Toetra Tena Ilain’ny Ankizy
Toetra Tena Ilain’ny Ankizy
MIASA ao amin’ny sekoly iray any Mendoza, Arzantina, i Gladys. Nandalo teo akaikin’ny efitra misy ny kilasy T4 izy, indray andro. Tsikariny fa namaky ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly * tamin’ny mpianatra, ilay mpampianatra tao. Nanatona an’ilay mpampianatra i Gladys ary nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka manoro azy ny fomba tsara indrindra azo ampiasana an’io boky io. Nampiaiky volana an’ilay mpampianatra ny soso-kevitr’i Gladys, ka nieritreritra ny hamaky tsy tapaka an’ilay boky tamin’ny mpianany izy. Tsy maintsy nangataka alalana tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly anefa izy. Nekena ny fangatahany, ka faly be izy.
Nisy andro iray natokana hampirisihana ny ankizy hamaky boky, taorian’izay. Nasain’ilay mpampianatra namaky toko iray tao amin’ilay boky teo anoloan’ny ankizy rehetra tao an-tsekoly, ny mpianany tsirairay. Nahafinaritra ny olona io andro manokana io, ka nasaina tamin’ny fandaharana iray tao amin’ny tele ilay mpampianatra. Anisan’ny noresahina nandritra ilay fandaharana ny fitondran-tenan’ny mpianatra. Nanontanian’ilay mpanolotra fandaharana ilay mpampianatra hoe: “Inona no ataonao, ka mahatonga ny mpianatrao ho hendry tsara?” Nilaza ilay mpampianatra fa amakiany boky iray mitondra ny lohateny hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly ny mpianany. Nanazava izy fa tsy entiny ampianarana fivavahana io boky io, fa ampianarana toetra tsara toy ny fanajana, fandeferana, firaisan-tsaina, fitiavana miara-miasa, fankatoavana, ary fitiavana. Niara-nanaiky avokoa izay nandray anjara tamin’ilay fandaharana, fa toetra tena ilain’ny ankizy ianarana ireo.
Tianao hampianarina ireo toetra tsara ireo koa ve ny zanakao? Angataho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ilay boky tena mahaliana hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.