Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana I

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana I

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana I

TAONA 613 T.K. tamin’izay. Tao Joda i Jeremia mpaminany. Tsy natahotra izy nilaza fa horavana tsy ho ela i Jerosalema ary ho lao ny tanin’ny Joda. Efa nitondra Jiosy maro ho babo i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tamin’izay. Anisan’ireny ilay tovolahy atao hoe Daniela sy ny namany telo lahy. Nanompo tao amin’ny lapan’ny mpanjaka kaldeanina (babylonianina) izy ireo. Nonina teo amoron’ny ony Kebara “tany amin’ny tanin’ny Kaldeana” ny ankamaroan’ny Jiosy babo. (Ezekiela 1:1-3) Tsy namela azy ireo tamin’izao i Jehovah, fa naniraka mpitondra hafatra ho any aminy. Notendreny ho mpaminany i Ezekiela, izay 30 taona.

Vita tamin’ny 591 T.K. ny bokin’i Ezekiela. Naharitra 22 taona ny nanoratana azy io. Nitandrina be i Ezekiela rehefa nanoratra, sady nilaza zavatra tamin’ny an-tsipiriany. Nosoratany mazava tsara ny andro sy ny volana ary ny taona nahazoany ireo faminaniany. Ny fandravana an’i Jerosalema no tena resahin’ny tapany voalohany amin’ny faminaniany. Ny didim-pitsarana hihatra amin’ireo firenena nanodidina an’i Jerosalema kosa no hita ao amin’ny tapany faharoa. Ary nahakasika ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana tamin’i Jehovah ny tapany farany. Hanasongadina ireo hevi-dehibe ao amin’ny Ezekiela 1:1–24:27 ity lahatsoratra ity. Handinika fahitana, faminaniana, ary fampisehoana momba izay hanjo an’i Jerosalema isika amin’izany.

“EFA NATAOKO MPITILY HO AN’NY TARANAK’ISIRAELY HIANAO”

(Ezekiela 1:1–19:14)

Nampahafantarina an’i Ezekiela ny asa nanendrena azy, rehefa avy nahazo fahitana nampitolagaga momba ny seza fiandrianan’i Jehovah izy. Hoy i Jehovah taminy: “Efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely hianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.” (Ezekiela 3:17) Nasain’i Jehovah nanao karazana fampisehoana kely roa i Ezekiela, mba hampahafantarana ny fahirano hanjo an’i Jerosalema sy ny ho vokatr’izany. Fihetsika fotsiny no nataony. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Ezekiela momba ny Joda: “Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.” (Ezekiela 6:3) Hoy izy tamin’ireo mponina tao amin’ilay tany: ‘Mby akaiky ny anjara [lozanareo].’—Ezekiela 7:7.

Tamin’ny 612 T.K., dia nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela tamin’ny alalan’ny fahitana ny zava-nisy tany Jerosalema. Tena nahatsiravina ny zavatra hitany tao amin’ny tempoly! Nirahin’i Jehovah àry ny tafiky ny lanitra (mifanitsy amin’ireo “lehilahy enina”), mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ireo mpivadi-pinoana. Ny olona nasiana ‘marika teo amin’ny handriny’ ihany no notsimbinina. (Ezekiela 9:2-6) Tsy maintsy nofafazana “vain’afo” anefa aloha ilay tanàna. Tsy inona izany fa ny hafatra mivaivay avy amin’Andriamanitra milaza fandringanana. (Ezekiela 10:2) ‘Hatsingerin’i Jehovah ho eo an-dohan’ny ratsy fanahy ihany ny nataony.’ Na izany aza, dia nampanantena izy, fa hanangona indray an’ireo Israelita niely tany an-tany hafa.—Ezekiela 11:17-21.

