Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaro Antsika ny Fahendrena

Miaro Antsika ny Fahendrena

Miaro Antsika ny Fahendrena

“TSARA ny mahazo fahendrena noho ny volamena, ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.” Izany no voalazan’ny Ohabolana 16:16. Nahoana no sarobidy toy izany ny fahendrena? Satria “fialokalofana [na fiarovana] ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12) Nahoana anefa no miaro ny ain’ny manana azy ny fahendrena?

Mahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra isika, rehefa mandray fahalalana marina tsara avy ao amin’ny Baiboly sy mampihatra izany. Manampy antsika handeha amin’ny lalana tian’i Jehovah io fahendrena io. (Ohabolana 2:10-12) Hoy i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny: “Ny manalavitra ny ratsy no làlamben’ny marina, ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.” (Ohabolana 16:17) Manalavitra ny lalan’ny ratsy fanahy àry izay manana fahendrena, ka voaro ny ainy! Mivantana sy feno fahendrena ireo teny ao amin’ny Ohabolana 16:16-33. Asehon’izy ireo fa misy vokany tsara eo amin’ny toetrantsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika, ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. *

‘Manetre tena’

Aseho ho toy ny olona ny fahendrena, ka milaza hoe: “Ny fiavonavonana sy ny fireharehana ... dia samy halako avokoa.” (Ohabolana 8:13) Mifanohitra tanteraka ny fireharehana sy ny fahendrena. Mila maneho fahendrena isika, ka hitandrina mba tsy hanambony tena na hieboebo. Tokony hitandrina indrindra isika, raha nahomby tamin’ny lafin-javatra sasany na nahazo tombontsoam-panompoana eo anivon’ny fiangonana.

Mampitandrina ny Ohabolana 16:18 hoe: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” Ny fahalavoana lehibe indrindra hatramin’izay, dia ny an’i Satana Devoly. Anjely lavorary mantsy izy tamin’ny voalohany, nefa naetry ka natsipy tetỳ an-tany. (Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9) Nirehareha ve izy talohan’ny nahalavoany? Izany tokoa. Manamafy izany ny Baiboly rehefa milaza fa tsy tokony ho zazavao amin’ny finoana no tendrena ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, “sao izy hirehareha ka ho latsaka ao amin’ny fanamelohana ny Devoly.” (1 Timoty 3:1, 2, 6) Tena mila mitandrina àry isika, mba tsy hirehareha na hanao izay hampirehareha ny hafa!

“Tsara ny malemy fanahy ao amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona”, hoy ny Ohabolana 16:19. Torohevitra tsara tokoa izany, raha jerena ny tantaran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona fahiny. Nirehareha erỳ izy nanangana sariolona goavam-be, teo amin’ny lemak’i Dora. Mety ho sariny ihany ilay izy. Napetraka teo ambony andry avo be angamba ilay sarivongana, matoa nahatratra 27 metatra ny haavony. (Daniela 3:1) Natao ho famantarana sy reharehan’ny fanjakan’i Nebokadnezara io sariolona goavam-be io. Mety hanaitra ny olona tokoa ny sarivongana lehibe sady avo toy izany, sy ireo tsangambato na tilikambo na tranobe manaka-danitra. Tsy manaitra an’Andriamanitra anefa izy ireny. Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra, ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.” (Salamo 138:6) Raha ny marina mantsy, “izay ataon’ny olona ho ambony dia maharikoriko kosa eo imason’Andriamanitra.” (Lioka 16:15) Aleo àry ‘mikatsaka zavatra tsotra’, toy izay “mihevitra zavatra ambony loatra.”—Romanina 12:16.

Mitenena amim-pahendrena ary mahaiza mandresy lahatra

Inona no vokatry ny fahendrena eo amin’izay lazaintsika? Hoy ilay mpanjaka hendry: “Izay mandinika ny teny no hahita soa; ary izay matoky an’i Jehovah no ho sambatra. Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, ary ny hamamian’ny molotra mampandroso fahendrena. Loharanon’aina ny fahazavan-tsaina amin’izay manana izany; fa ny famaizana ataon’ny adala dia fahadalana ihany. Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany sady manampy fahendrena eo amin’ny molony”, izany hoe maharesy lahatra ny zavatra lazainy.—Ohabolana 16:20-23.

Ny fahendrena no mahatonga antsika ho lalin-tsaina sy hahay handresy lahatra rehefa miteny. Nahoana? Satria ny hendry am-po dia miezaka “hahita soa”, izany hoe mitady izay tsara, sady “matoky an’i Jehovah.” Hilaza teny fiderana ny hafa isika, raha miezaka mitady izay tsara ao aminy. Hanao teny mamy sy maharesy lahatra isika amin’izay, fa tsy hasiaka na hila ady. Raha mandinika izay mahazo ny hafa isika, dia hahatakatra ny zava-tsarotra manjo azy ireo sy ny fomba iatrehany izany.

