Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Fiaretana eo Am-piandrasana ny Andron’i Jehovah

Manàna Fiaretana eo Am-piandrasana ny Andron’i Jehovah

Manàna Fiaretana eo Am-piandrasana ny Andron’i Jehovah

‘Ampio fiaretana ny finoanareo.’—2 PETERA 1:5, 6.

1, 2. Inona no atao hoe fiaretana, ary nahoana no mila azy io ny Kristianina?

EFA tena akaiky ny andro lehiben’i Jehovah. (Joela 1:15; Zefania 1:14) Tapa-kevitra ny tsy hivadika aminy isika Kristianina, ka miandry fatratra ny fotoana hanamarinana ny zony hitondra. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia ankahalaina sy omena tsiny ary enjehina noho ny finoantsika isika. Misy aza miatrika fahafatesana. (Matio 5:10-12; 10:22; Apokalypsy 2:10) Mitaky fiaretana izany. Ny fahaizana misetra zava-tsarotra no atao hoe fiaretana. Mampirisika antsika toy izao ny apostoly Petera: ‘Ampio fiaretana ny finoanareo.’ (2 Petera 1:5, 6) Mila fiaretana isika, satria hoy i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 24:13.

2 Miatrika aretina sy alahelo noho ny famoizana havan-tiana, ary fitsapana hafa koa isika. Ho faly tokoa i Satana raha miala amin’ny finoantsika isika! (Lioka 22:31, 32) Ampian’i Jehovah anefa isika, ka afaka miaritra fitsapana isan-karazany. (1 Petera 5:6-11) Porofoin’ny zava-misy fa afaka miandry ny andron’i Jehovah amim-piaretana isika, sady manana finoana matanjaka foana. Diniho ireto fitantarana vitsivitsy ireto.

Tsy nahasakana azy ireo ny aretina

3, 4. Afaka manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana isika, na eo aza ny aretina. Manomeza ohatra.

3 Marina fa tsy manasitrana antsika amin’ny fomba mahagaga Andriamanitra ankehitriny. Omeny tanjaka kosa anefa isika mba hahafahana hiaritra aretina. (Salamo 41:1-3) Hoy i Sharon: ‘Mbola tena kely aho, dia efa tsaroako hoe tsy nisaraka tamin’ny seza misy kodiarana. Vao teraka aho mantsy no tratran’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha, ka tsy mba afaka nifaly toy ny ankizy rehetra.’ Nanana fanantenana i Sharon rehefa nianatra momba an’i Jehovah sy ny fampanantenany fahasalamana tonga lafatra. Mahita fifaliana izy rehefa manompo, na dia sarotra aminy aza ny miteny sy mandeha. Hoy izy, 15 taona lasa izay: ‘Mbola mety hiharatsy ny fahasalamako, nefa ny fatokisako an’Andriamanitra sy ny fifandraisako aminy no tokin’aina ho ahy. Sambatra tokoa aho eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah sy tohanany hatrany!’

4 Nampirisika ny Kristianina tany Tesalonika ny apostoly Paoly mba “hanao teny mampahery ny kivy.” (1 Tesalonianina 5:14) Mety hiteraka fahakiviana be ny fahadisoam-panantenana lalina. Hoy i Sharon tamin’ny 1993: ‘Nahatsapa aho hoe tena tsy nahomby, ka resin’ny fahakiviana lalina nandritra ny telo taona. Nampahery sy nanome torohevitra ahy ny anti-panahy. Be fitiavana i Jehovah ka nanome ahy fanazavana momba ny fahakiviana lalina, tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Mikarakara ny vahoakany tokoa izy, ary takany ny fihetseham-pontsika.’ (1 Petera 5:6, 7) Mbola manompo amim-pahatokiana i Sharon, eo am-piandrasana ny andro lehiben’i Jehovah.

5. Inona no manaporofo fa afaka miaritra ny Kristianina tratran’ny adin-tsaina mafy?

5 Misy Kristianina mijaly noho ny adin-tsaina mafy vokatry ny zavatra niainany taloha. Nahita ady nahatsiravina, ohatra, i Harley tamin’ny Ady Lehibe II, ka lasa nanonofy ratsy momba izany. Niantsoantso toy izao izy, rehefa natory: “Tandremo! Tandremo!” Kotsan’ny hatsembohana izy rehefa nifoha. Afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’ny tari-dalan’Andriamanitra anefa izy, ka tsy nanonofy ratsy matetika intsony, rehefa nandeha ny fotoana.

