Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Reseo Foana Amin’ny Tsara ny Ratsy”

“Reseo Foana Amin’ny Tsara ny Ratsy”

“Reseo Foana Amin’ny Tsara ny Ratsy”

“Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”—ROMANINA 12:21.

1. Nahoana no azo antoka fa afaka mandresy ny ratsy isika?

HO VITANTSIKA ve ny tsy hivadika, manoloana an’ireo manohitra mafy ny fivavahana marina? Ho vitantsika ve ny hanohitra an’ity tontolo ratsy ity tsy hitaona antsika hiverina any aminy? Eny no valiny! Nahoana? Satria nilaza toy izao ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Romanina 12:21) Tsy ho resin’ny ratsy isika, raha matoky an’i Jehovah sady tapa-kevitra ny tsy hanaiky ho resin’ity tontolo ity. Ankoatra izany, ilay teny hoe ‘reseo foana ny ratsy’, dia mampiseho fa afaka mandresy ny ratsy isika, raha miezaka mafy hatrany mba hanohitra azy io. Izay tsy mailo sy izay milavo lefona ihany no ho resin’ity tontolo ratsy ity sy Satana Devoly, mpitondra azy.—1 Jaona 5:19.

2. Inona no antony handinihantsika ny zava-nitranga sasany teo amin’ny fiainan’i Nehemia?

2 Manaporofo ny fahamarinan’ny tenin’i Paoly momba ny ady atao amin’ny ratsy, ny tantaran’ny mpanompon’Andriamanitra iray. Tsy iza izany fa i Nehemia, izay niaina 500 taona teo ho eo talohan’izay, tany Jerosalema. Vitany ny niatrika ny fanoheran’ireo tsy tia an’Andriamanitra, sy nandresy ny ratsy tamin’ny tsara. Inona no zava-tsarotra natrehiny? Inona no nanampy azy handresy? Ahoana no azontsika anahafana azy? Handinika ny zava-nitranga sasany teo amin’ny fiainan’i Nehemia isika, mba hamaliana izany. *

3. Nanao ahoana ny fiaraha-monina nisy an’i Nehemia? Inona no zavatra mahatalanjona vitany?

3 Niasa tao amin’ny lapan’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa i Nehemia. Tsy mpanompon’i Jehovah ny mpiara-belona taminy, nefa tsy nanaiky ‘hovolavolain’ny tontolo’ nisy tamin’izany izy. (Romanina 12:2) Nahafoy ilay fiainana nampiadana nananany izy, rehefa nisy nilana azy tany Joda. Nanao ilay dia sarotra nankany Jerosalema izy ary nanomboka asa goavana iray, dia ny fanorenana ny mandan’ilay tanàna. (Romanina 12:1) Governoran’i Jerosalema i Nehemia, nefa nifofotra niasa niaraka tamin’ny Israelita namany isan’andro, “hatramin’ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.” Vokatr’izany, dia tafatsangana tao anatin’ny roa volana monja ilay manda! (Nehemia 4:15; 6:15) Tena mahatalanjona ny nahavitan’ny Israelita izany, rehefa eritreretina ny zavatra isan-karazany nataon’ny mpanohitra. Iza no nanohitra an’i Nehemia, ary inona no tanjon’izy ireo?

4. Inona no tanjon’ny mpanohitra an’i Nehemia?

4 I Sanbala sy Tobia ary Gasema no tena nanohitra azy. Olona nanan-kaja nipetraka tsy lavitra an’i Joda ireo lehilahy ireo. Fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo, ka “sosotra loatra” rehefa fantany fa “tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’Isiraely” i Nehemia. (Nehemia 2:10, 19) Ny hisakana an’i Nehemia tsy hanorina ilay manda no masaka tao an-dohany, ary nanao teti-dratsy mihitsy izy ireo. ‘Nanaiky ho resin’ny ratsy’ ve i Nehemia?

“Tezitra sady sosotra loatra”

5, 6. a) Ahoana no nataon’ny fahavalon’i Nehemia, rehefa nahita ny nanorenana ilay manda? b) Nahoana i Nehemia no tsy natahotra ny mpanohitra?

