Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Samy Hafa Fiteny fa Tafaray Noho ny Fitiavana”

“Samy Hafa Fiteny fa Tafaray Noho ny Fitiavana”

“Samy Hafa Fiteny fa Tafaray Noho ny Fitiavana”

Efa ela ny olona no naniry hafahana sy hovonjena amin’ny fahoriana sy fijaliana. Ahoana no hiatrehantsika ny olana eo amin’ny fiainana? Mbola hisy ve ny fanafahana? Raha hisy izany, amin’ny fomba ahoana?

IZANY no noresahina nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny taon-dasa, izay nanomboka ny Mey 2006. Naharitra telo andro izy io, ary nitondra ny foto-kevitra hoe: “Akaiky ny Fanafahana!”

Natrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony avy any amin’ny firenena maro samihafa, ny sivy tamin’ireo fivoriambe ireo. Tamin’ny volana Jolay sy Aogositra 2006 no nanaovana azy ireo tany amin’ireto toerana ireto: Prague, renivohitry ny Repoblika Tseky; Bratislava, renivohitr’i Slovakia; Chorzów sy Poznań, any Polonina; * ary Dortmund, Francfort, Hambourg, Leipzig, Munich, any Alemaina. Mihoatra ny 313 000 ny fitambaran’ny mpanatrika an’ireo fivoriambe ireo.

Nanao ahoana ny mpanatrika nandritra ireo fivoriambe ireo? Ahoana no fahitan’ny olon-kafa an’ilay fandaharana? Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ny mpanatrika, rehefa vita ny fivoriambe?

Fanomanana

Tsy andrin’ireo Vavolombelona teo an-toerana sy avy any an-tany hafa ny fotoana hanaovana an’ilay fivoriambe, satria fantany fa tena hiavaka izy io. Asa be ny nandamina ny toerana hilasian’ireo vahiny. Vavolombelona efa ho 13 000 avy any Eoropa Atsinanana, ohatra, no nampiantranoin’ireo Vavolombelona poloney, tany Chorzów. Avy any amin’ireto toerana ireto ny solontena nanatrika io fivoriambe io: Armenia, Bélarus, Estonia, Etazonia, Géorgie, Kazakhstan, Kirghizistan, Letonia, Litoania, Moldavia, Ouzbékistan, Rosia, Tadjikistan, Turkménistan, ary Ukraine.

Tsy maintsy niomana aloha be ny ankamaroan’ireo solontena. Anisan’izany i Tatiana, mpitory manontolo andro mipetraka any Kamtchatka, saikinosy iray any Rosia. Herintaona no nanangonany vola hanaovana an’ilay dia. Tsy maintsy nandeha tamin’ny lalana 10 500 kilaometatra izy, mandra-pahatongany tany Chorzów. Nandeha fiaramanidina adiny dimy aloha izy, avy eo nandeha lamasinina nandritra ny telo andro latsaka kely, ary farany nandeha fiara nandritra ny 30 ora.

Olona an’arivony no nanolo-tena hanao asa an-tsitrapo talohan’ny fivoriambe, mba ho mendrika hanaovana fanompoana masina ny kianja sy ny manodidina azy. (Deoteronomia 23:15) Anisan’izany ireo Vavolombelona tany Leipzig, any Alemaina. Nodioviny tsara ilay kianja ary nampanantena izy ireo fa mbola hanao izany aorian’ilay fivoriambe. Tsy nasain’ny mpiandraikitra ny kianja nandoa an’ilay vola be tokony hisahanana ny fanadiovana àry izy ireo.

Fanasana

Nanao ezaka be ny fiangonana maneran-tany mba hampahafantarana an’ilay Fivoriambe “Akaiky ny Fanafahana!” Tena nazoto nandray anjara tamin’izany ny vahiny nanatrika an’ireo fivoriambe iraisam-pirenena ireo. Efa hariva be izy ireo vao nijanona, ny alakamisy alohan’ny fivoriambe. Nisy vokany ve ilay ezaka manokana?