6. Ahoana no niatrehan’ny Kristianina iray ny olana ara-pihetseham-po nahazo azy?

6 Tratran’ny aretina mifandray amin’ny fihetseham-po ny Kristianina iray, ka tena tsy mora taminy ny nitory isan-trano. Nikiry nitory ihany anefa izy, satria fantany fa hahavonjy ny ainy sy ny an’ireo mihaino azy izany. (1 Timoty 4:16) Tsy vitany akory aza indraindray ny nandondona varavarana. Hoy anefa izy: “Voafehiko ny fihetseham-poko rehefa afaka kelikely, ka nankeo amin’ny varavarana manaraka aho ary nanandrana indray. Nitory hatrany aho, ka afaka nifandray tsara foana tamin’Andriamanitra.” Tsy mora tamin’io rahalahintsika io koa ny nanatrika fivoriana, nefa niaiky izy fa mahasoa ny miaraka amin’ny mpiray finoana. Niezaka araka izay azo atao àry izy mba ho tonga foana.—Hebreo 10:24, 25.

7. Matahotra ny hiteny ampahibemaso na hanatrika fivoriana ny olona sasany, nefa ahoana no ampisehoany fa miaritra izy?

7 Misy indray Kristianina tratran’ny tahotra mampihorohoro manoloana ny zavatra sasany. Ny miteny ampahibemaso na ny manatrika fivoriana mihitsy aza angamba no mety hampahatahotra azy. Tena tsy maintsy ho mafy aminy ny hanome valin-teny any am-pivoriana, na hanao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana! Miaritra anefa izy ireny, ary tena mampahery antsika ny mahita azy tonga mivory sy mandray anjara.

8. Inona no mandaitra indrindra rehefa miatrika olana ara-pihetseham-po?

8 Mety hila hiala sasatra sy hatory bebe kokoa ny olona manana olana ara-pihetseham-po, mba hahafahany hiaritra. Mety hila hanatona dokotera koa izy. Ny fianteherana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka anefa no mandaitra indrindra. Hoy ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” Aoka àry ianao ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fonao’ manontolo.—Ohabolana 3:5, 6.

Miaritra alahelo noho ny famoizana havan-tiana

9-11. a) Inona no hanampy antsika hiaritra alahelo, rehefa misy olon-tsy fointsika nodimandry? b) Nahoana no afaka manampy antsika hiaritra alahelo ny ohatr’i Ana?

9 Alahelo be no vokany, rehefa misy mpianakavy nindaosin’ny fahafatesana. Nitomany, ohatra, i Abrahama rehefa maty i Saraha vady malalany. (Genesisy 23:2) Na i Jesosy lehilahy lavorary aza ‘nirotsa-dranomaso’, rehefa maty i Lazarosy namany. (Jaona 11:35) Ara-dalàna àry ny fahatsapana alahelo rehefa misy olon-tsy foy nodimandry. Fantatry ny Kristianina anefa fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 24:15) Noho izany, dia tsy ‘malahelo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana’ izy ireo.—1 Tesalonianina 4:13.

10 Ahoana no hiatrehana alahelo toy izany? Mety hanampy antsika ity fanoharana ity: Mazàna isika no tsy malahelo ela be rehefa misy namana nanao dia lavitra, satria mbola manantena ny hahita azy. Mety ho maivamaivana ny alahelontsika, raha heverintsika ho toy ny nanao dia lavitra toy izany ny Kristianina mahatoky nodimandry. Azontsika antoka mantsy fa hatsangana amin’ny maty izy.—Mpitoriteny 7:1.

11 Hanampy antsika hiaritra alahelo ny fianteherana tanteraka amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Korintianina 1:3, 4) Hanampy antsika koa ny fieritreretana ny zavatra nataon’i Ana, ilay mpitondratena tamin’ny taonjato voalohany. Maty vady izy raha vao fito taona monja no nanambadiany. Mbola nanao fanompoana masina ho an’i Jehovah tao amin’ny tempoly anefa izy, tamin’izy 84 taona. (Lioka 2:36-38) Tsy isalasalana fa nanampy azy hiatrika ny alahelony sy ny fahatsiarovana ho manirery ny fahafoizan-tena toy izany. Afaka manampy antsika hiaritra ny vokatry ny famoizana havan-tiana ny fanaovana asa kristianina tsy tapaka, anisan’izany ny fitoriana.

Miatrika fitsapana samihafa

12. Fitsapana inona no iaretan’ny Kristianina sasany ao an-tokantrano?

12 Tsy maintsy miaritra fitsapana ao an-tokantrano ny Kristianina sasany. Mety ho ratsy be, ohatra, ny vokany raha manitsakitsa-bady ny iray amin’ny mpivady! Mety tsy hahita tory sy tsy hahafehy ny ranomasony ilay vady tsy manan-tsiny, noho ny fahatairana sy ny alahelo. Mety hampiady saina azy na dia ny fanaovan-javatra tsotra aza, hany ka hanao zavatra tsy mety na hahitan-doza izy. Mety tsy hahinan-kanina sy hihamahia ary hanana olana ara-pihetseham-po izy. Mety ho sarotra aminy ny hanao asa kristianina. Tsy lazaina intsony izay mety hanjo ny ankizy!

