Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mandeha Araka ny Fanahy’ Foana ve Ianao?

‘Mandeha Araka ny Fanahy’ Foana ve Ianao?

‘Mandeha Araka ny Fanahy’ Foana ve Ianao?

“Mandehana hatrany araka ny fanahy, dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy ianareo.”—GALATIANINA 5:16.

1. Inona no hanampy antsika tsy hanahy intsony hoe nanota tamin’ny fanahy masina?

TSY hanahy intsony isika hoe nanota tamin’ny fanahy masin’i Jehovah, raha manaraka ity tenin’ny apostoly Paoly ity: “Mandehana hatrany araka ny fanahy, dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny nofo mihitsy ianareo.” (Galatianina 5:16) Handresy ny fanirian-dratsin’ny nofo isika, raha manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra.—Romanina 8:2-10.

2, 3. Inona no soa raisintsika, raha mandeha hatrany araka ny fanahy isika?

2 Handrisika antsika hankatò an’i Jehovah ny hery ampiasainy, raha “mandeha hatrany araka ny fanahy” isika. Hiharihary fa manana ny toetran’Andriamanitra isika rehefa eny amin’ny fanompoana, eo anivon’ny fiangonana, ao an-trano, ary any an-toeran-kafa. Raha manana ny vokatry ny fanahy ny olona iray, dia ho hita eo amin’ny fifandraisany amin’ny vady aman-janany sy ny mpiray finoana ary ny olon-kafa izany.

3 Hitsahatra amin’ny ota isika ary tsy hanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka, raha miaina araka ny fanahy, mifanaraka amin’ny “fomba fihevitr’Andriamanitra.” (1 Petera 4:1-6) Inona koa no soa horaisintsika, raha mandeha hatrany araka ny fanahy isika?

Mifandray akaiky amin’Andriamanitra sy Kristy foana

4, 5. Ahoana no fiheverantsika an’i Jesosy, raha mandeha araka ny fanahy isika?

4 Afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra sy ny Zanany foana isika, raha mandeha araka ny fanahy. Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Korinto, momba ny fahaizana omen’ny fanahy: “Ampahafantariko anareo [mpanompo sampy taloha] fa tsy misy olona ampitenenin’ny fanahin’Andriamanitra ka milaza hoe: ‘Voaozona i Jesosy!’ Ary raha tsy amin’ny alalan’ny fanahy masina dia tsy misy afaka milaza hoe: ‘Jesosy no Tompo!’ ” (1 Korintianina 12:1-3) Tsy maintsy ho i Satana Devoly no mandrisika ny olona hanozona an’i Jesosy. Miaiky kosa ireo mandeha araka ny fanahy, fa i Jehovah no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty sy nanandratra azy ho ambonin’ny zavaboary hafa rehetra. (Filipianina 2:5-11) Mino ny sorom-panavotan’i Kristy isika ary manaiky fa i Jesosy no nofidin’Andriamanitra ho Tompontsika.

5 Nilaza ny olona sasany mitonona ho Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy tonga tamin’ny nofo i Jesosy, ilay Mesia. (2 Jaona 7-11) Nisy olona nanda ny fampianarana marina momba an’i Jesosy, noho io hevi-diso io. (Marka 1:9-11; Jaona 1:1, 14) Tsy ho voataona hivadi-pinoana toy izany isika, raha mandeha araka ny fanahy. Tsy maintsy mahalala tsara ny fampianarana marina isika, raha tiantsika ny hanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ‘handeha hatrany ao amin’ny fahamarinana.’ (3 Jaona 3, 4) Aoka àry isika ho tapa-kevitra handa ny fivadiham-pinoana, mba ho afaka hifandray tsara amin’ilay Raintsika any an-danitra foana.

6. Inona no toetra ananan’ireo mandeha araka ny fanahy?

6 Anisan’ny “asan’ny nofo” ny fanompoan-tsampy sy ny sekta, ary notanisain’i Paoly niaraka tamin’ny fijangajangana sy ny fitondran-tena mahamenatra. Hoy anefa izy: “Ny nofo, mbamin’ny filany mirehitra sy ny faniriany, dia efa nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, eny, nofantsihan’izay an’i Kristy Jesosy. Raha araka ny fanahy ny fomba fiainantsika, dia aoka koa isika hanaraka hatrany ny fitarihan’ny fanahy.” (Galatianina 5:19-21, 24, 25) Inona no toetra ananan’ireo miaina sy mandeha araka ny fanahy? Hoy i Paoly: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Galatianina 5:22, 23) Andeha isika handinika an’ireo vokatry ny fanahy ireo.

