Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatanjaka Finoana ny Fianarana Baiboly

Manatanjaka Finoana ny Fianarana Baiboly

Manatanjaka Finoana ny Fianarana Baiboly

“NANANA tombontsoa tsy hay tombanana tokoa izahay tao anatin’izay dimy volana izay, satria nandinika akaiky ny fomba fisainan’ny Mpamorona sy nianatra ny hitovy fomba fihevitra aminy!” Izany no nomarihin’ny solontenan’ny kilasy faha-122 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny andro fizarana diplaoma, ny 10 Martsa 2007. Andro iray tsy hay hadinoina izy io ho an’ireo mpianatra 56, izay hanomboka tsy ho ela ny asa misionera, any amin’ny tany 26 nanendrena azy.

Nafana fo tokoa i Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa niarahaba an’ireo mpanatrika 6 205, ary nilaza hoe: “Matoky izahay fa hanatsara ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra sy hanatanjaka ny finoanareo izao fandaharana izao.” Nampiditra mpandahateny efatra nifanesy izy avy eo. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy tokoa ny fampaherezana sy torohevitra ara-baiboly nomen’ireo rahalahy ireo, mba hanampiana ny mpianatra hahomby amin’ny asany.

Nampirisihina hanatanjaka ny finoan’ny hafa

“Manaova ny Tsara Hatrany.” Io no lahateny nataon’i Leon Weaver, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nampahatsiahy an’ireo mpianatra izy fa efa nanompo manontolo andro nandritra ny 13 taona teo ho eo izy ireo. Nampirisika ny olona hianatra Baiboly izy ireo tamin’izany, mba hananan’ireny olona ireny finoana matanjaka. Hoy izy: “Tsara io asa io satria mamonjy ain’olona maro, ary indrindra indrindra, satria midera an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.” Nampirisika ny mpianatra ny Rahalahy Weaver avy eo mba hanohy ‘hamafy ho an’ny fanahy’, ary tsy “halaky ho kivy rehefa manao ny tsara.”—Galatianina 6:8, 9.

Nanome torohevitra azo ampiharina i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa namelabelatra an’ilay lahateny hoe “Ataovy Tsara Fiandohana ny Asanareo.” Ahoana no hanaovan’izy ireo izany? Nampirisika an’ireo misionera vaovao ny Rahalahy Splane hoe: “Ny lafy tsaran-javatra foana jerena. Aza maika hanatsoaka hevitra. Aoka ianareo ho sariaka. Aza tia manakiana. Manetre tena ary hajao ireo rahalahy eo an-toerana.” Nilaza izy avy eo hoe: “Raha vao manitsaka ny toerana nanendrena anareo ny tongotrareo, dia ataovy tsara fiandohana ny asanareo. Jehovah anie hitahy anareo noho ianareo mitondra ‘teny soa mahafaly.’ ”—Isaia 52:7.

“Lova Azo Antoka” no lahateny nataon’i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada. Nampahatsiahy an’ireo mpianatra izy fa natsangana tamin’ny Ady Lehibe II ny Sekolin’i Gileada, noho ny fatokiana fa tsy maintsy ho tanteraka ny Teny ara-paminanian’i Jehovah. (Hebreo 11:1; Apokalypsy 17:8) Nanampy an’ireo mpianatra mba hanatanjaka ny finoany io sekoly io nanomboka teo. Mandrisika an’ireo nahazo diplaoma mba hazoto hitory ny fahamarinana izany finoana izany.

Nandray ny fitenenana avy eo i Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada. Tena nanitikitika ny saina ilay lahateny nataony hoe “Mampahatsiaro Ahy Olona Iray Ianareo.” Nisarika ny saina ho amin’ny ohatra navelan’i Elisa mpaminany izy. Nampiseho finoana sy herim-po mantsy i Elisa teo amin’ny asa nanendrena azy. Niorina tamin’ny 1 Mpanjaka 19:21 ny fanazavan’ny Rahalahy Noumair. Hoy izy: “Vonona hanao fanitsiana teo amin’ny fiainany i Elisa. Vonona hampandefitra ny tombontsoany manokana sy hanohana ny fikasan’i Jehovah koa izy.” Nidera ny mpianatra ny Rahalahy Noumair noho izy ireo nanana toe-tsaina mitovy amin’izany. Nampirisika azy ireo koa izy mba hanao toy izany hatrany eo amin’ny asa vaovao hanendrena azy ireo.

