Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly Portogey Voalohany Vokatry ny Fikirizana

Ny Baiboly Portogey Voalohany Vokatry ny Fikirizana

Ny Baiboly Portogey Voalohany Vokatry ny Fikirizana

“IZAY be fikirizana no hahomby.” Izany no hita eo amin’ny fonon’ny bokikely iray ara-pivavahana, nosoratan’i João Ferreira de Almeida, tamin’ny taonjato faha-17. Nanokana ny fiainany izy, mba handikana sy hamoahana ny Baiboly portogey voalohany. Mahalaza tsara ny toetrany àry ilay teny filamatra etsy ambony.

Teraka tamin’ny 1628 tany Torre de Tavares, tanàna kely any amin’ny faritra avaratr’i Portogaly, i Almeida. Kamboty mbola kely izy, ka ny dadatoany izay pretra tany Lisbonne, renivohitr’i Portogaly, no nitaiza azy. Nomena fampianarana tena tsara izy, araka ny fanao amin’ireo niofana ho pretra. Izany no nahatonga azy ho tena nahay fiteny maro, na dia mbola kely aza.

Tsy ho afaka nampiasa an’izany fahaizany manokana izany mba handikana Baiboly anefa i Almeida, raha nijanona tany Portogaly. Niely be tany Eoropa avaratra sy afovoany ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny olona andavanandro, noho ny Fanavaozana Protestanta. Nanjaka foana kosa ny Fivavahana Katolika tany Portogaly. Raha nisy olona nanana Baiboly tamin’ny fiteny andavanandro àry, dia nety ho nahatonga azy handalo fitsarana izany. *

Izany angamba no nahatonga an’i Almeida hifindra tany Holandy, tamin’izy vao 14 taona. Tsy ela taorian’izay, dia nandeha sambo nankany Azia izy, ka nandalo tany Batavia (Jakarta ankehitriny), any Indonezia. Tany no nisy ny foibem-pitondran’ny Fikambanana Holandey any Azia Atsimoatsinanana.

Mpandika teny mbola tanora

Nanova tanteraka ny fiainan’i Almeida ny tapany farany tamin’ny diany tany Azia. Nandeha sambo izy, niainga tany Batavia nankany Malacca (Melaka ankehitriny), any amin’ny faritra andrefan’i Malezia. Tamin’izay izy no sendra nahita bokikely protestanta nitondra ny lohateny hoe Fahasamihafan’ireo Fivavahana Kristianina (espaniola). Nampiharihary an’ireo fampianaran-dison’ny eglizy ilay bokikely. Izao no tena nampiaiky an’i Almeida tao: “Tsy handray soa mihitsy ny mpivavaka raha fiteny tsy hainy no ampiasaina any am-piangonana, na dia atao ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra aza izany.”—1 Korintianina 14:9.

Nazava tamin’i Almeida àry fa tokony hatao mora azon’ny rehetra izay lazain’ny Baiboly, mba hampiharihariana ny fivavahan-diso. Lasa nivavaka tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina Holandey izy, rehefa tonga tany Malacca. Nadikany avy hatrany tamin’ny teny portogey, ny ampahany sasany tamin’ny Filazantsara tamin’ny teny espaniola. Nozarainy “tamin’ireo olona tso-po naniry hahalala ny fahamarinana” izany. *

Vonona hanomboka asa goavana kokoa i Almeida, roa taona tatỳ aoriana. Nadikany avy tamin’ny Vulgate latinina ny Soratra Grika Kristianina manontolo, ary vitany tao anatin’ny herintaona latsaka ilay izy. Zava-bita miavaka tokoa izany ho an’ny tanora iray vao 16 taona! Be herim-po izy ka nalefany tany amin’ny governora jeneraly holandey tany Batavia ilay zavatra nadikany, mba hatao pirinty. Nalefan’ny Fiangonana Nohavaozina tany Amsterdam angamba izy io taorian’izay. Maty anefa ilay pasitera zokiolona nasaina nitahiry azy io, ka very ilay asan’i Almeida.

