Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mandehana Misasa any Amin’ny Dobon’i Siloama”

“Mandehana Misasa any Amin’ny Dobon’i Siloama”

“Mandehana Misasa any Amin’ny Dobon’i Siloama”

NASIAN’I Jesosy tanimanga mando ny mason’ny lehilahy iray jamba. Hoy izy avy eo: “Mandehana misasa any amin’ny dobon’i Siloama.” Nandeha ilay lehilahy, ary “nahiratra ny masony rehefa niverina izy.” (Jaona 9:6, 7) Taiza no nisy an’io Dobon’i Siloama io? Nisy fikarohana ambanin’ny tany natao vao haingana, ka nahazoana fanazavana vaovao.

Mpizaha tany maro no nitsidika toerana iray any Jerosalema, atao hoe Dobon’i Siloama. Noheverina mantsy fa io ilay dobo voalazan’ny Jaona 9:7. Eo amin’ny fidirana amin’ny tionelin’i Hezekia no misy azy io. Efa tamin’ny taonjato fahavalo T.K. no vita ilay tionelin-drano, izay mirefy 530 metatra. Ilay dobo kosa vita tamin’ny taonjato fahefatra A.K. “Kristianina” avy any Byzance no nanorina azy io. Nihevitra mantsy izy ireo fa teo amin’ny fidirana amin’ilay tionelina, no nisy an’ilay dobo resahin’ny Filazantsaran’i Jaona.

Hitan’ny mpikaroka anefa tamin’ny 2004, ilay tena Dobon’i Siloama tamin’ny andron’i Jesosy. Tokotokony ho 100 metatra eo atsimoatsinanan’ilay noheverina fa nisy azy izy io. Ahoana no nahitana izany? Nisy fantson-drano nila namboarina tao amin’ilay toerana, ka nandefa mpiasa sy fitaovana lehibe tany ny manam-pahefana. Nisy mpikaroka ambanin’ny tany niasa teo akaiky teo, ka nijery izay nataon’izy ireo. Nahita zanatohatra roa anefa izy rehefa nihady lavaka ireo mpiasa. Najanona àry ilay asa, ary navelan’ny manam-pahefana israelianina hanaovana fikarohana ilay toerana. Efa voahady ny zorony roa amin’ilay dobo, sy ny lafiny iray mirefy 70 metatra.

Nisy vola madinika hita tao amin’ilay toerana. Nampiasaina tamin’ny taona faharoa sy fahatelo ary fahefatra nikomian’ny Jiosy tamin’ny Romanina izy ireny. Tamin’ny taona 66 ka hatramin’ny 70 ilay fikomiana. Hita àry fa mbola nampiasaina ilay dobo, hatramin’ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70. Hoy ny gazety Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy): “Rehefa nifarana ilay fikomiana, vao tsy nisy nampiasa intsony ilay dobo. Tsy nisy nipetraka intsony tany, raha tsy efa tonga ny olona avy any Byzance. Ny faritra misy ilay dobo no iva indrindra any Jerosalema. Rehefa avy ny orana, dia nitondra fotaka nankao amin’ilay dobo ny riaka, ary niampy foana izany isan-taona. Tsy nisy nanadio intsony izy io, taorian’ny nandravan’ny Romanina an’ilay tanàna. Nitombo ihany ny fotaka, ka difotra tanteraka ilay dobo rehefa afaka taonjato maro. Nihady tany telo metatra teo ho eo ny mpikaroka, vao hita ilay izy.”

Nahoana ny mpianatra ny Baiboly tso-po no te hahafantatra ny toerana nisy ny Dobon’i Siloama? Satria manampy azy ireo hahalala kokoa momba an’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany izany. Imbetsaka mantsy io tanàna io no voatonona ao amin’ny Filazantsara, amin’ireo fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany.

[Sary, pejy 7]

Ilay Dobon’i Siloama hita vao haingana

[Sary nahazoan-dalana]]

© 2003 BiblePlaces.com