Nentin’ny fanahin’Andriamanitra niverina tany Kaldea indray i Ezekiela. Nanao fampisehoana hafa izy mba hampahafantarana fa handositra hiala ao Jerosalema i Zedekia Mpanjaka sy ny vahoakany. Nambara fa mpandainga ireo mpaminany sandoka. Nohelohina ny mpanompo sampy. Nampitovina tamin’ny tahom-boaloboka tsy nisy nilana azy ny Joda. Nangataka fanampiana tamin’i Ejipta i Jerosalema, nefa loza ny vokany. Izany no dikan’ilay fanoharana momba ireo voromahery sy ilay voaloboka. Nampanantena i Jehovah tamin’ny faran’ilay fanoharana, fa ‘hamboleny ao amin’ny tendrombohitra avo ny tendron’ny laingon’ny sedera milenodenoka.’ (Ezekiela 17:22) Tsy hisy “tehim-panjakana ho fanapahana” intsony anefa ao Joda.—Ezekiela 19:14.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:4-28—Inona ilay kalesy any an-danitra? Izy io dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra ahitana an’ireo anjely mahatoky. Ny fanahin’i Jehovah no mampandeha azy io. Tsy hay lazaina ny voninahitry ny Mpitondra ilay kalesy, izay tsy iza fa i Jehovah. Nisy avana tsara tarehy nanodidina azy. Midika izany fa tony i Jehovah.

1:5-11—Iza ireo zavamananaina efatra? Milaza i Ezekiela ao amin’ilay fahitana faharoa momba ilay kalesy, fa kerobima izy ireo. (Ezekiela 10:1-11; 11:22) Eo amin’ny Ezekiela 10:14, dia nantsoiny hoe ‘tarehin-kerobima’ ilay tarehin’omby. Mety tsara izany satria matanjaka be ny omby, ary anjely matanjaka koa ny kerobima.

2:6—Nahoana i Ezekiela no antsoina matetika hoe “zanak’olona”? Niantso an’i Ezekiela toy izany i Jehovah mba hampahatsiahivana azy fa olombelona izy, ka tena tsy mitovy amin’ilay Andriamanitra nampitondra hafatra azy. Efa im-80 koa i Jesosy Kristy no antsoina hoe “Zanak’olona”, ao amin’ny Filazantsara. Manaporofo izany fa tena olombelona izy tetỳ an-tany, fa tsy anjely nitafy nofo.

2:9–3:3—Nahoana no mamy tamin’i Ezekiela ilay horonan-taratasy nanambara fitomaniana sy fidradradradrana? Ny toe-tsaina nentiny nanatanteraka ny asa nanirahana azy no nahatonga ilay horonan-taratasy ho mamy taminy. Nahafaly azy ny hoe mpaminanin’i Jehovah.

4:1-17—Tena nataon’i Ezekiela fampisehoana tokoa ve ny fahirano hanjo an’i Jerosalema? Nangataka tamin’i Jehovah i Ezekiela mba hovana ilay zavatra hatao kitay. Neken’i Jehovah izany. Porofo izany fa tena nataony tokoa ilay fampisehoana. Natory tamin’ny ilany havia izy nandritra ny 390 andro, mba hitondrany ny heloky ny fanjakan’ny foko folo. Naharitra 390 taona ny helok’io fanjakana io, nanomboka tamin’ny nisiany tamin’ny 997 T.K. ka hatramin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Natory tamin’ny ilany havanana kosa i Ezekiela nandritra ny 40 andro, mba hitondrany ny heloky ny Joda. Naharitra 40 taona ny helok’io fanjakana io, nanomboka tamin’ny nanendrena an’i Jeremia ho mpaminany tamin’ny 647 T.K. ka hatramin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Zara raha nihinana sy nisotro i Ezekiela nandritra ireo 430 andro ireo, mba hampahafantarana fa hisy mosary mandritra ilay fahirano.

5:1-3—Nasaina nanalan’i Ezekiela ny volo tokony haeliny eny amin’ny rivotra, ary nasaina nofonosiny tao amin’ny sisin-dambany. Inona no dikan’izany? Natao izany mba hampisehoana fa hisy sisa amin’ny Jiosy hiverina any Joda, ka hanaraka ny fivavahana marina indray, rehefa tapitra ny 70 taona naha lao ilay tany.—Ezekiela 11:17-20.

17:1-24—Iza ireo voromahery lehibe roa? Ahoana no nitangosana ny tendron’ny laingon’ilay sedera, ary iza ilay “tendron’ny laingony milenodenoka” nambolen’i Jehovah? Ny mpanjakan’i Babylona sy Ejipta no mifanitsy amin’ireo voromahery roa. Nankeo amin’izay avo indrindra tamin’ny rantsan’ilay sedera ilay voromahery voalohany, izany hoe nankeo amin’ny mpanjaka taranak’i Davida. Nitango ny laingon’ilay sedera io voromahery io, rehefa nanolo an’i Joiakina mpanjakan’i Joda tamin’i Zedekia. Efa nivoady i Zedekia fa tsy hivadika amin’ny mpanjakan’i Babylona, nefa mbola nila vonjy tamin’ilay voromahery faharoa ihany, dia ny mpanjakan’i Ejipta. Tsy nahomby anefa izany. Tsy maintsy hoentina ho babo izy, ary ho faty any Babylona. Ny Mesia Mpanjaka kosa no ‘tendron’ny laingon’ny sedera milenodenoka’, izay notangosan’i Jehovah. Namboleny tao amin’ny “tendrombohitra avo sy milangalanga” izy io, izany hoe tany amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. Ho lasa “sedera tsara indrindra” izy any, ka hitondra fitahiana ho an’ny tany.—Apokalypsy 14:1.