Nihaona tamin’ny zokiolona iray i Bogdan, Vavolombelona poloney. Te hanatrika an’ilay fivoriambe tany Chorzów ilay rangahy, kanefa tsy ampy handoavana saran-dalana ny volany. Hita anefa fa mbola nisy toerana iray tao amin’ilay fiara nohofain’ny fiangonana teo an-toerana. Hoy i Bogdan: “Nilazanay ilay rangahy fa afaka mandeha maimaim-poana izy, raha tonga eo amin’ny toerana hiaingana amin’ny dimy sy sasany maraina.” Tonga tokoa izy ary nanatrika an’ilay fivoriambe. Nanoratra toy izao izy tatỳ aoriana: “Tapa-kevitra ny hiova aho, rehefa avy nanatrika an’iny fivoriambe iny.”

Nipetraka tao amin’ny hotely nisy an’ireo Vavolombelona avy any Grande-Bretagne ny lehilahy iray, tany Prague. Nilaza tamin’ireo Vavolombelona izy, indray takariva, fa avy nanatrika fivoriambe. Inona no nahatonga azy ho any? Nandeha izy satria fanasana folo avy tamin’ny mpitory samy hafa no azony teny an-dalana! Faly be izy ary te hianatra bebe kokoa.—1 Timoty 2:3, 4.

Fandaharana mampahery

Niresaka ny fomba hiatrehana olana isan-karazany ilay fandaharana. Tsotra sy mora azo ireo torohevitra avy ao amin’ny Soratra Masina nomena tany.

Nahazo fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ny zokiolona, ny marary, ireo namoy havan-tiana, ary ireo manana olana hafa. Nanampy azy ireo hanana fanantenana izany. (Salamo 72:12-14) Nahazo torohevitra koa ny mpivady mba hananany tokantrano sambatra, ary nampiana ny ray aman-dreny mba hahomby amin’ny fitaizan-janaka. (Mpitoriteny 4:12; Efesianina 5:22, 25; Kolosianina 3:21) Nahazo fanampiana koa ny tanora, mba tsy ho voatariky ny naman-dratsy sy ho afaka ‘handositra ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.’ Sahiran-tsaina mantsy ny tanora sasany, satria tsy mitovy ny torohevitry ny namany any an-tsekoly, sy ny torohevitra ara-baiboly omena azy any an-trano sy any am-pivoriana.—2 Timoty 2:22.

Tena mpirahalahy maneran-tany

Mahazo tari-dalana tsara avy ao amin’ny Soratra Masina foana ny Vavolombelon’i Jehovah, mandritra ny fivoriany. (2 Timoty 3:16) Hafa mihitsy anefa ireo fivoriambe ireo, satria nahitana olona avy amin’ny firenena maro. Nadika tamin’ny fiteny maro ny fandaharana mba hahasoa ny mpanatrika rehetra. Nisy lahateny nataon’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, isan’andro. Tena nahaliana koa ny tatitra avy any an-tany hafa.

Tsy andrin’ireo vahiny tonga tany ny hihaona tamin’ireo Vavolombelona avy any an-tany hafa. Hoy ny vahiny iray: “Tsy mampaninona na dia tsy mitovy aza ny fiteninay. Vao mainka aza izany nahatonga an’ilay fivoriambe hahafinaritra. Samy manana ny kolontsainay izahay, kanefa tafaray noho ny finoana.” Hoy ny mpanatrika fivoriambe tany Munich, momba izany: “Samy hafa fiteny fa tafaray noho ny fitiavana.” Samy hafa fiteny sy fiaviana tokoa ireo mpanatrika, kanefa samy nahatsapa fa nanana namana tena tia azy, dia ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina.—Zakaria 8:23.