Tena ilaintsika koa ny miteny amim-pahendrena, rehefa mitory sy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ny hanome fahalalana momba ny Soratra Masina fotsiny mantsy no tanjontsika, fa ny hanohina ny fon’ny olona. Tokony hahay handresy lahatra àry isika. Nampirisika an’i Timoty mpiara-miasa taminy ny apostoly Paoly, mba haharitra amin’ny zavatra ‘nandresen-dahatra azy ka inoany.’—2 Timoty 3:14, 15.

Manazava ny dikan’ny hoe “mandresy lahatra” ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy), nataon’i W. Vine. Voalaza ao fa izy io dia midika hoe “mampiova hevitra amin’ny alalan’ny fampisaintsainana, na fampieritreretana momba izay tsara sy ratsy.” Tokony hanome porofo mampiaiky isika, mba hampiova hevitra ny mpihaino antsika. Mila takatsika anefa aloha ny fomba fisainany, ny mahaliana azy, ny toe-javatra iainany, ary ny fanabeazana azony. Ahoana no hahalalantsika izany rehetra izany? Mamaly izany i Jakoba mpianatra hoe: ‘Aoka ianao ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.’ (Jakoba 1:19) Tokony hanao izay hiresahan’ilay olona àry isika, ka hihaino tsara izay lazainy, mba hahalalantsika ny ao am-pony.

Tena nahay nandresy lahatra ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 18:4) I Demetrio mpanefy volafotsy aza anisan’ny mpanohitra azy, nefa niaiky hoe: “Tsy teto Efesosy ihany fa saika eran’ny faritr’i Azia mihitsy io Paoly io no nandresy lahatra vahoaka maro sy nampiova hevitra azy.” (Asan’ny Apostoly 19:26) Nilaza ve i Paoly fa noho ny fahaizany manokana no nahavitany izany? Tsia! Noraisiny ho toy ny ‘fampisehoana ny fiasan’ny fanahy masina sy ny herin’Andriamanitra’ kosa ny fitoriany. (1 Korintianina 2:4, 5) Mahazo ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah koa isika ankehitriny. Matoky an’i Jehovah isika, ka azontsika antoka fa hanampy izy rehefa miezaka hiteny amim-pahendrena sy hahay handresy lahatra isika, eny amin’ny fanompoana.

Tsy mahagaga raha lazaina hoe “manan-tsaina” na mahira-tsaina “izay hendry am-po.” (Ohabolana 16:21) “Loharanon’aina” ho an’ny manana azy tokoa ny fahazavan-tsaina! Ahoana kosa ny amin’ireo tsy manana azy io? Ny adala “manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.” (Ohabolana 1:7) Inona no vokany rehefa mandà ny famaizan’i Jehovah izy ireo? Hoy i Solomona, araka ny voalaza tetsy aloha: “Ny famaizana ataon’ny adala dia fahadalana ihany.” (Ohabolana 16:22) Vao mainka mahazo famaizana izy ireo, ary matetika izany no sazy henjana. Mety hampidi-doza ny tenany ny adala, ka ho afa-baraka, na hahazo aretina, ary mety ho faty mihitsy aza.

Misy vokany tsara hafa eo amin’izay lazaintsika koa ny fahendrena. Hoy ihany ilay mpanjakan’ny Israely momba izany: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny aina no manasitrana ny taolana.” (Ohabolana 16:24) Mampahery sy mamelombelona ny teny mahafinaritra, toy ny tantely izay sady mamy no mamelombelona ny olona noana. Mahasalama koa ny tantely, ary azo atao fanafody. Toy izany ny teny mahafinaritra, satria mahasalama eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Ohabolana 24:13, 14.

Mitandrema amin’ny ‘lalana toa mahitsy’

Hoy i Solomona: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 16:25) Mampitandrina antsika amin’ny hevi-diso sy fomba fiaina mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. Misy lalana mety ho toa tsara araka ny fihevitry ny olona tsy lavorary, nefa tena mifanohitra amin’ny toro lalana marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mamitaka koa i Satana, ka mety hitarika ny olona ho amin’ny lalana heveriny ho tsara, nefa miafara amin’ny fahafatesana.

Inona àry no tena afaka miaro antsika mba tsy hamita-tena? Tsy misy afa-tsy ny fo hendry sy mahay mandinika, ary ny feon’ny fieritreretana tarihin’ny Tenin’Andriamanitra. Mila mitandrina isika mba tsy hamita-tena rehefa hanapa-kevitra mifandray amin’ny fitondran-tena, na fanompoana, na zavatra hafa. Tokony hotarihin’ny fitsipik’Andriamanitra isika, satria izany no fomba tsara indrindra tsy hahavoafitaka antsika.

“Ny hanoanana no mahatonga ny mpiasa hiasa”

Hoy ihany ilay mpanjaka hendry: “Ny fahanoanan’ny mpiasa dia mampiasa azy, fa ny tendany no manesika azy.” (Ohabolana 16:26) Ny tian’i Solomona holazaina dia hoe manosika ny mpiasa hiasa mafy ny hanoanany, satria tsy maintsy manao izany izy raha te hihinana. Izao no lazain’ny Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara: “Ny hanoanana no mahatonga ny mpiasa hiasa, satria ny fanirian-kanina no manesika azy.” Mety hanosika antsika hanao zavatra tsara ny faniriana ara-dalàna, toy ny hanoanana. Mahasoa ny faniriana toy izany. Raha tafahoatra anefa ny faniriana ara-dalàna, dia lasa faniriana tsy mety afa-po. Inona no vokany? Izany dia toy ny afo kely natao handrahoana sakafo, nefa nitatra ka nandoro tanety. Tena manimba tokoa ny faniriana tsy voafehy. Fantatry ny hendry ny loza mety haterak’izany. Miezaka mifehy tena foana àry izy, na ara-dalàna aza ny faniriany.

