy mantsy i Paoly tamin’ny Kristianina toa azy: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.” (Romanina 12:18) Kanefa, ilay teny hoe “raha azo atao” sy ilay hoe “ka mbola miankina aminareo koa”, dia midika fa mety tsy ho afaka hihavana amin’ny olona sasany isika. Tsy handika ny didin’Andriamanitra, ohatra, isika, satria fotsiny hoe tsy te ho ratsy fihavanana amin’ny hafa. (Matio 10:34-36; Hebreo 12:14) Na izany aza, dia manao izay rehetra azontsika atao isika mba hihavanana “amin’ny olona rehetra”, nefa tsy mampandefitra ny fitsipika marina arahintsika.

“Aza mamaly faty”

15. Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty, araka ny Romanina 12:19?

15 Nilaza antony lehibe hafa iray misakana antsika tsy hamaly faty i Paoly. Tsy inona izany fa ny fanetren-tena. Hoy izy: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Romanina 12:19) Miana-kendry izay Kristianina mamaly faty, satria manao zavatra tokony hataon’Andriamanitra. (Matio 7:1) Asehony amin’izany koa fa tsy atokisany ilay tenin’i Jehovah hoe: “Izaho no hamaly.” Matoky kosa ny tena Kristianina fa ‘hataon[’i Jehovah] izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny.’ (Lioka 18:7, 8; 2 Tesalonianina 1:6-8) Manetry tena izy ireo, ka Andriamanitra no avelany hamaly ny ratsy natao taminy.—Jeremia 30:23, 24; Romanina 1:18.

16, 17. a) Inona no dikan’ny hoe “mampivangongo vainafo” eo ambony lohan’ny olona iray? b) Moa ve ianao efa nahita olona nanehoana hatsaram-panahy, ka nihanalefaka ny hamafin’ny fony avy eo? Tantarao.

16 Azo inoana fa hanamafy ny fon’ny fahavalo ny famaliana faty azy, fa mety hanalefaka ny fony kosa ny fanehoana hatsaram-panahy aminy. Nahoana? Mariho izay nolazain’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma. Hoy izy: “Raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo izy, ary raha mangetaheta izy, dia omeo zavatra hosotroiny, satria ny fanaovanao izany dia hanalefaka ny hamafin’ny fony, toy ny hoe mampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao.” (Romanina 12:20; Ohabolana 25:21, 22) Inona no dikan’izany?

17 Sarin-teny avy tamin’ny fomba fanempoana metaly fahiny, ilay hoe “mampivangongo vainafo eo ambony lohany.” Natao tao anaty lafaoro ny vato hakana an’ilay metaly. Nasiana vainafo teo ambonin’ilay vato sy teo ambaniny. Nihanitombo ny hafanana, rehefa nasiana vainafo nivangongo teo ambonin’ilay vato. Niempo ny metaly ary nisaraka tamin’ny tain-drendrika. Toy izany koa fa rehefa manao zavatra tsara ho an’ny mpanohitra antsika isika, dia mety “hiempo” na hihamalefaka ny hamafin’ny fony, ka hivoaka ny toetra tsarany. (2 Mpanjaka 6:14-23) Raha ny marina, dia ny hatsaram-panahy nasehon’ny mpanompon’i Jehovah taminy no nahasarika voalohany ny Kristianina maro tamin’ny fivavahana marina.

Nahoana isika no tsy mamaly faty?

18. Nahoana no mety ny tsy mamaly faty? Nahoana koa izany no fanehoana fitiavana sy fanetren-tena?

18 Hitantsika tao amin’ny Romanina toko faha-12 ny antony lehibe maromaro mahatonga antsika ‘tsy hamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.’ Voalohany, satria mety ny tsy mamaly faty. Rehefa dinihina tokoa ny fangoraham-po asehon’i Jehovah amintsika, dia mety ny hanolorantsika ny tenantsika ho azy sy hankatoavantsika ny didiny amin’ny fontsika. Anisan’izany ilay didy hoe: ‘Tiavo ny fahavalonao.’ Faharoa, ny fitiavana no mahatonga antsika tsy hamaly ratsy ny ratsy. Io no mahatonga antsika hitandro fihavanana, ka hanantena fa mety ho lasa mpanompon’i Jehovah ny olona sasany, na dia ny mpanohitra masiaka be aza. Fahatelo, tsy mamaly ny ratsy natao tamintsika isika satria manetry tena. Miana-kendry isika raha mamaly faty, satria i Jehovah efa nilaza hoe: “Ahy ny famaliana.” Mampitandrina antsika koa ny Teniny hoe: “Raha tonga ny fiavonavonana [na hoe miana-kendry ny olona iray], dia tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.” (Ohabolana 11:2) Manetry tena sady hendry àry isika, raha Andriamanitra no avelantsika hamaly ny ratsy natao tamintsika.

19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Nampirisika antsika toy izao i Paoly, rehefa namintina ny toroheviny momba ny fomba tokony hitondrantsika ny hafa: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Romanina 12:21) Inona no ratsy mila resentsika ankehitriny? Ahoana no azontsika andresena azy ireny? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa izay mifandray aminy.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no torohevitra miverimberina ao amin’ny Romanina toko faha-12?

• Inona no hisakana antsika tsy hamaly faty?

• Inona no soa horaisintsika sy ny olon-kafa, raha tsy “mamaly ratsy ny ratsy” isika?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 22]

Resahin’ny Romanina toko faha-12 ny fifandraisan’ny Kristianina:

• amin’i Jehovah

• amin’ny mpiray finoana

• amin’ny olon-kafa

[Sary, pejy 23]

Misy torohevitra tsara ho an’ny Kristianina ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina

[Sary, pejy 25]

Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Stefana?