Fanehoam-pankasitrahana

Hita fa tena nanana faharetana sy toe-tsaina tsara ireo vahiny tonga tany Polonina. Avy foana mantsy ny orana, ary nangatsiaka be koa ny andro satria 14 degre tany ho any ny maripana. Hoy ny rahalahy iray avy any Etazonia: “Mba efa ela ihany no nanatrehako fivoriambe, fa mbola tsy nahita andro ratsy sy nangatsiaka be toy iny mihitsy aho. Zara raha nisy niditra tamin’ny lohako ny fandaharana. Tsy nampaninona ahy anefa izany, satria tena nahafinaritra ilay fivoriambe, falifaly daholo ny olona, ary niavaka ny fandraisana anay vahiny. Tsy hohadinoiko mihitsy iny fivoriambe iny!”

Tsy hohadinoin’ireo Vavolombelona poloney mihitsy ilay filazana fa nivoaka tamin’ny fiteniny ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina. Novalian-tsoa tokoa ny fiaretan’izy ireo ny hatsiaka sy ny orana. Faly koa ny mpanatrika rehetra, rehefa nivoaka ilay boky vaovao hoe Asehoy eo Amin’ny Fiainanao fa Mitadidy ny Andron’i Jehovah Ianao.

Mbola nisy antony hafa koa nampiavaka an’iny fivoriambe iny. Nanolo-tena hanatitra vahiny vitsivitsy i Kristina, anabavy tseky. Hoy izy: “Nentin’ny rahavavy iray nihataka kely aho rehefa hifanao veloma izahay. Namihina ahy izy ary nilaza hoe: ‘Tena voakarakara tsara izahay! Naterinareo teny amin’ny toeranay mihitsy ny sakafo sy ny rano hosotroinay. Tena be fitiavana sy mahafoy tena ianareo. Misaotra indrindra!’ ” Ireo sakafo nomena ny vahiny teny amin’ny fivoriambe no tiany horesahina. Hoy ny rahalahy iray: “Mbola tsy nanao zavatra toy izany mihitsy izahay! Nandroso sakafo antoandro ho an’ny olona efa ho 6 500 izahay, isan’andro. Tena nampihetsi-po ny nahita olona maro vonona hanampy, anisan’izany ny ankizy.”

Hoy ny anabavy iray avy any Ukraine, izay nanatrika fivoriambe tany Chorzów: “Tena nanohina ny fonay ny fitiavana sy ny fiahiana ary ny fahalalahan-tanana nasehon’ireo mpiray finoana taminay. Tsy hitanay izay teny hilazana ny fankasitrahanay.” Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Polonina i Annika, ankizivavikely valo taona avy any Failandy. Hoy izy: “Nahafinaritra kokoa noho ny nieritreretako azy ilay fivoriambe. Tena tsara izany hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah izany, satria mana-namana manerana izao tontolo izao ianao.”—Salamo 133:1.

Ahoana hoy ny mpitazana?

Nentina nijery tanàna ny vahiny sasany, talohan’ny fivoriambe. Nijanona ireo vahiny nentina tany ambanivohitr’i Alemaina isaky ny nandalo Efitrano Fanjakana, ary niarahaba azy ireo tonga soa ny Vavolombelona teo an-toerana. Tena niaiky volana ilay mpitondra mpizaha tany, rehefa nahita fa tena mifankatia ireo rahalahy. Tsy Vavolombelona mantsy izy io. Hoy ny vahiny iray: “Hoy ilay mpitondra mpizaha tany rehefa niverina tany amin’ilay hotely nilasianay izahay: ‘Hafa mihitsy ianareo fa tsy mba toy ireo vahiny hafa nentiko. Maotina ny akanjonareo, ary narahinareo tsara izay toromarika nomena anareo. Nilamina tsara ianareo, ary tsy nisy niteny ratsy.’ Gaga be izy satria mifankahazo am-po avy hatrany izahay nefa samy hafa fiaviana.”

Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Filazam-baovao ny rahalahy iray, nandritra ny fivoriambe tany Prague. Hoy izy: ‘Nitsidika anay ny lehiben’ireo polisy nitandro ny filaminana, ny alahady maraina. Nilaza izy fa nilamina tsara ilay fivoriambe ka tsisy atao izy. Nolazainy koa fa nanontany azy momba an’ilay fivoriambe ny olona teo amin’ny manodidina. Nihivingivina, hono, izy ireo raha vao nandre an’ilay hoe “Vavolombelon’i Jehovah.” Nilaza tamin’izy ireo anefa ilay lehiben’ny polisy hoe: “Raha tsara fitondran-tena toy ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny olona, dia tsy hilaina intsony ny polisy.” ’

Maro no efa nafahana!

Mampihavana sy mampiray saina an’ireo olona samy hafa kolontsaina, ny Tenin’Andriamanitra. (Romanina 14:19; Efesianina 4:22-24; Filipianina 4:7) Voaporofo izany tamin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena “Akaiky ny Fanafahana!” Efa afaka amin’ireo olana maro fahita eto amin’ity tontolo ity ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa ho fongotra eo anivon’izy ireo ny fankahalana sy ny herisetra ary ny fanavakavaham-bolon-koditra, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika. Kely sisa dia tsy hisy an’ireny olana ireny intsony eto an-tany, ary miandrandra mafy an’izany fotoana izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsapan’izay nanatrika an’ireo fivoriambe iraisam-pirenena ireo, fa miray saina ny Vavolombelona na dia samy hafa fiaviana sy kolontsaina aza. Tena niharihary izany teo am-pifaranan’ny fivoriambe. Nitehaka ny rehetra, ary namihina an’ireo namany vaovao sady naka sary. (1 Korintianina 1:10; 1 Petera 2:17) Faly izy ireo ary niaiky fa efa akaiky ny fanafahana amin’ny fahoriana sy fijaliana. Niverina any amin’ny taniny sy ny fiangonany izy ireo, ary vao mainka tapa-kevitra hitana mafy ny “tenin’ny fiainana.”—Filipianina 2:15, 16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nampitaina tany amin’ireo fivoriambe enina hafa nanerana an’i Polonina sy ny fivoriambe iray tany Slovakia, ny lahatenin’ny mpandahateny mpitsidika.  

[Efajoro/​Sary, pejy 10]

Natao Tamin’ny Fiteny 26

Natao tamin’ny fiteny teo an-toerana ireo fivoriambe ireo. Nadika tamin’ny fiteny 18 ny lahateny tany amin’ireo fivoriambe tany Alemaina. Nadika tamin’ny teny arabo, espaniola, iranianina, portogey, ary rosianina ny fivoriambe tany Dortmund. Ny tany Francfort kosa nadika tamin’ny teny anglisy sy frantsay ary serba-kroaty. Ny tany Hambourg indray nadika tamin’ny teny danoà, holandey, soedoà, ary tamoul. Ny tany Leipzig nadika tamin’ny teny poloney sy sinoa ary tiorka, fa ny tany Munich kosa nadika tamin’ny teny grika sy italianina ary Tenin’ny Tanana Alemà. Natao tamin’ny teny anglisy sy rosianina ary tseky ny lahateny rehetra tany Prague. Nadika tamin’ny teny anglisy, hongroà, slovaky, ary Tenin’ny Tanana Slovaky ny fivoriambe tany Bratislava. Ny tany Chorzów indray nadika tamin’ny teny poloney, rosianina, ukrainien ary Tenin’ny Tanana Poloney. Ary ny tany Poznań natao tamin’ny teny failandey sy poloney.

Fiteny 26 izany raha atambatra! Samy hafa fiteny tokoa ireo mpanatrika, nefa tafaray noho ny fitiavana.

[Sary, pejy 9]

Faly ireo Kroaty namonjy fivoriambe tany Francfort fa nahazo ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” amin’ny fiteniny