5 Be herim-po i Nehemia, ka nanentana ny vahoaka hoe: “Andeha isika hanangana ny màndan’i Jerosalema.” Nanaiky ny vahoaka. Nitantara i Nehemia fa “nampahery ny tànany hanao izany soa izany” izy ireo, nefa tonga ny mpanohitra “nanaraby sy nanevateva ... nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha hianareo?” Tsy nampahatahotra an’i Nehemia anefa izany fanesoana sy fanendrikendrehana izany. Hoy kosa izy tamin’izy ireo: “Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony.” (Nehemia 2:17-20) Tapa-kevitra ny hanohy ilay asa tsara efa natombony i Nehemia.

6 “Tezitra sady sosotra loatra” i Sanbala, iray tamin’ny mpanohitra, ka vao mainka nanao vava be. Hoy izy naneso: “Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? ... Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo?” Nanampy trotraka i Tobia, nanao hoe: “Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin’izay atsangany, dia haharava ny mànda vato ataony.” (Nehemia 3:33-35) Ahoana no nataon’i Nehemia?

7. Inona avy no nataon’i Nehemia nanoloana ny fanendrikendrehan’ny mpanohitra?

7 Tsy noraharahain’i Nehemia fotsiny ilay fanesoana. Nankatò ny didin’Andriamanitra izy, ka tsy nitady hamaly faty. (Levitikosy 19:18) Nankininy tamin’i Jehovah ny raharaha, ary nivavaka izy hoe: “Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony.” (Nehemia 3:36) Natoky i Nehemia fa hotanterahin’i Jehovah ilay teniny hoe: “Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana.” (Deoteronomia 32:35) Nanohy ny fanorenana ilay manda foana koa izy sy ny vahoaka, fa tsy nanaiky ho voarebireby. “Tafakambana avokoa [ny manda] hatramin’ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.” (Nehemia 3:38) Tsy nahavita nampitsahatra ny fanorenana ny fahavalon’ny fivavahana marina! Ahoana no hanahafantsika an’i Nehemia?

8. a) Ahoana no hanahafantsika an’i Nehemia rehefa misy mpanohitra manendrikendrika antsika? b) Mitantarà zavatra nitranga taminao na tantara renao, mampiseho fa fahendrena ny tsy mamaly faty.

8 Mety haneso sy hanendrikendrika antsika ny mpanohitra any am-pianarana sy any am-piasana, ary eny fa na dia ao an-trano ihany aza. Matetika ny zavatra tsara indrindra tokony hatao manoloana izany, dia ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly hoe: “Ao ny andro anginana.” (Mpitoriteny 3:1, 7) Manahaka an’i Nehemia àry isika, ka tsy manao teny mandratra hamaliana an’ireny olona ireny. (Romanina 12:17) Mivavaka amin’Andriamanitra koa isika, ary matoky ny teniny hoe: “Izaho no hamaly.” (Romanina 12:19; 1 Petera 2:19, 20) Amin’izay isika dia tsy ho voarebirebin’ny mpanohitra hiala amin’ilay asa tsy maintsy ataontsika. Tsy inona izany fa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanaovana mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Isaky ny mandray anjara amin’ny fitoriana isika, ary tsy milavo lefona manoloana ny fanoherana, dia mampiseho fa mahatoky toa an’i Nehemia.

Norahonana ho faty

9. Inona no fihetsika nahery vaika nasehon’ireo fahavalon’i Nehemia? Ahoana no nataon’i Nehemia tamin’izany?

9 Ren’ireo fahavalon’ny fivavahana marina tamin’ny andron’i Nehemia, fa “voatsangana ny màndan’i Jerosalema.” Nandray ny sabany àry izy ireo, mba “hamely an’i Jerosalema.” Toa tsy nisy fanantenana ho an’ny Jiosy tamin’izay. Voahodidina i Jerosalema: Ny Samaritanina tany avaratra, ny Amonita tany atsinanana, ny Arabo tany atsimo, ary ny Asdodita tany andrefana. Toy ny hoe tapi-dalan-kaleha ireo mpanorina ny manda! Inona no nataon’izy ireo? “Nivavaka tamin’Andriamanitray izahay”, hoy i Nehemia. Nandrahona ny hamono azy ireo ho faty sy ‘hampitsahatra ny asa’ ny fahavalo. Nasain’i Nehemia niaro ny tanàna tamin’ny “sabatra sy lefona ary tsipìka” ireo mpanao ny manda, tamin’izay. Amin’ny olombelona aloha, dia toy ny atody miady amam-bato ny Jiosy nanoloana an’ireo tafika fahavalony. Hoy anefa i Nehemia: ‘Aza matahotra ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy.’—Nehemia 4:1-3, 5, 7, 8.