‘Mifankatia’

7. Inona no atao hoe fitiavana, ary inona no mampiavaka azy io?

7 Fitiavana. Matetika izy io no midika hoe firaiketam-po amin’ny olona iray sy fiahiana izay hahasoa azy. Milaza ny Soratra Masina hoe “Andriamanitra dia fitiavana”, satria izy no be fitiavana indrindra. Ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no anisan’ny manaporofo fa tena tian’Andriamanitra sy ny Zanany ny olombelona. (1 Jaona 4:8; Jaona 3:16; 15:13; Romanina 5:8) Ny fifankatiavana no amantarana ny mpanara-dia an’i Jesosy. (Jaona 13:34, 35) Tsy maintsy ‘mifankatia’ àry isika. (1 Jaona 3:23) Nilaza i Paoly fa mahari-po sy tsara fanahy ny fitiavana, sady tsy mialona, tsy mirehareha, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tena, tsy mora tezitra na mitana lolompo. Tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana izy io, fa mifaly noho ny fahamarinana kosa. Mandefitra ny zava-drehetra ny fitiavana, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra, ary tsy ho levona mandrakizay.—1 Korintianina 13:4-8.

8. Nahoana isika no tokony ho tia ny mpiray finoana amintsika?

8 Ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika, raha mamela ny fanahy masina hiasa eo amintsika. (Matio 22:37-39) Hoy ny apostoly Jaona: ‘Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana. Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.’ (1 Jaona 3:14, 15) Izay olona nahafaty ny namany nefa tsy nankahala ilay olona maty, no voaro tao amin’ny tanàna fandosirana, teo amin’ny Israely. (Deoteronomia 19:4, 11-13) Ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiray finoana ary ny olon-kafa isika, raha tarihin’ny fanahy.

‘Fiarovana mafy ny fifaliana avy amin’i Jehovah’

9, 10. Inona no atao hoe fifaliana, ary inona avy no antony mahafaly antsika?

9 Fifaliana. Haravoana avy ao am-po izy io. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1 Timoty 1:11; Salamo 104:31) Mahafinaritra an’i Jesosy ny manao ny sitrapon’ny Rainy. Ary ‘fiarovana mafy ho antsika ny fifaliana avy amin’i Jehovah.’—Nehemia 8:10; Salamo 40:8; Hebreo 10:7-9.

10 Raha manana ny fifaliana avy amin’Andriamanitra isika, dia tena hahafa-po antsika ny fanaovana ny sitrapony, na dia eo aza ny zava-tsarotra, fahoriana, na fanenjehana. Mahafaly tokoa ny “fahalalana an’Andriamanitra”! (Ohabolana 2:1-5) Lasa mifandray tsara amin’Andriamanitra isika, rehefa mahalala sy mino azy, ary mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. (1 Jaona 2:1, 2) Faly isika satria anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. (Zefania 3:9; Hagay 2:7) Mahafaly koa ny fanantenana momba ilay Fanjakana sy ny tombontsoa hitory ny vaovao tsara, ary ny fanantenana fiainana mandrakizay. (Matio 6:9, 10; 24:14; Jaona 17:3) Tena tokony “hifaly” isika noho izany fanantenana faran’izay tsara izany!—Deoteronomia 16:15.

Fiadanana sy fahari-po

11, 12. a) Inona no atao hoe fiadanana? b) Inona no vokatry ny fiadanan’Andriamanitra, eo amintsika?

11 Fiadanana. Midika hoe fahatoniana sy tsy fananana ahiahy izy io. Andriamanitry ny filaminana na fiadanana, ilay Raintsika any an-danitra. (1 Korintianina 14:33) Manome toky antsika ny Salamo 29:11 hoe: ‘Hitahy ny olony amin’ny fiadanana i Jehovah.’ Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako.” (Jaona 14:27) Inona no vokatr’izany teo amin’ny mpanara-dia azy?

12 Nampitony ny fo sy ny sain’ireo mpianany ny fiadanana nomen’i Jesosy, sady nampihena ny tahotr’izy ireo. Tena nahatsapa fiadanana izy ireo, rehefa nandray ny fanahy masina nampanantenain’i Jesosy. (Jaona 14:26) Manana ny “fiadanan’Andriamanitra” koa isika, rehefa tarihin’ny fanahy sy mahazo valim-bavaka. Mampitony ny fo sy ny saintsika izany. (Filipianina 4:6, 7) Ny fanahin’i Jehovah koa no manampy antsika hihavana amin’ny mpiray finoana amintsika sy ny olon-kafa.—Romanina 12:18; 1 Tesalonianina 5:13.

13, 14. Ahoana no ahitana fa mahari-po isika, ary nahoana isika no tokony hahari-po?