13, 14. a) Inona no fampaherezana azonao avy amin’ilay vavak’i Solomona? b) Nahoana isika no mivavaka mba hahazoana ny fanahy masina?

13 Omen’i Jehovah ny fanampiana ilaintsika isika, rehefa miatrika fitsapana toy izany. (Salamo 94:19) Mihaino ny vavaky ny mpanompony izy, araka ny asehon’ny vavaka nataon’i Solomona Mpanjaka tamin’ny fitokanana ny tempoly. Hoy izy: “Izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,—dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra), mba hatahorany Anao amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.”—1 Mpanjaka 8:38-40.

14 Tena hanampy antsika ny mivavaka hatrany mba hahazoana ny fanahy masina. (Matio 7:7-11) Anisan’ny vokatry ny fanahy ny fifaliana sy ny fiadanana. (Galatianina 5:22, 23) Ho maivamaivana tokoa isika rehefa tsapantsika fa mamaly ny vavaka ataontsika ilay Raintsika any an-danitra! Fifaliana no hisolo ny alahelo amin’izay, ary fiadanana no hisolo ny tebiteby.

15. Andinin-teny inona avy no afaka manampy mba hampihenana ny fanahiantsika?

15 Azo ampoizina ny hisian’ny fanahiana, rehefa tsy maintsy miaritra adin-tsaina mafy isika. Mety hihena anefa ny fanahiana sasany, fara faharatsiny, raha mitadidy an’izao tenin’i Jesosy izao isika: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo. ... Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:25, 33, 34) Mampirisika antsika koa ny apostoly Petera mba ‘hametraka izay rehetra mampanahy antsika amin’Andriamanitra, satria mikarakara antsika izy.’ (1 Petera 5:6, 7) Tsara àry ny miezaka hamaha olana. Ny vavaka anefa no hanampy antsika, fa tsy ny fanahiana, rehefa avy nanao izay azontsika atao isika. “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka”, hoy ny hiran’ny mpanao salamo.—Salamo 37:5.

16, 17. a) Nahoana isika no tsy afaka tanteraka amin’ny fanahiana? b) Hanana inona isika raha mampihatra ny Filipianina 4:6, 7?

16 Hoy i Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Mazava ho azy, fa tsy ho afaka tanteraka amin’ny fanahiana ny taranak’i Adama tsy lavorary. (Romanina 5:12) ‘Nampangidy’ ny fiainan’i Isaka sy Rebeka, ray aman-drenin’i Esao, ohatra, ireo Hetita vadin’i Esao. (Genesisy 26:34, 35) Tsy maintsy niteraka fanahiana ho an’ny Kristianina toa an-dry Timoty sy Trofimo, ny tsy fahasalamana. (1 Timoty 5:23; 2 Timoty 4:20) Nanana fanahiana momba ny mpiray finoana taminy koa i Paoly. (2 Korintianina 11:28) Eo foana anefa ilay “Mpihaino vavaka”, hanampy an’ireo tia azy.—Salamo 65:2.

17 Manohana sy mampahery antsika “ilay Andriamanitry ny fiadanana”, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah. (Filipianina 4:9) “Mamindra fo sy miantra” i Jehovah, “tsara sady mamela heloka” izy, ary ‘tsaroany fa vovoka isika.’ (Eksodosy 34:6; Salamo 86:5; 103:13, 14) Aoka àry isika ‘hampahafantatra aminy ny fangatahantsika’, satria hanana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika amin’izay. Tsy inona izany fa ilay fahatoniana izay tsy ho takatry ny sain’ny olombelona.

18. Ahoana no ahafahana “mahita” an’Andriamanitra, toy ny voalazan’ny Joba 42:5?

18 Fantatsika fa momba antsika i Jehovah, rehefa mahazo valim-bavaka isika. Rehefa avy niaritra fitsapana i Joba, dia nilaza taminy hoe: “Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao.” (Joba 42:5) Afaka misaintsaina ny fomba ikarakaran’Andriamanitra antsika isika, raha mahatakatra tsara ny zavatra ataony, sy manana finoana, ary mankasitraka azy. Toy ny “mahita” azy isika amin’izay, ary mihoatra noho ny hatramin’izay mihitsy aza. Hitondra fiadanam-po sy saina ho antsika tokoa ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah toy izany!