Nangataka an’ilay fandikan-tenin’i Almeida ny Fiangonana Nohavaozina tany Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), tamin’ny 1651. Hitany àry fa very ilay fandikan-teny voalohany nataony. Tsy kivy anefa izy. Nahita dikan-teny iray ihany izy, angamba ilay andrana nataony. Vitany tao anatin’ny herintaona ny fanavaozana ny dikan-tenin’ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly. Nanome vola 30 florins an’i Almeida ireo mpitantana ny Fiangonana Nohavaozina tany Batavia, ho valisoany. Hoy ny mpiara-miasa taminy: “Tsy mifandanja velively amin’ny asa goavana vitany io vola io.”

Nanohy ny asany foana i Almeida, na teo aza izany tsy fahaiza-mankasitraka izany. Nohavaoziny ny dikan-tenin’ny Testamenta Vaovao manontolo, tamin’ny 1654. Nokasaina hatao pirinty indray izy io, nefa tsy tanteraka izany. Sora-tanana vitsivitsy no mba natao ho an’ny fiangonana sasany.

Nomelohin’ny Fitsarana Katolika

Variana tamin’ny asan’ny mpitandrina sy misionera tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina i Almeida, nandritra ny folo taona nanaraka. Voatokana ho mpitandrina izy tamin’ny 1656, ary i Ceylan no toerana voalohany niasany. Saika voahitsaky ny elefanta izy tany. Nankany Inde izy tatỳ aoriana, ary anisan’ireo misionera protestanta voalohany tany.

Portogey i Almeida ka tokony ho Katolika. Lasa Protestanta niasa ho an’i Holandy anefa izy, ka noheverin’ny olona maro niteny portogey ho mpivadi-pinoana sy mpamadika. Nifandona matetika tamin’ireo misionera katolika koa izy. Sahy nanameloka ny fitondran-tena ratsin’ny mpitondra fivavahana mantsy izy, ary nampiharihary ny fampianaran-dison’ny eglizy. Nisy voka-dratsiny lehibe izany tamin’ny 1661. Nanameloka ho faty an’i Almeida ny Fitsarana Katolika tany Goa, noho izy nanohitra ny eglizy. Nanao sariolona nitovy taminy ny vahoaka, ary nodoran’izy ireo. Fantatry ny governora jeneraly holandey angamba fa olona tsy nanaiky lembenana i Almeida. Nasainy niverina tany Batavia àry izy, tsy ela taorian’izay.

Misionera be zotom-po i Almeida, nefa tsy hadinony mihitsy hoe nilaina ny Baiboly tamin’ny teny portogey. Vao mainka aza izy tapa-kevitra, rehefa niharihary fa samy tsy nahay Baiboly mihitsy, na ny mpitondra fivavahana na ny mpivavaka tsotra. Izao no nambaran’i Almeida, tao amin’ny sasin-tenin’ny trakta ara-pivavahana iray, tamin’ny 1668: ‘Manantena aho fa tsy ho ela dia hanao fanomezana lehibe ho anareo. Tsy inona izany fa ny Baiboly manontolo amin’ny fiteninareo. Io no harena sarobidy indrindra azon’ny olona omena anareo.’

Almeida sy ireo mpanao fanavaozana

Nomen’i Almeida an’ireo mpitantana ny fiangonana tany Batavia, ilay dikan-tenin’ny Testamenta Vaovao farany, mba hojeren’ny mpanao fanavaozana, tamin’ny 1676. Vao nanomboka anefa dia nisy disadisa teo aminy sy ireo mpanao fanavaozana. Nohazavain’i J. Swellengrebel, mpanoratra tantaram-piainana, fa niteny holandey ireo mpiara-miasa tamin’i Almeida, ka nisy hevi-teny sy fomba fanoratra tsy tena azon’izy ireo angamba. Niadiana hevitra koa ny fiteny tokony hampiasaina. Moa ve ny teny portogey fampiasa andavanandro no hofidina handikana ny Baiboly? Sa ilay fampiasan’ny olona nahita fianarana, nefa tsy mora azon’ny maro? Naniry mafy ny hamita ilay asa i Almeida, nefa niteraka adihevitra foana izany.