Lesona ho antsika:

2:6-8; 3:8, 9, 18-21. Tsy tokony hatahotra an’ireo ratsy fanahy isika, na hiahotra tsy hitory ny fampitandreman’Andriamanitra azy ireo. Tokony ho mafy toy ny diamondra isika, rehefa misy olona tsy miraharaha na manohitra antsika. Mila mitandrina anefa isika sao ho lasa tsy mangoraka, na mafy fo, na masiaka be. Nangoraka an’ireo olona nitoriany i Jesosy. Tokony hangoraka ny olona koa isika, ka hitory aminy.—Matio 9:36.

3:15. Nipetraka tany Tel-abiba i Ezekiela, taorian’ny nahafantarany ny asa nanendrena azy. ‘Tahaka ilay torana iny izy nandritra ny hafitoana’, na talanjona, raha araka ny teny hebreo tany am-boalohany. Nanam-potoana hisaintsainana ilay hafatra tokony hambarany àry izy. Tokony hanokana fotoana hianarana tsara sy hisaintsainana ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly koa isika, mba hahatakarana azy ireny.

4:1–5:4. Nila nanetry tena sy naneho herim-po i Ezekiela, mba hanaovana ireo fampisehoana roa momba izay hanjo an’i Jerosalema. Tokony hanetry tena sy hahery fo koa isika, rehefa manatanteraka izay asa rehetra asain’Andriamanitra ataontsika.

7:4, 9; 8:18; 9:5, 10. Tsy tokony hitsetra na hangoraka an’ireo iharan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra isika.

7:19. Tsy hahavita na inona na inona ny vola rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ity tontolo ity i Jehovah.

8:5-18. Mandrava ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra ny fivadiham-pinoana. ‘Ny vavan’ny mpihatsaravelatsihy [na mpivadi-pinoana] no animbany ny namany.’ (Ohabolana 11:9) Tsy tokony ho ao an-tsaintsika akory ny hoe hihaino ny mpivadi-pinoana.

9:3-6. Mila manana marika isika mba ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” Inona io marika io? Izany dia ny porofo fa mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena sy vita batisa isika, ary manana ny toetran’i Kristy. (Matio 24:21) Ny Kristianina voahosotra no mifanitsy amin’ilay lehilahy mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra. Mitarika ilay asa fanisiana marika izy ireo, izany hoe ny asa fitoriana sy fampianarana. Tsy maintsy mazoto manampy azy ireo amin’io asa io isika, raha tiantsika ny hanana hatrany ilay marika.

12:26-28. Tsy maintsy nilaza toy izao i Ezekiela, na dia tamin’ireo olona naniratsira ny hafatra nentiny aza: ‘Tsy hisy hajanona ela intsony ny tenin’i Jehovah, fa ny teny izay lazainy dia hotanterahiny.’ Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika, mba hanampiana ny hafa hitoky amin’i Jehovah alohan’ny handringanany an’ity tontolo ity.

14:12-23. Miankina amin’ny ezaka ataon’ny tsirairay no hahavoavonjy azy. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany ho azy.—Romanina 14:12.

18:1-29. Isika no tompon’andraikitra amin’ny vokatry ny ataontsika.

“HAVADIKO, HAVADIKO, HAVADIKO IZANY”

(Ezekiela 20:1–24:27)

Tamin’ny 611 T.K., taona fahafito nahababo ny Israely, dia nanatona an’i Ezekiela ireo loholon’ny Israely “mba hanontany amin’i Jehovah.” Notantarain’i Ezekiela tamin’izy ireo ny fikomian’ny Israely hatrany am-boalohany. Nampitandrina azy ireo izy avy eo, fa ‘hotsoahan’i Jehovah amin’ny tranony ny sabany’, mba hamelezana azy ireo. (Ezekiela 20:1; 21:8) Hoy i Jehovah tamin’ny mpanjakan’ny Israely (Zedekia): “Hesorina ny hamama, ary halàna ny satroboninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo. Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa [dia i Jesosy Kristy], ka homeko azy izany.”—Ezekiela 21:31, 32.