10. a) Nahoana ireo fahavalo no tsy namely ny Jiosy indray? b) Inona avy no fepetra noraisin’i Nehemia?

10 Nitsimbadika tampoka anefa ny toe-javatra. Tsy namely azy ireo indray ny fahavalo. Nahoana? “Nofoanan’Andriamanitra ny heviny”, hoy i Nehemia. Fantany anefa fa mbola mety hahavanon-doza ihany ny fahavalo. Mailo àry izy, ka nasainy nanova ny fomba fiasany ireo mpanorina ny manda. “Samy niasa tamin’ny tànany anankiray” izy ireo nanomboka hatreo, ary “nitan-defona kosa ny tànany anankiray.” Nanendry olona iray ho “mpitsoka ny anjomara” koa i Nehemia, mba hampandrenesana ny mpiasa raha sendra manafika ny fahavalo. Mbola zava-dehibe noho izany aza, fa nanome toky ny vahoaka izy hoe: “Andriamanitsika no hiady ho antsika.” (Nehemia 4:9-14) Nanohy ny fanorenana ny vahoaka, rehefa nahazo fampaherezana, sady efa vonona hiatrika ny famelezan’ny fahavalo. Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io?

11. Inona no manampy ny tena Kristianina hiatrika ny zava-dratsy atao aminy, any amin’ny tany misy fandrarana? Ahoana no andresen’izy ireo ny ratsy amin’ny tsara?

11 Miatrika fanoherana mahery vaika ny tena Kristianina indraindray. Toy ny hoe tafika mitambatra ireo fahavalon’ny fivavahana marina any amin’ny tany sasany. Amin’ny olombelona, dia toy ny atody miady amam-bato ireo mpiray finoana amintsika, any amin’ireny tany ireny. Matoky anefa ireny Vavolombelona ireny fa ‘hiady ho azy ireo Andriamanitra.’ Matetika ireo enjehina noho ny finoany no mahatsapa fa mamaly ny vavaka ataony i Jehovah, ary ‘manafoana ny hevitry’ ny fahavalo mahery. Mbola mahita fomba hitoriana ny vaovao tsara foana ny Kristianina, na dia any amin’ireo firenena andrarana izany aza. Nanova ny fomba fiasany ireo mpanorina ny mandan’i Jerosalema. Mailo koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ka manova ny fomba fitoriny, rehefa misy manenjika azy ireo. Mazava ho azy fa tsy mampiasa fitaovam-piadiana izy. (2 Korintianina 10:4) Tsy mitsahatra mitory izy ireo, na dia misy mandrahona ny hampiasa herisetra aminy aza. (1 Petera 4:16) Be herim-po kosa ireo rahalahy sy anabavy ireo, ka ‘reseny amin’ny tsara foana ny ratsy.’

“Avia isika hihaona”

12, 13. a) Inona no tetika nataon’ny fahavalon’i Nehemia? b) Nahoana i Nehemia no tsy nanaiky hihaona tamin’ireo fahavalony?

12 Fanoherana an-kolaka indray no nampiasain’ny fahavalon’i Nehemia, rehefa hitany fa tsy nahomby ny famelezana mivantana. Tetika telo no nataon’izy ireo. Inona avy izany?