Tsy nandroso firy àry ilay izy, angamba noho izany tsy fitovian-kevitra izany, na satria tsy rototra ireo mpanao fanavaozana. Mbola niady hevitra momba ireo toko voalohandohany tamin’ny filazantsaran’i Lioka foana izy ireo, efa-taona tatỳ aoriana. Tezitra àry i Almeida, ka tsy niera fa tonga dia nalefany hatao pirinty tany Holandy, ilay zavatra nadikany.

Nanandrana nisakana izany ireo mpitantana ny fiangonana. Navoaka tany Amsterdam tamin’ny 1681 ihany anefa, ilay Testamenta Vaovao nadikan’i Almeida. Nisy vitsivitsy tamin’izany tonga tany Batavia, ny taona nanaraka. Diso fanantenana be anefa izy, rehefa nahita fa nisy zavatra betsaka tao amin’ny fandikan-teniny novan’ny mpanao fanavaozana tany Holandy! Tsy nahay teny portogey izy ireo, ka voamarik’i Almeida fa “dikan-teny nikaviavia sy diso tanteraka no nampidirin’izy ireo. Lasa tsy nazava izay tian’ny Fanahy Masina hampitaina.”

Tsy afa-po koa ny fanjakana holandey, ka nasainy nopotehina izay vita pirinty rehetra. Nangataka mba haka boky vitsivitsy ihany anefa i Almeida, ka hatao sora-tanana ny fanitsiana an’ireo fahadisoana tena lehibe. Ireo boky ireo no nampiasaina, mandra-pahavitan’ny fanavaozana nanaraka.

Nivory indray ny mpanao fanavaozana tany Batavia, mba hanohy ny asany momba ny Soratra Grika Kristianina. Nanomboka niasa tamin’ny Soratra Hebreo koa izy ireo, arakaraka izay fandikan-teny vitan’i Almeida. Natahotra anefa ireo mpitantana ny fiangonana sao ho maika loatra izy. Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hotehirizina tao am-piangonana ireo taratasy vita sonia, izay nisy ny dikan-teny farany. Mazava ho azy fa tsy nanaiky an’izany i Almeida.

Lasa narary anefa izy satria niasa mafy nandritra ny am-polony taona, sady tsy nahazaka toetany mafana. Tsy nanao ny asan’ny fiangonana intsony àry izy tamin’ny 1689, fa nifantoka tanteraka tamin’ny fandikana ny Soratra Hebreo. Nampalahelo fa maty i Almeida tamin’ny 1691. Nandika ny toko farany amin’ny Ezekiela izy tamin’izay.

Taloha kelin’ny nahafatesany no vita ny fanavaozana faharoa ny Testamenta Vaovao, ary navoaka tamin’ny 1693. Hita anefa fa hay novan’ireo mpanao fanavaozana tsy nahay indray io asan’i Almeida io. Hoy i Santos Ferreira tao amin’ilay bokiny hoe Ny Baiboly eto Portogaly (portogey): ‘Nanova zavatra betsaka tamin’ny asa tena tsara nataon’i Almeida, ny mpanao fanavaozana. Efa nanova koa anefa ny mpanao fanavaozana teo aloha. Simba tanteraka àry ny hakanton’ilay fandikan-teny.’

Vita ny Baiboly portogey

Rehefa maty i Almeida, dia tsy nisy nazoto hanavao sy hamoaka ny Baiboly portogey intsony, tany Batavia. Ny Fikambanana Mampandroso ny Fahalalana Kristianina any Londres, no nanome vola hanaovana ny fanontana fahatelo ny Testamenta Vaovao nadikan’i Almeida, tamin’ny 1711. Ny misionera danoà niasa tany Tranquebar, any amin’ny faritra atsimon’i Inde, no nangataka izany.