Aza mandeha amin’ny ‘lalana tsy tsara’

Mety hisy vokany faran’izay ratsy toy ny afo midedadeda ny teny lazaina. Tena ho loza ny vokany raha mitsingoloka ny fahadisoan’ny hafa isika, ka mifosafosa azy ireo. Hoy i Solomona: “Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ny molony. Ny mpivadibadika mamafy ady; ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.”Ohabolana 16:27, 28.

“Ratsy fanahy” ny olona manao izay haharatsy laza ny namany. Tokony hiezaka hitady ny toetra tsaran’ny hafa kosa isika, ka izay hahatonga azy hohajain’ny olona no holazaintsika. Ary mety ve ny mihaino olona mifosa ny hafa? Mahatonga antsika hifampiahiahy tsy amin’ny antony ny resaka toy izany, ka mampiady ny mpinamana sy tsy mampiray saina ny fiangonana. Hendry isika raha tsy mihaino ny mpifosafosa.

Mampitandrina i Solomona hoe misy olona mety hitaona antsika hanao ratsy. Hoy izy: “Ny lozabe mitaona ny namany ka mitarika azy amin’ny làlana tsy tsara. Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.”Ohabolana 16:29, 30.

Mety ho voatarika ho lozabe na ho tia herisetra ve ny mpanompon’Andriamanitra? Maro ankehitriny no ‘mieritreri-dratsy’, izany hoe manao teti-dratsy, ka mampandroso ny herisetra na manao asa feno herisetra mihitsy. Azo inoana fa tsy handray anjara mivantana amin’ny herisetra isika. Mety ho voatarika handray anjara an-kolaka amin’izany ve anefa isika? Olona an-tapitrisany no manjary mankafy fialam-boly na fanatanjahan-tena feno herisetra. Mazava anefa ny fampitandreman’ny Soratra Masina: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Miaro antsika tokoa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra!

Misy olona naneho fahendrena sy fahazavan-tsaina foana nandritra ny androm-piainany, sady tsy nandeha tamin’ny ‘lalana tsy tsara.’ Mendrika hohajaina izy ireny. Tsara eo imason’Andriamanitra ny fiainany, satria nanaraka ny fahamarinana izy. Hoy ny Ohabolana 16:31: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.”

Tena ratsy kosa ny fahatezerana tsy voafehy. Izany no nahavoa an’i Kaina, lahimatoan’i Adama sy Eva. “Tezitra indrindra” tamin’i Abela rahalahiny izy, ka “namono azy.” (Genesisy 4:1, 2, 5, 8) Mety hisy antony marim-pototra mahatezitra antsika indraindray. Tsy maintsy mitandrina anefa isika sao tsy ho voafehy ny fahatezerantsika. Milaza mazava ny Ohabolana 16:32 hoe: “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” Tsy misy maha tsara azy ny fahatezerana tsy voafehy, sady tsy midika hoe be herim-po ianao. Fahalemena kosa izy io, ary mety ‘hitarika antsika amin’ny lalana tsy tsara.’

‘Avy amin’i Jehovah ny fitsarana’

Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; fa avy amin’i Jehovah ihany no isehoan’ny fitsarany.” (Ohabolana 16:33) Tamin’ny alalan’ny filokana na antsapaka indraindray no nampahafantaran’i Jehovah ny sitrapony, teo amin’ny Israely fahiny. Vatokilonjy na takela-bato na hazo fisaka no natao antsapaka. Noresahina tamin’i Jehovah aloha ilay raharaha, mba hanehoany ny heviny. Taorian’izay, dia natsipy tao anaty lamba nihorona ireo vato na hazo, ary natao antsapaka avy eo. Nekena hoe avy tamin’Andriamanitra izay valiny azo.

Tsy mampahafantatra ny heviny amin’ny alalan’ny antsapaka intsony i Jehovah ankehitriny. Amin’ny alalan’ny Teniny kosa no anambarany izany amin’ny olony. Tena ilaina ny fahalalana marina tsara ny Baiboly, mba hahazoana fahendrena. Aza avela hisy andro iray handalo fotsiny àry, ka tsy hamakianao ny Soratra Masina.—Salamo 1:1, 2; Matio 4:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Sary, pejy 8]

Nahoana ny fahendrena no tsara noho ny volamena?

[Sary, pejy 9]

Ahoana no hahaizanao mandresy lahatra, eny amin’ny fanompoana?

[Sary, pejy 10]

“Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana”

[Sary, pejy 11]

Mitarika ny olona ‘amin’ny lalana tsy tsara’ ny fahatezerana tsy voafehy

[Sary, pejy 12]

Mamitaka ny herisetra