13 Voalohany, nanandrana namitaka an’i Nehemia izy ireo. Hoy izy ireo taminy: “Avia isika hihaona ao amin’izay vohitra anankiray amin’ny tany lemak’i Ono.” Teo anelanelan’i Jerosalema sy Samaria no nisy ny tanànan’i Ono. Nandroso hevitra ny hihaonan’i Nehemia aminy eo amin’io toerana io ny fahavalony, mba handaminana ilay tsy fifanarahana. Afaka nieritreritra i Nehemia tamin’izay hoe: ‘Mety mihitsy izany. Tsy aleo ve mifanazava, toy izay miady?’ Tsy nanao izany anefa i Nehemia. Hoy izy nanazava ny antony: “Nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.” Hitany ny hafetsen’izy ireo, ka tsy voafitaka izy. Inefatra izy no nilaza tamin’ny fahavalony hoe: “Tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?” Tsy nahomby ny ezaky ny fahavalo hampanaiky lembenana an’i Nehemia. Nifantoka tamin’ny fanorenana ny manda izy.—Nehemia 6:1-4.

14. Inona no nataon’i Nehemia rehefa nisy niampanga lainga azy?

14 Faharoa, nanely tsaho ny fahavalon’i Nehemia. Nampangain’izy ireo ho “mikasa hikomy” amin’i Artaksersesy Mpanjaka izy. Nilaza tamin’i Nehemia indray ry zareo hoe: “Avia isika hiara-mihevitra.” Mbola nanda ihany anefa i Nehemia, satria fantany ny tena notadiavin’izy ireo. Nanazava izy hoe: “Ta-hampahatahotra anay izy rehetra, ka hoy izy: Ho kivy amin’ny asa izy ka tsy hahatontosa.” Nabaribarin’i Nehemia amin’izay teto fa lainga ny fiampangan’ny fahavalony. Hoy izy: “Tsy marina izany zavatra lazainao izany, fa tao am-ponao ihany no namoronanao izany.” Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah koa i Nehemia, ary nivavaka hoe: ‘Ampaherezo ny tanako!’ Natoky izy fa hahavita hisakana ny teti-dratsin’ny fahavalo sy hanohy ny fanorenana ny manda, rehefa ampian’i Jehovah.—Nehemia 6:5-9.

15. Nampirisika an’i Nehemia hanao inona ny mpaminany sandoka iray? Nahoana i Nehemia no tsy nanaiky hanao izany?

15 Fahatelo, Israelita iray mpamadika indray no nampiasain’ny fahavalon’i Nehemia. Semaia no anarany, ary nasain’izy ireo nitarika an’i Nehemia handika ny Lalàn’Andriamanitra izy. Hoy i Semaia tamin’i Nehemia: “Andeha isika hiditra ao an-tranon’Andriamanitra ao anatin’ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy.” Nilaza i Semaia teo fa hisy hamono i Nehemia, ka tokony hiafina ao amin’ny tempoly izy raha tsy te ho faty. Tsy mpisorona anefa i Nehemia. Manota izy raha miafina ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Handika ny Lalàn’Andriamanitra ve izy, mba hamonjena ny ainy? Izao no navaliny: “Iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.” Nahoana i Nehemia no tsy voafitaka? Satria fantany fa na dia Israelita toa azy aza i Semaia, dia “tsy Andriamanitra no naniraka azy.” Tsy hampirisika azy handika ny Lalàn’Andriamanitra koa ny tena mpaminany. Mbola tsy nanaiky ho resin’ireo fahavalo ratsy fanahy ihany i Nehemia teo. Tsy ela taorian’izay, dia nanao tatitra izy hoe: “Vita tamin’ny roa amby dimam-polo andro ny mànda, dia tamin’ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ny volana Elola.”—Nehemia 6:10-15; Nomery 1:51; 18:7.

16. a) Inona no tokony hatao raha toa isika sendra namana sandoka, na mpanendrikendrika, na rahalahy sandoka? b) Ahoana no ampisehoanao fa tsy manaiky hampandefitra ny finoanao ianao ao an-trano, na any am-pianarana, na any am-piasana?