13 Fahari-po. Mifandray amin’ny fitiavana fihavanana izy io. Mahari-po isika raha miaritra fanaratsiana na toe-javatra mahasosotra, sady manantena fa mbola hihatsara ilay toe-javatra. Mahari-po Andriamanitra, ary toy izany koa i Jesosy. (Romanina 9:22-24) Mahasoa antsika ny fahari-pon’i Jesosy satria hoy i Paoly: ‘Nahazo famindram-po aho mba ho amin’ny alalako, izay lohany amin’ny mpanota, no hanehoan’i Kristy Jesosy ny fahari-pony rehetra, ka hahatonga ahy ho santionan’ny olona hino azy, eny, hino azy mba hahazoana fiainana mandrakizay.’—1 Timoty 1:16.

14 Manampy antsika hiaritra ny fahari-po, rehefa misy miteny na manao zavatra manafintohina. Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina mba “hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1 Tesalonianina 5:14) Tsy lavorary sy manao fahadisoana isika rehetra, ka tena tiantsika raha manam-paharetana sy mahari-po amintsika ny hafa rehefa manao zavatra tsy mety isika. Aoka àry isika hiezaka ‘hahari-po amim-pifaliana.’—Kolosianina 1:9-12.

Hatsaram-panahy sy fanaovan-tsoa

15. Inona no ataontsika raha tsara fanahy isika? Iza avy no manana an’io toetra io?

15 Hatsaram-panahy. Tsara fanahy isika raha mihevitra izay hahasoa ny hafa, ary mampiseho izany amin’ny teny sy ny atao. Samy tsara fanahy na i Jehovah na ny Zanany. (Romanina 2:4; 2 Korintianina 10:1) Tokony ho tsara fanahy ny mpanompon’Andriamanitra sy Kristy. (Kolosianina 3:12) Nanana an’io toetra io, na dia ny olona tsy nanompo an’Andriamanitra aza. (Asan’ny Apostoly 27:3; 28:2) Azo antoka àry fa afaka ny ho tsara fanahy isika, raha ‘mandeha hatrany araka ny fanahy.’

16. Milazà toe-javatra tokony hanehoantsika hatsaram-panahy.

16 Tokony ho tsara fanahy foana isika, na dia mahatezitra aza ny zavatra lazain’ny hafa na ny fihetsika tsy voahevitra ataony. Hoy i Paoly: ‘Tezera nefa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo, ary aza omena toerana ny Devoly. Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.’ (Efesianina 4:26, 27, 32) Ireo olona iharam-pitsapana indrindra no tokony hanehoantsika hatsaram-panahy. Mety hiharihary fa efa mitady hiala amin’ny lalan’ny ‘fahitsiana sy ny fahamarinana’ ny olona iray. Tsy tsara fanahy anefa ny anti-panahy raha tsy manome torohevitra ara-baiboly azy, satria fotsiny hoe tsy te handratra ny fihetseham-pony.—Efesianina 5:9.

17, 18. Inona no atao hoe fanaovan-tsoa? Inona no vokany raha manana an’io toetra io isika?

17 Fanaovan-tsoa. Hatsaran-toetra izy io, ary adika hoe hatsaram-panahy indraindray. Andriamanitra no tsara toetra indrindra. (Salamo 25:8; Zakaria 9:17) Tsara toetra sady tsara fitondran-tena i Jesosy. Tsy nety natao hoe “tsara” anefa izy, rehefa nisy niantso azy hoe “Mpampianatra tsara.” (Marka 10:17, 18) Fantany mantsy fa tsy misy tsara toa an’Andriamanitra.

18 Tsy mora amintsika ny manao ny tsara, noho isika nandova ota. (Romanina 5:12) Afaka manao ny tsara anefa isika, raha mangataka ny fanampian’Andriamanitra. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma: “Izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo hoe feno hatsaram-panahy koa ianareo, satria feno ny fahalalana rehetra ianareo.” (Romanina 15:14) Tokony ho “tia izay tsara” ny anti-panahy. (Titosy 1:7, 8) Raha tarihin’ny fanahy isika, dia ho fantatry ny mpiara-belona amintsika hoe olona tsara. Hahatsiaro antsika koa i Jehovah noho ny soa nataontsika.—Nehemia 5:19; 13:31.

“Finoana tsy mihatsaravelatsihy”

19. Inona no atao hoe finoana, araka ny Hebreo 11:1?

19 Finoana. “Fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina [izy io], ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Raha manam-pinoana isika, dia matoky fa ho tanteraka izay rehetra nampanantenain’i Jehovah. Manana finoana isika raha manana porofo fa misy ny zavatra iray na dia tsy hitantsika aza. Azo ampitovina amin’ny porofo mampiaiky àry ny finoana. Tena mino, ohatra, isika fa misy ny Mpamorona, satria hitantsika ny zavatra noforoniny. Hanana finoana matanjaka toy izany isika, raha mandeha hatrany araka ny fanahy.