19. Inona no hitranga raha ‘apetratsika amin’i Jehovah avokoa izay rehetra mampanahy antsika’?

19 Raha ‘apetratsika amin’i Jehovah avokoa izay rehetra mampanahy antsika’, dia ho afaka hiaritra fitsapana isika noho ilay fahatoniana anaty izay miaro ny fontsika sy ny saintsika. Ho tsapantsika ao am-pontsika lalina ao, fa misinda ny tahotra sy ny tebiteby. Tsy ho sahiran-tsaina na hanahy intsony isika.

20, 21. a) Porofoin’ny tantaran’i Stefana fa afaka ny ho tony isika rehefa enjehina. Hazavao. b) Misy mpanompon’i Jehovah toy izany koa ankehitriny. Milazà ohatra.

20 Tony i Stefana mpianatra rehefa niaritra fitsapam-pinoana mafy. Samy nahita avokoa ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy “fa sahala amin’ny tarehin’anjely ny tarehiny”, talohan’ny nitoriany farany teo anatrehan’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 6:15) Tony toy ny an’ny anjely mpitondra hafatr’Andriamanitra, ny endriny. Rehefa nabaribarin’i Stefana fa meloka ho namono an’i Jesosy ireo mpitsara, dia ‘romotra tao am-pony tao izy ireo ka nihidy vazana taminy.’ “Feno fanahy masina” kosa i Stefana, “ary nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sady nahita an’i Jesosy nijoro teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.” Nahazo tanjaka i Stefana noho ilay fahitana, ka nahatoky mandra-pahatapitry ny ainy. (Asan’ny Apostoly 7:52-60) Afaka manana fahatoniana avy amin’Andriamanitra koa isika rehefa enjehina, na dia tsy mahazo fahitana aza.

21 Diniho ny fihetseham-pon’ny Kristianina sasany, izay novonoin’ny Nazia ho faty tamin’ny Ady Lehibe II. Hoy ny iray taminy momba ny zava-nitranga tamin’ny fitsarana azy: ‘Nomelohina ho faty aho. Nihaino aho, ary nilaza ny tenin’ny Tompo hoe: “Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao”, niampy teniny vitsivitsy hafa. Vita ny zava-drehetra taorian’izay. Aza manahy ny amin’izany anefa, satria manana fiadanan-tsaina sy fahatoniana, izay tsy ho azonareo sary an-tsaina akory aho!’ Nanoratra toy izao tamin’ny ray aman-dreniny koa ny tanora kristianina iray, talohan’ny nanapahana ny lohany: ‘Efa mihoatra ny misasakalina izao. Mbola manam-potoana hiovana hevitra aho. Kanefa, mbola mety hahita fahasambarana eto amin’ity tontolo ity ihany ve aho, rehefa avy nanda ny Tompontsika? Azo antoka fa tsia! Afaka matoky anefa ianareo izao fa ao anatin’ny fahasambarana sy ny fiadanan-tsaina no handaozako an’ity tontolo ity.’ Tsy isalasalana fa manohana ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah.

Afaka miaritra ianao!

22, 23. Inona no azonao antoka, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah amim-piaretana?

22 Angamba ianao tsy miatrika an’ireo zava-tsarotra nodinihintsika teo. Marina anefa ny an’i Joba, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, rehefa nilaza izy hoe: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Mety ho ray na reny miezaka mafy manome tari-dalana ara-baiboly ho an’ny zanakao angamba ianao. Miaritra fitsapana izy ireo any an-tsekoly, nefa azo antoka fa faly tokoa ianao rehefa mijoro tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny toro lalany izy ireo! Mety hiatrika zava-tsarotra sy fakam-panahy koa ianao any am-piasana. Azo atao anefa ny miaritra an’izany sy ny toe-javatra hafa, satria ‘mitondra ny entanao isan’andro’ i Jehovah.—Salamo 68:19.

23 Olona tsy dia miavaka loatra angamba no iheveranao ny tenanao. Tadidio anefa fa tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny asanao sy ny fitiavana asehonao ho an’ny anarany masina. (Hebreo 6:10) Afaka miaritra fitsapam-pinoana ianao, noho ny fanampiany. Ataovy antom-bavaka àry ny fanaovana ny sitrapony. Aza hadinoina koa izany amin’izay rehetra kasainao hatao. Afaka matoky ianao amin’izay fa hotahiny sy hotohanany, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah amim-piaretana.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana ny Kristianina no mila miaritra?

• Inona no afaka manampy antsika hiaritra aretina sy alahelo?

• Nahoana ny vavaka no manampy antsika hiaritra fitsapana?

• Nahoana no azo atao ny miandry ny andron’i Jehovah amim-piaretana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Ny fianteherana amin’i Jehovah no hanampy antsika hiaritra alahelo noho ny famoizana havan-tiana

[Sary, pejy 31]

Manampy antsika hiaritra fitsapam-pinoana ny vavaka avy amin’ny fo