16 Toa an’i Nehemia, dia mety hiatrika fanoherana avy amin’ny namana sandoka, na mpanendrikendrika, na rahalahy sandoka isika. Hisy olona hitaona antsika hanaiky lembenana koa angamba. Mety hanandrana handresy lahatra antsika izy ireo hoe afaka manatratra tanjona toy ny an’ny olona rehetra eto amin’ity tontolo ity ihany isika, raha mampihena kely fotsiny ny zotom-pontsika ho an’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy manaiky lembenana anefa isika, satria ny Fanjakan’Andriamanitra no loha laharana eo amin’ny fiainantsika. (Matio 6:33; Lioka 9:57-62) Manely tsaho momba antsika koa ny mpanohitra. Ampangaina ho manohintohina ny Fitondrana isika, any amin’ny tany sasany, tsy misy hafa amin’ny niampangana an’i Nehemia ho mpikomy amin’ny mpanjaka. Nentina tany amin’ny fitsarana ny sasany amin’ny fiampangana toy ireny, ary voaporofo fa diso. Na hanao ahoana anefa na hanao ahoana hiafaran’ny raharaha tsirairay, dia mivavaka amin’i Jehovah isika sady matoky fa hitarika izany mifanaraka amin’ny sitrapony izy. (Filipianina 1:7) Mety ho avy amin’ireo mihambo ho manompo an’i Jehovah koa ny fanoherana. Nisy Jiosy nanandrana nandresy lahatra an’i Nehemia handika ny Lalàn’Andriamanitra, mba hamonjena ny ainy. Toy izany koa fa mety hisy Vavolombelona nivadi-pinoana hanandrana hitaona antsika hampandefitra ny finoantsika. Tsy mihaino ny mpivadi-pinoana anefa isika, satria fantatsika fa ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra no mamonjy ny aintsika, fa tsy ny fandikana azy ireny! (1 Jaona 4:1) Afaka mandresy ny ratsy rehetra tokoa isika, noho ny fanampian’i Jehovah!

Mitory ny vaovao tsara na eo aza ny ratsy

17, 18. a) Inona no tanjon’i Satana sy ireo mpanohana azy? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, ary nahoana?

17 Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ireo rahalahin’i Kristy voahosotra: “Izy ireo dia naharesy [an’i Satana] noho ... ny hafatra torin’izy ireo.” (Apokalypsy 12:11) Hitantsika eo fa mifandray mivantana ny hoe mandresy an’i Satana, izay fototry ny ratsy, sy ny hoe mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy mahagaga raha tsy amelan’i Satana ny sisa voahosotra sy ny “vahoaka be”, fa toheriny foana!—Apokalypsy 7:9; 12:17.

18 Hitantsika teo fa mampiasa fomba maro ny mpanohitra. Mety hanao vava be izy ireo, na hampiasa herisetra, na fanoherana an-kolaka. Iray ihany ny tanjon’i Satana amin’izany rehetra izany, dia ny hampitsahatra ny fitoriana. Tsy hahomby mihitsy anefa izy, satria manahaka an’i Nehemia ny vahoakan’Andriamanitra, ka tapa-kevitra ny ‘handresy foana ny ratsy amin’ny tsara.’ Ahoana no anaovany izany? Amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asa!—Marka 13:10; Romanina 8:31; Filipianina 1:27, 28.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Mba hahafantaranao ny mombamomba an’ireo zava-nitranga ireo, dia vakio ny Nehemia 1:1-4; 2:1-6, 9-20; 3:33–4:17; 6:1-15.

Tadidinao Ve?

• Inona no karazana fanoherana natrehin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny sy ankehitriny?

• Inona no tena tanjon’ny fahavalon’i Nehemia? Inona no tanjon’ny fahavalon’Andriamanitra ankehitriny?

• Inona no ataontsika, mba handresena foana ny ratsy amin’ny tsara?

[Fanontaniana]

[Efajoro/​Sary, pejy 29]

Lesona Ianarantsika avy Amin’ny Bokin’i Nehemia

Ny mpanompon’Andriamanitra dia misy

• maneso

• mandrahona

• mamitaka

Mampiasa fitaka ny

• namana sandoka

• mpanendrikendrika

• rahalahy sandoka

Mandresy ny ratsy ny mpanompon’Andriamanitra rehefa

• manohy foana ny asa nampanaoviny azy ireo

[Sary, pejy 27]

Nanorina ny mandan’i Jerosalema i Nehemia sy ny namany, na teo aza ny fanoherana nahery vaika

[Sary, pejy 31]

Tsy matahotra mitory ny vaovao tsara ny tena Kristianina