Sahy miteny noho ny finoana

Tsy vitan’ny hoe nanatanjaka ny finoany fotsiny ireo mpianatra, fa nanararaotra ny faran’ny herinandro koa mba hitoriana ny vaovao tsara. Nahita zavatra nahafinaritra izy ireo tamin’izany. Notantaraina sy natao fampisehoana izany nandritra ilay lahateny hoe “Mino Isika ka Miteny.” Nampahatsiahy ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 4:13 io lahateny io, izay novelabelarin’i Wallace Liverance, mpampianatra ao Gileada.

Taorian’izay, dia nanadinadina rahalahy efa misionera taloha sy rahalahy mbola misionera i Daniel Barnes sy Charles Woody, anisan’ny fianakavian’ny Betela. Nasongadina tamin’izany fa mitahy sy mikarakara an’ireo manompo azy amim-pahatokiana i Jehovah. (Ohabolana 10:22; 1 Petera 5:7) Hoy ny misionera iray: “Tena tsapanay mivady tamin’ilay fianarana nataonay tao Gileada fa mikarakara anay i Jehovah. Nanatanjaka ny finoanay tokoa izany. Ilaina ny finoana satria handalo fitsapana sy zava-tsarotra ary toe-javatra mampitebiteby ny mpanompon’i Jehovah rehetra, anisan’izany ny misionera.”

Tohizo foana ny fampianarana Baiboly manatanjaka finoana

Nety tsara ny namaranana ny fandaharana tamin’ilay lahateny hoe “Hatanjaho Hatrany ny Rahalahinareo.” I Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no namelabelatra azy io. Inona moa no zava-kendrena tamin’ilay fianarana? Hoy ny Rahalahy Herd: “Nampiofanina ianareo mba hampiasa ny lelanareo hiderana an’i Jehovah, sy hampianarana ny fahamarinana any amin’ny faritany vaovao hanendrena anareo, ary hanatanjahana ny mpiray finoana aminareo.” Nampahatsiahiviny anefa ireo mpianatra fa mety hampiely zavatra tsy mampahery ihany koa ny lela. (Ohabolana 18:21; Jakoba 3:8-10) Nampirisika azy ireo izy mba hanahaka an’i Jesosy raha ny amin’ny fampiasana ny lela. Namaly toy izao ny mpianatr’i Jesosy indray andro, rehefa avy nihaino azy: “Tsy niredareda ve ny fontsika raha ... nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika [izy]?” (Lioka 24:32) Hoy ny Rahalahy Herd: “Hanohina ny fon’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny faritaninareo koa ianareo, raha milaza teny mampahery azy.”

Nozaraina amin’izay ny diplaoma avy eo, ary nisy taratasy fankasitrahana avy tamin’ny mpianatra novakina taorian’izay. Izao no nosoratan’izy ireo: “Tsapanay tokoa fa manana adidy izahay hampiasa ny zavatra nianaranay, mba hanatanterahana amin’ny fomba tsara ny asa misionera. Vonona izahay izao handeha hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Koa enga anie ny ezaka ataonay ka hampanakoako ny fiderana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra Lehibe.” Nirefodrefotra ny tehaka taorian’izay. Nanatanjaka ny finoan’ireo rehetra nanatrika tokoa ilay fandaharana!

[Teny notsongaina, pejy 17]

‘Hanohina ny fon’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny faritaninareo ianareo, raha milaza teny mampahery azy’

[Efajoro, pejy 15]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 9

Tany nanendrena: 26

Mpianatra: 56

Salanisan-taona: 33,4

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16,8

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13

[Sary, pejy 16]

Ny Kilasy Faha-122 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Howitt, R.; Smith, P.; Martinez, A.; Pozzobon, S.; Kitamura, Y.; Laud, C. 2) Fiedler, I.; Beasley, K.; Matkovich, C.; Bell, D.; Lippincott, W. 3) Sites, W.; Andersen, A.; Toevs, L.; Fusano, G.; Rodríguez, C.; Yoo, J. 4) Sobomehin, M.; Thomas, L.; Gasson, S.; Dauba, V.; Bertaud, A.; Winn, C.; Dobrowolski, M. 5) Yoo, J.; Dauba, J.; Mixer, H.; Newton, M.; Rodríguez, F.; Mixer, N. 6) Laud, M.; Lippincott, K.; Martinez, R.; Haub, A.; Schamp, R.; Pozzobon, L.; Toevs, S. 7) Howitt, S.; Kitamura, U.; Newton, D.; Haub, J.; Sites, J.; Thomas, D. 8) Sobomehin, L.; Matkovich, J.; Fusano, B.; Winn, J.; Schamp, J.; Andersen, D.; Dobrowolski, J. 9) Fiedler, P.; Bell, E.; Beasley, B.; Smith, B.; Bertaud, P.; Gasson, M.