20. Inona ilay ‘ota mora mamatopatotra antsika’, ary inona no tokony hataontsika raha te hanalavitra azy io?

20 Ny tsy fahampiam-pinoana no ‘ota mora mamatopatotra antsika.’ (Hebreo 12:1) Tokony hiantehitra amin’ny fanahin’Andriamanitra isika, raha te hanalavitra ny zavatra manimba finoana, toy ny asan’ny nofo, ny fitiavan-karena, ary ny fampianaran-diso. (Kolosianina 2:8; 1 Timoty 6:9, 10; 2 Timoty 4:3-5) Ny fanahin’Andriamanitra no manampy ny Kristianina ankehitriny, mba hanana finoana toy ny an’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny. (Hebreo 11:2-40) Hanatanjaka ny finoan’ny hafa koa ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” ananantsika.—1 Timoty 1:5; Hebreo 13:7.

Fahalemem-panahy sy fifehezan-tena

21, 22. Inona no atao hoe malemy fanahy, ary nahoana isika no tokony hanana io toetra io?

21 Fahalemem-panahy. Malemy paika sy tsy masiaka no atao hoe malemy fanahy. Anisan’ny toetran’Andriamanitra izy io. Nalemy fanahy mantsy i Jesosy, izay nanahaka tanteraka ny toetran’i Jehovah. (Matio 11:28-30; Jaona 1:18; 5:19) Ary ahoana kosa ny amintsika mpanompon’Andriamanitra?

22 Kristianina isika ka tokony ‘halemy fanahy amin’ny olona rehetra.’ (Titosy 3:2) Tokony halemy fanahy isika rehefa manompo. Ampirisihina ireo olona araka ny fanahy, mba hananatra “amim-pahalemem-panahy” ny Kristianina nanao fahadisoana. (Galatianina 6:1) Hiray saina sy hihavana ny Kristianina raha samy ‘manetry tena sy malemy fanahy.’ (Efesianina 4:1-3) Halemy fanahy isika raha mandeha hatrany araka ny fanahy sady manana fifehezan-tena.

23, 24. Hanakana antsika tsy hanao inona ny fifehezan-tena?

23 Fifehezan-tena. Manakana antsika tsy hieritreri-dratsy na hanao zavatra tsy mety na hiteniteny foana izy io. “Nanindry fo” na nifehy tena i Jehovah rehefa nahita ny zavatra nataon’ny Babylonianina, izay nandrava an’i Jerosalema. (Isaia 42:14) ‘Nanome modely ho antsika’ koa ny Zanany, rehefa nifehy tena ka niaritra fahoriana. Hoy koa ny apostoly Petera tamin’ny mpiray finoana taminy: ‘Ampio fifehezan-tena ny fahalalanareo.’—1 Petera 2:21-23; 2 Petera 1:5-8.

24 Tokony hahay hifehy tena ny anti-panahy. (Titosy 1:7, 8) Afaka mifehy tena izay rehetra tarihin’ny fanahy masina. Hanakana antsika tsy ho ratsy fitondran-tena na hiteny ratsy na hanao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah àry io toetra io. Hiharihary eo amin’ny tenintsika sy ny ataontsika fa manana fifehezan-tena isika, raha manaiky hotarihin’ny fanahy.

Aoka ianao handeha hatrany araka ny fanahy

25, 26. Hanao ahoana ny fifandraisantsika amin’ny hafa, raha mandeha araka ny fanahy isika? Hanao ahoana koa isika amin’ny hoavy?

25 Hazoto hitory ilay Fanjakana isika, raha mandeha araka ny fanahy. (Asan’ny Apostoly 18:24-26) Ho tia miaraka amintsika ny olona, indrindra fa ireo mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hampahery an’ireo mpiray finoana amintsika isika, raha tarihin’ny fanahy masina. (Filipianina 2:1-4) Tsy irintsika rehetra ve ny ho toy izany?

26 Tsy mora ny mandeha araka ny fanahy, eto amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Olona an-tapitrisany anefa no manao izany ankehitriny. Raha mitoky amin’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra isika, dia ho afaka hankafy fiainana na dia ankehitriny aza, ary handeha eo amin’ny lalan’ny fahamarinana mandrakizay.—Salamo 128:1; Ohabolana 3:5, 6.

Ahoana no Havalinao?

• Hanao ahoana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny Zanany, raha ‘mandeha araka ny fanahy’ isika?

• Inona avy ireo vokatry ny fanahy?

• Ahoana no ahitana fa manana ireo vokatry ny fanahy ireo isika?

• Inona no vokany dieny izao sy amin’ny hoavy, raha mandeha araka ny fanahy isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Mandrisika antsika ho tia ny mpiray finoana amintsika ny fanahy masin’i Jehovah

[Sary, pejy 24]

Tokony ho tsara fanahy isika ary hampiseho izany amin’ny teny sy ny atao