Io fikambanana io no nanapa-kevitra fa hasiana fanontam-pirinty tany Tranquebar. Sambo no nitondra ny fitaovana fanontam-pirinty sy Baiboly portogey maro be nankany Inde. Norobain’ny jiolahin-tsambo frantsay anefa izy io teny an-dalana, ary navelany tao amin’ny seranan’i Rio de Janeiro, any Brezila. Hoy i Santos Ferreira: “Noho ny antony tsy hay hazavaina, dia hita tao anaty lakaly ireo kesika nisy ny fitaovana fanontam-pirinty ary tsy simba. Fahagagana izany, hoy ny maro. Ilay sambo teo ihany no nitondra azy ireo hatrany Tranquebar.” Nohavaozin’ireo misionera danoà tamim-pitandremana ireo boky voadikan’i Almeida, ary nataony pirinty. Nivoaka tamin’ny 1751 ny Baiboly manontolo amin’ny teny portogey, izany hoe efa ho 110 taona taorian’ny nanombohan’i Almeida nandika ny Baiboly.

Vokatry ny fikirizana

Mbola kely i Almeida dia efa nahatakatra fa nilaina ny Baiboly portogey, mba hahalalan’ny sarambabem-bahoaka ny fahamarinana amin’ny fiteniny. Nanohitra azy ny Eglizy Katolika, tsy rototra ireo namany, toa tsy nisy farany ny olana momba ny fanavaozana, ary niharatsy ny fahasalamany. Nikiry nanatratra ny tanjony foana anefa izy, nandritra ny androm-piainany, ary novalian-tsoa ny fikirizany.

Nihavitsy ny olona niteny portogey tany amin’ny faritra nitorian’i Almeida, ary tsy hita intsony tatỳ aoriana. Mbola misy hatramin’izao kosa ny Baiboly nadikany. Nandritra ny taonjato faha-19, dia an’arivony ny Baibolin’i Almeida nozarain’ny fikambanana mampiely Baiboly amerikanina sy britanika ary vahiny, tany Portogaly sy ireo tanàna amoron-tsirak’i Brezila. Mbola anisan’ny be mpitia sy miely indrindra any amin’ny tany miteny portogey àry, ireo Baiboly nadika avy tamin’ny asan’i Almeida.

Tsy isalasalana fa maro no mankasitraka an’ireo mpandika Baiboly taloha, toa an’i Almeida. I Jehovah Andriamanitra anefa no tokony hankasitrahantsika bebe kokoa. ‘Sitrapony [mantsy] ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.’ (1 Timoty 2:3, 4) Izy, raha ny marina, no niaro ny Teniny sy nanao izay hahazoantsika azy io, mba hahasoa antsika. Enga anie isika hankamamy hatrany sy hazoto hianatra an’io “harena sarobidy indrindra” avy amin’ilay Raintsika any an-danitra io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nandrara mafy ny fampiasana ny Baiboly tamin’ny fiteny andavanandro ny Eglizy Katolika, tamin’ny 1550 tany ho any, rehefa namoaka ny Fanondroana Ireo Boky Voarara. Noho izany àry, dia “tsy nandika Baiboly intsony ny Katolika nandritra ny 200 taona nanaraka”, araka ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy).

^ feh. 8 Padre (Mompera) Almeida no iantsoana azy, ao amin’ireo Baiboly tranainy nadikany. Nino àry ny olona sasany fa pretra katolika izy. Diso anefa ny fampiasan’ireo mpampanonta holandey an’io teny io. Noheverin’izy ireo mantsy fa izany no niantsoana ny pasitera na mpitondra fivavahana protestanta.

[Efajoro/​Sary, pejy 21]

NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

Nandika ny Baiboly tamin’ny fomba marina tsara i Almeida. Anisan’ny manaporofo izany ny nampiasany ny anaran’Andriamanitra, mba handikana ireo Litera Hebreo Efatra.

[Sary nahazoan-dalana]

Cortesia da Biblioteca da Igreja de Santa Catarina (Igreja dos Paulistas)

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

OSEANA ATLANTIKA

PORTOGALY

Lisbonne

Torre de Tavares

[Sary, pejy 18]

Batavia tamin’ny taonjato faha-17

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny Oud en Nieuw Oost-Indiën, Franciscus Valentijn, 1724

[Sary, pejy 18, 19]

Testamenta Vaovao voalohany tamin’ny teny portogey, 1681

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Biblioteca Nacional, Portugal