Meloka i Jerosalema. Naharihary ny helok’i Ohola (Israely) sy Oholiba (Joda). Efa natolotra “ho eo an-tànan’ireo lehilahiny [i Ohola], dia eo an-tànan’ny Asyriana.” (Ezekiela 23:9) Efa antomotra koa ny fandravana an’i Oholiba. Nanomboka natao fahirano i Jerosalema tamin’ny 609 T.K., ary naharitra herintaona sy tapany izany. Ho ankona tanteraka ny Jiosy, ka tsy hahavita haneho ny alahelony intsony, rehefa ho rava ilay tanàna. Tsy tokony hanambara ny hafatr’Andriamanitra amin’ireo babo i Ezekiela, raha tsy efa naharay vaovao momba ny faharavan’i Jerosalema avy amin’ny ‘olona nandositra’ avy any.—Ezekiela 24:26, 27.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

21:8—Inona ilay “sabatra” hotsoahan’i Jehovah amin’ny tranony? I Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny no “sabatra” nampiasain’i Jehovah hampiharana ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema sy Joda. Mety ho anisan’ny “sabatra” nampiasainy koa ny fandaminany any an-danitra ahitana ireo anjely mahery.

24:6-14—Inona ilay harafesina tamin’ilay vilany? Noharina tamin’ny vilany i Jerosalema tamin’izy natao fahirano. Ny faharatsiana nanjaka tao no mifanitsy amin’ilay harafesina. Anisan’izany ny fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra, ary ny vonoan’olona. Tsy afaka ny harafesina tamin’ilay vilany na dia nesorina aza ny zavatra tao anatiny, ary natao teo ambony vainafo ilay izy mba hahamay be. Midika izany fa be loatra ny faharatsiana tao amin’ilay tanàna.

Lesona ho antsika:

20:1; 20:49. Hita avy amin’ny tenin’ireo loholon’ny Israely, fa tsy nino izay nolazain’i Ezekiela izy ireo. Enga anie isika tsy hanao toa azy ireo, fa hino hatrany ny fampitandreman’Andriamanitra.

21:23-27. Nanao sikidy na nanontany tamin’ny demonia i Nebokadnezara, talohan’ny hanafihany. Tsy ny demonia anefa, raha ny marina, no nandefa azy ho any Jerosalema fa i Jehovah. Hita avy amin’izany fa tsy mahavita na inona na inona manoloana ny fikasan’i Jehovah ny demonia.

22:6-16. Halan’i Jehovah ny fanendrikendrehana, fitondran-tena mahamenatra, fanamparam-pahefana, ary ny fandraisana kolikoly. Tokony ho tapa-kevitra tanteraka tsy hanao an’ireo isika.

23:5-49. Nanao fifanekena ara-politika tamin’ny firenen-kafa ny Israely sy Joda, ka lasa nanaraka ny fivavahan-dison’izy ireny. Aoka àry isika tsy hifandray akaiky amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa mety hanimba ny finoantsika izany.—Jakoba 4:4.

Hafatra velona sy mahery

Nandraisantsika lesona tena tsara tokoa ireo toko 24 voalohany ao amin’ny bokin’i Ezekiela! Hitantsika, ohatra, hoe inona no tsy ankasitrahan’Andriamanitra, ahoana no ahazoantsika ny famindram-pony, ary nahoana isika no tokony hampitandrina ny ratsy fanahy. Hita avy amin’ny faminaniana momba ny fandravana an’i Jerosalema koa, fa Andriamanitra ‘manambara zava-baovao’ amin’ny vahoakany i Jehovah, na dia “tsy mbola miposaka aza ireny.”—Isaia 42:9.

Nilaza ny Ezekiela 17:22-24 sy 21:31, 32, fa haorina any an-danitra ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy ho ela dia hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany io fanjakana io. (Matio 6:9, 10) Mino sy matoky tanteraka isika fa hitondra fitahiana izy io, ary afaka miandrandra izany isika. “Velona sy mahery” tokoa “ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 12]

Inona ilay kalesy any an-danitra?

[Sary, pejy 14]

Tsy maintsy mazoto mitory isika, raha te hanana hatrany ilay “marika”